Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo i Jehovah, Ilay Andriamanitra Mampahery Antsika

Tahafo i Jehovah, Ilay Andriamanitra Mampahery Antsika

‘Hisaorana anie Andriamanitra! Mampionona * antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy.’—2 KOR. 1:3, 4.

HIRA: 7, 3

1. Ahoana no nampaherezan’i Jehovah ny olombelona, rehefa nikomy i Adama sy Eva?

TENA tia mampahery i Jehovah. Vao nanota sy lasa tsy lavorary ny olombelona dia efa nanao an’izany izy. Nilaza an’ilay faminaniana ao amin’ny Genesisy 3:15 avy hatrany izy, taorian’ilay fikomiana tany Edena. Tena mampahery io faminaniana io rehefa nazava ny dikany, satria mahatonga ny taranak’i Adama hanantena hoe hofoanana ny zava-dratsy rehetra ataon’i Satana Devoly, “ilay menarana tany am-boalohany”, ary horinganina izy.—Apok. 12:9; 1 Jaona 3:8.

NAMPAHEREZIN’I JEHOVAH NY MPANOMPONY FAHINY

2. Inona no nataon’i Jehovah mba hampaherezana an’i Noa?

2 I Noa sy ny fianakaviany irery no nanompo an’i Jehovah tamin’ny androny. Tsy tia an’Andriamanitra ny olona, ary nahery setra sy ratsy fitondran-tena be. Mety ho nahakivy an’i Noa izany. (Gen. 6:4, 5, 11; Joda 6) Nilaza zavatra nampahery azy anefa i Jehovah, mba ho vitany foana ny hanompo azy sy hanao ny tsara. (Gen. 6:9) Nilaza taminy i Jehovah fa horinganiny ny ratsy fanahy. Natorony azy koa izay tokony hataony mba ho voavonjy izy sy ny fianakaviany. (Gen. 6:13-18) Hitan’i Noa tokoa hoe Andriamanitra mampahery i Jehovah.

3. Inona no nataon’i Jehovah mba hampaherezana an’i Josoa? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

3 Nampahery an’i Josoa koa i Jehovah rehefa nisy asa sarotra be nasaina nataony. Nasainy nitarika ny vahoakany ho any amin’ny Tany Nampanantenaina izy. Midika izany hoe tsy maintsy hiady amin’ireo firenena nipetraka tao amin’ilay tany izy. Matanjaka be anefa ny tafik’izy ireo. Mety ho natahotra i Josoa, ary ara-dalàna izany. Fantatr’i Jehovah izany, ka naniraka an’i Mosesy izy mba hampahery azy. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Tendreo ho mpitarika i Josoa, ka ampaherezo sy hatanjaho fa izy no hiampita eo alohan’ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ilay tany izay ho hitanao.” (Deot. 3:28) I Jehovah mihitsy koa no niteny tamin’i Josoa hoe: “Mahereza sy matanjaha. Aza mivadi-po na mihorohoro, fa momba anao i Jehovah Andriamanitrao na aiza na aiza alehanao.” (Jos. 1:1, 9) Azo antoka hoe nampahery an’i Josoa izany.

4, 5. a) Inona no nataon’i Jehovah mba hampaherezana ny vahoakany fahiny? b) Inona no nataon’i Jehovah mba hampaherezana ny Zanany?

4 Tsy ny olona tsirairay ihany no nampaherezin’i Jehovah, fa ny vahoakany koa. Izany, ohatra, no nataony tamin’ireo Jiosy babo tany Babylona. Nilaza an’izao faminaniana mampahery izao izy: “Aza matahotra fa momba anao aho. Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.” (Isaia 41:10) Nampanantena hoatr’izany an’ireo Kristianina voalohany sy ny vahoakany ankehitriny koa i Jehovah.—Vakio ny 2 Korintianina 1:3, 4.

5 Nampaherezin’i Jehovah koa i Jesosy. Rehefa avy natao batisa izy, dia naheno feo avy tany an-danitra nilaza hoe: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.” (Mat. 3:17) Azo antoka hoe nampahery an’i Jesosy izany, ka nanampy azy hahavita ny fanompoany teto an-tany.

NAMPAHERY I JESOSY

6. Nahoana no mampahery antsika ilay fanoharana momba ny talenta?

6 Nanahaka ny Rainy i Jesosy, ka nampahery ny olona. Hita ao amin’ilay fanoharany momba ny talenta, ohatra, izany. Noderain’ny tompony ireo mpanompony tsy nivadika. Hoy izy tamin’izy tsirairay: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mendri-pitokisana! Mendri-pitokisana tamin’ny zavatra vitsivitsy ianao, ka hotendreko hiandraikitra zavatra maro. Miaraha mifaly amin’ny tomponao.” (Mat. 25:21, 23) Nampahery an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy izany, ka tsy nivadika tamin’i Jehovah izy ireo.

7. Inona no nataon’i Jesosy mba hampaherezana ny apostoliny, indrindra fa i Petera?

7 Matetika ny apostoly no nifanditra hoe iza no lehibe indrindra tamin-dry zareo. Nanam-paharetana tamin’izy ireo anefa i Jesosy, ka nampirisika azy ireo hanetry tena sy hanompo ny hafa fa tsy ho lasa sefo. (Lioka 22:24-26) I Petera no tena imbetsaka nanao fahadisoana ka nandiso fanantenana an’i Jesosy. (Mat. 16:21-23; 26:31-35, 75) Tsy nihatakataka taminy anefa i Jesosy, fa nampahery azy. Naniraka azy hampahery ny hafa mihitsy aza izy.—Jaona 21:16.

FAMPAHEREZANA TAMIN’NY ANDRO FAHINY

8. Inona no nataon’i Hezekia mba hampaherezana ny mpitari-tafiny sy ny vahoakany?

8 Na dia mbola tsy tonga tetỳ an-tany aza i Jesosy mba ho modely ho an’ny mpanompon’i Jehovah, dia efa fantatr’izy ireo hoe mila mampahery ny hafa izy ireo. Eritrereto i Hezekia Mpanjaka. Rehefa nitady hanafika an’i Jerosalema ny Asyrianina, dia namory ny mpitari-tafiny sy ny vahoakany izy mba hampaherezana azy ireo. “Nankahery” azy ireo ny tenin’i Hezekia.—Vakio ny 2 Tantara 32:6-8.

9. Inona no ianarantsika ao amin’ny bokin’i Joba momba ny fampaherezana?

9 Manampy antsika hahay hampahery ny bokin’i Joba. Nila fampaherezana i Joba, nefa lasa izy indray no nanoro hoe ahoana no hatao rehefa mampahery olona. Nisy “mpampionona mandreraka” anankitelo saika hampahery azy. Nilaza tamin’izy ireo i Joba hoe raha izy no hampahery azy ireo, dia ‘ho nampionona azy ireo tamin’ny teniny izy, ary ho nanamaivana azy ireo ny fampiononan’ny molony.’ (Joba 16:1-5) Nampaherezin’i Eliho sy Jehovah i Joba tatỳ aoriana.—Joba 33:24, 25; 36:1, 11; 42:7, 10.

10, 11. a) Nahoana ny zanak’i Jefta no nila nampaherezina? b) Iza no mila ampaherezina hoatr’izany amin’izao?

10 Nila fampaherezana koa ny zanakavavin’ilay mpitsara atao hoe Jefta. Handeha hiady tamin’ny Amonita i Jefta, indray mandeha. Nivoady tamin’i Jehovah izy hoe raha hataony mandresy, dia halefany hanompo an’i Jehovah any amin’ny tranolay masina izay olona voalohany mitsena azy rehefa mody izy. Nandresy tokoa izy, ary ny zanany vavitokana no olona nitsena azy voalohany. Nalahelo be i Jefta. Nitana ny teniny anefa izy. Nalefany tany amin’ny tranolay masina tany Silo ilay zanany, mba hanompo an’i Jehovah nandritra ny androm-piainany.—Mpits. 11:30-35.

11 Azo antoka hoe mafy kokoa ny alahelon’ny zanak’i Jefta raha noharina tamin’ny alahelon’i Jefta. Vonona hanefa ny voady nataon’ny dadany anefa izy. (Mpits. 11:36, 37) Tokony ho afaka nanambady izy, ary tokony ho afaka nanan-janaka handova ny rainy sy hitondra ny anarany. Nafoiny daholo anefa izany. Tena nila fampiononana sy fampaherezana àry izy! “Lasa fanao teo amin’ny Israely ny hoe: Isan-taona dia nankany amin’ny zanakavavin’i Jefta Gileadita ny zanakavavin’ny Israely mba hidera azy, efatra andro isan-taona.” (Mpits. 11:39, 40) Misy Kristianina tsy manambady koa amin’izao, ka manompo an’i Jehovah bebe kokoa. Tsy mendrika ny hoderaina sy hampaherezina ve izy ireny?—1 Kor. 7:32-35.

NAMPAHERY AN’IREO MPIARA-MANOMPO TAMINY NY APOSTOLY

12, 13. Inona no nataon’i Petera mba ‘hampaherezana ny rahalahiny’?

12 Hoy i Jesosy tamin’ny apostoly Petera, ny alina talohan’ny nahafatesany: “Ry Simona, ry Simona, mitaky ny hahazoany anareo i Satana mba hosivaniny toy ny vary. Efa nitalaho ho anao anefa aho mba tsy ho levona ny finoanao. Ary raha vao tafarina ianao, dia ampaherezo ny rahalahinao.”—Lioka 22:31, 32.

Tena nampahery an’ireo Kristianina voalohany ny taratasy nosoratan’ny apostoly, ary mbola mampahery antsika koa (Fehintsoratra 12-17)

13 Andrin’ny fiangonana kristianina voalohany i Petera. (Gal. 2:9) Be herim-po izy rehefa jerena izay nataony tamin’ny Pentekosta sy taorian’izay. Nampahery an’ireo Kristianina namany izany. Nanoratra ho azy ireo izy rehefa avy nanompo nandritra ny taona maro. Hoy izy: “Nanoratra aho mba hampaherezana anareo sy hanambarana marimarina fa izany no tena hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Miorena mafy amin’izany hatsaram-panahiny izany.” (1 Pet. 5:12) Nampahery an’ireo Kristianina hatramin’izay ka hatramin’izao ny taratasy rehetra nosoratan’i Petera. Tena ilaintsika izany fampaherezana izany, satria miandry ny hanatanterahan’i Jehovah ny zavatra nampanantenainy isika.—2 Pet. 3:13.

14, 15. Nahoana no mampahery ny Kristianina rehetra hatramin’izay ny Filazantsaran’i Jaona sy ny taratasiny?

14 Andrin’ny fiangonana kristianina voalohany koa ny apostoly Jaona. Nanoratra Filazantsara momba ny fanompoan’i Jesosy izy, ary tena mahaliana ilay izy. Nampahery an’ireo Kristianina voalohany io Filazantsara io nandritra ny taona maro, ary mbola mampahery antsika koa. Izy io ihany, ohatra, no miresaka an’ilay tenin’i Jesosy hoe ny fifankatiavana no amantarana ny tena mpanara-dia azy.—Vakio ny Jaona 13:34, 35.

15 Misy hevitra tena mampahery koa ao amin’ireo taratasy telo nosoratan’i Jaona. Nilaza, ohatra, izy fa “manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” ny ran’i Jesosy. (1 Jaona 1:7) Mampahery antsika izany rehefa kivy isika noho ny zavatra tsy nety nataontsika. Nilaza koa i Jaona fa ‘lehibe noho ny fontsika Andriamanitra.’ (1 Jaona 3:20) Raha mbola manamelo-tena foana isika, dia hahatsiaro ho maivamaivana ary angamba aza ho latsa-dranomaso mihitsy rehefa mamaky an’izany. I Jaona irery no mpanoratra Baiboly nilaza hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8, 16) Midera an’ireo Kristianina “mandeha foana ao amin’ny fahamarinana” koa izy, ao amin’ny taratasy faharoa sy fahatelo nosoratany.—2 Jaona 4; 3 Jaona 3, 4.

16, 17. Inona no nataon’ny apostoly Paoly mba hampaherezana ny Kristianina voalohany?

16 I Paoly angamba no apostoly niezaka indrindra nampahery an’ireo mpiara-manompo taminy. Toa nijanona tany Jerosalema mantsy ny ankamaroan’ny apostoly taoriana kelin’ny nahafatesan’i Jesosy, ka tany foana no nisy ny filan-kevi-pitantanana tamin’izany. (Asa. 8:14; 15:2) Olona efa nivavaka tamin’Andriamanitra tokana no niresahan’ny Kristianina tany Jodia, rehefa nitory momba an’i Kristy izy ireo. Ny apostoly Paoly kosa nirahin’ny fanahy masina hitory tamin’ny olona nivavaka tamin’andriamanitra be dia be, anisan’izany ny Grika sy ny Romanina.—Gal. 2:7-9; 1 Tim. 2:7.

17 Tonga hatrany amin’ilay tany antsoina amin’izao hoe Torkia i Paoly, ary nankany Gresy sy Italia koa. Nitory tamin’ny tsy Jiosy izy, ary lasa nisy fiangonana kristianina tany. Nila fampaherezana ireo vao lasa Kristianina. Nijaly mantsy izy ireo satria nanenjika azy ireo ny mpiray tanindrazana taminy. (1 Tes. 2:14) Nanoratra taratasy mampahery ho an’ilay fiangonana vaovao tany Tesalonika, any Gresy, àry i Paoly, tamin’ny taona 50 tany ho any. Izao no nosoratany: “Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay rehefa mahatsiaro anareo rehetra amim-bavaka. Tadidinay foana ... mantsy izay ataonareo noho ny finoanareo, sy ny asa mafy ataonareo amim-pitiavana, ary ny fiaretanareo.” (1 Tes. 1:2, 3) Nampirisika azy ireo koa izy hoe: “Mifampionòna sy mifampahereza hatrany.”—1 Tes. 5:11.

MAMPAHERY NY FILAN-KEVI-PITANTANANA

18. Inona no nataon’ny filan-kevi-pitantanana mba hampaherezana an’i Filipo?

18 Nampiasa ny filan-kevi-pitantanana i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany mba hampaherezana ny Kristianina rehetra, anisan’izany ireo mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana. Rehefa nitory momba an’i Kristy tany Samaria, ohatra, i Filipo, dia nasain’ny filan-kevi-pitantanana nankany koa i Petera sy Jaona, izay anisan’ny filan-kevi-pitantanana. Nirahiny tany izy roa lahy mba hivavaka ho an’ireo vao lasa Kristianina, amin’izay izy ireo mahazo fanahy masina. (Asa. 8:5, 14-17) Azo antoka fa nampahery an’i Filipo sy ireo nampiany ho lasa Kristianina izany.

19. Inona no vokany rehefa naharay taratasy avy tamin’ny filan-kevi-pitantanana ny Kristianina voalohany?

19 Tsy maintsy nanapa-kevitra ny filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana hoe tokony harahin’ny Kristianina tsy jiosy ve ilay Lalàn’i Mosesy momba ny famorana. (Asa. 15:1, 2) Nivavaka mba hahazo fanahy masina izy ireo sady nandinika ny Soratra Masina, dia nanapa-kevitra hoe tsy voatery hoforana ny tsy Jiosy. Nosoratany tamin’ny taratasy ilay fanapahan-kevitra, ary naniraka rahalahy izy ireo mba hitondra an’ilay izy tany amin’ny fiangonana. Faly ny fiangonana rehefa voavaky ilay izy, satria nahazo fampaherezana.—Asa. 15:27-32.

20. a) Inona no ataon’ny Filan-kevi-pitantanana mba hampaherezana antsika rehetra? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Mampahery an’ireo Betelita sy mpanompo manontolo andro manokana hafa koa amin’izao ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mampahery ny mpanompon’i Jehovah eran-tany mihitsy. Mahafaly antsika izany, toa an’ireo Kristianina voalohany ihany. Namoaka an’ilay bokikely hoe Miverena Amin’i Jehovah koa ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 2015, ary tena mampahery olona maro eran-tany izy io. Ireo manana andraikitra ihany ve anefa no tokony hampahery toy ny ataon’i Jehovah? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

^ feh. 2 Na “mampahery.”