Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 52

Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo

Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo

“Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka.”—SAL. 127:3.

HIRA 134 Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao

HO HITANAO ATO *

1. Inona no andraikitra ankinin’i Jehovah amin’ny ray aman-dreny?

TAMIN’I Jehovah namorona ny mpivady voalohany, dia efa nataony hanana faniriana hanan-janaka ry zareo. Izany no mahatonga ny Baiboly hiteny hoe: “Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka.” (Sal. 127:3) Inona no dikan’izany? Eritrereto hoe mpinamana be ianao sy ny olona iray, dia misy vola be apetrany any aminao. Ahoana no ho tsapanao? Azo antoka hoe ho faly ianao satria matoky anao izy. Mety hanahy ihany anefa ianao hoe ahoana no hitehirizana an’ilay vola mba tsy hisy hangalatra. I Jehovah no Namantsika akaiky indrindra, ary anankinany harena sarobidy lavitra noho ny vola ny ray aman-dreny. Omeny andraikitra izy ireo, dia ny hikarakara sy hanao izay hahasambatra ny zanak’izy ireo.

2. Inona no fanontaniana hodinihintsika ato?

2 Tokony hanan-janaka ve ny mpivady? Raha eny, dia rahoviana izy ireo no tokony hiteraka? Iza no tokony hanapa-kevitra momba an’ireo? Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany mba ho sambatra? Handinika toro lalana vitsivitsy ao amin’ny Baiboly isika izao, mba hanampiana ny mpivady handray fanapahan-kevitra tsara.

HAJAO NY SAFIDIN’IZY MIVADY

3. a) Iza no tokony hanapa-kevitra raha hiteraka na tsia ny mpivady iray? b) Inona no toro lalan’ny Baiboly tokony hotadidin’ny fianakaviana sy ny namana?

3 Tokony hiteraka haingana araka izay azo atao ny mpivady vao, any amin’ny kolontsaina sasany. Mety hanery an-dry zareo mihitsy aza ny fianakaviany sy ny olon-kafa. Hoy i Jethro, rahalahy any Azia: “Misy mpiara-manompo sasany efa manan-janaka, dia teren-dry zareo hanan-janaka koa ny mpivady hafa mbola tsy niteraka.” Hoy koa i Jeffrey, rahalahy hafa any Azia: “Misy miteny amin’ny mpivady tsy manan-janaka hoe raha tsy miteraka ry zareo, dia tsy hisy hikarakara rehefa antitra.” Iza anefa no tokony hanapa-kevitra ny amin’izany? Ny mpivady tsirairay. Izy ireo no tompon-tsafidy hoe hiteraka na tsia. Andraikitr’izy ireo izany. (Gal. 6:5) Marina aloha fa mitady an’izay hahasambatra an’ilay mpivady vao ny namany sy ny fianakaviany. Tokony hotadidin’ny rehetra anefa hoe fanapahan-kevitr’ilay mpivady izany.—1 Tes. 4:11.

4-5. Inona ny fanontaniana roa tokony hodinihin’ny mpivady? Rahoviana no mety indrindra hiresahana an’izany? Hazavao.

4 Raha manapa-kevitra ny hanan-janaka ny mpivady, dia tsara raha mandinika an’ireto fanontaniana roa lehibe ireto izy ireo: Voalohany, rahoviana ry zareo no hiteraka? Faharoa, hiteraka firy izy mivady? Nahoana ireo fanontaniana roa ireo no tena mila dinihina, ary rahoviana no fotoana mety indrindra hiresahana an’izany?

5 Matetika no tsara raha miresaka an’izany izy ireo dieny mbola tsy mivady. Nahoana? Amin’izay ry zareo mitovy hevitra tsara, ary zava-dehibe izany. Mila dinihin’izy ireo koa raha vonona hiantsoroka an’izany andraikitra izany ry zareo. Misy mpivady manapa-kevitra hiandry herintaona na roa taona aorian’ny fanambadiany, fara fahakeliny, vao hiteraka. Tian’izy ireo ho zatra tsara an’ilay fiainany vaovao aloha ry zareo. Amin’izay koa ry zareo lasa mifankatia kokoa, izay vao mitaiza. Mitaky fotoana sy hery be dia be mantsy ny fitaizana.—Efes. 5:33.

6. Inona no safidy ataon’ny mpivady sasany noho isika miaina amin’ny andro farany?

6 Manao hoatran’ny nataon’ny zanak’i Noa ny Kristianina sasany amin’izao. Tsy tonga dia niteraka mantsy izy telo lahy sy ny vadiny fa mbola niandry aloha. (Gen. 6:18; 9:18, 19; 10:1; 2 Pet. 2:5) Nampitovin’i Jesosy tamin’ny “andron’i Noa” ny androntsika. Tsy misalasala mihitsy isika hoe “andro farany” izao, ary tena “fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (Mat. 24:37; 2 Tim. 3:1) Izany no mahatonga ny mpivady sasany hanapa-kevitra hoe mbola tsy hiteraka aloha. Te hanokana fotoana bebe kokoa mba hanompoana mantsy ry zareo.

Mampihatra ny toro lalana ao amin’ny Lioka 14:28, 29 ny mpivady hendry, rehefa hanapa-kevitra raha hiteraka na tsia sy hoe hiteraka firy (Fehintsoratra 7) *

7. Nahoana no afaka manampy ny mpivady ny toro lalana ao amin’ny Lioka 14:28, 29 sy Ohabolana 21:5?

7 Hendry ny mpivady raha manaraka ny toro lalana ao amin’ny Lioka 14:28, 29, rehefa hanapa-kevitra hoe hiteraka ve ary hiteraka firy. (Vakio.) Rehefa hanorina tilikambo ny olona iray, dia mila manao kajy aloha izy hoe ho ampy ve ny volany. Eken’ny ray aman-dreny efa nitaiza fa mila vola ny mikarakara zanaka. Miaiky koa izy ireo hoe mitaky fotoana sy hery izany. Tokony hieritreritra an’ireto fanontaniana ireto àry ny mpivady: ‘Tsy maintsy samy miasa ve izahay mivady vao hahazo izay tena ilaina izahay mianakavy? Mitovy hevitra ve izahay hoe inona no tena ilainay? Raha samy hiasa izahay, dia iza no hitaiza ny ankizy? Iza no tianay hamolavola ny fomba fisainan’ny zanakay sy izay ataony?’ Mampihatra an’izay voalazan’ny Ohabolana 21:5 ny mpivady raha mifampiresaka momba an’ireo.—Vakio.

Hanao izay rehetra azony atao ny lehilahy be fitiavana mba hanampiana ny vadiny (Fehintsoratra 8)

8. Inona avy ny zava-tsarotra tokony hoeritreretin’ny mpivady mialoha? Inona no hataon’ny lehilahy be fitiavana?

8 Mitaky fotoana sy hery be dia be ny mikarakara zanaka, na dia iray fotsiny aza. Samy tokony hanome an’izany na ny rainy na ny reniny. Tsy hoe mila an’izany fotsiny ny ankizy fa mendrika an’izany. Raha mifanarakaraka be anefa ny taonan’ny ankizy, dia mety ho sarotra amin’ny ray aman-dreny ny hikarakara tsara ny zanany tsirairay. Misy mpivady maro anaka niaiky hoe nahatsiaro ho tototra izy ireo. Mety ho vizana tanteraka ilay reny sady mety ho kivy. Raha reraka loatra anefa izy, dia tsy hanana hery hianarana samirery sy hivavahana ary hanompoana tsy tapaka. Mety ho sarotra aminy koa ny hifantoka sy handray soa rehefa any am-pivoriana. Mazava ho azy fa hanao izay azony atao ny lehilahy be fitiavana mba hanampiana ny vadiny, rehefa mila karakaraina ny zanany na any am-pivoriana izany na any an-trano. Afaka manampy amin’ny raharaha ao an-trano, ohatra, izy. Hiezaka mafy koa izy hitarika Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro, ary hanampy ny rehetra mba handray soa avy amin’izany. Hanompo tsy tapaka miaraka amin’ny fianakaviany koa izy.

AMPIANARO HO TIA AN’I JEHOVAH NY ZANAKAO

9-10. Inona no tsy maintsy ataon’ny ray aman-dreny raha te hitaiza tsara ny zanany izy ireo?

9 Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany ho tia an’i Jehovah? Ahoana no hiarovan-dry zareo ny zanany amin’ny zavatra ratsy eto amin’ity tontolo ity? Ireto misy zavatra sasany azo atao:

10 Mangataha fanampiana amin’i Jehovah. Eritrereto ny nataon’i Manoa sy ny vadiny, rehefa hiteraka an’i Samsona ry zareo. Rehefa fantatr’i Manoa hoe hiteraka lahikely ry zareo, dia nitalaho tamin’i Jehovah izy mba hanoro azy hoe ahoana no hitaizany an’ilay zaza.

11. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anahafana an’i Manoa?

11 Nanahaka an’i Manoa i Nihad sy Alma, mpivady avy any Bosnia-Herzegovina. Nilaza izy ireo hoe: “Nitalaho tamin’i Jehovah hoatran’i Manoa izahay mba hampiany hitaiza tsara ny zanakay. Betsaka ny fomba namalian’i Jehovah ny vavaka nataonay. Nampiasa ny Baiboly, ny boky sy gazety, ny fivoriana, ary ny fivoriambe izy.”—Vakio ny Mpitsara 13:8.

12. Inona no modely nomen’i Josefa sy Maria ny zanany?

12 Miezaha ho modely. Marina fa mety hisy vokany amin’ny zanakao izay lazainao, nefa mety handaitra kokoa noho izany ny modely omenao. Azo antoka hoe niezaka i Josefa sy Maria mba ho modely ho an’ny zanany, anisan’izany i Jesosy. Niasa mafy i Josefa mba hamelomana ny fianakaviany. Nampirisika azy ireo koa izy mba ho tia manompo an’i Jehovah. (Deot. 4:9, 10) Nitondra ny fianakaviany tany Jerosalema izy “isan-taona” mba hankalaza ny Paska, na dia tsy nitaky an’izany aza ny Lalàna. (Lioka 2:41, 42) Nieritreritra angamba ny raim-pianakaviana hafa tamin’izany hoe manahirana izany sady mitaky vola be no mandany fotoana. Tena tia nanompo an’i Jehovah anefa i Josefa, ary nampianariny ho tia an’izany koa ny zanany. Ary ahoana no nataon’i Maria? Nahafantatra tsara ny Soratra Masina izy. Azo antoka fa na tamin’ny teniny na tamin’ny nataony, dia nampianariny ho tia azy io ny zanany.

13. Ahoana no nataon’ny mpivady iray mba hanahafana an’i Josefa sy Maria?

13 Niezaka ho modely hoatran’i Josefa sy Maria i Nihad sy Alma, ilay mpivady noresahina tetsy aloha. Lasa tia an’Andriamanitra sy nanompo azy ny zanany lahy vokatr’izany. Izao no nolazain’izy mivady: “Nataonay hitan’ny zanakay tamin’ny fomba fiainanay hoe tena mahafinaritra ny manaraka ny toro lalan’i Jehovah!” Hoy koa i Nihad: “Eritrereto hoe tianao ho lasa hoatran’ny ahoana ny zanakao, dia miezaha mba ho hoatr’izay.”

14. Nahoana ny ray aman-dreny no tokony hahafantatra hoe iza no naman’ny zanany?

14 Ampio hahay hifidy namana ny zanakao. Na ny ray na ny reny dia samy tokony hahafantatra hoe iza no naman’ny zanany, ary inona no ataon-dry zareo rehefa miaraka. Fantaro, ohatra, hoe iza no mifandray aminy amin’ny telefaonina na ao amin’ny tambazotran-tserasera. Mety hisy vokany eo amin’ny fomba fisainan’ny ankizy sy izay ataony mantsy ireny namany ireny.—1 Kor. 15:33.

15. Inona no azon’ny ray aman-dreny ianarana avy amin’i Jessie?

15 Ahoana raha tsy mahay mampiasa ordinatera na telefaonina sy tablette ny ray aman-dreny? Hoy i Jessie, raim-pianakaviana any Philippines: “Zara raha nahay nikitika an’ireny fitaovana elektronika ireny izahay mivady. Na izany aza, dia natoronay ny zanakay foana hoe inona avy ny olana mety hitranga rehefa mampiasa an’ireny.” Tsy noraran’i Jessie tsy hampiasa fitaovana elektronika ny zanany, satria fotsiny hoe tsy mahay mampiasa an’ireny izy. Hoy izy: “Nampirisihiko hampiasa an’ireny fitaovana ireny ny zanako, mba hianarana fiteny vaovao sy hanomanana fivoriana ary hamakiana Baiboly isan’andro.” Misy torohevitra voalanjalanja tsara momba ny fandefasana SMS ao amin’ny jw.org®, ao amin’ilay fizarana hoe “Tanora.” Resahina ao koa ny momba ny fandefasana sary ao amin’ny Internet. Efa novakinao sy nodinihinao niaraka tamin’ny zanakao ve izy ireny? Efa niarahanareo nidinika koa ve ilay video hoe Andevozin’ny Fitaovana Elektronika ve Ianao? sy ilay hoe Mbà Fetsifetsy Amin’ny Internet!? * Tena tsara ny fanazavana ao amin’ireo, ka azonao anampiana ny zanakao mba ho hendry rehefa mampiasa an’ireny fitaovana ireny.—Ohab. 13:20.

16. Inona no ataon’ny ray aman-dreny maro, ary inona no vokany?

16 Betsaka ny ray aman-dreny manao ezaka be mba hahafahan’ny zanany hinamana amin’ny olona manompo tsara an’i Jehovah. Izany no nataon’i N’Déni sy Bomine, mpivady any Côte d’Ivoire. Matetika ry zareo no nampiantrano mpiandraikitra ny faritra. Hoy i N’Déni: “Nisy vokany tsara be teo amin’ny zanakay lahy izany. Lasa nanao mpisava lalana izy, dia mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana izy izao.” Afaka mitady hevitra ve ianao mba hahatonga ny zanakao hiaraka amin’ny namana tsara hoatr’izany?

17-18. Rahoviana ny ray aman-dreny no tokony hanomboka hampiofana ny zanany?

17 Atombohy aloha be araka izay azo atao ny fampiofanana azy. Tsara kokoa ny vokany rehefa atao aloha be izany. (Ohab. 22:6) Hoatr’izany no nitranga tamin’i Timoty. “Mbola zazakely” izy dia efa nampiofanin’i Eonika reniny sy Loisa renibeny. (2 Tim. 1:5; 3:15) Lasa niaraka tamin’ny apostoly Paoly izy rehefa lehibe.

18 Manan-janaka enina i Jean-Claude sy Peace, mpivady any Côte d’Ivoire. Voataizan’izy ireo tsara daholo izy enina, ka lasa tia an’i Jehovah sy nanompo azy. Ahoana no nahavitan’izy ireo an’izany? Nanahaka an’i Eonika sy Loisa ry zareo. Hoy izy mivady: “Mbola kely ny zanakay dia efa niezaka izahay nandentika tsikelikely tao an-tsain’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra. Vao teraka kelikely mihitsy ry zareo tamin’izany.”—Deot. 6:6, 7.

19. Ahoana no hahafahan’ny ray aman-dreny handentika tsikelikely ny Tenin’i Jehovah ao an-tsain’ny zanany?

19 Inona no dikan’ilay hoe ‘mandentika tsikelikely’ ny Tenin’i Jehovah ao an-tsain’ny zanakao? Midika hoe “mampianatra sy mamerimberina foana” ny hoe ‘mandentika tsikelikely ao an-tsaina.’ Mila miaraka matetika amin’ny zanany ny ray aman-dreny mba hahavitany an’izany. Mety hahasorena indraindray ny mamerimberina amin’ny ankizy hoe inona no tokony hataony. Tokony hotadidin’ny ray aman-dreny anefa hoe manampy ny zanany hahazo sy hampihatra an’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra izy raha manao an’izany.

Mila dinihin’ny ray aman-dreny hoe ahoana no hampiofanana ny zanany tsirairay (Fehintsoratra 20) *

20. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampiharana ny Salamo 127:4?

20 Miezaha hahafantatra azy tsara. Ampitahaina amin’ny zana-tsipìka ny zanaka ao amin’ny Salamo faha-⁠127. (Vakio ny Salamo 127:4.) Samy hafa ny zana-tsipìka satria tsy mitovy ny habeny sy ny akora nanamboarana azy. Samy manana ny maha izy azy koa ny ankizy. Mila fantarin’ny ray aman-dreny àry hoe ahoana no hampiofanany ny zanany tsirairay. Nahavita nitaiza tsara ny zanany mianadahy ny mpivady iray any Israely, ka lasa mpanompon’i Jehovah izy ireo izao. Inona no nanampy azy mivady? Izao no noteneniny: “Tsy nampiarahinay izy mianadahy rehefa nampianarinay Baiboly.” Mazava ho azy fa anjaran’ny loham-pianakaviana ny mandinika hoe mila ampianarina tsirairay ve ny ankizy ary ho araka ve izany.

HANAMPY ANAREO I JEHOVAH

21. Ahoana no anampian’i Jehovah ny ray aman-dreny?

21 Mety hahatsapa ny ray aman-dreny indraindray hoe sarotra loatra ny mitaiza. Fanomezana avy amin’i Jehovah anefa ny zanaka, ary vonona hanampy ny ray aman-dreny foana izy. Vonona hihaino ny vavaka ataon’izy ireo izy sady mamaly an’ireny vavaka ireny. Mampiasa ny Baiboly, ohatra, izy, na ny boky sy gazety. Misy ray aman-dreny matotra azo atao modely koa ao amin’ny fiangonana, ary afaka manome torohevitra tsara izy ireny.

22. Inona avy ny zavatra tsara indrindra azon’ny ray aman-dreny omena ny zanany?

22 Marina fa ray aman-dreny foana ny ray aman-dreny. Tsy manana afa-tsy 20 taona eo ho eo anefa ry zareo matetika mba hitaizana ny zanany. Tokony hohararaotin’izy ireo àry izany mba hanomezana ny tsara indrindra ho an’ny zanany, anisan’izany ny fitiavana sy fotoana ary fampiofanana ara-baiboly. Tsy voatery hitovy ny fomba handraisan’ny ankizy ny fampiofanana azony. Maro amin’ireo notezain’ny ray aman-dreny tia an’i Jehovah anefa no mankasitraka an’izany. Izao, ohatra, no nolazain’i Joanna Mae, anabavy any Azia: “Faly be aho rehefa mieritreritra ny fomba nitaizan’ny ray aman-dreniko an’ahy. Isaorako be dia be ry zareo hoe nananatra ahy sy nampianatra ahy ho tia an’i Jehovah. Tsy hoe niteraka an’ahy fotsiny izy mivady, fa nataony koa izay hahatonga ny fiainako hisy dikany.” (Ohab. 23:24, 25) Mitovy amin’izany koa ny fihetseham-pon’ny rahalahy sy anabavy an-tapitrisany.

HIRA 59 Derao i Jah!

^ feh. 5 Tokony hiteraka ve ny mpivady? Raha hiteraka ry zareo, dia firy? Ahoana no hampianarana ny ankizy ho tia an’i Jehovah sy hanompo azy? Handinika toro lalan’ny Baiboly hanampy antsika hahita ny valin’ireo isika ato, ary hiresaka an’izay nataon’ny ray aman-dreny sasany.

^ feh. 15 Jereo koa ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany, toko 36, sy ny Boky Faha-2, toko 11.

^ feh. 60 SARY: Mpivady mifampiresaka hoe hiteraka ve ry zareo sa tsia. Resahin-dry zareo hoe inona no mahafinaritra amin’ny mitaiza, ary inona no andraikitra tafiditra amin’izany.

^ feh. 64 SARY: Ray aman-dreny mampianatra Baiboly ny zanany. Tsy miaraka ampianarina ry zareo satria tsy mitovy ny taonany sy ny fahaizany.