Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Rahalahy Voatendry, Tahafo i Timoty

Ry Rahalahy Voatendry, Tahafo i Timoty

RAHALAHY an’arivony, any amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, no voatendry ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana tamin’ny herintaona. Raha anisan’izy ireny ianao, dia azo antoka hoe tena faly nahazo an’izany tombontsoam-panompoana izany.

Mety hitebiteby kely koa anefa ianao, ary ara-dalàna izany. Hoy ny anti-panahy tanora atao hoe Jason: “Hoatran’ny hoe be dia be ilay andraikitra dia tsy ho vitako. Izany no tao an-tsaiko tamin’izaho vao voatendry.” Nieritreritra hoatr’izany koa i Mosesy sy Jeremia, tamin’izy ireo notendren’i Jehovah hanao andraikitra mbola tsy nataony mihitsy. (Eks. 4:10; Jer. 1:6) Raha izany koa no tsapanao, dia inona no azonao atao? Inona no hanampy anao handroso foana? Diniho ny modely nomen’i Timoty.—Asa. 16:1-3.

TAHAFO I TIMOTY

Mety ho 20 taona teo ho eo i Timoty tamin’ny apostoly Paoly nanasa azy hiaraka taminy hitory tany an-tany hafa. Mbola tanora izy ka mety ho nieritreritra hoe tsy ho vitany izany. Tsy sahiny koa angamba tamin’ny voalohany ny nanao ny zavatra sasany tafiditra tamin’ny andraikiny vaovao. (1 Tim. 4:11, 12; 2 Tim. 1:1, 2, 7) Nilaza toy izao tamin’ny fiangonana tany Filipy anefa i Paoly, folo taona taorian’izay: “Manantena ny haniraka an’i Timoty ho any aminareo tsy ho ela aho, raha sitrapon’i Jesosy Tompo. ... Fa izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy.”—Fil. 2:19, 20.

Lasa anti-panahy niavaka i Timoty. Inona no nahatonga an’izany? Misy zavatra enina ireto azonao ianarana avy aminy.

1. Tena tia nanampy olona izy. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Filipy: “Tena hikarakara ny momba anareo [i Timoty].” (Fil. 2:20) Tia olona i Timoty ary tiany hifandray tsara tamin’i Jehovah izy ireny. Nahafoy tena nanampy azy ireny àry izy.

Misy ora, any amin’ny tany sasany, ny fahatongavan’ny bisy eny amin’ny toerana fijanonany. Ahoana anefa raha maika hanenjika fotoana ny mpitondra bisy, dia tsy maka mpandeha? Tsy tokony ho hoatr’izany ny toe-tsainao. Anti-panahy nandritra ny 20 taona mahery i William, ary tena tian’ny mpiara-manompo izy. Izao no toroheviny ho an’ny rahalahy vao voatendry: “Tiavo ny mpiara-manompo. Izay ilain’izy ireo ifantohana, fa aza variana manao izay hampilamina tsara ny zava-drehetra.”

2. Ny fitoriana no zava-dehibe indrindra taminy. Hoy i Paoly rehefa nampitaha ny zavatra nataon’ny rahalahy hafa tamin’ny nataon’i Timoty: ‘Ny hafa rehetra samy mitady ny ho an’ny tenany ihany, fa tsy ny ho an’i Kristy Jesosy.’ (Fil. 2:21) Tany Roma i Paoly no nanoratra an’izany. Hitany hoe variana loatra tamin’ny fiainany ny rahalahy tany, fa tsy tena niezaka nanao ny asa fitoriana. I Timoty kosa nitory ny vaovao tsara isaky ny afaka nanao izany, ka nanahaka an’i Isaia, izay nilaza hoe: “Intỳ aho iraho!”—Isaia 6:8.

Inona àry no hanampy anao hahay handanjalanja? Voalohany, izay zava-dehibe indrindra aloha atao. Hoy i Paoly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Fil. 1:10) Izay zava-dehibe indrindra amin’i Jehovah atao loha laharana. Faharoa, tsory ny fiainanao. Ajanòny izay zavatra mandany ny fotoananao sy ny herinao nefa tsy ilaina. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Andosiro ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora, fa miezaha kosa hikatsaka ny fahamarinana, ny finoana, ny fitiavana, ny fihavanana.”—2 Tim. 2:22.

3. Niasa mafy izy nanao fanompoana masina. Nampahatsiahy an’ireo Filipianina i Paoly hoe: “Fantatrareo ... fa efa nanaporofo [i Timoty] hoe mendrika ny tenany. Tahaka ny anompoan’ny zanaka ny rainy mantsy no nanompoany ahy teo amin’ny fampandrosoana ny vaovao tsara.” (Fil. 2:22) Tsy olona kamo i Timoty. Niasa mafy niaraka tamin’i Paoly izy, ka vao mainka nifankatia be izy ireo.

Misy asa be dia be azo atao eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Mahafa-po ilay izy sady mety hahatonga antsika hifandray kokoa amin’ny mpiara-manompo. Ataovy tanjona àry ny “ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.”—1 Kor. 15:58.

4. Nampihatra ny zavatra nianarany izy. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Ianao ... efa nanaraka akaiky ny fampianarako, ny fomba fiainako, ny tanjona ananako, ny finoako, ny fahari-poko, ny fitiavako, ny fiaretako.” (2 Tim. 3:10) Nampihatra an’izay nianarany i Timoty, ka nahazo andraikitra lehibe kokoa.—1 Kor. 4:17.

Mana-namana matotra kokoa sy efa zokinao azonao atao modely ve ianao? Raha mbola tsy manana ianao, dia maninona raha mitady? Hoy i Tom, anti-panahy nandritra ny taona maro: “Nisy anti-panahy efa za-draharaha nanampy ahy. Nampiofaniny tsara aho. Nangataka torohevitra taminy foana aho, dia nampihariko izay nolazainy. Vetivety aho dia lasa natoky kokoa hoe ho vitako ny andraikitro.”

5. Nanao fanazaran-tena foana izy. Nampirisika an’i Timoty i Paoly hoe: “Zaro foana ... ny tenanao hanana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.” (1 Tim. 4:7) Mety hanana mpanazatra ny atleta, saingy mila manazatra ny tenany koa izy. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Miezaha mafy amin’ny vakiteny ampahibemaso sy amin’ny fananarana ary ny fampianarana. ... Eritrereto tsara izany, ary aoka ianao hifantoka tanteraka amin’izany, mba hiseho amin’ny rehetra ny fandrosoanao.”—1 Tim. 4:13-15.

Mila hatsarainao foana koa ny fahaizanao. Mazotoa mianatra ny Tenin’Andriamanitra, ary miezaha haharaka ny tari-dalana farany omen’ny fandaminana. Aza matoky tena loatra. Aza mieritreritra hoe efa ela ianao no nanao ny andraikitrao, dia tsy mila manao fikarohana tsara intsony fa tonga dia hainao ny mandamina an’izay olana mitranga. Tahafo i Timoty, ka “tandremo tsara foana ny tenanao sy ny fampianaranao.”—1 Tim. 4:16.

6. Niantehitra tamin’ny fanampian’ny fanahy masina izy. Nampahatsiahy an’i Timoty i Paoly hoe: “Arovy amin’ny alalan’ny fanahy masina izay mitoetra ao anatintsika izany zavatra tsara nankinina taminao izany.” (2 Tim. 1:14) Midika izany hoe tsy maintsy niantehitra tamin’ny fanahin’i Jehovah i Timoty, raha te hahavita tsara ny fanompoany.

Hoy i Donald, anti-panahy nandritra ny taona maro: “Tokony ho zava-dehibe amin’ny rahalahy manana andraikitra ny fifandraisany amin’i Jehovah. ‘Hitombo hery’ izy ireo amin’izay. Raha mangataka fanahy masina aminy izy ireo ary miezaka hanana ny vokatry ny fanahy, dia tena ho sambatra ny mpiara-manompo manana azy ireo.”—Sal. 84:7; 1 Pet. 4:11.

TIAVO NY ANDRAIKITRAO

Tena mampahery ny mahita rahalahy maro vao nahazo fanendrena hoatr’anao, ary mandroso tsara. Hoy i Jason, voaresaka tetsy aloha: “Be dia be ny zavatra nianarako nandritra an’izay naha anti-panahy ahy izay. Lasa tsy matahotahotra intsony aho manao ny andraikitro. Lasa mahafinaritra ahy mihitsy aza ilay izy, sady raisiko ho tombontsoa tena miavaka.”

Handroso ara-panahy foana àry ve ianao? Ataovy tanjona ny ho lasa hoatran’i Timoty, dia tena ho sambatra koa ny mpiara-manompo manana anao.