Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha voavalinao ireto:

Nahoana ny ray aman-dreny no mila mandinika tsara an’izay fiteny tena mety amin’ny zanany, raha nifindra monina izy ireo ary tiany hifandray tsara amin’i Jehovah ny zanany?

Matetika no lasa mahay ny fiteny ao amin’ilay tany nifindrany ny ankizy, rehefa mandeha mianatra sy mifanerasera amin’ny olona. Mety ho tsara raha mahay fiteny mihoatra ny iray izy ireo. Mila dinihina hoe aiza izy ireo no hahazo tsara ny fahamarinana sy handroso: Ao amin’ny fiangonana mampiasa ny fiteny eo an-toerana ve, sa ao amin’ny fiangonana mampiasa ny fitenin-drazany? Tsy izay mahafinaritra azy no zava-dehibe kokoa amin’ny ray aman-dreny kristianina, fa izay hahasoa ny zanany.—w17.05, p. 9-11.

Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe “iretsy”, rehefa nanontany an’i Petera izy hoe: “Tia ahy mihoatra noho ny itiavanao an’iretsy ve ianao?” (Jaona 21:15)

Ny trondro sy ny fanaratoana angamba no tian’i Jesosy holazaina. Rehefa maty izy, dia lasa niverina nanarato i Petera. Tokony hieritreritra àry ny Kristianina hoe sao dia variana be amin’ny asany izy.—w17.05, p. 22-23.

Nahoana i Abrahama no niangavy ny vadiny hilaza hoe anabaviny izy? (Gen. 12:10-13)

Iray ray i Abrahama sy Saraha. Raha niteny i Saraha hoe vadiny izy, dia mety ho nisy namono ho faty i Abrahama ka tsy ho afaka niteraka an’ilay taranaka nampanantenain’Andriamanitra.—wp17.3, p. 14-15.

Inona no teknika nampiasain’i Elias Hutter mba hanampiana ny olona te hianatra teny hebreo?

Tiany ho hain’ny mpianany ny manavaka ny fototeny sy ny tovona ary ny tovana, amin’ny teny hebreo. Nataony mainty misongadina tsara àry ny fototeny, fa ny tovona sy tovana kosa nataony tsy tena misongadina. Ahitana an’io teknika io koa ao amin’ireo fanamarihana ambany pejin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo VaovaoFanaovana Fikarohana (frantsay).wp17.4, p. 11-12.

Inona no tokony hodinihin’ny Kristianina rehefa hanapa-kevitra izy raha hitahiry basy mba hiarovan-tena amin’ny olona na tsia?

Masina ny aina amin’Andriamanitra. Marina fa nasain’i Jesosy nitondra sabatra ny mpianany. Tsy nasainy nampiasa azy io mba hiarovan-tena anefa izy ireo. (Lioka 22:36, 38) Asaina manefy ny sabatra ho angadinomby isika. Ny aina no zava-dehibe kokoa noho ny fananana. Mitandrina mba tsy hanafintohina olona isika, ary miezaka mba ho ohatra tsara. (2 Kor. 4:2)—w17.07, p. 31-32.

Nahoana no tsy mitovy ny zavatra notantarain’i Matio sy Lioka momba ny fahazazan’i Jesosy?

I Josefa no tena noresahin’i Matio. Noresahiny, ohatra, ny nataon’i Josefa rehefa fantany fa bevohoka i Maria. Noresahiny koa hoe nasain’Andriamanitra nandositra tany Ejipta ry zareo ary avy eo nasainy niverina. I Maria kosa no tena noresahin’i Lioka. Noresahiny, ohatra, ilay izy nitsidika an’i Elizabeta sy ny fihetseham-pony rehefa nijanona tany amin’ny tempoly i Jesosy.—w17.08, p. 32.

Mbola eo foana ny Baiboly na nisy olana aza. Inona no sasany amin’izany olana izany?

Lasa hafa tanteraka ny dikan’ny teny na fomba fiteny sasany rehefa mandeha ny fotoana. Niova indraindray ny fiteny niombonan’ny olona, noho ny fiovana ara-politika. Nenjehina izay olona nandika ny Baiboly tamin’ny fiteny fampiasan’ny olona.—w17.09, p. 19-21.

Manana anjely mpiambina ve isika?

Tsia. Nilaza i Jesosy hoe manana anjely any an-danitra ny mpianany. (Mat. 18:10) Tsy te hilaza akory izy hoe misy anjely miaro ny tsirairay amin’izy ireo amin’ny fomba mahagaga. Ny tiany holazaina kosa dia hoe mitady izay hahasoa ny mpianany ny anjely.—wp17.5, p. 5.

Inona no fitiavana tsara indrindra?

Ny fitiavana agape. Manaraka ny toro lalan’i Jehovah ny olona maneho azy io. Marina fa mety hiraiki-po amin’ilay olona tiany izy. Ny mampiavaka azy anefa dia hoe tia manao soa izy ary tsy manantena valiny.—w17.10, p. 7