Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hifaly Amin’i Jehovah ny Olo-marina”

“Hifaly Amin’i Jehovah ny Olo-marina”

EFA 80 taona mahery i Diana, ary nisy fotoana izy voan’ny kanseran’ny nono. Ny vadiny indray voan’ny Alzheimer, ary tany amin’ny trano fitaizana be antitra izy no nipetraka talohan’ny nahafatesany. Tsy vitan’izany fa maty ny zanany roa lahy. Falifaly foana anefa no fahitan’ny rahalahy sy anabavy azy, rehefa any am-pivoriana na eny am-pitoriana.

I John indray mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny 43 taona mahery. Tena tiany ny fanompoany, dia tsy nieritreritra ny hijanona mihitsy izy. Tsy maintsy najanony anefa ilay izy satria nisy havany narary, dia izy no nikarakara azy. Lasa manompo ao amin’ny fiangonana izy izao. Izay mpiara-manompo mahafantatra an’i John ka mahita azy any amin’ny fivoriambe, dia milaza hoe tsy niova mihitsy izy fa falifaly foana.

Maninona i Diana sy John no falifaly hoatr’izany? Inona no tokony hatao raha te ho falifaly foana na dia mijaly aza? Ahoana raha tianao be ny andraikitrao, nefa tsy afaka manao an’ilay izy intsony ianao? Hoy ny Baiboly: “Hifaly amin’i Jehovah ny olo-marina.” (Sal. 64:10) Ho azontsika tsara ny dikan’izany raha fantatsika hoe inona no tena mitondra fifaliana maharitra. Misy zavatra sasany mantsy mety hahafaly, saingy mihelina ihany izany.

FIFALIANA MANDALO IHANY

Faly ny olon-droa mifankatia rehefa atao mariazy. Faly koa ny mpivady rehefa hanan-janaka. Dia hoatr’izany koa isika rehefa mahazo andraikitra eo anivon’ny fandaminana. Mahafantatra zavatra hafa mahafaly koa angamba ianao. Ara-dalàna raha mitondra fifaliana ireo, satria avy amin’i Jehovah daholo. Izy no namorona ny fanambadiana sy nanao izay hahatonga ny olombelona hiteraka. Avy aminy koa ny andraikitra eo anivon’ny fandaminana.—Gen. 2:18, 22; Sal. 127:3; 1 Tim. 3:1.

Na mahafaly aza anefa ny zavatra sasany, dia mety handalo ihany izany. Faly, ohatra, ny olona rehefa manambady, nefa mety hanitsakitsaka azy ilay vadiny na ho faty. (Ezek. 24:18; Hosea 3:1) Mahafaly koa ny miteraka, nefa mety tsy hankatò ray aman-dreny sy tsy hankatò an’Andriamanitra ilay zaza any aoriana any. Mety ho voaroaka mihitsy aza izy. Nanao ratsy, ohatra, ny zanak’i Samoela na dia nanompo an’i Jehovah aza. Tao amin’ny fianakavian’i Davida indray, lasa nisy olana be dia be noho izy nanota. (1 Sam. 8:1-3; 2 Sam. 12:11) Mahakivy ny zavatra hoatr’izany.

Mety tsy ho afaka hanohy ny andraikiny na ny asa ampanaovina azy eo anivon’ny fandaminana koa ny olona iray, na dia tena mahafaly azy aza ilay izy. Lasa marary angamba izy, na mila mikarakara fianakaviana, na misy fiovana eo anivon’ny fandaminana. Maro amin’ny olona niaina an’izany no manembona an’ilay fifaliana azony tamin’ilay asa.

Hitantsika amin’izany hoe mety handalo fotsiny ny fifaliana azo avy amin’ny zavatra sasany. Mba misy fifaliana maharitra ihany àry ve? Tena misy izany matoa faly foana i Samoela sy Davida ary ny olon-kafa, na dia tsy mora aza ny nanjo azy. Hodinihintsika izao hoe inona no hanampy antsika ho faly foana, na dia niova be aza ny fiainantsika.

FIFALIANA MAHARITRA

Hain’i Jesosy tsara ny atao hoe tena fifaliana. ‘Falifaly foana izy’ tany an-danitra, teo anatrehan’i Jehovah. (Ohab. 8:30) Azo antoka fa tsara be koa ny fiainany tamin’izany. Hafa mihitsy anefa tetỳ an-tany. Niaritra ny mafy izy indraindray. Faly foana anefa izy satria nahafinaritra azy ny nanao ny sitrapon’ny Rainy. (Jaona 4:34) Ary ahoana tamin’izy efa ho faty? Nijalijaly be izy nefa mbola faly ihany. Milaza ny Baiboly hoe “niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany.” (Heb. 12:2) Tena tsara àry raha mandinika an’izay nolazainy momba ny tena fifaliana isika.

Naniraka ny mpianany 70 hitory i Jesosy indray mandeha. Faly be ry zareo rehefa niverina satria nahavita zavatra niavaka. Nahavita namoaka demonia mihitsy ry zareo! Hoy anefa i Jesosy: “Aza mifaly satria hoe manjary manaiky anareo ny fanahy, fa mifalia kosa satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.” (Lioka 10:1-9, 17, 20) Tena zava-dehibe àry ny hoe ankasitrahan’i Jehovah. Zava-dehibe noho izay tombontsoa miavaka ananantsika izany, ary izany no tena mahafaly.

Nisy fotoana koa i Jesosy niresaka tamin’ny olona be dia be. Nilaza taminy ny vehivavy jiosy iray tamin’izay hoe sambatra be ny maman’i Jesosy, satria nanan-janaka nahay nampianatra be. Hoy anefa i Jesosy taminy: “Tsy izany mihitsy, fa izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany kosa no sambatra!” (Lioka 11:27, 28) Reharehan’ny ray aman-dreny sady mahafaly azy ny zanany rehefa mahavita zavatra tsara. Mbola mahafaly kokoa noho izany anefa ny mankatò an’i Jehovah sy mifandray tsara aminy.

Rehefa mahatsapa hoe ankasitrahan’i Jehovah ihany àry isika vao tena faly. Afaka mahatsapa an’izany foana isika na dia miatrika zava-tsarotra aza. Toy ny hoe mandresy isika raha tsy mivadika, ka vao mainka ho faly. (Rom. 5:3-5) Manome fanahy masina ho an’izay matoky azy koa i Jehovah, ary anisan’ny vokatr’izy io ny fifaliana. (Gal. 5:22) Izany no mahatonga ny Salamo 64:10 hilaza hoe: “Hifaly amin’i Jehovah ny olo-marina.”

Inona no nanampy an’i John ho faly foana?

Tsy mahagaga àry hoe falifaly foana i Diana sy John, na dia tsy mora aza ny nahazo an-dry zareo. Hoy i Diana: “Miantehitra amin’i Jehovah aho, hoatran’ny ataon’ny ankizikely amin’ny dadany na ny mamany.” Ahoana no ahalalany hoe ankasitrahan’i Jehovah izy? Izao no nolazainy: “Ampian’i Jehovah aho matoa mbola mahavita mitory, sady falifaly foana rehefa manao an’izany.” Ary i John? Inona no tena nanampy azy hazoto hanompo foana, na dia tsy mpiandraikitra mpitety faritany intsony aza izy? Hoy izy: “Voatendry hampianatra tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana aho nanomboka tamin’ny 1998, dia lasa nianatra samirery bebe kokoa.” Hoy koa izy: “Vonona hanao izay nasain’i Jehovah nataonay foana izahay mivady, dia tsy dia nanahirana loatra ilay fiovana. Tsy manenina mihitsy izahay!”

Betsaka koa no mahita hoe marina ilay Salamo 64:10. Nanompo tao amin’ny Betela nandritra ny 30 taona mahery, ohatra, ny mpivady iray any Etazonia. Voatendry ho mpisava lalana manokana ry zareo avy eo. Izao no nolazainy: “Ara-dalàna raha malahelo be ianao rehefa misy zavatra tena tianao, nefa tsy azonao atao intsony. Ianao ve anefa dia hitanondrika eo foana?” Vao tonga tany amin’ilay faritany vaovao àry izy roa, dia nanompo niaraka tamin’ilay fiangonana tany. Hoy koa izy mivady: “Notsorinay mazava tsara tamin’i Jehovah izay nilainay. Faly be izahay rehefa nivaly ny vavaka nataonay, sady nampahery be anay izany. Vao tonga kelikely tao amin’ilay fiangonana koa izahay, dia nisy rahalahy sy anabavy nanao mpisava lalana. Tsy izay ihany fa nanana mpianatra roa nandroso tsara izahay.”

‘HIFALY MANDRAKIZAY’ ISIKA

Tantely amam-bahona ny fiainana, ka tsy mora ny hoe ho faly foana. Mampahery antsika anefa i Jehovah ao amin’ny Salamo 64:10. Mety ho kivy isika indraindray, nefa afaka ny “hifaly amin’i Jehovah” foana raha anisan’ny “olo-marina”, izany hoe tsy mivadika na inon-kidona na inon-kihatra. Afaka manantena an’ilay “lanitra vaovao sy tany vaovao” nampanantenainy koa isika. Ho lavorary daholo ny olona amin’izay, ary ‘hiravoravo sy hifaly mandrakizay’ noho izay rehetra hataon’i Jehovah.—Isaia 65:17, 18.

Eritrereto ange e! Vao mifoha ianao dia salama sy matanjaka tsara. Na nisy zavatra nandratra be ny fonao hoatran’ny inona aza taloha, dia tsy hotadidinao akory izany. Manome toky mantsy i Jehovah hoe “tsy hotsarovana intsony” ny lasa, sady tsy “hitamberina ao am-po.” Hisy fahagagana amin’izany, ka hatsangana ny maty ary ho tafaraka indray ny mpianakavy. Tadidinao ve rehefa novelomin’i Jesosy ny ankizivavikely iray 12 taona? “Faly tsy nisy hoatr’izany” ny ray aman-dreniny! (Mar. 5:42) Hoatr’izany koa no ho tsapan’ny olona maro be rehefa hovelomina indray ny havany. Tsy vitan’izany fa amin’izay vao tena ho “olo-marina” ny rehetra, ka “hifaly amin’i Jehovah” mandrakizay.