Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Efao ny Voadinao”

“Efao ny Voadinao”

“Tsy maintsy efainao amin’i Jehovah ny voadinao.”—MAT. 5:33.

HIRA: 63, 59

1. a) Inona no nitovizan’i Jefta sy Hana? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona avy ny fanontaniana hovaliana ato?

BE HERIM-PO i Jefta tamin’izy nitarika ny vahoakan’i Jehovah, ary tsy saro-tahotra mihitsy izy rehefa nandeha niady. I Hana, vadin’i Elkana, indray vehivavy nanetry tena sady tia nikarakara tokantrano. Samy mpanompon’i Jehovah izy ireo. Samy nanao voady taminy koa izy ireo, ary nanatanteraka ny voady nataony. Modely ho an’ny lehilahy sy vehivavy manao voady amin’i Jehovah àry izy ireo. Inona anefa no atao hoe voady? Nahoana no tena zava-dehibe ny voady atao amin’Andriamanitra? Ary inona no ianarantsika avy amin’i Jefta sy Hana?

2, 3. a) Inona no atao hoe voady? b) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny voady atao amin’Andriamanitra?

2 Fampanantenana atao amin’Andriamanitra ny hoe voady, ao amin’ny Baiboly. Mety hivoady, ohatra, ny olona iray hoe hanao zavatra iray, hanolotra fanomezana, hanao fanompoana, na hifady zavatra sasany. Atao an-tsitrapo ny voady. Tian’i Jehovah hanaja sy hanatanteraka ny voady ataontsika anefa isika, ary manan-kery toy ny fianianana izy ireny. (Gen. 14:22, 23; Heb. 6:16, 17) Inona no lazain’ny Baiboly ka ahitana hoe zava-dehibe ny voady atao amin’Andriamanitra?

3 Milaza ny Lalàn’i Mosesy hoe: “Raha mivoady amin’i Jehovah ny olona iray, na mianiana, ... dia tsy mahazo mivadika amin’ny teniny izy, fa tokony hotanterahiny izay rehetra naloaky ny vavany.” (Nom. 30:2) Hoy koa i Solomona tatỳ aoriana: “Raha mivoady amin’Andriamanitra ianao, dia efao izany fa aza mangataka andro, satria tsy hahazo sitraka ny adala. Koa efao ny voadinao.” (Mpito. 5:4) Nanamafy koa i Jesosy hoe zava-dehibe ny voady. Hoy izy: ‘Efa renareo fa voalaza tamin’ny olona fahiny hoe: “Aza mianiana nefa avy eo tsy manatanteraka, fa tsy maintsy efainao amin’i Jehovah ny voadinao.”’—Mat. 5:33.

4. a) Nahoana no tsy azo hamaivanina ny voady atao amin’Andriamanitra? b) Inona no hofantarintsika momba an’i Jefta sy Hana?

4 Tsy azontsika hamaivanina mihitsy àry ny zavatra nampanantenaintsika an’Andriamanitra. Tsy hifandray tsara aminy mantsy isika raha tsy manefa ny voadintsika. Hoy i Davida: “Iza no hankany an-tendrombohitr’i Jehovah? Ary iza no hiakatra any amin’ny toerany masina?” Namaly izy hoe heken’i Jehovah izay ‘tsy mianiana hoenti-mamitaka.’ (Sal. 24:3, 4) Hodinihintsika izao hoe inona ny voady nataon’i Jefta sy Hana, ary mora tamin’izy ireo ve ny nanatanteraka an’ilay izy.

NOTANTERAHINY NY VOADY NATAONY

5. Inona no voady nataon’i Jefta, ary inona no vokatr’izany?

5 Handeha hiady tamin’ny Amonita i Jefta tamin’izay. Nampijaly ny vahoakan’i Jehovah ny Amonita, ary tena te handresy azy ireo i Jefta. (Mpits. 10:7-9) Nivoady tamin’i Jehovah àry izy hoe: “Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak’i Amona, dia ho an’i Jehovah izay olona mivoaka amin’ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amona aho.” Nandresy an’ireo Amonita tokoa i Jefta tamin’izay. Rehefa nody anefa izy, dia ny zanany vavy no nitsena azy. Io zanany tena tiany io àry no “ho an’i Jehovah.”—Mpits. 11:30-34.

6. a) Nahoana no sarotra tamin’i Jefta sy ny zanany ny nanatanteraka ny voady nataon’i Jefta? b) Inona no ianaranao avy amin’ny Deoteronomia 23:21, 23 sy ny Salamo 15:4?

6 Tsy maintsy nanompo an’i Jehovah manontolo andro tany amin’ny toerana masina ilay zanak’i Jefta, mba hanatanterahana ny voady nataon’ny rainy. Maimaika loatra ve i Jefta nanao an’ilay voady? Tsia. Mety ho efa fantany mantsy hoe io zanany io no hitsena azy. Na izany aza, dia tena mafy tamin’izy mianaka ilay izy. “Nandrovitra ny fitafiany” i Jefta raha vao nahita azy, sady nalahelo be. Ilay zanany indray lasa nandeha nitomany ‘noho izy virjiny.’ Tsy nanan-janaka lahy i Jefta. Vavitokana koa ilay zanany sady tsy ho afaka hanambady intsony. Tsy hanan-jafikely àry izy ary tsy hisy hitondra ny anarany na handova azy. Tsy izany anefa no nibahana tao an-tsain’izy ireo. Hoy i Jefta: “Efa niloa-bava tamin’i Jehovah aho, ka tsy afaka mivadika amin’ny teniko.” Namaly ilay zanany hoe: “Tanteraho izay efa naloaky ny vavanao.” (Mpits. 11:35-39) Tsy nieritreritra ny hivadika tamin’ilay voady natao tamin’Andriamanitra mihitsy àry izy mianaka, na dia mafy be tamin’izy ireo aza izany.—Vakio ny Deoteronomia 23:21, 23; Salamo 15:4.

7. a) Inona no voady nataon’i Hana, ary nahoana? Inona no nitranga tatỳ aoriana? b) Inona no vokatr’ilay voady nataon’i Hana teo amin’i Samoela? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

7 Ary ahoana ny amin’i Hana? Nisy fotoana izy kivy be satria tsy niteraka sady nambanin’ny rafivaviny foana. (1 Sam. 1:4-7, 10, 16) Tamin’izay izy no nanao voady tamin’i Jehovah. Namboraka ny tao am-pony izy ary nampanantena hoe: “Ry Jehovah Tompon’ny tafika ô, raha mba jerenao tokoa ny fahorian’ny mpanompovavinao ka tsarovanao aho, ary tsy hadinoinao ny mpanompovavinao ka omenao zanakalahy, dia homeko an’i Jehovah izy mandritra ny androm-piainany ary tsy hokasihin-kareza ny lohany!” * (1 Sam. 1:11) Nomen’i Jehovah an’i Hana izay nangatahiny. Faly be izy fa niteraka zazalahy, ary nataony hoe Samoela ny anarany. Tsy nanadino an’ilay voady nataony anefa izy. Hoy izy tamin’izay: “Tamin’i Jehovah no nangatahako azy.”—1 Sam. 1:20.

8. a) Nahoana no tsy mora tamin’i Hana ny nanatanteraka ny voady nataony? b) Nahoana ny Salamo faha-⁠61 no mahalaza tsara ny fihetseham-pon’i Hana?

8 Tsy nieritreritra ny hivadika tamin’ny teniny mihitsy i Hana. Notanterahiny ilay voady nataony, tamin’i Samoela telo taona teo ho eo. Vao nisara-nono i Samoela tamin’izay, dia nentiny tany amin’i Ely Mpisoronabe, tany amin’ny tranolay masina tany Silo. Hoy i Hana tamin’i Ely: “Momba ity zazalahy ity no nivavahako tamin’i Jehovah, mba hanomezany ahy izay nangatahiko taminy. Koa ampindramiko an’i Jehovah kosa izy izao. Omena an’i Jehovah izy mandritra ny androm-piainany.” (1 Sam. 1:24-28) Lasa nipetraka tany amin’ny tranolay masina àry i Samoela, ary “nihalehibe teo anatrehan’i Jehovah” izy tany. (1 Sam. 2:21) Tena tsy mora tamin’i Hana izany. Hoatran’ny reny be fitiavana rehetra ihany mantsy izy. Tiany raha teo foana izy isan’andro ka afaka namihina ny zanany sy niara-nilalao taminy ary nikarakara azy. Tsy mba afaka nanao an’izany tamin’i Samoela anefa izy, sady tsy afaka nahita azy nihalehibe. Na izany aza, dia nanatanteraka ny voady nataony izy ary tsy nanenenany mihitsy izany. ‘Nifaly tamin’i Jehovah ny fony.’—1 Sam. 2:1, 2; vakio ny Salamo 61:1, 5, 8.

Manefa ny voady nataonao tamin’i Jehovah ve ianao?

9. Inona indray izao ny fanontaniana hovaliantsika?

9 Hitantsika avy amin’ireo ohatra ireo fa tena zava-dehibe ny voady atao amin’Andriamanitra. Hamaly an’ireto fanontaniana ireto àry isika izao: Inona avy ny voady mety hataontsika Kristianina? Ary nahoana isika no tokony ho tapa-kevitra hanefa an’izany?

NY VOADY NATAONTSIKA TAMIN’ISIKA NANOKAN-TENA

Voady hoe hanokan-tena ho an’i Jehovah (Fehintsoratra 10)

10. Inona no voady lehibe indrindra ataon’ny Kristianina, ary inona no tafiditra amin’ilay izy?

10 Manao voady amin’i Jehovah ny Kristianina rehefa manokan-tena ho azy ary izany no voady lehibe indrindra ataony. Mivavaka irery mantsy izy amin’izay, ary mampanantena an’i Jehovah hoe hanokana ny fiainany mba hanompoana azy mandrakizay, na inona na inona mitranga. ‘Mandà ny tenany’ izy araka ny tenin’i Jesosy, ka mampanantena fa ny hanao ny sitrapon’i Jehovah no ho zava-dehibe indrindra aminy fa tsy ny hanao ny sitrapony. (Mat. 16:24) Lasa “an’i Jehovah” izy manomboka amin’izay. (Rom. 14:8) Izay manao an’io voady io, dia tokony hihevitra an’ilay izy ho tena zava-dehibe, ka hanahaka ny toe-tsain’ny mpanao salamo. Hoy izy: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko? ... Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho, eo anatrehan’ny olony rehetra.”—Sal. 116:12, 14.

11. Inona no nasehonao tamin’ny rehetra tamin’ianao natao batisa?

11 Efa nanokan-tena ho an’i Jehovah ve ianao, ary natao batisa mba hampisehoana an’izany? Tena tsara raha nanao an’izany ianao. Tadidio fa nanontany anao ilay rahalahy nanao ny lahatenin’ny batisanao raha efa nanokan-tena ho an’i Jehovah ianao. Nanontany koa izy avy eo raha mazava aminao hoe “ny fanokananao ny tenanao ho an’i Jehovah sy ny batisanao dia midika fa Vavolombelon’i Jehovah ianao, ary miaraka amin’ny fandaminan’Andriamanitra tarihin’ny fanahiny.” Namaly teo anatrehan’ny vavolombelona maro ianao hoe “eny”, dia izay no nahafantaran’ny rehetra fa nanokan-tena tanteraka ho an’i Jehovah ianao. Lasa nahafeno fepetra hatao batisa ianao, dia voatendry ho mpanompony. Azo antoka fa faly be i Jehovah tamin’izay.

12. a) Inona ny fanontaniana tokony hoeritreretintsika? b) Inona no nolazain’i Petera hoe tokony hiezahantsika?

12 Vao fiandohana anefa ny batisa. Mila manompo an’i Jehovah sy mankatò azy foana isika aorian’izay, mba hanefana an’ilay voady nataontsika. Eritrereto àry izao: ‘Nandroso tsara ve aho hatramin’izay nanaovana batisa an’ahy izay? Mbola manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ve aho? (Kol. 3:23) Mivavaka matetika ve aho, mamaky Baiboly isan’andro, mivory tsy tapaka, ary mitory matetika araka izay azo atao? Sa ve aho lasa tsy dia mazoto manao an’ireo?’ Mila mitandrina isika sao dia lasa tsy mazoto manompo an’i Jehovah. Nilaza ny apostoly Petera fa tsy hitranga izany raha miezaka hanam-pinoana sy fahalalana bebe kokoa isika, ary miaritra sy mahafoy tena ho an’Andriamanitra.—Vakio ny 2 Petera 1:5-8.

13. Inona no tokony hotadidin’ny olona nanokan-tena sy natao batisa?

13 Tsy azontsika foanana ny voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena ho an’i Jehovah. Ahoana àry raha misy olona vita batisa lasa leo manompo an’i Jehovah na leo mankatò ny fitsipiny? Tsy afaka milaza izy hoe: ‘Izaho ange tsy tena nanokan-tena ho an’i Jehovah e! Dia tsy manan-kery izany ny batisako!’ * Ny batisany mihitsy mantsy no mampiseho fa efa nanokan-tena tanteraka ho an’i Jehovah izy. Raha manao fahotana lehibe izy, dia hampamoahin’i Jehovah sy ny fiangonana. (Rom. 14:12) Mila mitandrina àry isika mba tsy ho ‘lefy ilay fitiavantsika voalohany.’ Tiantsika kosa raha izao no lazain’i Jesosy momba antsika: “Fantatro izay ataonao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny fiaretanao, ary fantatro fa be kokoa noho ny tany aloha ny nataonao tatỳ aoriana.” (Apok. 2:4, 19) Ho faly i Jehovah raha miezaka foana isika mba hanefa ny voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena.

NY VOADIM-PANAMBADIANA

Voadim-panambadiana (Fehintsoratra 14)

14. Inona no voady faharoa lehibe indrindra mety hataon’ny olona iray, ary nahoana izy io no tena zava-dehibe?

14 Ny voadim-panambadiana no voady faharoa lehibe indrindra ataon’ny olona iray. Masina mantsy ny fanambadiana, ary eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona maro no atao io voady io. Matetika ny olona manao voadim-panambadiana no mampanantena fa hifankatia sy hifanaja ‘raha samy mbola miara-miaina eto an-tany, araka ny fandaharan’Andriamanitra ny amin’ny fanambadiana.’ Tsy tena hoatr’izany angamba ny teny nolazain’ny olona sasany tamin’izy nanao voady, nefa teo anatrehan’Andriamanitra foana ilay izy no nataony. Lasa mpivady izy ireo taorian’izay, ary tokony haharitra mandritra ny androm-piainany ny fanambadiany. (Gen. 2:24; 1 Kor. 7:39) “Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona”, hoy i Jesosy. Midika izany fa tsy tokony handrava ny tokantranony, na ilay lehilahy na ilay vehivavy na ny olon-kafa. Vao hivady mihitsy àry ny olon-droa dia efa tsy tokony hieritreritra hoe azony atao ny misara-panambadiana.—Mar. 10:9.

15. Nahoana ny Kristianina no tsy tokony hanao hoatran’ny olona eto amin’ity tontolo ity?

15 Marina fa samy tsy lavorary ny mpivady, ary tsy misy fanambadiana tonga lafatra. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe “hanam-pahoriana” izy ireo indraindray. (1 Kor. 7:28) Mampalahelo anefa fa be dia be no manao tsinontsinona ny fanambadiana. Rehefa misy olana eo amin’izy mivady, dia aleony tonga dia misaraka. Tsy tokony hanao hoatr’izany ny Kristianina. Mandainga mantsy ny olona tsy manefa ny voadim-panambadiany. Halan’Andriamanitra anefa ny mpandainga. (Lev. 19:12; Ohab. 6:16-19) Hoy koa ny apostoly Paoly: ‘Efa voafatotry ny fanambadiana ve ianao? Aza mitady izay hahafahana.’ (1 Kor. 7:27) Nilaza an’izany izy satria fantany fa halan’i Jehovah ny hoe manao teti-dratsy mba hahafahana misara-panambadiana.—Mal. 2:13-16.

16. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny hoe misara-panambadiana sy ny hoe misintaka?

16 Nilaza i Jesosy fa antony iray ihany, araka ny Soratra Masina, no ahafahan’ny olona iray misara-panambadiana: Raha nanitsakitsaka azy ny vadiny, dia afaka misaraka izy raha tsy te hamela ny helony. (Mat. 19:9; Heb. 13:4) Ary ahoana ny hoe misintaka? Mazava tsara koa ny voalazan’ny Baiboly momba an’izany. (Vakio ny 1 Korintianina 7:10, 11.) Tsy milaza antony ahafahana misintaka izy io. Misy zava-mitranga sasany anefa mety hahatonga ny Kristianina iray hieritreritra hoe tsy maintsy misintaka izy. Mahery setra be loatra angamba ilay vadiny na nivadi-pinoana, ka atahorany hampidi-doza ny ainy na hisakana azy tanteraka tsy hanompo an’i Jehovah. *

17. Inona no azon’ny Kristianina atao raha tiany haharitra ny fanambadiany?

17 Mety hangataka torohevitra amin’ny anti-panahy ny mpivady manana olana. Tsara raha anontaniana an’ireto ry zareo: ‘Efa nijery an’ilay video hoe Inona no Atao hoe Tena Fitiavana? ve ianareo vao haingana? Ary efa niarahanareo nidinika ve tato ho ato ilay bokikely hoe Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?’ Misy toro lalan’ny Baiboly asongadina mantsy ao amin’izy ireo, ary mpivady maro no lasa mifankatia kokoa rehefa nampihatra azy ireny. Nilaza, ohatra, ny mpivady iray hoe: “Lasa sambatra kokoa izahay mivady hatramin’izay nianaranay an’io bokikely io.” Hoy koa ny anabavy iray: “Samy vita batisa izahay mivady, nefa tsy nitovy mihitsy ny fihetseham-ponay. Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy ilay video! Milamina kokoa izao ny tokantranonay.” Efa saika nisaraka mantsy izy mivady, na dia efa 22 taona nanambadiana aza. Raha manambady àry ianao, dia araho foana ny toro lalan’i Jehovah. Ho vitanao amin’izay ny hanefa ny voadim-panambadianao, ary ho sambatra ny tokantranonao.

NY VOADY ATAON’NY MPANOMPO MANONTOLO ANDRO MANOKANA

18, 19. a) Inona no ataon’ny ray aman-dreny kristianina maro? b) Inona no ataon’ny mpanompo manontolo andro manokana mba hanefana ny voady nataony?

18 Nitovy ny vokatry ny voady nataon’i Jefta sy Hana. Samy lasa nanao fanompoana manokana tany amin’ny tranolay masina nandritra ny androm-piainany ny zanak’izy ireo. Azo antoka fa nahafinaritra be ny fiainan’izy ireo tany. Maro koa ankehitriny ny ray aman-dreny mampirisika ny zanany hanompo manontolo andro sy hifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Mendri-piderana izy ireny sy izay zanany lasa manompo manontolo andro.—Mpits. 11:40; Sal. 110:3.

Voadin’ny mpanompo manontolo andro manokana (Fehintsoratra 19)

19 Misy 67 000 eo ho eo izao eran-tany ny rahalahy sy anabavy anisan’ny Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy amin’izy ireny Betelita, mpanao fanorenana, mpiandraikitra ny faritra, mpisava lalana manokana, misionera, mpikarakara Efitrano Fivoriambe na trano fanaovana sekoly ara-baiboly, ary mpampianatra eny amin’ny saha. * Samy nanao ny “Voadin’ny Fankatoavana sy Fahantrana” izy ireo, ka nampanantena fa hanaiky an’izay asa hampanaovina azy mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana, hanana fiainana tsotra, ary tsy hanao asa fivelomana raha tsy mahazo alalana. Tsy ilay olona akory no manokana na miavaka fa ny karazana fanompoana ampanaovina azy. Fantany fa tena mila manetry tena izy, ka manefa an’ilay voady nataony raha mbola anisan’ny mpanompo manontolo andro manokana.

20. Inona no tokony hataontsika “isan’andro”, ary nahoana?

20 Firy amin’ireo voady noresahintsika tato no nataonao? Iray ve, sa roa, sa izy telo? Fantatrao tsara izao fa tsy tokony hohamaivaninao mihitsy izay voady nataonao. (Ohab. 20:25) Mety ho ratsy be ny vokany raha tsy manatanteraka an’izay nampanantenaintsika an’i Jehovah isika. (Mpito. 5:6) Aoka àry isika hanahaka an’ilay mpanao salamo, izay nilaza tamin’i Jehovah hoe: “Hihira fiderana ho an’ny anaranao mandrakizay aho, mba hanefako isan’andro ny voadiko.”—Sal. 61:8.

^ feh. 7 Nivoady tamin’i Jehovah i Hana hoe raha miteraka lahikely izy, dia ho Nazirita mandritra ny androm-piainany ilay zaza. Midika izany hoe hosinganina na hatokana hanompo an’i Jehovah izy.—Nom. 6:2, 5, 8.

^ feh. 13 Mahalana vao misy batisa tsy manan-kery. Maro mantsy ny zavatra tsy maintsy dinihin’ny anti-panahy alohan’ny hanekena hoe mahafeno fepetra hatao batisa ny olona iray.

^ feh. 19 Ny mpampianatra eny amin’ny saha, dia ireo rahalahy mampianatra amin’ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana, Sekolin’ny Anti-panahy, ary Sekolin’ny Mpiandraikitra Mpitety Faritany sy ny Vadiny. Any amin’ny Efitrano Fivoriambe na Efitrano Fanjakana na trano fanaovana sekoly ara-baiboly matetika izy ireo no mampianatra.