Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Apetraho Amin’i Jehovah Daholo Izay Mampanahy Anao

Apetraho Amin’i Jehovah Daholo Izay Mampanahy Anao

Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”​1 PET. 5:7.

HIRA: 60, 23

1, 2. a) Nahoana no tsy mahagaga raha manahy isika indraindray? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no hodinihintsika ato?

BETSAKA ny zavatra mampiady saina amin’izao andro izao. Tezitra be i Satana ka “mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.” (1 Pet. 5:8; Apok. 12:17) Tsy mahagaga àry raha mitebiteby isika indraindray, na dia manompo an’i Jehovah aza. Na ny mpanompony fahiny aza nitaintaina indraindray, ohatra hoe i Davida Mpanjaka. (Sal. 13:2) Nanahy “momba ny fiangonana rehetra” koa ny apostoly Paoly. (2 Kor. 11:28) Inona àry no azontsika atao raha mitebiteby be isika?

2 Nanampy ny mpanompony fahiny mba tsy hanahy be loatra i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana. Te hanampy antsika koa izy. Hoy ny Baiboly: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.” (1 Pet. 5:7) Ahoana no ampiharana an’izany? Misy zavatra efatra azonao atao: Mivavaha amin’ny fo, vakio sy saintsaino ny Tenin’Andriamanitra, mangataha fanahy masina, ary resaho amin’ny olona atokisanao izay ao am-ponao. Handinika an’ireo isika, ka jereo hoe inona no mbola tianao hiezahana.

“APETRAHO AMIN’I JEHOVAH IZAY MANAVESATRA ANAO”

3. Ahoana no azo ampiharana an’ilay hoe: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao”?

3 Voalohany, mivavaha amin’ny fo manontolo. Rehefa misy zavatra mampitebiteby na mampitaintaina na mampanahy anao, dia resaho amin’ilay Ray be fitiavana daholo izay ao am-ponao. Nitalaho tamin’i Jehovah, ohatra, i Davida hoe: “Henoy ny vavaka ataoko, Andriamanitra ô!” Hoy koa izy: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.” (Sal. 55:1, 22) Ataovy izay rehetra azonao atao mba hamahana an’ilay olana, dia mivavaha amin’i Jehovah ary aza manahy intsony. Misy vokany tsara kokoa mantsy ny mivavaka, noho ny hoe manahy. Nahoana anefa ny vavaka no manampy anao tsy hitebiteby na hiady saina be?​—Sal. 94:18, 19.

4. Nahoana no tena ilaina ny mivavaka rehefa mitebiteby isika?

4 Vakio ny Filipianina 4:6, 7. Inona no ataon’i Jehovah rehefa mivavaka amin’ny fo sy mitalaho aminy foana isika? Ataony izay hahatonga antsika hilamin-tsaina ka lasa tony ny fontsika sy ny saintsika, ary tsy matahotra na mitaintaina intsony isika. Maro ny olona efa nahatsapa an’izany. Nitebiteby be izy ireo nefa nomen’i Jehovah ny fiadanany, ka lasa tony tanteraka sy tena nilamin-tsaina. Tsy ho takatry ny saina mihitsy hoe hoatran’ny ahoana izany fiadanana izany. Afaka manampy anao hiatrika an’izay zava-tsarotra rehetra mitranga koa ny “fiadanan’Andriamanitra.” Tena afaka matoky an’izao fampanantenan’i Jehovah izao ianao: “Aza miherikerika noho ny tahotra, fa izaho no Andriamanitrao. Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao.”​—Isaia 41:10.

MANAMPY ANTSIKA HILAMIN-TSAINA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

5. Nahoana ny Tenin’Andriamanitra no manampy antsika tsy hanahy be loatra?

5 Faharoa, tsy dia hitebiteby loatra ianao raha mamaky andinin-teny ao amin’ny Baiboly sy misaintsaina azy ireny. Misy torohevitra azo ampiharina mantsy ao, ary afaka manampy anao izy ireny mba tsy hanahy mihitsy na tsy dia hanahy loatra. Tadidio koa fa avy amin’ilay Mpamorona antsika ny torohevitra ao amin’izy io, ka tena mahasoa sy mampahery antsika. Tena hatanja-tsaina isika raha mieritreritra tsara an’izay voalazany ao, sady misaintsaina hoe ahoana no ampiharana ny teniny. Nilaza i Jehovah fa ‘hahery sy hatanjaka’ ary tsy ‘hivadi-po na hihorohoro’ izay mamaky ny Teniny.​—Jos. 1:7-9.

6. Inona ny soa ho azonao raha mamaky ny zavatra nolazain’i Jesosy ianao?

6 Hitantsika ao amin’ny Baiboly koa fa nampahery ny zavatra nolazain’i Jesosy sy nampianariny. Tian’ny olona maro ny nihaino azy satria nampitony an’izay nitebiteby izy, nanatanjaka ny malemy, ary nampionona an’izay kivy. (Vakio ny Matio 11:28-30.) Tena be fitiavana izy ka nanampy ny olona hifandray tsara amin’i Jehovah, nanome azy ireo izay nilainy, ary nampahery azy ireo. (Mar. 6:30-32) Nanampy an’ireo apostoly niaraka taminy izy, ary azo antoka fa hanampy anao koa. Tsy voatery hoe miaraka aminao eo akaikinao eo i Jesosy izay vao afaka manampy anao. Mbola mangoraka antsika foana izy, na dia efa Mpanjaka any an-danitra aza. “Afaka manampy” anao àry izy, rehefa misy zavatra mampitebiteby anao. ‘Hahazo fanampiana amin’ny fotoana mety’ ianao amin’izay. Afaka manome fanantenana anao sy manampy anao ho be herim-po koa izy.​—Heb. 2:17, 18; 4:16.

NY VOKATRY NY FANAHY

7. Inona ny soa ho azonao rehefa omen’i Jehovah fanahy masina ianao?

7 Nilaza i Jesosy fa raha mangataka fanahy masina amin’ilay Raintsika any an-danitra isika, dia homeny. (Lioka 11:10-13) Io no zavatra fahatelo hanampy anao tsy hitebiteby loatra. Rehefa mahazo fanahy masina mantsy ianao, dia lasa manana toetra tsara mitovy amin’ny an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. (Vakio ny Galatianina 5:22, 23; Kol. 3:10) Hifandray tsara kokoa amin’ny olona ianao rehefa manana ny vokatry ny fanahy. Hihena amin’izay ny zavatra mety hahatonga anao hitebiteby. Hojerentsika àry ny soa ho azonao raha manana ny vokatry ny fanahy ianao.

8-12. Nahoana ianao no tena mila manana ny vokatry ny fanahy?

8 “Fitiavana, fifaliana, fiadanana.” Ho hainao kokoa ny hifehy ny fihetseham-ponao, raha miezaka hanaja olona ianao. Raha tia an’ireo rahalahy sy maneho firaiketam-po lalina mantsy ianao sady manome voninahitra ny hafa, dia tsy hitranga ny zavatra sasany mety hiteraka tebiteby.​—Rom. 12:10.

9 “Fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra.” Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ianareo ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka.’ (Efes. 4:32) Hifandray tsara amin’ny olona ianao raha manao an’izany, sady hisoroka olana mety hampanahy anao. Rehefa misy olana koa noho isika tsy lavorary, dia ho hainao izay tokony hatao.

10 “Finoana.” Ny vola sy ny fananana matetika no mahatonga antsika hanahy. (Ohab. 18:11) Tsy dia hiasa saina be na tsy hanahy mihitsy momba an’izany anefa ianao, raha tena mino hoe tia anao sady mikarakara anao i Jehovah. Tsy hitebiteby loatra ianao, raha mampihatra ny torohevitr’i Paoly hoe: “Aoka ianareo hianina amin’izay efa eo.” Efa nampanantena mantsy i Jehovah hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.” Afaka milaza toa an’i Paoly àry ianao hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?”​—Heb. 13:5, 6.

11 “Fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” Nahoana no mahasoa anao ireo toetra ireo? Satria tsy hiteny na hanao zavatra mety hampitebiteby anao ianao, raha malemy fanahy sy mahay mifehy tena. Ho vitanao ny hampihatra ny Efesianina 4:31, hoe: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra.”

12 Mila manetry tena koa ianao, izay vao ho vitanao ny hatoky ny “tana-maherin’Andriamanitra” sy hametraka aminy an’izay rehetra mampanahy anao. (1 Pet. 5:6, 7) Hahay handanjalanja ianao raha manetry tena, ka handinika hoe inona no mety tsy ho zakanao na tsy ho vitanao. Hankasitraka anao i Jehovah sady hanohana anao, raha manetry tena toy izany ianao. (Mika 6:8) Tsy hitebiteby be loatra koa ianao satria miantehitra amin’i Jehovah.

“AZA MANAHY MIHITSY”

13. Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe: “Aza manahy mihitsy”?

13 Hoy i Jesosy: “Aza manahy mihitsy.” (Vakio ny Matio 6:34.) Hoatran’ny sarotra tanterahina izany. Tsy te hilaza anefa izy hoe tsy hitebiteby mihitsy ny mpanompon’i Jehovah. Hitantsika tany aloha, ohatra, fa samy nitebiteby na i Davida na i Paoly. Te hilaza kosa i Jesosy fa tsy hoe rehefa manahy be loatra isika dia ho voavaha ny olana. Efa misy olana mampiasa saina antsika isan’andro, dia mbola hieritreritra ny olana efa lasa sy ny olana mbola tsy nitranga koa ve isika? Ahoana àry no azo ampiharana ny torohevitr’i Jesosy mba hahatonga antsika tsy hanahy be loatra?

14. Inona no azonao atao raha miady saina ianao noho ny fahadisoana nataonao taloha?

14 Miady saina noho ny fahadisoana nataony taloha ny olona sasany indraindray. Mety mbola hanamelo-tena be izy, na dia efa taona maro aza no lasa. Nahatsapa, ohatra, i Davida Mpanjaka indraindray hoe ‘efa mihoatra ny lohany ny fahadisoany.’ Hoy izy: “Mitaraindraina aho noho ny fitolokon’ny foko.” (Sal. 38:3, 4, 8, 18) Natoky anefa izy hoe hamindra fo sy hamela ny helony i Jehovah. Nahatsiaro ho sambatra izy rehefa fantany hoe navelan’i Jehovah ny fahotany.​—Vakio ny Salamo 32:1-3, 5.

15. a) Inona no ianarantsika avy amin’i Davida? b) Inona avy no azonao atao mba tsy hahatonga anao hitebiteby be loatra? (Jereo ilay hoe “ Inona no Hanampy Anao Tsy Hitebiteby Loatra?”)

15 Mety ho ny zavatra iainantsika amin’izao koa anefa no mampanahy antsika. Natahotra ny hisy hamono ho faty, ohatra, i Davida, tamin’izy nanoratra ny Salamo faha-55. (Sal. 55:2-5) Natoky an’i Jehovah foana anefa izy na dia nitebiteby aza, ka nitalaho taminy mba hanampy azy. Nanao izay azony natao koa izy mba hanamaivanana ny adin-tsainy. (2 Sam. 15:30-34) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Miezaha mba tsy hitebiteby be loatra.Ataovy izay azonao atao mba hamahana an’ilay olana, ary matokia hoe hikarakara anao i Jehovah.

16. Nahoana no lasa matanjaka kokoa ny finoantsika rehefa mieritreritra ny dikan’ny anaran’Andriamanitra isika?

16 Matetika koa no lasa mitebiteby loatra isika, rehefa mieritreritra be momba ny olana mety hitranga. Tsy tokony hiady saina be amin’ny zavatra mbola tsy misy akory anefa ianao. Matetika mantsy no tsy ratsy be hoatran’ny noeritreretinao ny zava-misy. Tadidio koa fa tsy misy zavatra tsy vitan’i Jehovah. Ny anarany hoe Jehovah, dia azo adika hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” (Eks. 3:14) Manome toky antsika izany hoe vitany ny manao izay hahatanteraka ny fikasany mba hahasoa ny vahoakany. Azo antoka àry fa hamaly soa an’izay tsy mivadika i Jehovah, ary hanampy azy ireo tsy hiady saina be momba ny fiainany taloha sy ankehitriny ary amin’ny hoavy.

MIRESAHA AMIN’NY OLONA ATOKISANAO

17, 18. Nahoana ianao no mila miresaka amin’ny olona atokisanao, rehefa misy zavatra mampanahy anao?

17 Fahefatra, azonao atao ny miresaka an’ilay zavatra mampitebiteby anao amin’ny olona atokisanao, ohatra hoe ny vadinao na namanao be na anti-panahy. Mety hanampy anao hahazo tsara an’izay mitranga izany. Hoy mantsy ny Ohabolana 12:25: “Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy ny fony, fa ny teny soa kosa no mahafaly ny fony.” Resaho àry izay tena ao am-ponao sy ao an-tsainao, fa hanampy anao hiatrika an’ilay olana izany. Hoy ny Ohabolana 15:22: “Tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana, fa tanteraka kosa izany raha maro ny mpanolo-tsaina.”

18 Asain’i Jehovah mivory koa isika isan-kerinandro, mba hanampiana antsika tsy hitebiteby loatra. Afaka miaraka amin’ny mpiray finoana amintsika isika rehefa any. Te hanampy sy hampahery antsika izy ireny. (Heb. 10:24, 25) Hatanjaka ny finoantsika rehefa mifampahery isika, ka ho mora kokoa amintsika ny hizaka ny olana mampanahy antsika.​—Rom. 1:12.

NY MIFANDRAY TSARA AMIN’I JEHOVAH NO TENA MANAMPY

19. Nahoana ianao no afaka matoky fa tena hanampy anao ny mifandray tsara amin’i Jehovah?

19 Nisy anti-panahy iray any Kanada nahatsapa fa tena ilaina ny mametraka amin’i Jehovah an’izay rehetra mampanahy antsika. Mandreraka be ny asany, satria mpampianatra izy sady mpanoro hevitra ny mpianatra. Mitaintaina lava koa izy ka lasa aretina ilay izy. Ahoana àry no ataony? Hoy izy: “Miezaka mafy aho mba hifandray tsara kokoa amin’i Jehovah. Izany no tena manampy ahy tsy hitebiteby be loatra. Manampy be an’ahy koa ny namako sy ny mpiara-manompo rehefa miady saina be aho. Tsy manafinafina ny ato am-poko amin’ny vadiko koa aho. Nanampy ahy hahay handanjalanja ny anti-panahy hafa sy ny mpiandraikitra ny faritra. Nankany amin’ny dokotera koa aho, nanamboatra ny fandaharam-potoanako, ary manokana fotoana hialana sasatra sy hanaovana fanatanjahan-tena. Lasa nahay nifehy ny fihetseham-poko aho, rehefa nandeha ny fotoana. Rehefa tsy afa-manoatra aho amin’ny zavatra sasany, dia i Jehovah no avelako handamina an’ilay izy.”

20. a) Ahoana no azontsika ampiharana an’ilay hoe: ‘Apetraho amin’i Jehovah izay mampanahy anao’? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Hitantsika tato àry fa tena ilaina ny mametraka amin’i Jehovah an’izay rehetra mampanahy antsika. Manao an’izany isika rehefa mivavaka amin’ny fo, ary mamaky sy misaintsaina ny Teniny. Tena ilaina koa ny manana ny vokatry ny fanahy, mamboraka ny ao am-pontsika amin’ny olona atokisantsika, ary mivory sy mifanerasera amin’ny Kristianina hafa. Mbola misy fomba hafa ampaherezan’i Jehovah antsika anefa: Mampanantena izy fa hamaly soa antsika. (Heb. 11:6) Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.