Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompoa An’ilay Andriamanitra Manome Fahafahana

Manompoa An’ilay Andriamanitra Manome Fahafahana

“Izay misy ny fanahin’i Jehovah dia misy fahafahana.”—2 KOR. 3:17.

HIRA: 49, 73

1, 2. a) Nahoana no ambentin-dresaky ny olona tamin’ny andron’i Paoly ny fanandevozana sy fahafahana? b) Iza no nolazain’i Paoly hoe afaka manome ny tena fahafahana?

NY ROMANINA no nitondra tamin’ny andron’ny Kristianina voalohany. Nirehareha ny olona tamin’izany hoe nanana lalàna sy fahafahana ary nanao ny rariny. Ny asa nataon’ny andevo anefa no tena nampahatanjaka ny Fanjakana Romanina. Tamin’ny fotoana sasany aza, dia ny ampahefany mahery tamin’ny vahoakan’izy io no andevo. Azo antoka àry fa ambentin-dresaky ny olona ny fanandevozana sy fahafahana, ary tsy maintsy ho niresaka an’izany koa ny Kristianina.

2 Niresaka matetika momba ny fahafahana ny apostoly Paoly tao amin’ireo taratasiny. Tsy nanandrana nitondra fiovana anefa izy, na dia izany aza no nandrandrain’ny olona. Tsy mpitondra olombelona na fikambanana naorin’olombelona no nantenainy hitondra fahafahana. Niezaka mafy kosa izy sy ny Kristianina namany mba hitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nampian’izy ireo koa ny olona mba hahafantatra hoe tena sarobidy ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy. Natoron’i Paoly an’ireo mpiray finoana taminy hoe iza no afaka manome azy ireo ny tena fahafahana. Hoy izy: “I Jehovah no ilay Fanahy, ary izay misy ny fanahin’i Jehovah dia misy fahafahana.”—2 Kor. 3:17.

3, 4. a) Inona no nahatonga an’i Paoly hilaza an’ireo teniny ao amin’ny 2 Korintianina 3:17? b) Inona no tsy maintsy ataontsika raha te hanana an’ilay fahafahana avy amin’i Jehovah isika?

3 Niresaka momba an’i Mosesy i Paoly talohan’izay. Nilaza izy fa nanjelanjelatra ny tarehin’i Mosesy, rehefa avy niresaka tamin’ny anjelin’i Jehovah tany an-tendrombohitra Sinay izy. Natahotra ny olona nijery azy, ka nosaronany lamba ny tarehiny. (Eks. 34:29, 30, 33; 2 Kor. 3:7, 13) Hoy i Paoly avy eo: “Rehefa misy fiverenana amin’i Jehovah anefa, dia esorina ilay lamba manarona.” (2 Kor. 3:16) Inona no tiany holazaina?

4 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa i Jehovah ihany no afaka manao izay rehetra tiany, satria izy no Mpamorona an’izao rehetra izao. Ara-dalàna àry raha any amin’izay ‘misy ny fanahiny’ no misy fahafahana. Raha te hanana an’io fahafahana io isika, dia tsy maintsy ‘miverina amin’i Jehovah’, izany hoe mifandray akaiky aminy. Ahoana ny amin’ireo Israelita tany an-tany efitra? Ahoana no fiheveran’izy ireo ny zavatra nataon’i Jehovah ho azy ireo? Tsy nitovy tamin’ny an’i Jehovah ny fomba fihevitr’izy ireo. Toy ny hoe nisy lamba nanarona ny sain’izy ireo sy ny fony, ka te hanao izay tiany fotsiny izy ireo rehefa afaka tany Ejipta.—Heb. 3:8-10.

5. a) Manafaka antsika amin’inona ny fanahin’i Jehovah? b) Inona no porofo fa afaka ny hanana an’izany fahafahana izany na ny olona migadra na ny andevo? d) Inona no hodinihintsika ato?

5 Tsy hoe manafaka ny olona tsy ho andevo ara-bakiteny fotsiny anefa ny fanahin’i Jehovah. Manafaka amin’ny ota sy ny fahafatesana koa izy io, ary manafaka amin’ny fivavahan-diso sy ny fanaony. (Rom. 6:23; 8:2) Tena lehibe izany fahafahana izany! Tsy misy olona afaka hanome an’izany mihitsy. Afaka ny hanana azy io na ny olona migadra na ny andevo. (Gen. 39:20-23) Nigadra aman-taonany, ohatra, ny Ranabavy Nancy Yuen sy ny Rahalahy Harold King, noho izy ireo tsy nivadika tamin’i Jehovah. Nanana an’ilay fahafahana avy amin’ny fanahin’i Jehovah anefa izy ireo. Azonao jerena ao amin’ny Tele JW ny tantarany. (Jereo ao amin’ilay hoe FANADINADINANA SY FITANTARANA > FIATREHANA OLANA.) Hodinihintsika ato hoe ahoana no ampisehoantsika fa sarobidy amintsika ny fahafahana nomena antsika, ary inona no azontsika atao mba hampiasana tsara azy io.

ANKASITRAHO NY FAHAFAHANA NOMEN’I JEHOVAH ANAO

6. Inona no mampiseho fa tsy nankasitraka ny fahafahana nomen’i Jehovah azy ny Israelita?

6 Inona no hataonao raha nisy nanome anao zavatra tena lafo vidy? Azo antoka fa hasehonao an’ilay olona hoe mankasitraka an’ilay fanomezany ianao. Tsy nankasitrahan’ny Israelita anefa ny fahafahana nomen’i Jehovah azy. Vao volana vitsivitsy monja no nanafahana azy ireo tany Ejipta, dia efa nanembonembona ny sakafo tany izy ireo. Tsy tian’izy ireo ny sakafo nomen’i Jehovah, ary te hiverina tany Ejipta mihitsy aza izy ireo. ‘Ny trondro, kôkômbra, pasteky, poarô, tongolobe, ary ny tongolo lay’ indray no zava-dehibe kokoa tamin’izy ireo noho ny hoe nafahana tany Ejipta dia afaka nanompo an’i Jehovah. Tsy mahagaga raha tezitra be tamin’izy ireo i Jehovah. (Nom. 11:5, 6, 10; 14:3, 4) Lesona lehibe ho antsika izany!

7. Ahoana no nampiharan’i Paoly ny teniny ao amin’ny 2 Korintianina 6:1? Ahoana no anahafantsika azy?

7 Nampitandrina ny Kristianina ny apostoly Paoly mba tsy hanao tsinontsinona ny fahafahana nomen’i Jehovah azy ireo tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (Vakio ny 2 Korintianina 6:1.) Nahatsiaro ho nijaly i Paoly, noho izy andevon’ny ota sy ny fahafatesana. Nisaotra an’Andriamanitra ‘tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompo’ anefa izy. Nahoana? Nilaza izy fa ‘manafaka amin’ny lalàn’ny ota sy fahafatesana ny lalàn’ny fanahy’, ary io fanahy io no “manome fiainana ao amin’i Kristy Jesosy.” (Rom. 7:24, 25; 8:2) Tokony hahay hankasitraka toa an’i Paoly koa isika, ka tsy hanadino mihitsy hoe nanafaka antsika tamin’ny ota sy ny fahafatesana i Jehovah. Noho ny vidim-panavotana, dia lasa milamina ny saintsika manompo azy ary tena mahafaly antsika izany.—Sal. 40:8.

Ampiasainao hanompoana an’i Jehovah ve ny fahafahana nomena anao, sa anaovanao izay mahafinaritra anao fotsiny? (Fehintsoratra 8-10)

8, 9. a) Inona no fampitandremana nomen’ny apostoly Petera? b) Inona no mety hataon’ny olona tsy mahay mampiasa tsara ny fahafahana nomena azy?

8 Tsy ampy anefa ny mankasitraka. Ilaina koa ny mitandrina rehefa mampiasa an’ilay fahafahana sarobidy nomena antsika. Nilaza ny apostoly Petera fa tsy tokony hampiasaina hanaovana zava-dratsy izany. (Vakio ny 1 Petera 2:16.) Tena mila an’izany fampitandremana izany isika, toa an’ireo Israelita tany an-tany efitra. Isika aza angamba no mila mitandrina kokoa noho ry zareo. Vao mainka manintona sy be dia be mantsy ny zavatra atolotr’i Satana sy ity tontolo ity, eo amin’ny resaka fitafiana sy taovolo, ohatra, na sakafo sy zava-pisotro, na fialam-boly. Fetsy ireo mpanao dokam-barotra, ka olona tsara tarehy matetika no ampiasainy mba hampirisihana antsika hividy zavatra tsy tena ilaintsika akory. Mety ho mora voafitaka àry isika ka tsy hahay hampiasa an’ilay fahafahana nomena antsika.

9 Mila ampiharintsika koa io torohevitr’i Petera io amin’ny zavatra lehibe kokoa eo amin’ny fiainana, ohatra hoe rehefa hifidy ny fianarana na asa hataontsika. Terena hianatra mafy, ohatra, ny tanora, amin’izay voaray any amin’ny oniversite tsara indrindra. Atao izay hahatonga azy ireo hihevitra fa hahazo asa tsara sy be karama izy ireo raha manao fianarana ambony. Aseho azy ireo matetika hoe be karama kokoa ireo nanao fianarana ambony noho ireo nahavita fianarana teny amin’ny lise fotsiny. Mety hihevitra àry ny tanora hoe tsara ny manao fianarana ambony. Mety hisy vokany be eo amin’ny fiainany anefa ny safidiny. Inona àry no tokony hotadidin’ny tanora sy ny ray aman-dreny?

10. Na dia afaka manao izay tiantsika aza isika amin’ny zavatra sasany, dia inona no tokony hotadidintsika?

10 Misy mieritreritra hoe anjarany ny mifidy izay asa na fianarana hataony, ka tokony ho afaka hanao izay tiany izy raha mbola tsy manenjika azy ny eritreriny. Angamba izy mieritreritra ny tenin’i Paoly hoe: “Nahoana ny fahafahako no tsarain’ny feon’ny fieritreretan’ny olon-kafa?” (1 Kor. 10:29) Marina fa anjarantsika ny mifidy izay fianarana na asa tiantsika hatao. Tokony hotadidintsika anefa fa misy fetrany ny fahafahana ananantsika, ary hisy vokany foana izay fanapahan-kevitra raisintsika. Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe: “Azo atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mahasoa. Azo atao ny zava-drehetra, nefa tsy ny zava-drehetra no mampahery.” (1 Kor. 10:23) Hitantsika avy amin’izany fa tsy izay mahafinaritra antsika akory no tena zava-dehibe, na dia afaka manao izay tiantsika aza isika amin’ny zavatra sasany.

AMPIASAO HANOMPOANA AN’I JEHOVAH NY FAHAFAHANAO

11. Nahoana isika no nomena fahafahana?

11 Nilaza ny antony nanomezana antsika fahafahana i Petera, rehefa avy nampitandrina hoe tsy tokony hampiasaina hanaovan-dratsy izy io. Nilaza izy fa tokony hampiasaintsika “hanompoana an’Andriamanitra” ny fahafahana ananantsika. Tian’i Jehovah hanokana ny fiainantsika manontolo hanompoana azy àry isika, matoa izy nanafaka antsika tamin’ny ota sy ny fahafatesana, tamin’ny alalan’i Jesosy.

12. Inona no modely nomen’i Noa sy ny fianakaviany?

12 Inona no fomba tsara indrindra azontsika ampiasana ny fahafahana nomena antsika? Afaka manokana ny fiainantsika manontolo hanompoana an’i Jehovah isika. Tsy ny tanjona eto amin’ity tontolo ity sy ny faniriantsika no ho zava-dehibe amintsika amin’izay. (Gal. 5:16) Eritrereto, ohatra, i Noa sy ny fianakaviany. Nahery setra sy ratsy fitondran-tena ny olona tamin’ny androny. Tsy nanaraka ny fanaon’izy ireo anefa ry Noa, fa nifidy ny hanao izay rehetra nampanaovin’i Jehovah azy. Nanamboatra sambofiara izy ireo, nanangona sakafo ho azy ireo sy ho an’ny biby, ary nampitandrina ny olona hoe hisy Safodrano. “Nanao araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy i Noa. Izany indrindra no nataony.” (Gen. 6:22) Inona no vokany? Voavonjy i Noa sy ny fianakaviany rehefa naringana ilay tontolo tamin’izany.—Heb. 11:7.

13. Inona no asain’i Jehovah ataontsika?

13 Inona kosa no tian’i Jehovah hataontsika amin’izao? Fantatsika hoe nasainy hitory isika mpanara-dia an’i Jesosy. (Vakio ny Lioka 4:18, 19.) Hajambain’ny andriamanitr’ity tontolo ity ny ankamaroan’ny olona, ka tsy tonga saina hoe lasa andevon’ny fivavahan-diso sy ny vola aman-karena. Lasa variana manatsaratsara ny fiaraha-monina misy azy koa izy ireo. (2 Kor. 4:4) Isika kosa manahaka an’i Jesosy, ka manampy ny olona hahafantatra sy hanompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra manome fahafahana. (Mat. 28:19, 20) Tsy mora ny manao an’izany. Lasa tsy te hahalala an’Andriamanitra mantsy ny olona any amin’ny tany maro. Ny sasany aza tezitra be rehefa itoriana. Tokony hieritreritra toy izao anefa isika: ‘Afaka mampiasa ny fahafahana ananako ve aho mba hanompoana bebe kokoa?’

14, 15. Inona no ataon’ny mpanompon’i Jehovah sasany rehefa fantany fa tena ilaina ny mitory? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

14 Mampahery fa maro ny mpanompon’i Jehovah nanapa-kevitra ny hanatsotra ny fiainany ka manompo manontolo andro. Miaiky mantsy izy ireny fa efa tena akaiky ny farany. (1 Kor. 9:19, 23) Manompo ao amin’ny misy azy ny sasany, fa ny hafa indray manitatra faritany. Asehon’ny tatitra fa 250 000 mahery no nanomboka nanao mpisava lalana maharitra tao anatin’ny dimy taona farany, ka 1 100 000 mahery izao ny mpisava lalana maneran-tany. Tena mahafinaritra fa mampiasa tsara ny fahafahana ananany izy ireny mba hanompoana an’i Jehovah.—Sal. 110:3.

15 Inona no nanampy azy ireny hampiasa tsara ny fahafahany? Diniho ny tantaran’i John sy Judith. Tsaroan’izy ireo fa tamin’ny vao nanomboka nisy ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana tamin’ny 1977, dia ny hanitatra faritany no tena nampirisihana tamin’izany. Niovaova asa imbetsaka àry i John, amin’izay tsotra foana ny fiainan’izy ireo dia ho tratran’izy ireo ny tanjony hoe hanitatra. Nandeha nanitatra tany an-tany hafa izy ireo tamin’ny farany. Tsy mora ny nianatra ny fiteny tany sy nizatra ny fomban’ny olona sy ny toe-tany. Nivavaka tamin’i Jehovah anefa izy ireo sady niantehitra taminy, dia nahavita niatrika an’izany. Nanompo tany amin’ny tany maro izy mivady, nandritra an’izay 30 taona lasa izay. Inona no vokatr’izany tamin’izy ireo? Hoy i John: ‘Mbola tsy nanao asa tsara hoatr’izany aho! Vao mainka aho resy lahatra hoe tena misy i Jehovah sady toy ny ray be fitiavana. Lasa nazava kokoa tamiko ilay Jakoba 4:8 hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” Lasa nahafa-po ahy ny fiainako, ary izay mihitsy no efa notadiaviko.’

16. Inona no nataon’ny mpiara-manompo an’arivony mba hampiasana tsara ny fahafahana ananany?

16 Tsy afaka manao hoatran’i John sy Judith ny olona sasany. Mandritra ny fotoana fohifohy ihany izy ireny no afaka manompo manontolo andro. Maro amin’izy ireny anefa no manolo-tena handray anjara amin’ny tetikasa fanorenana atao any amin’ny tany samy hafa. Rahalahy sy anabavy 27 000 teo ho eo, ohatra, no nanampy nanorina ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, any New York. Nanampy tany nandritra ny tapa-bolana ny sasany, ary ny hafa nandritra ny volana vitsivitsy, na herintaona na mihoatra. Maro tamin’izy ireo no nahafoy zavatra be dia be mba hahafahana manao an’izany. Modely tokoa izy ireo satria nampiasa tsara ny fahafahana nomen’i Jehovah mba hiderana azy sy hanomezana voninahitra azy.

17. Inona no azontsika antenaina raha mampiasa tsara ny fahafahana nomena antsika isika?

17 Faly isika fa mahafantatra an’i Jehovah sy manana an’ilay fahafahana omeny an’izay manompo azy. Enga anie hasehontsika amin’ny safidy ataontsika fa sarobidy amintsika io fahafahana io, ka tsy hampiasa azy io amin’ny fomba ratsy isika. Hampiasa tsara azy io kosa isika, ka hazoto hanompo an’i Jehovah araka izay azontsika atao. Raha manao an’izany isika, dia hahazo an’ireo fitahiana nampanantenainy ao amin’ity faminaniana ity: ‘Hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana ny zavaboary, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.’—Rom. 8:21.