Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Ahoana no tokony hiheveran’ny mpivady kristianina ny DIU (“dispositif intra-utérin”) na “stérilet”? Mifanaraka amin’izay lazain’ny Soratra Masina ve io fomba fandrindram-piterahana io?

Mila manadihady momba ny fomba fiasan’ny DIU ny mpivady, ary mandinika ny toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’izany. Anjaran’izy ireo avy eo ny manapa-kevitra, ary izay tsy hahatonga azy henjehin’ny eritreriny no tokony hataony.

Tamin’ny mbola olona roa monja no teto an-tany, dia nilaza i Jehovah hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha.” Mbola naveriny tamin’ireo olona valo teto an-tany izany didy izany, taorian’ny Safodrano. (Gen. 1:28; 9:1) Tsy milaza ny Baiboly hoe mila mankatò an’izany ny Kristianina. Ny mpivady tsirairay àry no manapa-kevitra hoe rahoviana izy ireo no hiteraka, ary hampiasa fanabeazana aizana ve izy ireo sa tsia mba hamerana ny isan’ny zaza haterany. Inona avy anefa no tsy maintsy dinihiny tsara?

Tokony hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly ny Kristianina rehefa hanapa-kevitra hoe inona no fanabeazana aizana hampiasainy. Milaza ny Baiboly hoe tokony hanaja ny aina isika. Tsy manala zaza àry ny Kristianina mba hamerana ny isan’ny zaza haterany. Efa misy aina miforona mantsy ao amin’ny vehivavy raha vao manomboka mitoe-jaza izy, ka raha hesorina ilay izy dia mitovy amin’ny mamono olona ihany. (Eks. 20:13; 21:22, 23; Sal. 139:16; Jer. 1:5) Ary ahoana ny amin’ny DIU?

Nanazava momba azy io Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1979, pejy 31-32. Ny ankamaroan’ny DIU be mpampiasa tamin’izany, dia ilay fitaovana plastika apetraka ao amin’ny tranonjaza, mba tsy hahatonga ny vehivavy ho bevohoka. Voalaza tao amin’ilay lahatsoratra fa tsy tena fantatra ny fomba fiasan’izy io. Maro ny dokotera nilaza fa misakana ny tsirinaina (tsirilahy) tsy hikambana amin’ny atodinaina (tsirivavy) izy io. Tsy misy atodinaina lonaka mihitsy amin’izay, ka tsy misy zaza miforona.

Nahita porofo anefa izy ireo hoe misy atodinaina lonaka ihany indraindray. Mety ho lasa zaza an-tsoson-koditra ilay izy, izany hoe mety ho any amin’ny lalan’ny atodinaina izy no mitombo. Mety ho lasa ao amin’ny tranonjaza koa ilay izy. Raha lasa ao ilay izy, dia mety hisakana azy tsy hipetraka ao sy tsy hitombo intsony ilay DIU. Mitovy amin’ny hoe manala zaza ihany izany, satria sakanana tsy hitombo ilay zaza. Izao no famaranan-teny tao amin’ilay lahatsoratra: ‘Mila mandinika tsara an’izany fanazavana izany sy izay lazain’ny Baiboly momba ny mahasarobidy ny aina ny Kristianina mieritreritra ny hampiasa DIU.’—Sal. 36:9.

Efa nandroso be anefa ny fitsaboana sy ny siansa, taorian’ny namoahana an’ilay lahatsoratra tamin’ny 1979.

Niampy karazany roa izao ny DIU. Misy varahina ilay iray, ary lasa be dia be izy io tany Etazonia nanomboka tamin’ny 1988. DIU mamokatra hormonina indray ilay faharoa, ary tamin’ny 2001 izy io no nanomboka nisy teny amin’ny mpivarotra. Ahoana no fomba fiasan’izy ireo?

DIU misy varahina: Hitantsika tetsy aloha hoe toa misakana ny tsirinaina tsy ho tafakambana amin’ny atodinaina ny DIU. Toa mamono ny tsirinaina koa ilay izy raha misy varahina. * Manova ny hoditra mandrakotra ny aty tranonjaza koa ny DIU misy varahina.

DIU misy hormonina: Hoatran’ilay DIU taloha ihany ny fomba fiasany. Misy hormonina mitovy amin’ny ao amin’ny ankamaroan’ny pilina fanabeazana aizana ilay izy. Alefany ao amin’ny tranonjaza ilay hormonina. Toa misakana ny vehivavy sasany tsy hamokatra atodinaina izy io. Mazava ho azy fa tsy hisy atodinaina lonaka rehefa tsy misy atodinaina mihitsy. Mampanify an’ilay hoditra mandrakotra ny aty tranonjaza koa ilay hormonina. * Mihamatevina koa ny ranoka maditidity ao amin’ny vozon’ny tranonjaza, dia lasa misakana ny tsirilahy ao amin’ny fivaviana tsy ho lasa any amin’ny tranonjaza.

Hitantsika teo fa toa samy manova ny hoditra mandrakotra ny aty tranonjaza ilay karazana DIU roa. Ahoana anefa raha mamokatra atodinaina ihany ilay vehivavy ary misy atodinaina lonaka? Mety ho lasa any amin’ny tranonjaza ilay izy fa tsy ho tafapetraka ao, satria tsy mety hipetrahany ilay hoditra ao. Vao bevohoka kelikely àry ilay vehivavy, dia ho afa-jaza. Milaza anefa ny manam-pahaizana fa mahalana vao mitranga izany, hoatran’ny amin’ny olona mihinana pilina ihany.

Tsy azo antoka àry hoe tena misakana ny atodinaina tsy ho lonaka ny DIU, na ilay misy varahina io na ilay misy hormonina. Toa mahalana anefa vao bevohoka ny vehivavy mampiasa azy ireo, araka ny fikarohana nataon’ny mpahay siansa.

Tsara àry raha miresaka amin’ny dokotera ny mpivady kristianina mieritreritra hampiasa DIU. Afaka manoro azy ireo izy hoe inona no karazana DIU misy eo an-toerana, ary inona no tombony amin’ny fampiasana an’ilay izy sy ny mety ho vokany amin’ilay vehivavy. Tsy tokony hanantena izy ireo hoe ny olona no hilaza aminy izay tokony hataony. Tsy misy olona tokony havelany hanapa-kevitra ho azy ireo koa, na dia ny dokotera aza. (Rom. 14:12; Gal. 6:4, 5) Izy roa irery no tokony hanapa-kevitra momba an’izany. Mila miezaka hampifaly an’Andriamanitra sy hanana feon’ny fieritreretana madio foana izy roa, amin’izay fanapahan-kevitra raisiny.—Ampitahao amin’ny 1 Timoty 1:18, 19; 2 Timoty 1:3.

^ feh. 4 Tsy tena mandaitra ny DIU raha kely ny varahina ao aminy, araka ny tatitra navoakan’ny Sampan’asa Misahana ny Fahasalamam-bahoaka any Angletera. Mandaitra be kosa izy io rehefa betsaka kokoa ny varahina ao aminy. “Amin’ny vehivavy 100 mampiasa an’io DIU io, dia zara raha misy iray no bevohoka ao anatin’ny herintaona.”

^ feh. 5 Asain’ny dokotera mampiasa DIU misy hormonina indraindray ny vehivavy mandeha ra be rehefa tonga fotoana, na manambady izy na tsia, satria mampanify ny hoditra mandrakotra ny aty tranonjaza izy io.