Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Milaza ny Baiboly hoe mila vavolombelona roa, fara fahakeliny, vao azo ampangaina ny olona iray. (Nom. 35:30; Deot. 17:6; 19:15; Mat. 18:16; 1 Tim. 5:19) Indraindray anefa tsy nisy vavolombelona roa. Ohatra hoe “tany an-tsaha” ny ankizivavy iray efa fofombadin’olona, dia tany izy no nisy nanolana. Niantsoantso mafy izy tamin’izay. Resahin’ny Lalàna hoe meloka ho nanitsakitsa-bady ilay lehilahy nanolana azy, fa izy kosa tsy meloka. Nahoana ilay ankizivavy no afa-tsiny nefa tsy nisy vavolombelona?

Efa mazava aloha hoe meloka ilay lehilahy. Tsy ny hanaporofo an’izany àry no tena ifantohan’ilay tantara ao amin’ny Deoteronomia 22:25-27, fa ny hampiseho hoe tsy manan-tsiny ilay vehivavy. Andao hojerentsika ny teny manodidina mba hahazoana an’izany.

Resahin’ny Deoteronomia 22:23, 24 hoe nisy lehilahy iray nanao firaisana tamin’ny vehivavy efa fofombadin’olona, ary “tao an-tanàna” izany no nitranga. Meloka ho nanitsakitsa-bady izy, satria toy ny hoe efa manambady ny olona manana fofombady tamin’izany. Meloka koa ilay vehivavy satria “tsy niantsoantso mafy.” Raha nanao an’izany mantsy izy, dia ho naheno azy ny olona ary ho niaro azy. Niray tsikombakomba àry izy roa ka samy meloka.

Hafa indray anefa ny fomba nitsarana an’ilay zava-nitranga ao amin’ny Deoteronomia 22:25-27. Izao no voalaza ao: “Raha tany an-tsaha kosa no nahitan’ilay lehilahy an-drazazavavy izay efa fofombadin’olona, ary nisambotra azy izy ka nanao firaisana taminy, dia ilay lehilahy nanao firaisana taminy ihany no hovonoina ho faty. Aza manao na inona na inona amin-drazazavavy, fa tsy nanao fahotana tokony hahafaty azy izy, satria mitovy ihany io raharaha io sy ny hoe misy olona mitsangana sy mamely ny namany ary mamono azy ka mahafaty azy. Tany an-tsaha mantsy no nahitan’ilay lehilahy an’ilay zazavavy efa fofombadin’olona, ary niantsoantso mafy izy, fa tsy nisy olona hamonjy azy tany.”

Tsy meloka ho nanitsakitsa-bady ilay vehivavy teo. Natoky mantsy ireo mpitsara hoe efa “niantsoantso mafy” izy, “fa tsy nisy olona hamonjy azy tany.” Ilay lehilahy kosa meloka ho nanolana fofombadin’olona sy nanitsakitsa-bady, satria “nisambotra [an’ilay vehivavy] izy ka nanao firaisana taminy.”

Hitantsika amin’izany fa tsy manan-tsiny ilay vehivavy, ary izay no tena ifantohan’ilay tantara. Milaza koa anefa ilay izy hoe meloka ho nanolana azy sy nanitsakitsa-bady ilay lehilahy. Afaka matoky isika hoe ‘nanadihady tsara’ ny mpitsara, ka namoaka didy mifanaraka amin’ny fitsipika mazava efa naverimberin’Andriamanitra tamin’izy ireo.—Deot. 13:14; 17:4; Eks. 20:14.