Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tian’i Jehovah ny Olona Manana Finoana

Tian’i Jehovah ny Olona Manana Finoana

‘Tahafo ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo nanana finoana sy faharetana.’—HEB. 6:12.

HIRA: 86, 54

1, 2. Inona ny olana natrehin’i Jefta sy ny zanany vavy?

NANDEHA niady ny lehilahy iray. Efa tsindrian-daona erỳ ny zanany vavy niandry azy. Tonga ihany izy nony farany, ka nihazakazaka nitsena azy ilay tovovavy sady nandihy sy nihira. Nandresy mantsy izy na dia be dia be aza ny fahavalony. Ilay dadany kosa nandrovitra ny akanjo avy nentiny niady, ary nilaza hoe: “Indrisy, ry zanako vavy! Nampitanondrika ahy tokoa ianao.” Nisy voady nataony tamin’i Jehovah mantsy, ary hanova tanteraka ny fiainan’ilay zanany ilay izy satria tsy ho afaka hanambady sy hanan-janaka izy. Tsy nisalasala mihitsy anefa ilay tovovavy, fa tonga dia nampirisika ny dadany hitana ny teniny. Tena nanam-pinoana izy. Natoky izy fa tena hahasoa azy izay rehetra ampanaovin’i Jehovah. (Mpits. 11:34-37) Faly be ny dadany nahita hoe vonona hanohana azy ilay zanany. Tena tian’i Jehovah mantsy izany.

2 Tsy iza izy ireo fa i Jefta sy ny zanany vavy. Natoky izy mianaka hoe mety foana ny zavatra ataon’i Jehovah. Niantehitra taminy izy ireo, na dia tsy mora aza izany. Nino izy ireo fa tsy matiantoka na inona na inona zavatra afoiny, satria hankasitraka azy i Jehovah.

3. Nahoana no mahasoa antsika ny mandinika ny tantaran’i Jefta sy ny zanany vavy?

3 Sarotra tokoa indraindray ny hoe hatoky an’i Jehovah foana. Tsy maintsy ‘miady mafy hiaro ny finoana’ mantsy isika. (Joda 3) Inona àry no hanampy antsika? Hodinihintsika ny nataon’i Jefta sy ny zanany vavy rehefa nisy olana, ary izay nanampy azy ireo hatoky an’i Jehovah foana.

AZA MIVADIKA MIHITSY NA DIA MANAO RATSY AZA NY OLONA

4, 5. a) Inona no nasain’i Jehovah nataon’ny Israelita, tamin’izy ireo efa ho tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina? b) Araka ny Salamo 106, inona no vokany rehefa nikomy ny Israelita?

4 Nivadika tamin’i Jehovah ny Israelita, ary azo antoka fa nahita ny voka-dratsin’izany i Jefta sy ny zanany vavy isan’andro. Nilaza tamin’ny Israelita i Jehovah, efa ho 300 taona talohan’izay, fa tokony haringana daholo ireo Kananita mpanompo sampy tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Deot. 7:1-4) Tsy nankatò an’izany anefa izy ireo. Maro àry no lasa nanao ny fanaon’ny Kananita, ka nanompo sampy sy nijangajanga.—Vakio ny Salamo 106:34-39.

5 Nahatezitra an’i Jehovah izany, ka tsy niaro sy tsy nikarakara azy ireo intsony izy. (Mpits. 2:1-3, 11-15; Sal. 106:40-43) Azo antoka fa sarotra tamin’ireo olona mbola nanompo an’i Jehovah ny tsy hivadika taminy mihitsy. Milaza anefa ny Baiboly fa nisy olona nahavita an’izany, ohatra hoe i Jefta sy ny zanany vavy, Elkana, Hana, ary Samoela. Niezaka nampifaly an’i Jehovah izy ireo.—1 Sam. 1:20-28; 2:26.

6. Inona no mampiavaka ny olona ankehitriny, ary inona no tokony hataontsika?

6 Hita amin’ny toe-tsain’ny olona ankehitriny sy ny fanaony fa mitovy amin’ny Kananita fahiny izy ireo. Tia herisetra sy zavatra vetaveta izy ireo, sady tia mikatsaka harena. Efa nampitandrina i Jehovah hoe tsy tokony hanahaka ny Kananita ny Israelita. Mampitandrina antsika koa izy mba tsy hanahaka an’ity tontolo ity. Hikomy toa an’ireo Israelita ve isika sa hankatò azy? (1 Kor. 10:6-11) Tokony hiezaka mafy isika mba tsy hanana ny toe-tsain’ity tontolo ity intsony. (Rom. 12:2) Miezaka manao an’izany ve ianao?

MANOMPOA FOANA AN’I JEHOVAH NA DIA DISO FANANTENANA AZA

7. a) Inona no nataon’ny Israelita sasany tamin’i Jefta? b) Inona no nataon’i Jefta?

7 Nampijalin’ny Filistinina sy ny Amonita ny Israelita tamin’ny andron’i Jefta, noho izy ireo tsy nankatò an’i Jehovah. (Mpits. 10:7, 8) Tsy izany ihany anefa no niaretan’i Jefta. Nialona sy nankahala azy koa ny rahalahiny sy ny anti-panahy sasany teo amin’ny Israely, ka nandroaka azy niala tao amin’ny taniny. Tsy tian’izy ireo hahazo lova mantsy izy, na dia zony aza izany noho izy lahimatoa. (Mpits. 11:1-3) Tsy nampiova ny toe-tsain’i Jefta anefa izany. Tsy namaly faty izy fa nanampy an’ireo anti-panahin’ny Israely, rehefa nila vonjy izy ireo. (Mpits. 11:4-11) Nahoana izy no nanana toe-tsaina tsara hoatr’izany?

8, 9. a) Inona ny toro lalana nety ho nanampy an’i Jefta? b) Inona no tena zava-dehibe tamin’i Jefta?

8 Miaramila natanjaka be i Jefta. Nahay tsara ny zavatra nataon’i Jehovah tamin’ny vahoakany koa izy. Fantany tsara àry hoe inona no tian’i Jehovah sy tsy tiany. (Mpits. 11:12-27) Nahalala tsara ny toro lalana tao amin’ny Lalàn’i Mosesy koa izy, ka nisy vokany tamin’ny toe-tsainy izany. Fantany, ohatra, hoe tsy tian’i Jehovah hitana lolompo ny vahoakany, fa tiany hifankatia. Nianaran’i Jefta tao amin’ny Lalàna koa fa tsy maintsy manampy ny hafa izy. Tsy maintsy ampiany na dia ireo olona “mankahala” azy aza.—Vakio ny Eksodosy 23:5; Levitikosy 19:17, 18.

9 Teo koa ny tantaran’ireo mpanompon’i Jehovah hafa, ohatra hoe i Josefa. Namindra fo tamin’ny rahalahiny izy, na dia “nankahala azy” aza izy ireo. (Gen. 37:4; 45:4, 5) Mety ho nisaintsaina an’ireny tantara ireny i Jefta, ka nanampy azy hampifaly an’i Jehovah foana izany. Azo antoka fa nalahelo be izy noho ny nataon’ny rahalahiny. Nanompo an’i Jehovah sy nanampy ny Israelita foana anefa izy. (Mpits. 11:9) Ny hiaro ny anaran’i Jehovah no tena zava-dehibe taminy, fa tsy ny olana natrehiny. Nanam-pinoana foana i Jefta, ka notahin’i Jehovah izy sy ny Israelita.—Heb. 11:32, 33.

10. Inona no hataontsika raha manahaka an’i Jefta isika?

10 Inona no ianarantsika avy amin’i Jefta? Nisy mpiara-manompo nandiso fanantenana anao na ratsy toetra taminao ve, ka lasa tsy te hivory ianao na tsy te hanompo na tsy te hiaraka firy amin’ny fiangonana? Tsy tokony hanao an’izany ianao. Tahafo i Jefta, ka ankatoavy ny toro lalan’i Jehovah rehefa misy olana. Ho modely ho an’ny hafa foana ianao amin’izay.—Rom. 12:20, 21; Kol. 3:13.

MANAM-PINOANA ISIKA RAHA MAHAFOY TENA

11, 12. Inona ilay voady nataon’i Jefta, ary inona no tiany hatao tamin’ilay izy?

11 Fantatr’i Jefta fa tsy ho vitany ny hanavotra ny Israelita amin’ny Amonita, raha tsy ampian’i Jehovah izy. Nivoady àry izy hoe raha hataon’i Jehovah mandresy izy, dia hatolony ho “fanatitra dorana” izay olona voalohany mivoaka ny tranony mba hitsena azy. (Mpits. 11:30, 31) Inona no tiany holazaina?

12 Nomena manontolo ho an’i Jehovah ny fanatitra dorana, araka ny Lalàn’i Mosesy. Tsy nieritreritra ny handoro olona mihitsy anefa i Jefta, satria maharikoriko an’i Jehovah ny manao sorona olona. (Deot. 18:9, 10) Ny tiany hatao àry dia hoe hatokana hanompo an’i Jehovah ilay olona. Midika izany fa hanompo ao amin’ny tranolay masina izy io mandritra ny androm-piainany. Nanaiky an’ilay voady i Jehovah, ka nataony nandresy tanteraka an’ireo fahavalony i Jefta. (Mpits. 11:32, 33) Iza anefa, hoy ianao, no nitsena azy ka tsy maintsy natolony ho “fanatitra dorana”?

13, 14. Inona no ianarantsika momba an’i Jefta, araka ny Mpitsara 11:35?

13 Aleo hiverenantsika ilay zava-nitranga terỳ aloha. Ilay zanany vavitokana tsy foiny no nitsena an’i Jefta tamin’izy avy niady. Halefany hanompo any amin’ny tranolay masina mandritra ny androm-piainany tokoa àry ve izao ilay zanany?

14 Azo antoka fa nanampy an’i Jefta hahay hanapa-kevitra indray tamin’izay ny zavatra nianarany tao amin’ny Lalàn’Andriamanitra. Tadidiny angamba fa milaza ny Eksodosy 23:19 hoe tokony hanome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah ny vahoakany. Milaza koa ny Lalàna fa tsy maintsy manatanteraka ny voady nataony ny olona iray. Hoy ny Nomery 30:2: ‘Raha mivoady amin’i Jehovah ny olona iray, dia tsy mahazo mivadika amin’ny teniny izy, fa tokony hotanterahiny izay rehetra naloaky ny vavany.’ Nanatanteraka ny voady nataony, ohatra, i Hana, izay azo inoana fa velona tamin’ny andron’i Jefta. Tsy maintsy nanatanteraka ny voady nataony koa àry i Jefta, na dia efa fantany aza ny ho vokatr’izany aminy sy amin’ilay zanany. Tsy nanan-janaka afa-tsy io izy, ka io no mba nantenainy handimby ny anarany sy handova azy. (Mpits. 11:34) Tsy nivadika tamin’ny teniny anefa i Jefta. Hoy izy: “Efa niloa-bava tamin’i Jehovah aho, ka tsy afaka mivadika amin’ny teniko.” (Mpits. 11:35) Tsy nivadika mihitsy izy na dia voatery namoy zavatra be aza, ka faly i Jehovah ary nitahy azy. Inona no ho nataonao raha ianao no Jefta?

15. Inona no voady nataon’ny ankamaroantsika, ary inona no hataontsika raha manam-pinoana isika?

15 Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah isika, dia nivoady hoe hanao ny sitrapony na inona na inona mitranga. Efa fantatsika tamin’izay fa mila mahafoy tena isika vao hahavita an’izany. Sarotra anefa izany indraindray rehefa zavatra tsy tiantsika no asaina ataontsika. Mila manam-pinoana àry isika. Ahoana no hanaporofoantsika an’izany? Hankatò an’i Jehovah foana isika ka ho vonona hanao izay asaina ataontsika, na dia tsy azoazontsika aza ilay izy na tena mafy be amintsika. Matokia fa be lavitra noho izay zavatra mety hafoinao ny fitahiana ho azonao. (Mal. 3:10) Ary nanao ahoana ilay zanak’i Jefta?

Inona no hataontsika raha manam-pinoana toa an’i Jefta sy ny zanany vavy isika? (Fehintsoratra 16, 17)

16. Inona no nataon’ny zanak’i Jefta, rehefa nandre an’ilay voady nataon’ny dadany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

16 Fantatr’ilay tovovavy hoe inona no ho vokatr’ilay voady nataon’ny dadany. Azo inoana fa mafy taminy ny nieritreritra an’izany. Tsy hoatran’ilay voady nataon’i Hana mantsy ilay izy. Nivoady i Hana hoe hanompo ao amin’ny tranolay masina i Samoela zanany lahy, ka ho Nazirita. (1 Sam. 1:11) Afaka nanambady sy niteraka ny Nazirita. Tsy ho toy izany kosa ilay zanak’i Jefta satria ho “fanatitra dorana.” (Mpits. 11:37-40) Eritrereto ange e! Mety ho afaka nanambady an’izay lehilahy tsara indrindra teo amin’ny Israely izy, satria sady mpitondra an’ilay firenena ny rainy no vao avy nandresy koa! Ho lasa mpanompo ao amin’ny tranolay masina anefa izy izao. Na izany aza, dia hoy izy: “Raha efa niloa-bava tamin’i Jehovah ianao, ry Dada, dia tanteraho izay efa naloaky ny vavanao.” (Mpits. 11:36) Tena zava-dehibe taminy ny fanompoana an’i Jehovah. Voajanahary ny hoe manambady sy miteraka, nefa nafoiny izany mba hampandrosoana ny fivavahana marina. Inona no hataontsika raha mahafoy tena toa azy isika?

17. a) Inona no ataon’ny Kristianina sasany, noho izy ireo te hanahaka an’i Jefta sy ny zanany vavy? b) Nahoana no mandrisika anao hahafoy tena ny Hebreo 6:10-12?

17 Maro be koa ny tanora mahafoy tena ka tsy manambady na tsy miteraka aloha, fa manompo an’i Jehovah bebe kokoa. Ao koa ireo efa nahazoazo taona fa mbola mandray anjara amin’ny asa fanorenana ataon’ny fandaminana, na manao Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana, na manitatra faritany. Mahafoy ny fotoana tokony hiarahany amin’ny zanany sy ny zafikeliny izy ireo mba hanaovana an’izany. Ny hafa indray mahafoy ny fotoana tokony hanaovany zavatra hafa rehefa vanim-potoan’ny Fahatsiarovana, mba hampitomboana ny fanompoany. Tena faly i Jehovah satria manompo azy amin’ny fo manontolo izy rehetra ireo. Tsy ho hadinony mihitsy fa nahafoy tena ho azy izy ireo sady tia azy. (Vakio ny Hebreo 6:10-12.) Ary ianao? Misy zavatra azonao afoy ve mba hahafahanao manompo bebe kokoa?

INONA NO NIANARANTSIKA TATO?

18, 19. Inona no nianarantsika momba an’i Jefta sy ny zanany vavy, ary ahoana no hanahafantsika azy ireo?

18 Marina fa betsaka ny olana natrehin’i Jefta. Nanaraka ny toro lalan’i Jehovah foana anefa izy rehefa hanapa-kevitra. Tsy nanahaka an’ireo olona ratsy toetra nanodidina azy koa izy. Nanompo an’i Jehovah foana izy na dia nisy olona tena nandiso fanantenana azy aza. Nahafoy tena izy sy ny zanany vavy ka notahin’i Jehovah. Nampiasainy mba hampandroso ny fivavahana marina izy ireo. Nikomy tamin’i Jehovah ny Israelita sasany, fa i Jefta sy ny zanany kosa nankatò azy foana.

19 Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘hanahaka an’ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo nanana finoana sy faharetana.’ (Heb. 6:12) Tahafo àry i Jefta sy ny zanany vavy, ka porofoy hoe manam-pinoana ianao. Ho tian’i Jehovah ianao raha manao izany.