Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Inona no lazain’ny Baiboly ka manaporofo fa mangoraka antsika Andriamanitra?

Tsy hoe nahalala an’izay nanjo ny Israelita fotsiny Andriamanitra tamin’izy ireo andevo tany Ejipta, fa tsapany mihitsy ny fijalian’izy ireo. (Eks. 3:7; Isaia 63:9) Mangoraka antsika koa izy, na dia mieritreritra aza isika hoe tsy mendrika ny hotiaviny. Afaka ny hangoraka hoatr’azy isika, satria noforonina araka ny endriny.—wp18.3, p. 8-9.

Nahoana ny fampianaran’i Jesosy no nanampy ny olona tsy hanavakavaka?

Betsaka ny Jiosy nanavakavaka tamin’ny andron’i Jesosy. Nilaza anefa i Jesosy fa ratsy ny mirehareha noho ny firazanana, ary ilaina ny manetry tena. Nampirisihiny hifampitondra toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy ny mpanara-dia azy.—w18.06, p. 9-10.

Nahoana i Mosesy no tsy navelan’i Jehovah hiditra ny Tany Nampanantenaina? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

Tsy nahazo an’izany tombontsoa izany i Mosesy, na dia nifandray akaiky tamin’i Jehovah aza. (Deot. 34:10) Efa ho tafavoaka ny tany efitra ny Israelita tamin’izay, rehefa avy nivezivezy tany nandritra ny 40 taona latsaka kely. Nitaraina indray ry zareo satria tsy nisy rano. Nasain’i Jehovah niteny an’ilay vatolampy àry i Mosesy, nefa tsy izany no nataony fa nokapohiny ilay izy. Tezitra taminy i Jehovah. Nahoana? Angamba noho i Mosesy tsy nanaraka toromarika, na noho izy tsy nanome voninahitra an’i Jehovah nefa izy no nahavita an’ilay fahagagana. (Nom. 20:6-12) Tena ilaina àry ny mankatò an’i Jehovah sy manome voninahitra azy.—w18.07, p. 13-14.

Inona no mety hahatonga antsika ho diso hevitra rehefa mitsara olona?

Be dia be no diso hevitra satria misy vokany amin’ny fahitany ny olon-kafa ny volon-koditr’ilay olona, na ny firenena niaviany, na ny zavatra ananany, na ny taonany. Tena mila miezaka àry isika mba hanahaka an’i Jehovah ka tsy hanavakavaka. (Asa. 10:34, 35)—w18.08, p. 8-12.

Inona no azon’ny zokiolona atao mba hanampiana ny hafa?

Mety ho niova andraikitra ny zokiolona iray, nefa tsy mampiova ny fitiavan’i Jehovah azy izany. Mbola betsaka ny azony atao, ohatra hoe manampy vadina anabavy tsy Vavolombelona, na manampy olona tsy mitory intsony. Mbola afaka mampianatra Baiboly koa izy, na mitory bebe kokoa.—w18.09, p. 8-11.

Inona avy ny Fitaovana Fampianarana ananantsika?

Ireto avy izany: Karatra jw.org, fanasana, taratasy mivalona valo mora ampiasaina, Ny Tilikambo Fiambenana, Mifohaza!, bokikely vitsivitsy, boky fampianarana roa, ary video efatra tena tsara, anisan’izany ilay hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?w18.10, p. 16.

Milaza ny Ohabolana 23:23 hoe mila ‘mividy ny fahamarinana’ isika. Ahoana izany?

Tsy andoavam-bola ny fahamarinana, nefa mila mahafoy fotoana sy miezaka isika mba hahazoana azy io.—w18.11, p. 4.

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Hosea tamin’i Gomera vadiny?

Imbetsaka i Gomera no nanitsakitsaka an’i Hosea. Namela ny helony foana anefa i Hosea, ary tsy nisaraka taminy. Afaka misafidy ny hamela heloka àry ny Kristianina iray, raha nanitsakitsaka azy ny vadiny. Raha manao firaisana amin’ny vadiny indray izy aorian’izay, dia lasa tsy mitombina indray ilay antony araka ny Soratra Masina ahafahany misaraka.—w18.12, p. 13.