Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 17

Miraiki-po Aminao i Jehovah!

Miraiki-po Aminao i Jehovah!

‘Miraiki-po aminareo i Jehovah.’​—DEOT. 7:7.

HIRA 108 Tsy Miovaova ny Fitiavan’Andriamanitra

HO HITANAO ATO *

‘Miraiki-po’ aminao ilay Rainao any an-danitra (Fehintsoratra 1)

1. Inona no hitan’i Jehovah amin’ny mpanompony?

‘MIRAIKI-PO’ amin’ny mpanompony i Jehovah Andriamanitra. (Deot. 7:7) Tsara erỳ ny mieritreritra an’izany! Hitany ny toetra tsarantsika, ary fantany hoe inona no mety ho vitantsika. Manampy antsika koa izy mba ho namany. Ho namantsika mandrakizay izy raha tsy mivadika aminy isika.​—Jaona 6:44.

2. Fa maninona no sarotra amin’ny olona sasany ny mino hoe tia azy i Jehovah?

2 Mety hisy hieritreritra hoe: ‘Fantatro fa tian’i Jehovah ny vahoakany. Fa ahoana no hahazoako antoka hoe izaho mihitsy no tiany?’ Inona no mety hahatonga ny olona iray hieritreritra an’izany? Nijaly be i Oksana * tamin’ny mbola kely. Izao no notantarainy: “Tena faly aho rehefa natao batisa sy nanomboka nanao mpisava lalana. Nahatsiaro ny zavatra niainako tamin’ny mbola kely anefa aho 15 taona tatỳ aoriana, dia nampijaly be ahy izany. Lasa nieritreritra aho hoe tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony, dia tsy mendrika ny hotiaviny.” Nijaly be koa ny anabavy mpisava lalana antsoina hoe Yua tamin’ny mbola kely. Izao no nolazainy: “Nanokan-tena ho an’i Jehovah aho satria te hampifaly azy. Nieritreritra anefa aho hoe tsy ho tian’i Jehovah izany mihitsy.”

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Hoatran’ireo Kristianina tsy mivadika ireo angamba ianao. Tena tia an’i Jehovah ianao, nefa mety hisalasala ianao raha tia anao izy. Fa maninona ianao no tokony ho resy lahatra hoe tena sarobidy aminy ianao? Inona no hanampy anao raha misalasala momba an’izany ianao? Andao isika hamaly an’ireo.

AZA MISALASALA FA MAMPIDI-DOZA IZANY!

4. Fa maninona no mampidi-doza ny misalasala raha tia anao i Jehovah?

4 Tena mahery ny fitiavana ary mahatonga antsika hanao zavatra. Inona no ho vokany raha resy lahatra ianao hoe tia anao sy manampy anao i Jehovah? Lasa te hanompo azy amin’ny fo manontolo ianao, na dia mafy aza ny mianjady aminao. Ho kely kosa ny herinao raha mieritreritra ianao hoe tsy miraharaha anao Andriamanitra. (Ohab. 24:10) Ho mora amin’i Satana anefa ny hanafika anao, rehefa kivy ianao ary misalasala raha tia anao Andriamanitra.​—Efes. 6:16.

5. Inona no vokany rehefa nisalasala momba ny fitiavan’Andriamanitra ny olona sasany?

5 Lasa nihena ny finoan’ny Kristianina sasany satria nisalasala ry zareo. Izao no nolazain’ny anti-panahy antsoina hoe James: “Marina fa nanompo tato amin’ny Betela aho. Faly koa aho nanampy fiangonana miteny vahiny. Nisy fotoana anefa aho lasa saina hoe mba ankasitrahan’i Jehovah ihany ve ny zavatra ataoko ho azy. Nieritreritra mihitsy aza aho hoe sao dia mba tsy mihaino ny vavaka ataoko izy.” Manompo manontolo andro koa i Eva. Hoy izy: “Tena mampidi-doza ny misalasala raha tia anao i Jehovah. Misy vokany amin’ny fanompoanao azy mantsy izany. Lasa tsy mazoto manao zavatra ara-panahy intsony ianao, dia tsy faly rehefa manompo an’i Jehovah.” I Michael indray mpisava lalana maharitra sady anti-panahy. Izao no nolazainy: “Hanalavitra an’i Jehovah ianao raha tsy mino hoe tia anao izy.”

6. Inona no tsy maintsy ataonao raha manomboka misalasala ianao hoe tia anao ve i Jehovah?

6 Hita amin’ireo tantara ireo fa mety ho simba ny finoantsika, raha misalasala isika hoe tia antsika ve i Jehovah. Inona anefa no tokony hataonao raha manomboka mieritreritra hoatr’izany ianao? Tsy maintsy esorinao ao an-tsainao avy hatrany izany! Angataho i Jehovah mba hanampy anao hanala an’izany “zavatra mampanahy” anao izany, ary hanome anao ‘ny fiadanan’Andriamanitra izay hiambina ny fonao sy ny sainao.’ (Sal. 139:23; Fil. 4:6, 7) Tadidio koa hoe tsy ianao irery no miady mafy mba tsy hieritreritra hoatr’izany, fa ny rahalahy sy anabavy tsy mivadika sasany koa. Na ny mpanompon’i Jehovah taloha aza mba lasa saina hoe tia azy ve i Jehovah, anisan’izany ny apostoly Paoly.

INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’I PAOLY?

7. Inona ny olana nahazo an’i Paoly?

7 Indraindray ve ianao mahatsiaro ho tototry ny andraikitra, dia sarotra aminao ny mamita azy rehetra? Azonao tsara izany ny nahazo an’i Paoly. Nanahy momba ny fiangonana mantsy izy, sady amin’izay tsy fiangonana iray fotsiny fa “ny fiangonana rehetra.” (2 Kor. 11:23-28) Sa ianao manana aretina mitaiza dia lasa tsy faly intsony? Nanjo an’i Paoly koa izany. Mety ho nanana aretina nampijaly be azy izy, ary ‘tsilo tao amin’ny nofo’ no niantsoany an’ilay izy. Tena te ho sitrana izy! (2 Kor. 12:7-10) Kivy koa angamba ianao satria mahatsapa hoe tsy lavorary. Izany koa no tsapan’i Paoly indraindray. Nilaza i Paoly hoe “olo-mahantra” izy satria niady mafy foana mba hanao ny tsara.​—Rom. 7:21-24.

8. Inona no nanampy an’i Paoly hiatrika ny olana nahazo azy?

8 Mbola nanompo an’i Jehovah foana i Paoly, na dia niatrika an’ireo olana rehetra ireo aza. Ahoana no nahazoany hery hahavitana an’izany? Hainy tsara ilay fampanantenan’i Jesosy hoe hahazo ‘fiainana mandrakizay izay rehetra maneho finoana azy.’ (Jaona 3:16; Rom. 6:23) Tena nino ny vidim-panavotana àry i Paoly, na dia fantany tsara aza hoe tsy lavorary izy. Resy lahatra izy hoe na dia nanao fahotana lehibe aza ny olona anankiray, dia vonona hamela azy i Jehovah raha mibebaka izy.—Sal. 86:5.

9. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny Galatianina 2:20?

9 Ahoana koa no nahazoan’i Paoly hery mba hanompoana an’i Jehovah foana? Nino izy hoe tena tia azy i Jehovah, matoa nandefa an’i Jesosy ho faty ho azy. (Vakio ny Galatianina 2:20.) Mampahery be ny teny nolazainy amin’ny faran’io andinin-teny io. Hoy izy: ‘Tia ahy ny Zanak’Andriamanitra ka nanolotra ny tenany ho ahy.’ Tsy nihevitra izy hoe ratsy loatra ny zavatra vitany, dia tsy afaka ny ho tia azy Andriamanitra. Tsy nieritreritra izy hoe: ‘Azoko ihany raha tia ny rahalahiko i Jehovah, fa tsy ho tia ahy mihitsy izy.’ I Paoly aza niteny tamin’ny Romanina hoe: “Fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.” (Rom. 5:8) Tsy misy na inona na inona hahasakana an’i Jehovah tsy ho tia antsika àry!

10. Inona no ianarantsika avy amin’ny Romanina 8:38, 39?

10 Vakio ny Romanina 8:38, 39. Resy lahatra tanteraka i Paoly hoe tena lehibe ny fitiavan’Andriamanitra. Izao no nosoratany: “Tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra.” Fantatr’i Paoly fa nanam-paharetana tamin’ny firenen’Israely i Jehovah. Fantany koa hoe namindra fo taminy izy. Hoatran’ny te hiteny àry i Paoly hoe: ‘Fa maninona moa izaho no tokony hisalasala ny amin’ny fitiavan’i Jehovah, nefa izy aza efa nandefa ny Zanany mba ho faty ho ahy?’​Rom. 8:32.

Izay ataonao amin’izao sy amin’ny hoavy no tena zava-dehibe amin’Andriamanitra fa tsy ny fahadisoana vitanao taloha (Fehintsoratra 11) *

11. Nisy fahotana sasany nataon’i Paoly, araka ny 1 Timoty 1:12-15. Nahoana anefa izy no natoky hoe tia azy Andriamanitra?

11 Vakio ny 1 Timoty 1:12-15. Azo antoka hoe nampijaly be an’i Paoly ny nieritreritra ny zavatra nataony taloha. Nilaza mantsy izy hoe izy no “lohany” tamin’ny mpanota. Tsy mahagaga izany satria nanenjika ny Kristianina tany amin’ny tanàna be dia be i Paoly, tamin’izy mbola tsy nahalala ny fahamarinana. Nisy tamin’izy ireny nogadrainy. Nisy koa novonoina ho faty, dia anisan’ny nandatsa-bato nanaiky an’izany izy. (Asa. 26:10, 11) Ahoana izao raha tafahaona tamina Kristianina tanora iray i Paoly, nefa izy nanaiky ny hamonoana ny ray aman-drenin’izy io? Azonao an-tsaina ve ny fihetseham-pony? Nanenina tamin’ny ratsy vitany i Paoly, nefa fantany hoe tsy afaka manova ny lasa izy. Nekeny hoe ho azy no nahafatesan’i Kristy, dia izao no nosoratany: ‘Ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra no naha toy izao ahy.’ (1 Kor. 15:3, 10) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Ekeo hoe maty ho anao i Kristy, ka lasa afaka ny ho naman’i Jehovah ianao. (Asa. 3:19) Izay ataonao amin’izao sy amin’ny hoavy no tena zava-dehibe amin’Andriamanitra fa tsy ny fahadisoana vitanao taloha, na efa Vavolombelon’i Jehovah ianao tamin’izany na tsia.​—Isaia 1:18.

12. Fa maninona ny 1 Jaona 3:19, 20 no hanampy antsika, raha mieritreritra isika hoe tsy misy dikany na tsy mendrika hotiavina?

12 Rehefa mieritreritra ianao hoe maty noho ny fahotanao i Jesosy, dia mety hilaza ianao hoe: ‘Tsy mendrika an’izany fanomezana tsara be izany aho!’ Fa maninona? Satria mety hamitaka ny fontsika tsy lavorary, dia ataony izay hahatonga antsika hahatsapa ho tsy misy dikany sy tsy mendrika hotiavina. (Vakio ny 1 Jaona 3:19, 20.) Rehefa mieritreritra hoatr’izany isika, dia mila mitadidy hoe ‘lehibe noho ny fontsika Andriamanitra.’ Mbola tia antsika foana ilay Raintsika any an-danitra sady vonona hamela antsika, na dia mifanohitra amin’izany aza no ao am-pontsika. Mila miezaka ho resy lahatra ny amin’izany isika, dia manaiky ny fiheveran’i Jehovah antsika. Tsy maintsy mianatra matetika ny Teniny isika raha te hahavita an’izany, dia mivavaka foana, ary miaraka tsy tapaka amin’ny vahoakany. Fa maninona no tena ilaina ireo?

MIANATRA BAIBOLY SY MIVAVAKA ARY MIARAKA AMIN’NY MPIARA-MANOMPO

13. Fa maninona no ilaina ny mianatra ny Tenin’Andriamanitra? (Jereo koa ilay hoe “ Manampy An-dry Zareo ny Tenin’Andriamanitra.”)

13 Ianaro isan’andro ny Tenin’Andriamanitra. Ho hitanao kokoa amin’izay hoe tsara toetra be i Jehovah. Ho tsapanao koa hoe hoatran’ny ahoana ny haben’ny fitiavany anao. Raha misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra isan’andro ianao, dia hanampy anao hisaina tsara kokoa izany ka ho vitanao ny ‘hanitsy’ an’izay any am-ponao sy any an-tsainao. (2 Tim. 3:16) Hoatr’izany no nataon’ny anti-panahy antsoina hoe Kevin. Nahatsiaro ho tsy misy dikany izy taloha. Izao no nolazainy: “Namaky sy nisaintsaina ny Salamo faha-​103 aho. Nanampy ahy hanitsy ny fomba fisainako izany, sady lasa hitako ny tena fiheveran’i Jehovah ahy.” Izao koa no nolazain’i Eva, ilay voaresaka teo aloha: “Rehefa mifarana ny andro, dia manokana fotoana hisaintsainana momba ny hevitr’i Jehovah aho. Mampitony ny foko izany sady manatanjaka ny finoako.”

14. Fa maninona no ilaina ny mivavaka?

14 Mivavaha matetika. (1 Tes. 5:17) Tsy maintsy miresaka matetika amin’ny olona iray ianao sady mamboraka ny ao am-ponao aminy, raha te ho namany. Hoatr’izany koa no tokony hataonao raha te hinamana amin’i Jehovah. Asehonao hoe matoky an’i Jehovah ianao sady mahafantatra hoe tia anao izy, rehefa lazainao aminy izay tsapanao sy eritreretinao ary mampanahy anao. (Sal. 94:17-19; 1 Jaona 5:14, 15) Izao no nolazain’i Yua, ilay voaresaka tetsy aloha: “Tsy mitanisanisa an’izay rehetra nitranga nandritra ny andro fotsiny aho rehefa mivavaka. Tena mamoaka ny ao am-poko amin’i Jehovah aho, dia ampahafantariko azy ny fihetseham-poko. Niova tsikelikely ny fahitako an’i Jehovah, rehefa nandeha ny fotoana. Tsy hoatran’ny lehibena orinasa izy fa hoatran’ny Ray tena tia ny zanany.”—Jereo ilay hoe “ Efa Namaky ve Ianao?

15. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe miahy anao izy?

15 Miaraha amin’ny mpiara-manompo. Fanomezana avy amin’i Jehovah izy ireny. (Jak. 1:17) Tena miahy anao ilay Rainao any an-danitra, dia nomeny fianakaviana ara-panahy ianao. “Tia amin’ny fotoana rehetra” ireny rahalahy sy anabavy ireny. (Ohab. 17:17) Niresaka momba ny Kristianina sasany nanampy azy i Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kolosianina. Nilaza izy hoe “nanampy sy nankahery” azy ry zareo. (Kol. 4:10, 11) Na i Kristy Jesosy aza nila fanampiana avy tamin’ny namany, na anjely izany na olombelona. Tena nankasitraka an’izany izy.​—Lioka 22:28, 43.

16. Nahoana ny namana no afaka manampy antsika hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah?

16 Mangataka fanampiana avy amin’ny namana ao amin’ny fiangonana ve ianao, sady manaiky hampian-dry zareo? Tsy hoe malemy finoana ianao raha miresaka ny olana mahazo anao amin’ny namana matotra. Mety hiaro anao aza izany. Izao no nolazain’i James, ilay voaresaka tetsy aloha: “Soa ihany aho fa ninamana tamin’ny Kristianina matotra. Rehefa kivy be aho, dia mihaino tsara ahy ireny namako ireny sady mampahatsiahy ahy hoe tian-dry zareo aho. Tsapako amin’izany hoe i Jehovah mihitsy no tia sy miahy ahy.” Tena ilaina àry ny miezaka hinamana tsara amin’ny rahalahy sy anabavintsika!

AZA MIALA AMIN’NY FITIAVAN’I JEHOVAH!

17-18. Iza no tsy maintsy henointsika, ary nahoana?

17 Tian’i Satana hilavo lefona ianao, ka tsy hiady mba hanao ny tsara intsony. Tiany hino ianao hoe tsy tia anao i Jehovah ary tsy mendrika hovonjena ianao. Hitantsika teo anefa hoe lainga be izany!

18 Tia anao i Jehovah ary sarobidy be aminy ianao. ‘Tsy hiala amin’ny fitiavany’ mihitsy ianao raha mankatò azy, hoatran’ny ataon’i Jesosy. (Jaona 15:10) Aza mihaino an’i Satana àry, dia aza matoky ny fonao rehefa manameloka anao izy io. I Jehovah kosa henoina! Izy mantsy mahita an’izay tsara ao amintsika tsirairay. Matokia fa ‘miraiki-po’ amin’ny mpanompony i Jehovah, anisan’izany ianao!

HIRA 141 Sarobidy ny Fiainana

^ feh. 5 Sarotra amin’ny rahalahy sy anabavintsika sasany ny mino hoe tia an-dry zareo i Jehovah. Fa maninona isika no afaka matoky hoe tia antsika tsirairay i Jehovah? Hiresaka an’izany isika ato amin’ity lahatsoratra ity. Hodinihintsika koa hoe inona no azontsika atao raha misalasala momba an’izany isika.

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 67 SARY: Be dia be ny Kristianina nogadrain’i Paoly taloha. Niova anefa izy sady lasa nampahery ny rahalahiny, rehefa nanaiky ny sorona nataon’i Jesosy ho azy. Havan’ny olona nenjehiny angamba ny sasany tamin’ireny.