Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana i Jesosy no nilaza an’ireo tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 22:1, taloha kelin’ny hahafatesany?

Nilaza an’ireo teny ao amin’ny Matio 27:46 i Jesosy, taloha kelin’ny hahafatesany. Izao no voalaza ao: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?” Nanatanteraka ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 22:1 i Jesosy rehefa nilaza an’ireo. (Mar. 15:34) Diso fanantenana ve i Jesosy matoa nilaza an’izany, sa ve nisy fotoana izy tsy natoky an’Andriamanitra? Tsy tokony hieritreritra an’izany isika. Fantatr’i Jesosy tsara mantsy hoe fa maninona izy no tsy maintsy ho faty, ary vonona tamin’izany izy. (Mat. 16:21; 20:28) Fantany fa tsy tokony hiaro azy intsony i Jehovah tamin’izy ho faty. (Joba 1:10) Navelan’i Jehovah hanaporofo izy hoe vitany ny tsy mivadika, na mafy hoatran’ny inona aza ny fomba hahafatesany.​—Mar. 14:35, 36.

Fa maninona àry i Jesosy no nilaza an’ireo teny ao amin’ny Salamo ireo? Handinika antony vitsivitsy mety ho nahatonga an’izany isika, na dia tsy afaka manizingizina aza hoe ireo no tena antony. *

Angamba i Jesosy te hanamafy hoe tsy hiaro azy i Jehovah rehefa ho faty izy. Tsy tokony hampian’i Jehovah i Jesosy rehefa mandoa ny vidim-panavotana. Olombelona izy tamin’izany ary tsy maintsy ‘maty ho an’ny rehetra.’​—Heb. 2:9.

Tian’i Jesosy hieritreritra ny Salamo faha-​22 iray manontolo angamba ny olona. Fanaon’ny Jiosy tamin’izany ny nanao tsianjery salamo maromaro. Rehefa nampahatsiahivina andinin-teny tao amin’ny salamo iray àry ry zareo, dia tonga tao an-tsainy ilay salamo iray manontolo. Mety ho izany ve no tian’i Jesosy hatao? Raha izany, dia azo inoana hoe nanampy ny Jiosy nanara-dia azy izy mba hahatsiaro faminaniana be dia be ao amin’io salamo io. Niresaka ny zavatra hitranga amin’ny fotoana hahafatesany mantsy izy io. (Sal. 22:7, 8, 15, 16, 18, 24) Mety ho tadidin-dry zareo koa hoe midera an’i Jehovah ny andininy farany amin’ilay salamo, sady milaza hoe Mpanjakan’ny tany manontolo izy.​—Sal. 22:27-31.

Te hanamafy angamba i Jesosy hoe tsy manan-tsiny izy. Notsaraina tsy ara-drariny mantsy izy talohan’ny hahafatesany, dia voaheloka ho nanevateva an’Andriamanitra. (Mat. 26:65, 66) Tamin’ny alina ilay fitsarana no natao, ary novorina haingankaingana fotsiny ny mpitsara. Tsy nanara-dalàna anefa izany. (Mat. 26:59; Mar. 14:56-59) Rehefa nanontany àry i Jesosy hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?”, dia angamba izy te hilaza hoe tsy nisy ratsy nataony ka tokony hamonoana azy ho faty.

Te hampiseho angamba i Jesosy hoe mbola nankasitraka azy i Jehovah, rehefa namerina an’io tenin’i Davida mpanao salamo io izy. Navelan’i Jehovah hijaly i Davida, nefa tsy midika izany hoe tsy nankasitrahany izy. Tsy hoe nalemy finoana i Davida matoa nametraka an’io fanontaniana io. Nilaza aza izy taorian’izay fa natoky hoe hahavita hiaro ny vahoakany i Jehovah, dia notahin’i Jehovah foana izy. (Sal. 22:23, 24, 27) Hoatr’izany koa i Jesosy, ilay “Zanak’i Davida.” (Mat. 21:9) Na dia niaritra ny mafy aza izy teo amin’ny hazo fijaliana, dia tsy midika izany hoe tsy nankasitraka azy intsony i Jehovah.

Nampiseho ny alahelo mafy tao am-pony angamba i Jesosy. Tsy niaro azy mantsy i Jehovah tamin’io, amin’izay izy afaka manaporofo tanteraka hoe tsy mivadika. Tsy nieritreritra hamela ny Zanany ho faty i Jehovah tamin’ny voalohany. Tsy nilaina izany raha tsy efa avy nikomy i Adama sy Eva. Tsy nisy ratsy nataon’i Jesosy, nefa tsy maintsy nijaly sy maty izy mba hanaporofoana hoe diso i Satana. Tsy maintsy niharan’izany koa izy mba ho sorona hamerenana indray an’izay nafoin’i Adama. (Mar. 8:31; 1 Pet. 2:21-24) Tsy maintsy nijanona tsy niaro an’i Jesosy nandritra ny fotoana fohy àry i Jehovah, ary sambany teo amin’ny fiainany izany no nitranga.

Tian’i Jesosy hotadidin’ny mpanara-dia azy angamba hoe fa maninona i Jehovah no namela azy ho faty teo amin’ny hazo fijaliana. * Fantatr’i Jesosy fa be dia be no ho tafintohina rehefa hahita azy ho faty hoatran’ny mpanao heloka bevava. (1 Kor. 1:23) Raha mifantoka amin’ny tena antony nahafatesany anefa ny mpanara-dia azy, dia ho azon’izy ireo hoe Mpamonjy izy, raha ny marina, fa tsy mpanao heloka bevava.​—Gal. 3:13, 14.

Na inona na inona anefa antony nahatonga an’i Jesosy hilaza an’ireo teny ireo, dia fantany fa sitrapon’i Jehovah ny hahafatesany eo amin’ny hazo fijaliana. Nilaza izy hoe: “Vita!”, taoriana kelin’ny nilazany an’io salamo io. (Jaona 19:30; Lioka 22:37) Afaka namita an’izay rehetra nanirahana azy tetỳ an-tany i Jesosy, rehefa tsy niaro azy nandritra ny fotoana fohy i Jehovah. Lasa afaka nanatanteraka an’izay rehetra voasoratra momba azy ao “amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo” koa izy.​—Lioka 24:44.

^ feh. 2 Jereo koa ny fehintsoratra 9 sy 10 amin’ilay lahatsoratra hoe “Ireo Teny Farany Nolazain’i Jesosy”, ato amin’ity gazety ity.

^ feh. 4 Te hahalala ny hevitry ny mpianany fotsiny i Jesosy indraindray rehefa nilaza zavatra na nametraka fanontaniana, fa tsy hoe nilaza ny tao am-pony.​—Mar. 7:24-27; Jaona 6:1-5; jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2010, pejy 4-5.