Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amin’izao Indrindra Isika no Tokony Hifampahery

Amin’izao Indrindra Isika no Tokony Hifampahery

‘Aoka isika hifampihevitra ka hifampahery, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.’—HEB. 10:24, 25.

HIRA: 90, 87

1. Nahoana ny apostoly Paoly no nampirisika ny Kristianina hebreo hifampahery bebe kokoa?

NAHOANA isika no mila miezaka bebe kokoa hifampahery? Mamaly an’izany ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny Kristianina hebreo. Hoy izy: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.’ (Heb. 10:24, 25) Te hampirisika azy ireo hifampahery bebe kokoa i Paoly tamin’izay. Efa hampihatra ny didim-pitsarany tamin’i Jerosalema mantsy i Jehovah. Tsy ampy dimy taona taorian’izay, dia niseho ilay famantarana nomen’i Jesosy, ka fantatr’ireo Kristianina tao hoe tokony handositra hiala ao ry zareo. Tonga tokoa ilay “andron’i Jehovah” tamin’ny taona 70, rehefa noravan’ny Romanina i Jerosalema.—Asa. 2:19, 20; Lioka 21:20-22.

2. Nahoana isika no tokony hiezaka bebe kokoa mba hampahery ny mpiara-manompo amintsika?

2 Mahita porofo koa isika amin’izao hoe efa akaiky ny andron’i Jehovah, izay “lehibe sy tena mampahatahotra.” (Joela 2:11) Marina ny tenin’i Zefania mpaminany hoe: “Akaiky ny andro lehiben’i Jehovah. Efa akaiky izy io, sady manatona haingana dia haingana.” (Zef. 1:14) Tena ilaina àry ny ‘mifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.’ (Heb. 10:24) Tokony hiezaka bebe kokoa isika mba hahatsiaro an’ireo mpiara-manompo amintsika, amin’izay isika afaka mampahery azy rehefa mila an’izany izy.

IZA AVY NO MILA AMPAHEREZINA?

3. Inona no nolazain’i Paoly momba ny fampaherezana? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

3 “Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy ny fony, fa ny teny soa kosa no mahafaly ny fony.” (Ohab. 12:25) Mety ho kivy daholo isika, ka mila fampaherezana indraindray. Na ny olona natao hampahery ny hafa aza mba mila ampaherezina koa. Manaporofo an’izany ny tenin’i Paoly. Hoy izy rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Roma: ‘Maniry mafy hahita anareo aho, mba hampita fanomezana ara-panahy aminareo. Amin’izay dia ho mafy orina ianareo, na, raha ny marimarina kokoa, dia hisy fifampaherezana eo amintsika, ka mba hampahery anareo ny finoako ary ny anareo kosa hampahery ahy.’ (Rom. 1:11, 12) Nila fampaherezana koa àry i Paoly indraindray, na dia tena nahay nampahery aza.—Vakio ny Romanina 15:30-32.

4, 5. Iza no azontsika ampaherezina, ary nahoana izy ireny no mila an’izany?

4 Mendrika ny hoderaina ireo rahalahy sy anabavy mahafoy tena manompo an’i Jehovah. Anisan’izany ireo mpisava lalana miezaka mafy manohy ny fanompoany. Maro amin’izy ireny no nahafoy zavatra sarobidy taminy mba ho afaka hanao mpisava lalana. Hoatr’izany koa ny misionera, ny Betelita, ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny, ary ireo miasa any amin’ny biraon’ny fandikan-teny mitokana. Mahafoy zavatra daholo izy ireny mba hanompoana an’i Jehovah bebe kokoa. Tokony hampahery azy ireny àry isika. Ary ahoana ny amin’ireo mbola te hanompo manontolo andro nefa tsy afaka manao an’izany intsony? Faly koa izy ireny rehefa misy mampahery.

5 Mila mampahery an’ireo rahalahy sy anabavy mpitovo koa isika. Maro amin’izy ireny no mankatò an’i Jehovah, ka tsy te hanambady afa-tsy “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Kor. 7:39) Ary ahoana ny amin’ireo anabavy manambady? Miasa mafy izy ireny, ka faly rehefa milaza teny mampahery azy ny vadiny. (Ohab. 31:28, 31) Tokony hampaherezintsika koa ireo Kristianina tsy mivadika nefa enjehina na marary. (2 Tes. 1:3-5) Ampaherezin’i Jehovah sy Jesosy daholo ireny mpanompony tsy mivadika ireny.—Vakio ny 2 Tesalonianina 2:16, 17.

MAMPAHERY ANTSIKA NY ANTI-PANAHY

6. Inona no andraikitry ny anti-panahy, araka ny Isaia 32:1, 2?

6 Vakio ny Isaia 32:1, 2. Mafy ny fiainana, ka mety ho mora malahelo sy kivy isika. Mampahery antsika sy mitari-dalana antsika anefa i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ireo rahalahy voahosotra sy ireo “andriana”, izany hoe ireo anti-panahy anisan’ny ondry hafa. ‘Tsy tompon’ny finoantsika’ ny anti-panahy, fa “mpiara-miasa” amintsika mba hahazoantsika fifaliana.—2 Kor. 1:24.

7, 8. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hampaherezana ny mpiara-manompo aminy?

7 Modely ho an’ny anti-panahy ny apostoly Paoly, satria niezaka foana nampahery an’ireo mpiray finoana taminy. Izao, ohatra, no nosoratany ho an’ny Kristianina tany Tesalonika rehefa nisy fanenjehana tany: “Tena maminay ianareo, dia sitrakay tokoa ny hanome anareo, tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.”—1 Tes. 2:8.

8 Tsy ampy anefa indraindray ny milaza teny mampahery. Manamarina an’izany ny tenin’i Paoly tamin’ny anti-panahy avy tany Efesosy, hoe: ‘Tsy maintsy manampy an’ireo mila ampiana ianareo, ary mahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”’ (Asa. 20:35) Tsy hoe vonona hampahery ny mpiara-manompo taminy fotsiny i Paoly. Vonona koa izy ‘hanome izay rehetra nananany sy hanao sorona tanteraka ny fiainany’ ho azy ireo. (2 Kor. 12:15) Hoatr’izany koa ny anti-panahy. Tsy hoe tokony hilaza teny mampahery sy mampionona fotsiny izy ireo, fa tokony hampiseho amin’ny ataony koa hoe tena mitady izay hahasoa an’ireo mpiara-manompo.—1 Kor. 14:3.

9. Inona no azon’ny anti-panahy atao raha tiany hampahery ny torohevitra omeny?

9 Mila manome torohevitra koa ny anti-panahy indraindray mba hampaherezana ny mpiara-manompo. Mila manahaka ny modely ao amin’ny Baiboly anefa izy ireo, raha tiany hampahery ny toroheviny. Miavaka ny modely nomen’i Jesosy. Nanome torohevitra hentitra ho an’ireo fiangonana tany Azia Minora izy, taorian’ny nahafatesany sy ny nananganana azy tamin’ny maty. Anisan’izany ny fiangonana tao Efesosy, Pergamosy, Tyatira, ary Laodikia. Nidera azy ireo anefa aloha izy, izay vao nanome torohevitra. (Apok. 2:1-5, 12, 13, 18, 19) Hoy izy tamin’ny fiangonan’i Laodikia: “Izay rehetra iraiketan’ny foko no anariko sy faiziko. Koa aoka ianao hafana fo sy hibebaka.” (Apok. 3:19) Tsara àry raha manahaka an’i Kristy ny anti-panahy rehefa manome torohevitra.

TSY NY ANTI-PANAHY IHANY NO MILA MAMPAHERY

Ry ray aman-dreny, ampianarinareo hampahery ve ny zanakareo? (Fehintsoratra 10)

10. Ahoana no azontsika rehetra ampaherezana ny hafa?

10 Tsy ny anti-panahy ihany no mila mampahery. Nampirisika ny Kristianina rehetra i Paoly hilaza ‘teny tsara ho fampaherezana, rehefa ilaina izany, mba hahasoa’ ny hafa. (Efes. 4:29) Tokony hahay handinika isika tsirairay hoe inona no ilain’ny mpiray finoana amintsika. Nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo i Paoly hoe: “Hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy, ary ataovy mahitsy foana ny lalana halehan’ny tongotrareo, mba tsy hifandiso ny tonon-taolan’ny efa malemy tongotra, fa mba ho sitrana kosa.” (Heb. 12:12, 13) Afaka milaza teny mampahery ny hafa àry isika rehetra, anisan’izany ny ankizy.

11. Inona no nanampy an’i Marthe tamin’izy kivy be?

11 Kivy be nandritra ny fotoana elaela ny anabavy atao hoe Marthe. * Nanoratra izy hoe: “Rehefa avy nivavaka aho, indray andro, mba hahazo fampaherezana, dia nihaona tamin’izay rahavavy be taona izay. Nangoraka ahy izy sady nasehony hoe tiany aho. Izany mihitsy no nilaiko. Efa nanjo azy ilay nahazo ahy, dia notantarainy tamiko ilay izy. Lasa tsy dia nanirery intsony aho avy eo.” Tsy fantatr’io anabavy be taona io akory angamba hoe nisy vokany tsara tamin’i Marthe ny teniny.

12, 13. Ahoana no azontsika ampiharana ny Filipianina 2:1-4?

12 Nanoratra toy izao ho an’ny Kristianina tany Filipy i Paoly: “Raha misy fampaherezana avy amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy fifampiahiana, ary raha misy fitiavana lalina sy fangoraham-po, dia ataovy izay hahafeno ny fifaliako ka aoka ianareo hiray saina, hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra. Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny fireharehana, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany. Ary aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Fil. 2:1-4.

13 Tokony hiezaka hitady izay hahasoa ny mpiray finoana amintsika àry isika rehetra. Azontsika atao ny mampionona azy ireo amim-pitiavana, miahy azy ireo, ary maneho fitiavana lalina sy mangoraka azy ireo.

FOMBA AZO AMPAHEREZANA NY HAFA

14. Inona no mety hampahery antsika?

14 Mampahery antsika ny mandre hoe tsy mivadika ny olona nampiantsika. Hoy ny apostoly Jaona: “Tsy misy mahavelom-pisaorana ahy mihoatra noho izao, dia ny andrenesako fa mandeha foana ao amin’ny fahamarinana ny zanako.” (3 Jaona 4) Mpisava lalana maro no faly be rehefa mahita hoe mbola manompo an’i Jehovah foana na angamba lasa mpisava lalana mihitsy ny olona sasany nampianariny taloha. Raha misy mpisava lalana hitanao hoe kivy àry, dia ampahatsiahivo azy ny zavatra tsara efa nataony mba hanampiana olona. Tena hampahery azy izany.

15. Ahoana no azo ampaherezana an’ireo miezaka manohy foana ny fanompoany?

15 Mpiandraikitra ny faritra maro no nilaza hoe nampahery azy ireo sy ny vadiny ny taratasy fankasitrahana avy amin’ny mpiara-manompo tany amin’ireo fiangonana notsidihiny. Azontsika atao koa ny manoratra ho an’ny anti-panahy, misionera, mpisava lalana, ary Betelita, mba hisaorana azy ireo noho izy ireo manohy foana ny fanompoany na dia tsy mora aza izany. Azo inoana fa tena hampahery azy ireo izany.

AFAKA MAMPAHERY DAHOLO ISIKA

16. Inona no zavatra tsotra azo atao mba hampaherezana olona?

16 Aza mieritreritra hoe tsy afaka mampahery ianao satria hoe tsy dia mahay miresaka. Tsy sarotra be mantsy ilay izy. Raha mitsiky fotsiny, ohatra, ianao rehefa miarahaba olona, dia efa mety hampahery azy izany. Ahoana anefa raha tsy mitsiky aminao izy? Mety hidika izany hoe manana olana izy ary mila olona hiresahana. Na mihaino azy fotsiny aza ianao, dia efa mety hanamaivamaivana azy.—Jak. 1:19.

17. Inona no nampahery ny rahalahy tanora iray?

17 Kivy be ny rahalahy tanora atao hoe Henri. Maromaro mantsy ny havany akaiky lasa tsy nanompo an’i Jehovah intsony. Na ny dadany aza niala tamin’ny fahamarinana, nefa anti-panahy. Tsikaritry ny mpiandraikitra ny faritra hoe nalahelo be i Henri. Nentiny nisotro kafe àry izy, dia nohenoiny tsara rehefa namoaka ny tao am-pony. Hitan’i Henri taorian’izay hoe mila tsy mivadika izy, satria izay ihany no azony atao mba hanampiana ny havany hanompo an’i Jehovah indray. Nampahery be azy koa ny namaky ny Salamo faha-46 sy ny Zefania 3:17 ary ny Marka 10:29, 30.

Afaka mampahery daholo isika rehetra (Fehintsoratra 18)

18. a) Inona no nolazain’i Solomona Mpanjaka? b) Inona no soso-kevitra nomen’ny apostoly Paoly?

18 Hitantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Marthe sy Henri fa afaka mampahery mpiara-manompo mila fampiononana isika rehetra. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety! Mahafaly ny fo ny famirapiratan’ny maso, ary ny tatitra tsara mamelombelona aina.” (Ohab. 15:23, 30) Mety hampahery olona kivy koa isika, raha mamaky aminy lahatsoratra avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana na ny tranonkalantsika. Mety hahatsiaro ho maivamaivana koa ilay olona, raha miara-mihira hiran’ilay Fanjakana aminy isika. Hoy mantsy i Paoly: “Mifampianara sy mifananara [na mifampahereza] mandrakariva amin’ny salamo sy ny fiderana an’Andriamanitra ary ny hira mahafinaritra momba an’Andriamanitra, ka mihirà amin’ny fo ho an’i Jehovah.”—Kol. 3:16; Asa. 16:25.

19. Nahoana no vao mainka hilaina ny mifampahery, ary inona no tokony hataontsika?

19 Vao mainka hilaina ny mifampahery, satria mihakaiky ny andron’i Jehovah. (Heb. 10:25) Aoka àry isika hampihatra ny tenin’i Paoly hoe: “Mifampionòna sy mifampahereza hatrany, toy izao efa ataonareo izao.”—1 Tes. 5:11.

^ feh. 11 Novana ireo anarana.