Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Miezaka Hanatratra Tanjona Ara-panahy ve Ianareo?

Ry Tanora, Miezaka Hanatratra Tanjona Ara-panahy ve Ianareo?

“Ankino amin’i Jehovah ny asanao, dia hahomby izay kasainao.”—OHAB. 16:3.

HIRA: 135, 144

1-3. a) Inona no zava-tsarotra atrehin’ny tanora rehetra? Hazavao amin’ny ohatra. (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no hanampy ny tanora hahay hanapa-kevitra?

AOKA hatao hoe handeha hanatrika fotoan-dehibe iray ianao. Any lavitra be no hatao ilay izy, dia tsy maintsy mandeha taxi-brousse ianao. Be olona be eny amin’ny fakana taxi-brousse sady misy taxi-brousse isan-karazany, dia mety ho verivery kely ianao amin’ny voalohany. Soa ihany anefa fa efa fantatrao tsara hoe ho aiza ianao, dia inona ny taxi-brousse mankany. Tsy taxi-brousse hafa mihitsy no handehananao, satria tsy ho tonga any amin’ilay toerana tianao haleha ianao raha manao an’izany.

2 Azo ampitahaina amin’ny dia lavitra ny fiainana, ary hoatran’ny olona handeha haka taxi-brousse ny tanora. Be dia be loatra indraindray ny zavatra azo atao eo amin’ny fiainana, ka sarotra ny manapa-kevitra. Raha efa manana tanjona anefa ianao, dia ho mora kokoa aminao izany. Fa inona tokoa moa no tokony ho tanjonao?

3 Hamaly an’izany ity lahatsoratra ity, ka hampirisika anao hiezaka foana hampifaly an’i Jehovah. Midika izany hoe hanaraka ny toroheviny foana ianao isaky ny hanapa-kevitra. Hanao an’izany, ohatra, ianao rehefa hanapa-kevitra momba ny fianarana sy ny asa hataonao, na rehefa hanapa-kevitra hoe hanambady sy hiteraka sa tsia. Hiezaka koa ianao hanatratra tanjona hampifandray anao kokoa amin’i Jehovah. Afaka matoky ianao hoe hotahin’i Jehovah ary handeha tsara ny fiainanao, raha ny hanompo azy foana no zava-dehibe indrindra aminao.—Vakio ny Ohabolana 16:3.

NAHOANA NO ILAINA NY MANANA TANJONA?

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Tsara raha aloha be ny olona iray, dia efa manana tanjona ara-panahy. Handinika antony telo mahatsara an’izany isika. Ho hitanao amin’ireo antony roa voalohany fa vao mainka hifandray tsara amin’i Jehovah ny olona manana tanjona ara-panahy. Ilay antony fahatelo kosa hanasongadina ny soa azo, raha mbola tanora ianao dia efa manao an’izany.

5. Inona no antony lehibe indrindra mahatonga antsika hanana tanjona ara-panahy?

5 Voalohany, mila manana tanjona ara-panahy isika mba hampisehoana amin’i Jehovah hoe tena ankasitrahantsika ny fitiavany antsika sy ny zavatra nataony ho antsika. Hoy ny mpanao salamo: ‘Tsara ny misaotra anao, Jehovah ô! Mampifaly ahy ianao, ka ny asanao no ampifalianao ahy, ary noho ny asan’ny tananao, dia mihoby aho.’ (Sal. 92:1, 4) Eritrereto àry ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah ho anao. Nomeny aina ianao, ary nomeny ny Baiboly sy ny fiangonana. Lasa nahafantatra ny marina momba azy koa ianao, ary lasa afaka manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa. Rehefa miezaka hanatratra tanjona ara-panahy àry ianao, dia asehonao an’i Jehovah hoe mankasitraka azy ianao noho izany fitahiana rehetra izany. Vao mainka hifandray tsara aminy ianao amin’izay.

6. a) Inona no ho vokany raha manana tanjona ara-panahy isika? b) Inona avy ny tanjona azo tratrarina dieny mbola kely?

6 Faharoa, rehefa manana tanjona ara-panahy ianao ary miezaka manatratra an’ilay izy, dia lasa manao zavatra tsara be dia be ho an’i Jehovah. Vao mainka izany mahatonga anao hifandray kokoa aminy. Nampanantena toy izao ny apostoly Paoly: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.’ (Heb. 6:10) Na mbola kely aza ianao, dia efa afaka manana tanjona. Tamin’izy folo taona, ohatra, i Christine no nanapa-kevitra hoe hamaky tsy tapaka ny tantaran’ireo Vavolombelon’i Jehovah tsy nivadika. Tamin’izy 12 taona i Toby no nanao tanjona hoe hamaky ny Baiboly iray manontolo alohan’ny hanaovana batisa azy. Ny hiasa any amin’ny Betela kosa no tanjon’i Maxim sy Noemi anabaviny. Tamin’izy 11 taona i Maxim no natao batisa, ary i Noemi tamin’izy 10 taona. Nasian’izy ireo fangatahana hiasa any amin’ny Betela eo amin’ny rindrina ao an-tranon-dry zareo, amin’izay tadidiny foana ilay tanjony. Ary ianao? Inona avy ny tanjona tena tianao hotratrarina? Nahoana raha manomboka miezaka manatratra azy ireny?—Vakio ny Filipianina 1:10, 11.

7, 8. a) Nahoana no mora kokoa ny manapa-kevitra rehefa manana tanjona? b) Nahoana ny tanora iray no nisafidy ny tsy ho eny amin’ny oniversite?

7 Fahatelo, tsara raha manana tanjona ianao satria be dia be ny fanapahan-kevitra mila raisinao amin’izao ianao mbola tanora izao. Tsy maintsy manapa-kevitra, ohatra, ianao hoe inona no fianarana na asa hataonao. Toy ny hoe tonga eo amin’ny sampanan-dalana iray ianao, dia mila mifidy ny lalana handehananao. Rehefa fantatrao tsara ny toerana tianao haleha, dia ho mora aminao ny hifidy. Raha manana tanjona koa ianao, dia ho mora kokoa aminao ny hanapa-kevitra. Hoy ny Ohabolana 21:5: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.” Handray soa aloha kokoa ianao raha aloha be dia efa mandamina an’izay hataonao, izany hoe manana tanjona tsara. Nanao hoatr’izany i Damaris. Nisy fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy noraisiny tamin’izy mbola tanora.

8 Nahazo naoty tsara be i Damaris tamin’izy nanala baka. Afaka nianatra maimaim-poana tany amin’ny oniversite izy taorian’izay, dia nianatra momba ny lalàna. Naleony anefa niasa tapa-potoana. Nahoana? Hoy izy: “Tamin’izaho mbola kely no efa nanapa-kevitra hoe hanao mpisava lalana, dia hiasa tapa-potoana. Raha nahazo diplaomana mpahay lalàna tany amin’ny oniversite aho, dia mety ho nikarama be, saingy mety ho tsy nahita asa tapa-potoana.” Efa 20 taona izao i Damaris no mpisava lalana. Hitany hoe nety tsara ny tanjony ary nahay nanapa-kevitra izy tamin’izy mbola tanora. Hoy izy: ‘Mifandray matetika amin’ny mpisolovava aho any am-piasana. Raha nianatra momba ny lalàna aho, dia ho nanao ny asan-dry zareo koa. Tsy sambatra anefa ny ankamaroan-dry zareo. Izaho kosa tsy hoatr’izany satria nanapa-kevitra ny hanao mpisava lalana dia nifidy asa tapa-potoana. Falifaly foana aho nandritra izay taona maro nanompoako an’i Jehovah izay.’

9. Nahoana ny tanora ao amin’ny fiangonantsika no mendri-piderana?

9 Tena mendri-piderana ireo tanora maro be any amin’ny fiangonantsika eran-tany. Ny fifandraisany amin’i Jehovah sy ny tanjony ara-panahy mantsy no zava-dehibe indrindra amin’izy ireny. Mankafy fiainana izy ireny, nefa koa miezaka manaraka ny tari-dalan’i Jehovah amin’izay rehetra ataony, ohatra hoe rehefa hisafidy fianarana na asa na rehefa hanapa-kevitra hoe hanambady sa tsia. Hoy i Solomona: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo. ... Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.” (Ohab. 3:5, 6) Ry tanora, tena tia anareo i Jehovah. Sarobidy aminy ianareo, ka arovany ary omeny tari-dalana sy fitahiana.

MIOMÀNA TSARA MBA HO AFAKA HITORY

10. a) Nahoana ny fanompoana no tokony ho anisan’ny zava-dehibe indrindra amintsika? b) Inona no hanampy anao hahay hitory kokoa?

10 Raha ny hampifaly an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra aminao, dia azo antoka fa ho zava-dehibe aminao koa ny fanompoana. Nilaza i Jesosy Kristy fa “tsy maintsy hotorina ... aloha ny vaovao tsara.” (Mar. 13:10) Tokony ho anisan’ny zava-dehibe indrindra aminao àry ny fitoriana, satria mila atao haingana izy io. Maninona raha hatao tanjona ny hanompo matetika kokoa? Sao dia afaka manao mpisava lalana ianao? Ahoana anefa raha tsy tena mahafinaritra anao ny mitory? Inona no hanampy anao hahay hitory kokoa? Misy zavatra roa azonao atao: Miomàna tsara, ary resaho amin’ny olona foana izay zavatra fantatrao momba an’i Jehovah. Hahafinaritra be anao ny mitory raha manao an’izany ianao.

Inona no ataonao mba ho vonona hitory ianao? (Fehintsoratra 11, 12)

11, 12. a) Inona no azon’ny tanora atao mba ho vonona hitory izy ireo? b) Inona no nataon’ny tanora iray tany am-pianarana?

11 Inona, ohatra, no azonao atao? Eritrereto izay fanontaniana mety hapetraky ny mpiara-mianatra aminao, dia karohy ny valiny. Mety hanontany, ohatra, ry zareo hoe: “Nahoana ianao no mino an’Andriamanitra?” Misy lahatsoratra natao hanampiana ny tanora hamaly an’izany ao amin’ny tranonkalantsika jw.org. Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANORA > FAMPIASANA. Ho hitanao ao ilay hoe “Nahoana Aho no Mino An’Andriamanitra?” Hanampy anao hanomana ny zavatra holazainao izy io. Misy andinin-teny telo azonao ampiasaina ao: Ny Hebreo 3:4 sy ny Romanina 1:20 ary ny Salamo 139:14. Misy fampiasana hafa koa ao hanampy anao ho vonona hamaly fanontaniana maro.—Vakio ny 1 Petera 3:15.

12 Ampirisiho hijery ny jw.org ny mpiara-mianatra aminao, rehefa afaka manao an’izany ianao. Izany no nataon’i Luca. Nandinika boky miresaka momba ny fivavahana samy hafa ry zareo tany am-pianarana. Hitan’i Luca hoe diso ny zavatra sasany voalaza tao momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia natahotra aza izy, dia nanontany an’ilay mpampianatra raha afaka manazava hoe nahoana no tsy marina ilay izy. Nanaiky ilay mpampianatra, dia nohazavain’i Luca tamin’ny iray kilasy taminy ny zavatra inoany. Nasehony azy ireo koa ny tranonkalantsika. Nasain’ilay mpampianatra nijery an’ilay video hoe Tsy Mila Miady Nefa Mandresy! ny ankizy rehefa tonga any an-tranony. Izay no devoaran’izy ireo. Faly be i Luca fa nahavita niresaka momba an’i Jehovah.

13. Nahoana isika no mila miezaka manatratra ny tanjontsika foana, na dia misy olana aza?

13 Aza kivy raha misy olana indraindray, ka toy ny hoe mikitoantoana ny lalana alehanao. (2 Tim. 4:2) Ezaho tratrarina foana ny tanjonao. Tamin’izy 17 taona i Katharina no nanana tanjona hoe hitory amin’ny tsirairay amin’ny mpiara-miasa aminy. Nanompa azy imbetsaka ny iray tamin-dry zareo, fa tsy kivy izy. Niezaka hanana toetra tsara foana izy. Nahita an’izany ny mpiara-miasa taminy atao hoe Hans, dia lasa namaky ny boky sy gazetintsika, nianatra Baiboly, ary natao batisa. Tsy nahalala an’izany i Katharina satria efa nifindra trano. Efa 13 taona tatỳ aoriana izy vao nahafantatra an’izany. Nivory niaraka tamin’ny fianakaviany izy tamin’izay, dia gaga be fa i Hans no mpandahateny mpitsidika. Faly erỳ i Katharina! Soa ihany izy fa niezaka foana nanatratra an’ilay tanjony hoe hitory amin’ny mpiara-miasa aminy.

AZA VARIMBARIANA

14, 15. a) Inona no tokony hotadidinao rehefa misy mitaona anao hanaraka ny ataony? b) Inona no azonao atao raha tsy te ho voataonan’ny hafa ianao?

14 Nampirisika anao ho tapa-kevitra ny hampifaly an’i Jehovah foana sy hanana tanjona ara-panahy ity lahatsoratra ity. Tanora maro hoatr’anao anefa no manao izay mahafinaritra azy fotsiny, ary azo antoka hoe hitaona anao hanao hoatr’izany izy ireny. Na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hasehonao hoe tena tapa-kevitra ny hanatratra ny tanjonao ianao. Aza manaiky hotaomin’izy ireny ka ho lasa varimbariana. Ahoana tokoa moa no hataonao rehefa hifidy taxi-brousse? Izay misy olona mifalifaly be fotsiny ve no hofidinao, na dia tsy any amin’ilay tianao haleha aza no handehanan’ilay izy? Azo antoka fa tsia!

15 Misy zavatra maro azonao atao raha tsy te ho voataonan’ny hafa ianao. Halaviro, ohatra, ny toerana na toe-javatra mety hisy fakam-panahy. (Ohab. 22:3) Tadidio foana hoe inona no ho vokany raha voatariky ny olona hanao ratsy hoatr’azy ianao. (Gal. 6:7) Ekeo koa hoe mila torohevitra ianao. Henoy ny soso-kevitra omen’ny ray aman-dreninao na ny rahalahy sy anabavy matotra ao amin’ny fiangonanao. Ho vitanao izany raha manetry tena ianao.—Vakio ny 1 Petera 5:5, 6.

16. Nahoana no tena ilaina ny manetry tena? Hazavao amin’ny ohatra.

16 Nandeha matetika tany amin’ny toerana fanaovana spaoro i Christoph, taoriana kelin’ny batisany. Nisy tanora maromaro anisana fikambanana tany, ka nampirisika azy hiditra amin’ilay izy. Noresahin’i Christoph tamin’ny anti-panahy iray izany. Niteny taminy ilay anti-panahy hoe alohan’ny handraisany fanapahan-kevitra, dia tokony hoeritreretiny hoe inona no ho voka-dratsiny raha lasa anisan’ilay fikambanana izy. Mety ho lasa tia mifaninana, ohatra, izy. Niditra ho anisan’ilay fikambanana ihany anefa i Christoph. Hitany tatỳ aoriana hoe nahatonga azy hahery setra ilay spaoro nataon-dry zareo, ary mampidi-doza mihitsy. Niresaka tamin’ny anti-panahy maromaro àry izy, dia nomen’izy ireo torohevitra avy ao amin’ny Baiboly. Hoy i Christoph: “Nandefasan’i Jehovah mpanoro hevitra mahay aho. Nihaino an’i Jehovah ihany aho tamin’ny farany.” Nanetry tena i Christoph, ka nanaiky rehefa nomena torohevitra. Ary ianao? Manetry tena ve ianao ka manaiky rehefa toroana hevitra?

17, 18. a) Tian’i Jehovah hanao ahoana ny tanora? b) Inona no mety hitranga rehefa lasa olon-dehibe ny tanora, ary ahoana no azo isorohana an’izany? Hazavao amin’ny ohatra.

17 Hoy ny Baiboly: “Mifalia ry tanora dieny mbola tanora ianao, ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao.” (Mpito. 11:9) Tena tian’i Jehovah ho falifaly ny tanora. Hitantsika tato amin’ity lahatsoratra ity fa raha te ho falifaly ianao, dia tokony hiezaka foana hanatratra tanjona ara-panahy, ary hanaraka ny tari-dalan’i Jehovah amin’izay rehetra ataonao. Tena tsara raha aloha be ianao dia efa manao an’izany. Tsy ho ela amin’izay dia ho hitanao fa mitari-dalana sy miaro ary mitahy anao i Jehovah. Saintsaino ireo torohevitra be dia be omeny anao ao amin’ny Teniny. “Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao. Eny, tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao.”—Mpito. 12:1.

18 Mandalo ihany ny fahatanorana. Vetivety ny tanora dia lasa olon-dehibe. Mampalahelo fa maro no manenina satria tsy nanana tanjona mihitsy, na nanana tanjona ihany fa tsy tsara ilay tanjony. Raha miezaka hanatratra tanjona ara-panahy anefa ianao amin’izao ianao mbola tanora izao, dia tena ho afa-po rehefa lasa olon-dehibe. Hoatr’izany i Mirjana. Nanan-talenta tamin’ny spaoro izy tamin’izy mbola tanora, dia voasa handray anjara tamin’ny Lalao Olympika. Naleony anefa nanompo manontolo andro. Efa 30 taona mahery izay no lasa, fa mbola manompo manontolo andro miaraka amin’ny vadiny foana izy. Hoy izy: ‘Mihelina ihany ny laza, ny voninahitra, ny fahefana, ary ny harena, sady tsy tena zava-dehibe. Ny manompo an’Andriamanitra sy ny manampy olona hifandray aminy no tanjona tsara indrindra.’

19. Nahoana no tsara ny manana tanjona ara-panahy dieny mbola tanora?

19 Tena mendri-piderana ny tanora ao amin’ny fiangonana. Ny fanompoana an’i Jehovah mantsy no zava-dehibe indrindra amin’izy ireo, na dia tsy mora aza izany. Miezaka manatratra tanjona ara-panahy izy ireo, ary ataony loha laharana ny fitoriana. Tapa-kevitra izy ireo hoe tsy hanaiky hotaomin’ity tontolo ity ka ho lasa varimbariana. Afaka matoky ianareo tanora hoe tsy very maina ny ezaka mafy ataonareo. Tena tia anareo sy manohana anareo ny mpiara-manompo aminareo. Ankino amin’i Jehovah foana àry ny fiainanareo, dia hahomby izay kasainareo hatao.