Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Betsaka amin’izao ny olona mino hoe tsy mety maty ny fanahy. Izany ve no tian’i Satana horesahina tamin’i Eva, rehefa nilaza izy fa tsy ho faty i Eva raha mihinana amin’ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy?

Hoatran’ny tsy izany. Tsy niteny tamin’i Eva ny Devoly hoe raha mihinana amin’ilay voankazo tsy navelan’Andriamanitra hohaniny izy, dia ny vatany ihany no ho faty fa mbola hisy ampahany aminy ho velona any ho any. Nampiasa bibilava izy rehefa niresaka tamin’i Eva, dia nilaza hoe “tsy ho faty velively” izy raha mihinana amin’ilay voankazo. Te hilaza i Satana hoe ho velona foana i Eva, ary ho tsara kokoa aza ny fiainany sady tsy hila an’Andriamanitra izy.—Gen. 2:17; 3:3-5.

Raha tsy tamin’io fotoana io àry no nanomboka nisy ilay fampianaran-diso momba ny fanahy tsy mety maty, dia oviana? Tsy tena haintsika izany. Fantatsika kosa hoe ringana ny fivavahan-diso rehetra tamin’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Foana tamin’izay koa ny fampianaran-diso rehetra nisy tamin’izany. Ry Noa mianakavy ihany mantsy no tafavoaka velona, ary mpanompon’i Jehovah daholo ry zareo.

Tsy maintsy ho taorian’ny Safodrano àry vao nisy ilay fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty. Fa ahoana no nahatonga an’ilay izy hiely be? Rehefa nataon’i Jehovah nisafotofoto ny fitenin’ny olona tao Babela, dia “niely nanerana ny tany” ry zareo, ary azo inoana hoe nentiny nanaraka azy ilay finoana hoe tsy mety maty ny fanahy. (Gen. 11:8, 9) Na oviana na oviana anefa io hevi-diso io no nanomboka nisy, dia azo antoka fa avy amin’i Satana Devoly ilay izy. “Rain’ny lainga” izy, ary faly izy hoe niparitaka maneran-tany izany.—Jaona 8:44.