Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 15

Ireo Teny Farany Nolazain’i Jesosy

Ireo Teny Farany Nolazain’i Jesosy

“Io no Zanako malalako izay sitrako. Henoy izy.”​—MAT. 17:5.

HIRA 17 “Sitrako Tokoa”

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no nanjo an’i Jesosy talohan’ny hahafatesany?

EFATRA ambin’ny folo Nisana taona 33 tamin’izay. Avy nendrikendrehina sy nomelohina noho ny heloka tsy nataony akory i Jesosy. Nesoina izy avy eo, dia nampijalijalina ary nahantona teo amin’ny hazo fijaliana. Nofantsihana ny tongony sy ny tanany. Na ny miaina fotsiny aza dia efa nampanaintaina azy, mainka moa fa hoe hiteny! Tsy maintsy niteny anefa izy satria zava-dehibe ny holazainy.

2 Andao isika handinika ny teny nolazain’i Jesosy tamin’izy efa ho faty teo amin’ny hazo fijaliana, ary handray lesona avy amin’izany. Hoatran’ny hoe ‘mihaino’ azy isika amin’izay.​—Mat. 17:5.

“RAY Ô, MAMELÀ AZY IREO”

3. Mety ho iza no tian’i Jesosy horesahina tamin’izy niteny hoe: “Ray ô, mamelà azy ireo”?

3 Inona no nolazain’i Jesosy? Nivavaka hoatr’izao izy tamin’izy teo amin’ny hazo fijaliana: “Ray ô, mamelà azy ireo.” Fa tiany hamela an’iza ny Rainy? Izao no nolazainy avy eo: “Tsy fantany izay ataony.” (Lioka 23:33, 34) Ny miaramila romanina namantsika ny tongony sy ny tanany angamba no tiany horesahina. Tsy fantatr’izy ireo mantsy hoe iza marina izy. Mety ho ny olona sasany nangataka ny hamonoana azy koa no tao an-tsainy. Nisy tamin’izy ireny nino azy ihany tatỳ aoriana. (Asa. 2:36-38) Niharan’ny tsy rariny i Jesosy. Na izany aza, dia tsy tezitra izy na nitana lolompo. (1 Pet. 2:23) Nangataka tamin’i Jehovah kosa izy mba hamela ny helok’ireo olona nanao izay hamonoana azy.

4. Vonona hamela ny heloky ny olona nanenjika azy i Jesosy. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

4 Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy? Tokony ho vonona hamela heloka hoatr’azy isika. (Kol. 3:13) Manohitra antsika angamba ny olona sasany, anisan’izany ny havantsika. Tsy azon-dry zareo mantsy izay inoantsika sy ny fomba fiainantsika. Mety hilaza lainga momba antsika koa ry zareo, na hanambany antsika eny imason’olona, na hamotika ny boky sy gazetintsika. Mety handrahona hikasi-tanana antsika mihitsy aza ry zareo. Tsy mitana lolompo anefa isika. Afaka mangataka amin’i Jehovah kosa isika mba hanampy an’ireny olona ireny hanaiky ny fahamarinana. (Mat. 5:44, 45) Mety ho sarotra indraindray ny hamela heloka, indrindra raha tena mafy ny tsy rariny nahazo antsika. Isika ihany anefa no ho voa raha mitana lolompo. Izao no nolazain’ny anabavy iray: “Tonga saina aho hoe hay ny mamela heloka akory tsy midika hoe manamaivana an’ilay fahadisoana na manaiky hohararaotin’ny olona. Midika fotsiny ilay izy hoe mifidy ny tsy ho tezitra intsony.” (Sal. 37:8) Rehefa manapa-kevitra hamela heloka àry isika, dia midika izany hoe tsy avelantsika hampahasosotra antsika intsony ilay olana.​—Efes. 4:31, 32.

“HIARAKA AMIKO ANY AMIN’NY PARADISA IANAO”

5. Inona no nampanantenain’i Jesosy tamin’ny jiolahy iray, ary nahoana?

5 Inona no nolazain’i Jesosy? Nisy mpanao heloka bevava anankiroa nofantsihana teo akaikin’i Jesosy. Samy naneso azy izy roa lahy tamin’ny voalohany. (Mat. 27:44) Niova anefa ny iray avy eo. Tonga saina izy hoe “tsy mba nanao zavatra tsy nety” i Jesosy. (Lioka 23:40, 41) Hita amin’ny teniny koa fa nino izy hoe mbola hatsangana amin’ny maty i Jesosy ary ho lasa mpanjaka indray andro any. Efa ho faty ilay Mpamonjy, nefa nilaza taminy izy hoe: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.” (Lioka 23:42) Tena nanam-pinoana io lehilahy io! Izao no navalin’i Jesosy azy: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” * (Lioka 23:43) Mariho fa nilaza i Jesosy teo hoe “lazaiko” sy hoe “aminao” ary hoe “ianao.” Ilay lehilahy mihitsy àry no nampanantenainy an’io. Fantany hoe mamindra fo ny Rainy dia nilaza an’ireo teny ireo izy, amin’izay mba manana fanantenana io mpanao heloka bevava efa ho faty io.​—Sal. 103:8.

6. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy tamin’ilay jiolahy?

6 Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy? Fantatsika fa mitovy tanteraka amin’ny Rainy izy. (Heb. 1:3) Te hamela ny helotsika sy hamindra fo amintsika koa àry i Jehovah. Hanao an’izany izy raha tena manenina noho ny ratsy vitantsika taloha isika sady mino ny sorona nataon’i Jesosy. (1 Jaona 1:7) Mety ho sarotra amin’ny olona sasany ny hino hoe hamela ny fahadisoany i Jehovah. Raha izany no tsapanao indraindray, dia eritrereto izao: Vao nanomboka nampiseho finoana ilay jiolahy voaheloka ho faty, nefa mbola namindra fo taminy i Jesosy taloha kelin’ny hahafatesany. Raha olona hoatr’izany aza namindrana fo, mainka fa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika sady manao izay fara heriny mba hankatoavana ny didiny!​—Sal. 51:1; 1 Jaona 2:1, 2.

‘IO NY ZANAKAO! ... IO NY RENINAO!’

7. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’i Maria sy Jaona, araka ny Jaona 19:26, 27? Nahoana izy no nilaza an’izany?

7 Inona no nolazain’i Jesosy? (Vakio ny Jaona 19:26, 27.) Tian’i Jesosy ho voakarakara tsara ny reniny. Efa maty angamba i Josefa tamin’izay. Mety ho vitan’ny iray tam-po amin’i Jesosy ny hamelona ny reniny. Iza anefa no hikarakara an’izay ilainy ara-panahy? Toa mbola tsy nanara-dia an’i Jesosy mantsy ny iray tam-po taminy tamin’izany. Hoatran’ny fianakaviany ihany anefa no fiheveran’i Jesosy ny olona nanompo an’i Jehovah niaraka taminy, anisan’izany i Jaona. (Mat. 12:46-50) Apostoly tsy nivadika izy sady anisan’ny namany akaiky. Nankinin’i Jesosy taminy àry ny fikarakarana an’i Maria. Fantany mantsy hoe hanampy azy hanompo an’i Jehovah foana i Jaona. Nilaza tamin’ny mamany àry izy hoe: ‘Io ny zanakao!’, ary tamin’i Jaona hoe: “Io ny reninao!” Lasa hoatran’ny zanak’i Maria i Jaona, dia nikarakara azy hoatran’ny mamany. Nasehon’i Jesosy tamin’izany hoe tena tiany i Maria ary nitady izay hahasoa azy izy. Rariny izany satria nikarakara azy tamim-pitiavana i Maria tamin’izy teraka, ary mbola nijoro teo akaikiny tamin’izy efa ho faty.

8. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy tamin’i Maria sy Jaona?

8 Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy? Mety ho ny mpiara-manompo no akaiky kokoa ny fontsika noho ny mpianakavintsika. Marina fa mety hanohitra antsika na hanary antsika mihitsy ny havantsika. Efa nampanantena anefa i Jesosy hoe raha tsy miala amin’i Jehovah sy ny fandaminany isika, dia “hahazo avo zato heny” noho izay nafointsika. Hahazo zanakalahy sy zanakavavy ary reny sy ray be fitiavana isika, ary hahazo be dia be. (Mar. 10:29, 30) Lasa hoatran’ny fianakaviana miray saina isika, satria mino an’i Jehovah sy tia azy ary mifankatia. (Kol. 3:14; 1 Pet. 2:17) Ahoana no tsapanao rehefa mieritreritra hoe anisan’io fianakaviana io ianao?

“ANDRIAMANITRO Ô, NAHOANA NO NAHAFOY AHY IANAO?”

9. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 27:46?

9 Inona no nolazain’i Jesosy? Niantsoantso hoatr’izao i Jesosy taloha kelin’ny hahafatesany: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?” (Mat. 27:46) Tsy hazavain’ny Baiboly hoe fa maninona i Jesosy no nilaza an’io. Inona anefa no azontsika ianarana avy amin’ireo teniny ireo? Nanatanteraka an’ilay faminaniana ao amin’ny Salamo 22:1 izy rehefa nilaza an’io. * Ankoatra izany, dia hita mazava avy amin’ireo tenin’i Jesosy ireo hoe tsy “niaro” an’ilay Zanany i Jehovah. (Joba 1:10) Fantatr’i Jesosy fa navelan’ny Rainy hampijalin’ny fahavalony izy mba hiharan’ny fitsapana faran’izay mafy. Mbola tsy nisy olombelona niharan’ny fitsapana mafy hoatr’izany. Tsy vitan’izany fa hita amin’ireo teniny ireo hoe tsy nanao ratsy izy ka tsy mendrika ny ho faty.

10. Inona no ianarantsika avy amin’ny teny nolazain’i Jesosy tamin’ny Rainy?

10 Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy? Tsy tokony hanantena isika hoe hisakana an’izay mety hitsapa ny finoantsika i Jehovah. Niharan’ny fitsapana faran’izay mafy i Jesosy. Tsy maintsy vonona ny tsy hivadika mandra-pahafaty koa àry isika, raha izay no ilaina. (Mat. 16:24, 25) Matoky anefa isika hoe tsy hamela antsika hiharan’ny fitsapana mihoatra noho izay zakantsika Andriamanitra. (1 Kor. 10:13) Ianarantsika avy amin’ireo tenin’i Jesosy ireo koa hoe mety hijaly isika satria iharan’ny tsy rariny. (1 Pet. 2:19, 20) Tsy hoe manao ratsy isika matoa enjehin’ny olona. Mampijaly antsika kosa ry zareo, satria isika tsy anisan’izao tontolo izao sady mitory ny fahamarinana. (Jaona 17:14; 1 Pet. 4:15, 16) Fantatr’i Jesosy hoe fa maninona i Jehovah no namela azy hijaly. Ny rahalahy sy anabavy tsy mivadika sasany kosa lasa saina indraindray hoe fa maninona izy no avelan’i Jehovah hijaly. (Hab. 1:3) Mamindra fo sy manam-paharetana Andriamanitra, ka azony tsara ny manjo an’ireny mpanompony ireny. Fantany fa tsy hoe tsy ampy finoana akory izy ireny, fa mila fampiononana avy aminy.​—2 Kor. 1:3, 4.

“MANGETAHETA AHO”

11. Fa maninona i Jesosy no nilaza an’ireo teny ao amin’ny Jaona 19:28?

11 Inona no nolazain’i Jesosy? (Vakio ny Jaona 19:28.) Fa maninona i Jesosy no nilaza hoe: “Mangetaheta aho”? Nanao an’izany izy “mba hahatanteraka ny Soratra Masina”, izany hoe ny faminaniana ao amin’ny Salamo 22:15. Izao no voalaza ao: “Tsy misy hery intsony ato amiko, fa maina toy ny silaka vilany tany aho. Miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako.” Be dia be koa ny zavatra niaretan’i Jesosy sady nijalijaly be izy teo amin’ny hazo fijaliana. Azo antoka àry hoe nangetaheta be izy dia nila fanampiana mba hanalana ny hetahetany.

12. Inona no ianarantsika avy amin’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Mangetaheta aho”?

12 Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy? Tsy nieritreritra i Jesosy hoe mahamenatra ny milaza an’izay ilainy. Tsy tokony hieritreritra hoatr’izany koa isika. Tsy dia tia milaza an’izay ilaintsika angamba isika hatramin’izay. Tsy tokony hisalasala hangataka fanampiana anefa isika rehefa mila an’izany. Ahoana, ohatra, raha be taona ianao na tsy salama? Mila mangataka amin’ny namanao angamba ianao mba hitondra anao hiantsena, na hitondra anao hankany amin’ny dokotera. Raha kivy indray ianao, dia mila miresaka amin’ny anti-panahy na Kristianina matotra iray. Mila mangataka aminy angamba ianao mba hihaino anao na hampahery anao. (Ohab. 12:25) Tadidio fa tia anao ny rahalahy sy anabavinao ary te hanampy anao rehefa ory ianao. (Ohab. 17:17) Tsy mahalala an’izay any am-ponao sy any an-tsainao anefa ry zareo. Mety tsy ho fantany hoe mila fanampiana ianao, raha tsy ianao mihitsy no miresaka aminy.

“VITA!”

13. Inona no vitan’i Jesosy noho izy tsy nivadika mandra-pahafatiny?

13 Inona no nolazain’i Jesosy? Nilaza i Jesosy tamin’ny telo tolakandro teo ho eo tamin’io andro io hoe: “Vita!” (Jaona 19:30) Nilaza an’ireo izy taloha kelin’izy ho faty, satria fantany hoe vitany daholo izay nasain’i Jehovah nataony. Nisy zavatra maromaro vitan’i Jesosy noho izy tsy nivadika mandra-pahafatiny. Voalohany, voaporofony hoe mpandainga i Satana. Nasehony hoe mahavita tsy mivadika ny olona lavorary na inona na inona ataon’i Satana. Faharoa, nanome ny ainy ho sorom-panavotana i Jesosy. Noho izy nanao sorona ny ainy, dia ho afaka ny ho marina eo anatrehan’Andriamanitra ny olombelona tsy lavorary sady ho afaka hiaina mandrakizay. Fahatelo, nanohana ny zon’i Jehovah hitondra i Jesosy sady nanamasina ny anarany.

14. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika isan’andro? Hazavao.

14 Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy? Tokony ho tapa-kevitra ny tsy hivadika isika isan’andro. Niresaka momba an’izany ny Rahalahy Maxwell Friend, mpampianatra tao amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Nanao lahateny momba ny tsy fivadihana izy nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena anankiray. Izao no noteneniny: “Raha misy zavatra azonao tenenina na atao androany, dia aza andrasana rahampitso izany. Iza moa no mahalala raha mbola ho velona ianao rahampitso? Isan’andro, dia ataovy hoatran’ny hoe io andro io sisa no anananao mba hanaporofoana fa mendrika hiaina mandrakizay ianao.” Eritrereto àry isan’andro hoe io no andro farany azonao anaporofoana fa tsy mivadika ianao. Raha tsy maintsy ho faty ianao amin’izay, dia ho afaka hilaza hoe: “Efa nanao izay tratry ny heriko aho Jehovah mba tsy hivadihana sy hanaporofoana hoe mpandainga i Satana, ary hanamarinana ny anaranao sy ny zonao hitondra.”

“APETRAKO EO AM-PELATANANAO NY AIKO”

15. Inona no toky nananan’i Jesosy, araka ny Lioka 23:46?

15 Inona no nolazain’i Jesosy? (Vakio ny Lioka 23:46.) Natoky tanteraka an’i Jehovah i Jesosy ka nilaza hoe: “Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny aiko.” Fantatr’i Jesosy hoe miankina amin’i Jehovah ny hoaviny, ary natoky izy hoe hahatsiaro azy ny Rainy.

16. Inona no ianaranao avy amin’i Joshua?

16 Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy? Aza mivadika amin’i Jehovah mihitsy na dia atahorana ho faty aza ianao. Tsy maintsy ‘matoky an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo ianao’ vao hahavita an’izany. (Ohab. 3:5) Eritrereto ny nanjo ny rahalahy 15 taona antsoina hoe Joshua. Voan’ny aretina mahafaty izy, ary nisy fitsaboana saika hatao taminy nefa tsy nekeny satria tsy mifanaraka amin’ny lalàn’i Jehovah. Izao no nolazainy tamin’ny mamany taloha kelin’ny hahafatesany: “Neny a! Efa eo am-pelatanan’i Jehovah ny aiko. Matoky tanteraka aho hoe tsy maintsy hanangana ahy amin’ny maty izy. Hitany ny ao am-poko, dia fantany hoe tena tia azy aho.” * Mila mieritreritra koa àry isika tsirairay hoe: ‘Raha iharam-pitsapana ny finoako ka tsy maintsy ho faty aho, dia mbola tsy hivadika amin’i Jehovah ve aho sady hatoky hoe hahatsiaro ahy izy?’

17-18. Inona avy no nianarantsika tato? (Jereo koa ilay hoe “ Inona no Ianarantsika avy Amin’ireo Teny Farany Nolazain’i Jesosy?”)

17 Nandraisantsika lesona lehibe ireo teny farany nolazain’i Jesosy! Mampahatsiahy antsika izy ireo hoe mila mamela heloka isika sady matoky hoe hamela antsika i Jehovah. Tena sambatra koa isika manana rahalahy sy anabavy be dia be vonona hanampy antsika. Isika mihitsy anefa no mila mangataka fanampiana rehefa mila an’izany. Fantatsika fa hanampy antsika hiaritra an’izay fitsapana rehetra mahazo antsika i Jehovah, na inona izany na inona. Tena mila mieritreritra koa isika isan’andro hoe io no andro farany hahafahantsika hanaporofo fa tsy mivadika isika. Matoky mantsy isika hoe eo am-pelatanan’i Jehovah ny aintsika, raha sanatria maty isika.

18 Hitantsika teo àry fa misy dikany be ny teny nolazain’i Jesosy tamin’izy efa ho faty teo amin’ny hazo fijaliana. Raha mampihatra ny lesona nianarantsika tato isika, dia hankatò an’ilay tenin’i Jehovah hoe: ‘Henoy ny Zanako.’​—Mat. 17:5.

HIRA 126 Miambena, Mahereza

^ feh. 5 Nilaza i Jehovah ao amin’ny Matio 17:5 hoe tiany hihaino ny Zanany isika. Handinika ny teny farany nolazain’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana isika ato amin’ity lahatsoratra ity, dia hijery hoe inona no azo ianarana avy amin’izany.

^ feh. 5 Tsy nilaza i Jesosy hoe ho any an-danitra ilay jiolahy rehefa ho velona indray, fa hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany.

^ feh. 9 Inona no mety ho nahatonga an’i Jesosy hanonona ny Salamo 22:1? Mamaly an’izany ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ato amin’ity gazety ity.

^ feh. 16 Miresaka ny tantaran’i Joshua ny Mifohaza! (frantsay) 22 Janoary 1995, pejy 11-15.