Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 14

‘Araho Akaiky ny Diany’

‘Araho Akaiky ny Diany’

‘Nijaly ho anareo i Kristy, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.’​1 PET. 2:21.

HIRA 13 Kristy no Modelintsika

HO HITANAO ATO *

Hoatran’ny hoe namela dian-tongotra i Jesosy mba harahintsika akaiky (Fehintsoratra 1-2)

1-2. Manomeza ohatra manampy antsika hahazo kokoa ny 1 Petera 2:21.

ERITRERETO hoe miaraka amin’olona maromaro ianao, dia handalo toerana feno vanja milevina. Soa ihany anefa fa mahay tsara an’ilay lalana ilay mitarika anareo. Rehefa mandeha izy dia hitanao ny dian-tongony. Tsy tazanao intsony izy avy eo, nefa tsy matahotra ianao! Manao izay azo atao fotsiny ianao sy ny namanao mba hanarahana tsara ny dian-tongony.

2 Hoatran’ny hoe mandalo toerana feno vanja milevina isika Kristianina, satria miaina eto amin’ity tontolo ratsy ity. Soa ihany anefa fa nomen’i Jehovah mpitari-dalana lavorary isika, dia i Jesosy Kristy Zanany. Afaka manaraka akaiky ny diany isika. (1 Pet. 2:21) Milaza ny boky iray momba ny Baiboly hoe ampitovin’i Petera amin’ny mpitari-dalana i Jesosy. Hoatran’ny hoe namela ny dian-tongony i Jesosy mba harahintsika. Fa inona anefa no dikan’ny hoe manaraka ny dian’i Jesosy? Fa maninona isika no tokony hanao an’izany? Ary ahoana no hanaovantsika an’izany? Hamaly an’ireo isika ato.

INONA NO DIKAN’NY HOE MANARAKA NY DIAN’I JESOSY?

3. Inona no dikan’ny hoe manaraka ny dian’ny olona iray?

3 Inona no dikan’ny hoe manaraka ny dian’ny olona iray? Fomba fiaina indraindray no tian’ny Baiboly horesahina amin’ny hoe “mandeha” na hoe “tongotra.” (Gen. 6:9; Ohab. 4:26) Azo oharina amin’ny dian-tongotra ny modely avelan’ny olona iray. Raha manaraka ny dian’ny olona anankiray àry isika, dia midika izany hoe manahaka ny modely omeny.

4. Inona no dikan’ny hoe manaraka ny dian’i Jesosy?

4 Inona àry no dikan’ny hoe manaraka ny dian’i Jesosy? Raha tsorina, dia midika izany hoe manaraka ny modely nomeny. Ny ohatra nomen’i Jesosy tamin’izy niaritra fijaliana no tena resahin’ny apostoly Petera, ao amin’ny andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity. (1 Pet. 2:18-25) Be dia be anefa no azontsika anahafana an’i Jesosy. Ny fiainany iray manontolo mihitsy, raha ny marina, no modely ho antsika, izany hoe izay rehetra nolazainy sy nataony.

5. Tena afaka manaraka ny ohatra lavorary navelan’i Jesosy ve ny olombelona tsy lavorary? Hazavao.

5 Tena ho vitantsika ve ny hanahaka ny modely nomen’i Jesosy na dia tsy lavorary aza isika? Ie, izany mihitsy! Tadidio fa tsy nilaza i Petera hoe tokony hanaraka an-tsakany sy an-davany ny dian’i Jesosy isika, izany hoe hitovy tanteraka aminy. Nampirisika antsika kosa izy mba ‘hanaraka akaiky ny diany.’ Afaka manao izay fara herintsika àry isika mba hanarahana ny diany, na dia tsy lavorary aza. Rehefa manao an’izany isika, dia mampihatra an’ilay tenin’ny apostoly Jaona hoe: ‘Mandehana hatrany toy izay nandehanan’i Jesosy.’​—1 Jaona 2:6.

FA MANINONA ISIKA NO TOKONY HANARAKA NY DIAN’I JESOSY?

6-7. Fa maninona isika no hinamana kokoa amin’i Jehovah raha manaraka ny dian’i Jesosy?

6 Hinamana kokoa amin’i Jehovah isika. Fa maninona? Voalohany, modely tena tsara ny fomba fiainan’i Jesosy satria nampifaly an’Andriamanitra. (Jaona 8:29) Hampifaly an’i Jehovah koa àry isika raha manaraka ny dian’i Jesosy. Afaka matoky isika hoe hifandray akaiky amin’izay olona miezaka mafy mba ho namany ilay Raintsika any an-danitra.​—Jak. 4:8.

7 Faharoa, nanahaka tanteraka ny Rainy i Jesosy. Izany no nahatonga azy hilaza hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9) Afaka manahaka ny toetran’i Jesosy sy ny fomba nitondrany ny olona koa isika. Nangoraka boka iray, ohatra, izy, ary niombom-pihetseham-po tamin’ny vehivavy iray narary mafy. Nalahelo an’izay maty havana koa izy. (Mar. 1:40, 41; 5:25-34; Jaona 11:33-35) Rehefa manahaka an’i Jesosy isika dia manahaka ny toetran’i Jehovah, ka vao mainka hifandray akaiky aminy.

8. Fa maninona isika no ‘haharesy’ an’izao tontolo izao raha manaraka ny dian’i Jesosy?

8 Tsy ho voataonan’ity tontolo ity tsy hifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika. Izao no nolazain’i Jesosy, ny alina talohan’ny hahafatesany: “Izaho efa naharesy an’izao tontolo izao.” (Jaona 16:33) Inona no tiany holazaina amin’izany? Hoe tsy navelany hisy vokany taminy ny fomba fisainan’ny olona teto amin’ity tontolo ity sy ny tanjon’izy ireo ary ny zavatra nataony. Nirahina mba hanamasina ny anaran’i Jehovah i Jesosy. Tsy hadinony mihitsy hoe izay no antony nanirahana azy ho etỳ an-tany. Ary ahoana ny amintsika? Betsaka ny zavatra mety hahavariana antsika eto amin’ity tontolo ity. ‘Haharesy’ an’izao tontolo izao koa anefa isika, raha manahaka an’i Jesosy ka manao ny sitrapon’i Jehovah foana ary mifantoka amin’izany.​—1 Jaona 5:5.

9. Inona no tsy maintsy ataontsika raha tsy te hiala amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay isika?

9 Hahazo fiainana mandrakizay isika. Nisy tovolahy nanankarena nanontany an’i Jesosy hoe inona no tokony hataony mba hahazoany fiainana mandrakizay. Niteny taminy i Jesosy hoe: “Andao hanara-dia ahy.” (Mat. 19:16-21) Izao koa no nolazainy tamin’ny Jiosy sasany tsy nino hoe izy no Kristy: ‘Ny ondriko manaraka ahy, dia omeko fiainana mandrakizay.’ (Jaona 10:24-29) Tamin’i Nikodemosy indray izy nilaza hoe ‘hanana fiainana mandrakizay izay rehetra maneho finoana azy.’ (Jaona 3:16) Anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy i Nikodemosy ary liana tamin’ny fampianaran’i Jesosy. Asehontsika hoe mino an’i Jesosy isika raha mampihatra an’izay nampianariny sy manahaka an’izay nataony. Tsy hiala amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay isika amin’izay.​—Mat. 7:14.

AHOANA NO HANARAHANTSIKA AKAIKY NY DIAN’I JESOSY?

10. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te ‘hianatra hahalala’ an’i Jesosy isika? (Jaona 17:3)

10 Tsy maintsy “mianatra hahalala” an’i Jesosy isika, izay vao ho afaka hanaraka akaiky ny diany. (Vakio ny Jaona 17:3.) Ezaka mitohy izany. Tsy maintsy miezaka foana isika mba hahafantatra azy bebe kokoa. Anisan’izany ny toetrany sy ny fomba fisainany ary ny fitsipika narahiny. Na vao haingana isika no tao amin’ny fahamarinana na efa ela, dia tsy maintsy mianatra hahalala an’i Jehovah sy ny Zanany foana.

11. Inona no resahin’ny Filazantsara efatra?

11 Tena tia antsika i Jehovah ka nasainy nosoratana tao amin’ny Teniny ny Filazantsara efatra. Manampy antsika hahafantatra ny Zanany ireo Filazantsara ireo, satria miresaka momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany. Resahina ao ny zavatra nolazainy sy nataony ary ny fihetseham-pony. Manampy antsika mba ‘handinika tsara’ ny ohatra nomeny ireo boky efatra ireo. (Heb. 12:3) Hoatran’ny hoe voarakitra ao ny dian-tongotr’i Jesosy. Lasa mahafantatra kokoa an’i Jesosy àry isika rehefa mianatra ny Filazantsara, ka ho afaka hanaraka akaiky ny diany.

12. Inona no azontsika atao raha te handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny Filazantsara?

12 Tsy ampy ny mamaky fotsiny raha te handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny Filazantsara. Mila manokana fotoana isika mba hianarana tsara sy hisaintsainana lalina ny tantara ao. (Jos. 1:8) Andao isika handinika soso-kevitra roa hanampy antsika hanao an’izany sy hampihatra an’izay vakintsika.

13. Inona no azonao atao mba ho hoatran’ny hoe ianao mihitsy no miaina an’ilay tantara?

13 Voalohany, ataovy hoatran’ny hoe ianao mihitsy no miaina an’ilay tantara. Saintsaino hoe inona no hitan’ilay olona sy henony, ary inona ny fihetseham-po tsapany. Afaka mikaroka ao amin’ny fitaovana navoakan’ny fandaminan’i Jehovah ianao, fa hanampy anao izany. Diniho izay zava-nitranga aloha na aorian’ilay zavatra ianaranao. Mitadiava fanazavana momba ny olona sy ny toerana resahina ao amin’ilay tantara. Ampitahao amin’ny tantara mifanitsy aminy any amin’ny Filazantsara hafa ilay tantara vakinao. Indraindray mantsy misy tsipiriany mahaliana resahina ao amin’ny Filazantsara iray, nefa tsy voaresaka any amin’ny Filazantsara hafa.

14-15. Ahoana no azonao ampiharana an’izay ianaranao avy ao amin’ny Filazantsara?

14 Faharoa, ampiharo izay ianaranao avy ao amin’ny Filazantsara. (Jaona 13:17) Rehefa avy nandalina tantara iray ianao, dia eritrereto hoe: ‘Inona no lesona azoko ampiharina avy amin’io? Ahoana no azoko ampiasana an’io tantara io mba hanampiana olon-kafa?’ Mieritrereta olona anankiray, dia resaho aminy izay nianaranao rehefa mety ny fotoana. Miezaha ho be fitiavana sy tsara fanahy rehefa manao an’izany.

15 Handinika ny tantaran’ilay mpitondratena mahantra hitan’i Jesosy tao amin’ny tempoly isika izao, dia hampihatra an’ireo soso-kevitra roa hitantsika teo.

ILAY MPITONDRATENA MAHANTRA TAO AMIN’NY TEMPOLY

16. Tantarao ilay zava-mitranga voaresaka ao amin’ny Marka 12:41.

16 Ataovy hoatran’ny hoe ianao mihitsy no miaina an’ilay tantara. (Vakio ny Marka 12:41.) Alao sary an-tsaina ilay zava-mitranga. Iraika ambin’ny folo Nisana taona 33 tamin’izay. Tsy ampy herinandro sisa dia ho faty i Jesosy. Nampiasa ny ankamaroan’ny fotoanany mba hampianarana tao amin’ny tempoly izy tamin’io andro io. Nanohitra azy anefa ny mpitondra fivavahana. Nisy tamin’izy ireo nanontany azy talohan’izay hoe fahefana avy aiza no nanaovany ny asany. Ny sasany indray nametraka fanontaniana noeritreretin’izy ireo hoe tsy ho voavaliny. (Mar. 11:27-33; 12:13-34) Nifindra tany amin’ny toeran-kafa tao amin’ny tempoly i Jesosy taorian’izay. Tao amin’ilay toerana nantsoina hoe Tokotanin’ny Vehivavy angamba izy, satria afaka nahatazana ny vata fandatsaham-bola. Nipetraka izy dia nanomboka nandinika ny olona nandrotsaka vola tao. Betsaka ny mpanankarena hitany nandrotsaka vola be dia be. Akaikin’ilay vata fandatsaham-bola angamba izy, dia henony ny feon’ilay vola rehefa nikorintsana.

17. Inona no nataon’ilay mpitondratena mahantra voaresaka ao amin’ny Marka 12:42?

17 Vakio ny Marka 12:42. Nahatsikaritra vehivavy anankiray i Jesosy rehefa afaka kelikely. Mahantra izy io sady mpitondratena. (Lioka 21:2) Tsy mora ny nahazo azy. Niady mafy angamba izy vao nahazo izay tena nilainy teo amin’ny fiainany. Nanatona an’ilay vata fandatsaham-bola anefa izy, dia narotsany moramora tao ny vola madinika roa kely vidy. Zara raha naneno angamba ilay izy rehefa latsaka. I Jesosy anefa nahafantatra hoe leptona anankiroa no narotsany tao. Leptona no vola kely vidy indrindra tamin’izany. Tsy nahazo fody anankiray akory ireo, nefa ny fody no anisan’ny vorona mora indrindra nataon’ny olona sakafo.

18. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fanomezana nataon’ilay mpitondratena, araka ny Marka 12:43, 44?

18 Vakio ny Marka 12:43, 44. Nampiaiky an’i Jesosy ny nataon’ilay mpitondratena. Nantsoiny àry ny mpianany, dia niteny izy hoe: “Io mpitondratena mahantra io no nandatsaka betsaka kokoa noho izay rehetra nandatsaka vola tao amin’ny vata fandatsaham-bola.” Nanazava izy avy eo hoe: ‘Izy rehetra mantsy [indrindra fa ny mpanankarena] dia nandatsaka avy tamin’ny ambim-bavany, fa ravehivavy kosa na mahantra aza, dia nandatsaka izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.’ Nandrotsaka ny vola farany nananany ilay mpitondratena tsy mivadika. Hoatran’ny hoe napetrany teo am-pelatanan’i Jehovah ny fiainany tamin’izay. Natoky mantsy izy hoe hikarakara azy i Jehovah.​—Sal. 26:3.

Manahafa an’i Jesosy, dia derao ny hafa rehefa manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah ry zareo (Fehintsoratra 19-20) *

19. Inona ny lesona lehibe ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy momba an’ilay mpitondratena mahantra?

19 Ampiharo izay ianaranao. Eritrereto hoe: ‘Inona ny lesona azoko ianarana avy amin’ny tenin’i Jesosy momba an’ilay mpitondratena mahantra?’ Azo antoka hoe mba te hanome betsaka kokoa ho an’i Jehovah ilay mpitondratena. Nanao izay azony natao anefa izy, dia izay tsara indrindra no nomeny an’i Jehovah. Fantatr’i Jesosy hoe sarobidy tamin’ny Rainy ny fanomezan’ilay vehivavy. Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’izany? Faly i Jehovah rehefa manome azy ny tsara indrindra isika, izany hoe manompo azy amin’ny fontsika manontolo sy amin’ny tenantsika manontolo. (Mat. 22:37; Kol. 3:23) Tena tiany rehefa ny tsara indrindra amin’ny fotoanantsika sy ny herintsika no omentsika azy, tafiditra amin’izany ny fanompoana sy ny fivoriana.

20. Ahoana no azonao ampiasana ny tantaran’ilay mpitondratena mba hanampiana ny hafa? Manomeza ohatra.

20 Ahoana no azonao ampiasana ny tantaran’ilay mpitondratena mba hanampiana ny hafa? Eritrereto hoe iza ny olona mila omena toky fa ankasitrahan’i Jehovah ny ezaka ataony. Ny be taona sasany, ohatra, manamelo-tena na mahatsiaro hoe tsy misy ilana azy. Tsy salama na tsy dia matanjaka intsony mantsy ry zareo, dia tsy afaka manompo be hoatran’ny taloha. Mahafantatra anabavy be taona hoatr’izany ve ianao? Sa ianao mahafantatra rahalahy manana aretina mitaiza mampijaly azy, dia kivy izy satria tsy afaka mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana indraindray? Ampio ry zareo ka ilazao teny mampahery. (Efes. 4:29) Resaho aminy izay nianarantsika avy tamin’ilay mpitondratena mahantra. Hahazo toky izy amin’izay hoe faly i Jehovah rehefa manome azy ny tsara indrindra ny mpanompony. (Ohab. 15:23; 1 Tes. 5:11) Manaraka akaiky ny dian’i Jesosy ianao rehefa midera ny hafa noho ry zareo manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah, na dia hoatran’ny hoe kely aza ilay izy.

21. Tapa-kevitra hanao inona ianao?

21 Tena faly isika satria miresaka tsipiriany be dia be momba ny fiainan’i Jesosy ny Filazantsara. Lasa afaka manaraka akaiky ny diany isika amin’izay, izany hoe manahaka azy. Maninona àry raha mandinika ny Filazantsara rehefa mianatra samirery na manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? Tadidinao ve anefa hoe inona no tokony hatao raha te handray soa faran’izay betsaka rehefa mianatra an’izany? Mila ataonao hoatran’ny hoe ianao mihitsy no miaina an’ilay tantara, dia ampiharinao ilay izy. Tsy ampy anefa ny manahaka an’izay nataon’i Jesosy, fa mila mihaino an’izay nolazainy koa isika. Handray lesona avy amin’ny teny farany nolazainy talohan’ny hahafatesany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 15 Derao ny Lahimatoan’i Jehovah!

^ feh. 5 Tena Kristianina isika ka mila ‘manaraka akaiky’ ny dian’i Jesosy. Inona anefa ilay “diany” tokony harahintsika? Hamaly an’izany isika ato. Horesahintsika koa hoe fa maninona isika no tokony hanaraka akaiky ny dian’i Jesosy, ary ahoana no hanaovana an’izany.

^ feh. 60 SARY: Misaintsaina an’izay nolazain’i Jesosy momba an’ilay mpitondratena mahantra ny anabavy iray. Midera anabavy be taona iray izy avy eo. Hitany mantsy hoe manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo izy.