Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 16

Ankasitraho Foana ny Vidim-panavotana

Ankasitraho Foana ny Vidim-panavotana

‘Tonga mba hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro ny Zanak’olona.’​—MAR. 10:45.

HIRA 18 Ankasitrahantsika ny Vidim-panavotana

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona ny vidim-panavotana, ary nahoana isika no mila azy io?

LAVORARY i Adama. Rehefa nanota anefa izy, dia lasa tsy afaka niaina mandrakizay intsony izy sy ny taranany. Tsy afa-tsiny i Adama satria nanao fanahy iniana nanota. Ahoana anefa ny amin’ny taranany? I Adama mantsy no nanota fa tsy ry zareo, ary izy no mendrika ho faty. (Rom. 5:12, 14) Mety hisy fomba azo anavotana an-dry zareo mba tsy ho faty ve? Izany mihitsy! Tsy ela taorian’ny nanotan’i Adama, dia nampahafantarin’i Jehovah tsikelikely hoe ahoana no hanavotana ny taranak’i Adama an-tapitrisany amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Gen. 3:15) Rehefa tonga ny fotoana, dia nandefa ny Zanany avy any an-danitra i Jehovah mba “hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.”​—Mar. 10:45; Jaona 6:51.

2 Nahafoy ny ainy i Jesosy, ka toy ny hoe novidiny indray izay narian’i Adama. (1 Kor. 15:22) Izany no antsoina hoe vidim-panavotana, raha ny Soratra Grika Kristianina no jerena. Fa maninona isika no mila ny vidim-panavotana? Satria raha araka ny nolazain’i Jehovah hoe rariny, dia tokony hoe aina ho solon’ny aina. Izay no voalazan’ny Lalàna. (Eks. 21:23, 24) Aina lavorary anefa no nafoin’i Adama. Mba hampiharana ny rariny àry, dia nanao sorona ny ainy lavorary i Jesosy. (Rom. 5:17) Vokatr’izany, dia lasa “Ray Mandrakizay” ho an’izay maneho finoana ny vidim-panavotana izy.​—Isaia 9:6; Rom. 3:23, 24.

3. Fa maninona i Jesosy no nahafoy ny ainy lavorary, araka ny Jaona 14:31 sy 15:13?

3 Nahafoy ny ainy i Jesosy satria tena tiany ny Rainy any an-danitra sady tena tiany isika. (Vakio ny Jaona 14:31; 15:13.) Io fitiavana io no nahatonga azy ho tapa-kevitra tsy hivadika mandra-pahafatiny sy hanao ny sitrapon’ny Rainy. Inona no vokatr’izany? Ho tanteraka ilay fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny tany sy ny olombelona. Horesahintsika ato hoe fa maninona i Jesosy no navelan’Andriamanitra hijaly be talohan’ny hahafatesany. Hiresaka kely momba ny apostoly Jaona koa isika ato, satria tena nankasitraka ny vidim-panavotana izy. Hodinihintsika avy eo hoe ahoana no hampisehoantsika fa mankasitraka an’io fanomezana io isika, ary inona no hanampy antsika hankasitraka kokoa an’ilay sorona nataon’i Jehovah sy Jesosy ho antsika.

FA MANINONA I JESOSY NO NAVELAN’I JEHOVAH HIJALY?

Azonao an-tsaina ve ny fijaliana rehetra niaretan’i Jesosy mba hanomezana ny vidim-panavotana ho anao? (Fehintsoratra 4)

4. Hoatran’ny ahoana ny fomba nahafatesan’i Jesosy?

4 Eritrereto izay nitranga tamin’ilay andro farany niainan’i Jesosy tetỳ an-tany. Nanaiky hosamborin’ny miaramila romanina sy hokaravasin-dry zareo izy, nefa izy afaka niantso anjely be dia be mba hiaro azy. (Mat. 26:52-54; Jaona 18:3; 19:1) Nandrovidrovitra ny nofon’i Jesosy ilay karavasy nampiasain-dry zareo. Efa nandeha ra be ny lamosiny, nefa mbola nasain-dry zareo nibaby hazo mavesatra be ihany izy. Nanomboka nitarika an’ilay hazo tany amin’ny toerana hamonoana azy i Jesosy. Nisy lehilahy nasain’ny miaramila nibata an’ilay hazo anefa tsy ela taorian’izay. (Mat. 27:32) Rehefa tonga tany amin’ilay toerana i Jesosy, dia nofantsihana teo amin’ilay tsato-kazo ny tongony sy ny tanany. Natsangana ilay tsato-kazo avy eo, dia nitambesatra teo amin’ilay fantsika ny vatany ka nitatra ny ratrany. Nalahelo be ny naman’i Jesosy. Ny mamany koa nitomany. Ny lohandohany teo amin’ny Jiosy anefa naneso azy. (Lioka 23:32-38; Jaona 19:25) Nijalijaly sy nanaintaina nandritra ny ora maro izy. Lasa tsy maintsy niasa be ny fony sy ny havokavony, ka tsy nahavita niaina tsara izy. Nivavaka farany i Jesosy rehefa niala aina, ary hita tamin’ilay vavaka fa natoky izy hoe nahavita tsy nivadika. Nanondrika ny lohany izy avy eo, dia tapitra ny ainy. (Mar. 15:37; Lioka 23:46; Jaona 10:17, 18; 19:30) Ela be i Jesosy vao maty sady tena nijaly sy afa-baraka.

5. Inona no nampijaly kokoa an’i Jesosy noho ny fomba hahafatesany?

5 Tsy ny fomba namonoana an’i Jesosy no mafy indrindra taminy, fa ny antony namonoana azy. Izay no tena nampiady saina azy. Nampangaina ho mpanevateva an’Andriamanitra mantsy izy, izany hoe olona tsy nanaja an’Andriamanitra na ny anarany. (Mat. 26:64-66) Na dia ny nieritreritra an’izany fotsiny aza dia efa nampahory mafy azy. Nanantena àry izy hoe tsy hamela azy ho afa-baraka hoatr’izany ny Rainy. (Mat. 26:38, 39, 42) Fa maninona anefa no navelan’i Jehovah hijaly sy ho faty ilay Zanany tena tiany? Andao isika handinika antony telo.

6. Fa maninona i Jesosy no tsy maintsy nahantona teo amin’ny hazo fijaliana?

6 Voalohany, tsy maintsy nahantona teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy mba hanafahana ny Jiosy amin’ny ozona anankiray. (Gal. 3:10, 13) Voaozona ry zareo satria nampanantena hoe hankatò ny Lalàn’Andriamanitra nefa tsy nanao an’izany. Tsy vitan’ny hoe voaheloka ry zareo satria taranak’i Adama, fa mbola niampy an’io ozona io koa. (Rom. 5:12) Tokony hovonoina izay nanao fahotana mahafaty, raha ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita no jerena. Mety hahantona eo amin’ny tsato-kazo ny fatiny avy eo. * (Deot. 21:22, 23; 27:26) Nanafaka ny Jiosy tamin’ilay ozona àry i Jesosy rehefa nahantona teo amin’ny tsato-kazo, ka afaka nandray soa tamin’ny sorona nataony ry zareo na dia nanda azy aza.

7. Inona ny antony faharoa nahatonga an’Andriamanitra hamela ny Zanany ho faty?

7 Faharoa, nampiofanin’i Jehovah hanao ny andraikitra niandry azy i Jesosy. Ho lasa Mpisoronabe mantsy izy. Fantatr’i Jesosy hoe tsy mora ny mankatò an’Andriamanitra rehefa miatrika fitsapana faran’izay mafy. Izy mihitsy no niaina an’izany. Niady saina be izy ka “nitaraindraina mafy sy nitomany” rehefa nitalaho fanampiana tamin’i Jehovah. Efa nizaka ny mangidy i Jesosy, ka azony tsara hoe inona no ilaintsika rehefa “iharam-pitsapana” ary “afaka manampy” antsika izy. Soa ihany fa mamindra fo ilay Mpisoronabe notendren’i Jehovah hikarakara antsika, sady “mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika.”​—Heb. 2:17, 18; 4:14-16; 5:7-10.

8. Inona ny antony fahatelo nahatonga an’Andriamanitra hamela an’i Jesosy hijaly mafy?

8 Fahatelo, namela an’i Jesosy hijaly mafy i Jehovah mba hamaliana an’ilay fanontaniana lehibe hoe: Mety hahavita tsy hivadika amin’Andriamanitra ve ny olombelona na dia mizaka ny tsy eran’ny aina aza? Tsy misy mahavita an’izany, hoy i Satana. Mitady tombony fotsiny, hono, ny olombelona matoa manompo an’Andriamanitra. Lazainy fa tsy misy tia an’i Jehovah ry zareo, hoatran’i Adama razambeny ihany. (Joba 1:9-11; 2:4, 5) Natoky anefa i Jehovah hoe tsy hivadika ny Zanany. Izany no nahatonga azy hamela an’i Jesosy hiharan’ny fitsapana faran’izay mafy. Nahavita tsy nivadika hatramin’ny farany i Jesosy, ka nanaporofo hoe mpandainga i Satana.

TENA NANKASITRAKA NY VIDIM-PANAVOTANA NY APOSTOLY JAONA

9. Inona no ohatra navelan’ny apostoly Jaona?

9 Nisy nanohitra ny Kristianina maro ary niatrika fitsapana isan-karazany. Tsy nitsahatra nitory anefa ry zareo sady niaritra foana nandritra ny androm-piainany. Fa maninona? Satria izy nino ny vidim-panavotana dia nanatanjaka ny finoany izany. Hoatr’izany ny apostoly Jaona. Tsy nivadika mihitsy izy fa nitory ny fahamarinana momba an’i Kristy sy ny vidim-panavotana foana. Efa ho 60 taona mahery angamba izy no nanao an’izany. Nogadraina tany amin’ny nosy Patmo izy tamin’izy efa ho 100 taona. Noheverin’ny Fanjakana Romanina hoe mampidi-doza mantsy izy tamin’izany. Fa inona no ratsy nataony? Nitory momba an’Andriamanitra sy Jesosy izy. (Apok. 1:9) Tena nanam-pinoana sy nahavita niaritra ny apostoly Jaona ka modely ho antsika!

10. Inona no porofo fa nankasitraka ny vidim-panavotana i Jaona?

10 Tena tia an’i Jesosy i Jaona sady nankasitraka ny vidim-panavotana. Mampiseho an’izany ny taratasy nosoratany. Efa ho injato mahery izy no niresaka momba ny vidim-panavotana na ny soa azo avy amin’izy io. Izao, ohatra, no nosoratany: ‘Raha misy sendra manota, dia manana mpanampy any amin’ny Ray isika, dia i Jesosy Kristy, ilay marina.’ (1 Jaona 2:1, 2) Nohamafisiny koa hoe tena ilaina ny ‘mitory momba an’i Jesosy.’ (Apok. 19:10) Hita amin’izany hoe tena nankasitraka ny vidim-panavotana i Jaona. Ary isika? Ahoana no hampisehoantsika hoe mankasitraka azy io koa isika?

ASEHOY HOE MANKASITRAKA NY VIDIM-PANAVOTANA IANAO

Hanohitra fakam-panahy ianao raha tena mankasitraka ny vidim-panavotana (Fehintsoratra 11) *

11. Inona no hanampy antsika hanohitra fakam-panahy?

11 Tohero ny fakam-panahy. Raha tena mankasitraka ny vidim-panavotana ianao, dia tsy hieritreritra hoe: ‘Tsy voatery hiady mafy aho rehefa tratran’ny fakam-panahy. Tsy maninona na manota aza aho, satria afaka mangataka famelan-keloka foana avy eo.’ Izao kosa no tokony hoeritreretinao rehefa misy fakam-panahy: ‘Izaho ve dia hanao an’izany, nefa i Jehovah sy Jesosy efa tena nahavita be ho ahy? Tsy hanao an’izany mihitsy aho!’ Afaka mangataka hery amin’i Jehovah koa ianao, dia mitalaho aminy hoe: ‘Aza avela ho resin’ny fakam-panahy aho, Jehovah ô!’​—Mat. 6:13.

12. Ahoana no hampiharantsika ny torohevitra ao amin’ny 1 Jaona 3:16-18?

12 Tiavo ny rahalahy sy anabavinao. Hita hoe mankasitraka ny vidim-panavotana ianao rehefa manao an’izany. Fa maninona? Satria tsy nahafoy ny ainy ho anao fotsiny i Jesosy fa ho an-dry zareo koa. Sarobidy be aminy ry zareo matoa izy nanao an’izany. (Vakio ny 1 Jaona 3:16-18.) Ny fomba itondrantsika ny mpiara-manompo no ahitana hoe tia an-dry zareo isika. (Efes. 4:29, 31–5:2) Ampiantsika, ohatra, ry zareo rehefa marary na miatrika fitsapana mafy, ohatra hoe rehefa misy rivo-doza na horohoron-tany. Inona anefa no tokony hataontsika raha nampahatezitra antsika ny zavatra nolazain’ny mpiara-manompo na nataony?

13. Fa maninona isika no tokony hamela heloka?

13 Ianao ve mora mitana lolompo amin’ny mpiara-manompo? (Lev. 19:18) Raha izany, dia araho ity torohevitra ity: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.” (Kol. 3:13) Isaky ny mamela ny fahadisoan’ny rahalahy na anabavintsika isika, dia mampiseho amin’ilay Raintsika any an-danitra hoe tena mankasitraka ny vidim-panavotana. Inona anefa no azo atao raha te hankasitraka kokoa an’io fanomezan’Andriamanitra io isika?

TE HANKASITRAKA KOKOA NY VIDIM-PANAVOTANA VE IANAO?

14. Inona no azo atao raha te hankasitraka kokoa ny vidim-panavotana isika?

14 Misaora an’i Jehovah noho ny vidim-panavotana. Manao an’izany i Joanna, anabavy 83 taona. Any Inde izy no mipetraka. Izao no nolazainy: “Hitako hoe tena ilaina ny miresaka momba ny vidim-panavotana isan’andro rehefa mivavaka, dia misaotra an’i Jehovah noho io fanomezana io.” Rehefa miresaka samirery amin’i Jehovah ianao, dia eritrereto hoe inona avy ny fahadisoana nataonao nandritra ny andro, ary iangavio izy mba hamela azy ireny. Mazava ho azy fa mila mangataka ny fanampian’ny anti-panahy ianao raha nanao fahotana lehibe. Hihaino anao ry zareo, dia hanome torohevitra feno fitiavana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hivavaka miaraka aminao koa ry zareo ary hiangavy an’i Jehovah mba hamela anao, amin’izay ianao ho afaka hifandray tsara aminy indray.​—Jak. 5:14-16.

15. Fa maninona isika no tokony hanokana fotoana hianarana momba ny vidim-panavotana sy hisaintsainana momba an’izany?

15 Saintsaino ny vidim-panavotana. Izao no nolazain’i Rajamani, anabavy 73 taona: “Tsy tanako ny ranomasoko rehefa mamaky momba ny fijalian’i Jesosy aho.” Mety hampalahelo be anao koa ny mieritreritra hoe nijaly be ny Zanak’Andriamanitra. Rehefa misaintsaina momba ny sorona nataony anefa ianao, dia vao mainka ho tia azy sy ny Rainy. Maninona raha mikaroka momba ny vidim-panavotana rehefa mianatra samirery? Ho afaka hisaintsaina momba an’izany ianao amin’izay.

Sakafo tsotra no nampiasain’i Jesosy mba hampisehoana tamin’ny mpianany hoe ahoana no hahatsiarovana ny sorona nataony (Fehintsoratra 16)

16. Nahoana no mandray soa isika rehefa mampianatra momba ny vidim-panavotana? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

16 Ampianaro momba ny vidim-panavotana ny olon-kafa. Vao mainka isika hankasitraka ny vidim-panavotana isaky ny miresaka an’izany amin’ny olon-kafa. Manana fitaovana tsara be isika mba hampianarana ny olona hoe fa maninona i Jesosy no maty ho antsika. Azonao ampiasaina, ohatra, ny lesona faha-​4 amin’ilay bokikely hoe Vaovao Tsara Natao ho Anao! Izao no lohatenin’ilay izy: “Iza moa i Jesosy Kristy?” Azonao ampiasaina koa ny toko faha-​5 amin’ilay boky hoe Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly? Izao no lohatenin’ilay izy: “Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny vidim-panavotana.” Manampy antsika koa ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Vao mainka isika hankasitraka ny vidim-panavotana, rehefa manatrika azy io isan-taona sady mafana fo manasa ny olona ho tonga amin’izy io. Tombontsoa be ny hoe avelan’i Jehovah hampianatra momba ny Zanany!

17. Fa maninona ny vidim-panavotana no fanomezana tsara indrindra nataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona?

17 Tokony ho sarobidy be amintsika àry ny vidim-panavotana, ka hiezaka hankasitraka azy io foana isika. Ny vidim-panavotana mantsy no mahatonga antsika ho afaka hinamana be amin’i Jehovah, na dia tsy lavorary aza isika. Izy io koa no hahafahana handrava tanteraka ny asan’ny Devoly. (1 Jaona 3:8) Tsy vitan’izany fa noho ny vidim-panavotana, dia ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany. Ho lasa paradisa ny tany manontolo. Ho tia an’i Jehovah sy hanompo azy ny olona rehetra amin’izay. Andao àry isika isan’andro hitady fomba hampisehoana hoe ankasitrahantsika io fanomezana tsara indrindra avy amin’Andriamanitra io!

HIRA 20 Nomenao Anay Ilay Zanaka Malalanao

^ feh. 5 Fa maninona i Jesosy no nampijalijalina sy novonoina? Hamaly an’izany ity lahatsoratra ity. Misy hevitra hafa koa ato hanampy antsika hankasitraka kokoa ny vidim-panavotana.

^ feh. 6 Na dia mbola velona aza ny voaheloka iray, dia fanaon’ny Romanina ny namantsika azy na namatotra azy teo amin’ny tsato-kazo. Navelan’i Jehovah hovonoina hoatr’izany ny Zanany.

^ feh. 55 SARY: Rahalahy telo miezaka manohitra fakam-panahy. Ny iray tsy manaiky hijery sary vetaveta. Ny iray indray mandà tsy hifoka sigara, ary ny farany tsy manaiky handray kolikoly.