Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nilaza ny apostoly Paoly hoe nentina tany amin’ny “lanitra fahatelo” sy tany amin’ny “paradisa” izy. Inona no tiany holazaina amin’izany?2 Kor. 12:2-4.

Niresaka momba ny olona iray “nentina ho any amin’ny lanitra fahatelo” i Paoly, ao amin’ny 2 Korintianina 12:2, 3. Nohamafisiny tao amin’ny taratasiny ho an’ny fiangonan’i Korinto hoe apostoly ampiasain’Andriamanitra izy. (2 Kor. 11:5, 23) Niresaka ‘fahitana avy amin’ny Tompo’ izy avy eo, ary nilaza hoe nisy ‘zavatra naharihary taminy.’ Matoa izy tsy niresaka rahalahy hafa, dia izy no nampisehoana an’ireo.—2 Kor. 12:1, 5.

I Paoly ihany àry ilay nentina tany amin’ny “lanitra fahatelo” sy tany amin’ny “paradisa.” (2 Kor. 12:2-4) Ny hoe ‘zavatra naharihary’ indray dia midika hoe amin’ny hoavy no hitranga ireo zavatra noresahiny.

Inona ilay “lanitra fahatelo” hitan’i Paoly?

Mety ho ara-bakiteny ny hoe “lanitra”, ao amin’ny Baiboly. (Gen. 11:4; 27:28; Mat. 6:26) Mety hidika hoe fitondran’olombelona koa izy io indraindray. (Dan. 4:20-22) Atao hoe “lanitra” koa anefa ny fitondran’Andriamanitra, anisan’izany ny fitondrany amin’ny alalan’ny Fanjakany.—Apok. 21:1.

Inona àry no tian’i Paoly hotenenina tamin’ilay hoe “lanitra fahatelo”? Averina intelo ny teny sasany ao amin’ny Baiboly, mba hanamafisana na hanasongadinana hevitra. (Isaia 6:3; Ezek. 21:27; Apok. 4:8) Te hanasongadina fitondrana iray faran’izay tsara sy ambony angamba i Paoly, tamin’izy nilaza hoe “lanitra fahatelo.” Tsy inona izany fa ny Fanjakan’ny Mesia. I Jesosy Kristy sy ireo 144 000 no ho mpitondra ao amin’izy io. (Jereo ny Fandalinana ny Soratra Masina, ao amin’ilay hoe “Lanitra”: “Lanitra vaovao sy tany vaovao.) Io Fanjakana io no tian’ny apostoly Petera horesahina, tamin’izy nilaza hoe misy “lanitra vaovao” andrasantsika, araka ny fampanantenan’Andriamanitra.—2 Pet. 3:13.

Inona kosa ilay hoe “paradisa”?

Mety hanana heviny maromaro izy io: 1) Mety ho ilay Paradisa eto an-tany amin’ny hoavy izy io, hoatran’ilay nisy ny mpivady voalohany. 2) Mety ho ilay paradisa ara-panahy any amin’ny tontolo vaovao koa izy io. Hihavana tsara ny mpanompon’i Jehovah amin’izay sady hifandray tsara aminy. 3) Mety ho ilay fiainana mahafinaritra be any an-danitra, izay antsoina hoe “paradisan’Andriamanitra”, koa izy io.—Apok. 2:7; jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2015, pejy 8, fehintsoratra 8.

Mety ho ireo paradisa telo ireo no tian’i Paoly horesahina ao amin’ny 2 Korintianina 12:4.

Raha fintinina àry dia izao:

Mety ho ny Fanjakan’ny Mesia no tiana horesahina amin’ilay hoe “lanitra fahatelo”, ao amin’ny 2 Korintianina 12:2. I Jesosy Kristy sy ireo 144 000 no ho mpitondra ao amin’izy io. Izy io no “lanitra vaovao.”—2 Pet. 3:13.

“Lanitra fahatelo” izy io satria fitondrana faran’izay tsara sy ambony.

Ny “paradisa” nitondrana an’i Paoly kosa dia mety ho 1) ilay Paradisa eto an-tany amin’ny hoavy, 2) ilay paradisa ara-panahy hisy antsika any amin’ny tontolo vaovao, izay ho lehibe kokoa noho ny paradisa ara-panahy misy antsika amin’izao, ary 3) ilay “paradisan’Andriamanitra” any an-danitra. Hisy daholo ireo telo ireo any amin’ny tontolo vaovao.

Ny tontolo vaovao àry dia ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao. Vaovao tanteraka izy io, satria fitambaran’ilay fitondram-panjakana any an-danitra sy ny mpanompon’i Jehovah ao amin’ny paradisa eto an-tany.