Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 51

Fantatrao Tsara ve i Jehovah?

Fantatrao Tsara ve i Jehovah?

“Hatoky anao izay mahalala ny anaranao, satria ianao tsy hahafoy an’izay mitady anao, Jehovah ô!”—SAL. 9:10.

HIRA 56 Raiso Am-po ny Fahamarinana

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no tsy maintsy ataontsika tsirairay, raha jerena ny tantaran’i Angelito?

VAVOLOMBELON’I JEHOVAH ve ny ray aman-dreninao? Raha izany, dia tadidio fa tsy manaranaka ny fifandraisana amin’i Jehovah. Tsy hoe ho lasa naman’i Jehovah ho azy ianao satria ry zareo namany. Na manompo an’i Jehovah ny ray aman-dreninao na tsia, dia ianao mihitsy no tokony hiezaka hinamana aminy.

2 Eritrereto ny rahalahy atao hoe Angelito. Vavolombelon’i Jehovah ny fianakaviany, nefa tsy tena nahatsapa ho akaiky an’Andriamanitra izy tamin’izy tanora. Izao no nolazainy: “Nanompo an’i Jehovah aho satria izay no nataon’ny fianakaviako.” Nanapa-kevitra anefa izy hoe hanokana fotoana hamakiana ny Tenin’Andriamanitra sy hisaintsainana an’izany. Ankoatra izany, dia nanomboka nivavaka matetika kokoa tamin’i Jehovah izy. Inona no vokany? Hoy izy: “Hitako hoe izaho mihitsy no nila niezaka hahafantatra an’ilay Raiko any an-danitra, raha tsy izany aho tsy ho akaiky azy.” Hitantsika amin’io tantara io fa tsy mitovy ny hoe mahafantatra an’i Jehovah sy ny hoe mahafantatra azy tsara. Fa inona no maha samy hafa an’izany? Ary inona no tokony hatao mba hahafantarana tsara an’i Jehovah?

3. Inona no maha samy hafa ny hoe mahafantatra an’i Jehovah sy ny hoe mahafantatra azy tsara?

3 Azo lazaina hoe mahafantatra an’i Jehovah ny olona iray raha mahalala ny anarany na ny zavatra sasany nolazainy na nataony. Tsy midika anefa izany hoe mahafantatra tsara an’i Jehovah izy. Raha te hahafantatra azy tsara isika, dia mila manokana fotoana hianarana momba azy sy ny toetrany. Amin’izay ihany vao ho azontsika hoe inona no mahatonga azy hilaza na hanao zavatra iray. Hanampy antsika izany mba hahay hamantatra raha tiany ny zavatra eritreretintsika sy ny ataontsika ary ny fanapahan-kevitra raisintsika. Rehefa haintsika hoe inona no tiany hataontsika, dia tokony hanao an’izany isika.

4. Nahoana no ilaina ny mandinika ny tantaran’ny olona resahin’ny Baiboly?

4 Mety hesoin’ny olona isika satria te hanompo an’i Jehovah. Mety hanohitra antsika mihitsy aza ry zareo rehefa manomboka mivory isika. Tsy hanary an’izay matoky azy mihitsy anefa i Jehovah. Raha matoky azy isika dia ho lasa namany, ary ho namany mandrakizay mihitsy. Fa tena afaka ny hahafantatra tsara an’i Jehovah hoatr’izany ve isika? Izany mihitsy! Manaporofo an’izany ny tantaran’ireo lehilahy tsy lavorary ao amin’ny Baiboly, ohatra hoe i Mosesy sy Davida Mpanjaka. Ahoana no nataon’izy ireo mba hahafantarana tsara an’i Jehovah? Ary inona no azo ianarana avy amin’izany?

‘NAHITA AN’ILAY TSY HITA’ I MOSESY

5. Inona no safidy nataon’i Mosesy?

5 Nifidy ny hanompo an’i Jehovah i Mosesy. Nifidy ny hiaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra izy, tamin’izy 40 taona teo ho eo. Naleony niaraka tamin’ny Israelita toy izay hantsoina hoe “zanaky ny zanakavavin’i Farao.” (Heb. 11:24) Toerana ambony be izany nefa nafoiny. Niandany tamin’ny Israelita izy, na dia fantany aza hoe ho tezitra be aminy i Farao. Mpanjaka nahery be i Farao sady noheverin’ny Ejipsianina ho andriamanitra. Tena nanam-pinoana àry i Mosesy! Natoky an’i Jehovah izy, ary izany no nahatonga azy hinamana be tamin’i Jehovah nandritra ny androm-piainany.—Ohab. 3:5.

6. Inona no ianarantsika avy amin’i Mosesy?

6 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mila manao safidy daholo isika, hoatran’i Mosesy. Mila mifidy isika hoe hanompo an’i Jehovah sy hiaraka amin’ny vahoakany ve sa tsia. Mety hisy zavatra tsy maintsy hafointsika mba hanompoana an’i Jehovah. Mety hanohitra antsika koa ny olona tsy mahafantatra azy. Raha miantehitra amin’ilay Raintsika any an-danitra anefa isika, dia afaka matoky hoe tena hanampy antsika izy.

7-8. Inona no nianaran’i Mosesy momba an’i Jehovah?

7 Nianatra momba ny toetran’i Jehovah foana i Mosesy sady nanohy nanao ny sitrapony. Tsy natoky tena, ohatra, izy sady nieritreritra hoe tsy nahay, rehefa nasain’Andriamanitra nitarika ny Israelita hiala tao Ejipta. Tena nangoraka azy i Jehovah tamin’izay ka nanampy azy. (Eks. 4:10-16) Inona no vokany? Na dia henjana be aza ny didim-pitsarana nasain’i Jehovah nampitainy tamin’i Farao, dia nahavita an’izany izy. Hitan’i Mosesy koa hoe mahery i Jehovah. Namonjy ny Israelita mantsy izy, fa nandringana an’i Farao sy ny tafiny tao amin’ny Ranomasina Mena.—Eks. 14:26-31; Sal. 136:15.

8 Nimenomenona lava ny Israelita, rehefa avy nafahana tsy ho andevo tany Ejipta. Tena nanam-paharetana tamin’izy ireo anefa i Jehovah, ary nahita an’izany i Mosesy. (Sal. 78:40-43) Hitany koa hoe tena nanetry tena i Jehovah. Rehefa nangataka taminy mba hiova hevitra mantsy i Mosesy, dia nanaiky izy.—Eks. 32:9-14.

9. Nanao ahoana ny fifandraisan’i Mosesy tamin’i Jehovah, araka ny Hebreo 11:27?

9 Lasa nifandray akaiky be tamin’i Jehovah i Mosesy, rehefa avy niala tany Ejipta izy sy ny Israelita. Hoatran’ny hoe nahita an’ilay Rainy any an-danitra mihitsy izy. (Vakio ny Hebreo 11:27.) Izao no fomba ilazan’ny Baiboly ny fifandraisan’izy ireo: “Niresaka nifanatrika tamin’i Mosesy i Jehovah, toy ny olona miresaka amin’ny namany.”—Eks. 33:11.

10. Inona no tokony hataontsika raha te hahafantatra tsara an’i Jehovah isika?

10 Ianarantsika avy amin’i Mosesy hoe raha te hahafantatra tsara an’i Jehovah isika, dia tsy ampy ny mianatra momba ny toetrany fa ilaina koa ny manao ny sitrapony. Inona no sitrapon’i Jehovah amin’izao? “Ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:3, 4) Manao ny sitrapon’i Jehovah, ohatra, isika rehefa mampianatra ny olona momba azy.

11. Nahoana isika no lasa mahafantatra kokoa an’i Jehovah rehefa mitory sy mampianatra?

11 Matetika no lasa mahafantatra kokoa an’i Jehovah isika rehefa mitory sy mampianatra ny olona momba azy. Miaiky, ohatra, isika hoe tena mangoraka izy, satria ampiany isika mba hahita an’izay manana “toe-po tsara.” (Jaona 6:44; Asa. 13:48) Hitantsika koa hoe tena mahery ny Teniny, satria manampy ny olona ampianarintsika izy io mba hiala amin’ny fahazaran-dratsy sy hanana ny toetra vaovao. (Kol. 3:9, 10) Tsy izay ihany fa lasa fantatsika hoe manam-paharetana i Jehovah. Asainy miverina imbetsaka any amin’ny olona ao amin’ny faritanintsika mantsy isika, mba hahafahan’izy ireo hahafantatra azy sy ho voavonjy.—Rom. 10:13-15.

12. Araka ny Eksodosy 33:13, inona no nangatahan’i Mosesy? Nahoana?

12 Sarobidy tamin’i Mosesy ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Nampanaovin’i Jehovah fahagagana be dia be izy, ka lasa nahafantatra azy tsara. Na izany aza, dia mbola nangataka ny hahafantatra an’i Jehovah bebe kokoa izy. (Vakio ny Eksodosy 33:13.) Efa 80 taona mahery izy tamin’izany. Fantany anefa hoe mbola betsaka ny tokony hianarany momba an’ilay Rainy be fitiavana any an-danitra.

13. Ahoana no ampisehoantsika hoe sarobidy amintsika ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra?

13 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Na efa ela aza isika no nanompo an’i Jehovah, dia tokony ho sarobidy amintsika foana ny fifandraisantsika aminy. Ahoana no ampisehoantsika an’izany? Mila mivavaka aminy isika.

14. Nahoana no tena ilaina ny mivavaka raha te hahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah?

14 Raha te hinamana be amin’ny olona iray ianao, dia mila miresaka aminy matetika. Te hinamana be amin’i Jehovah ve ianao? Mivavaha matetika àry, dia aza matahotra mihitsy miresaka aminy an’izay any an-tsainao sy any am-ponao. (Efes. 6:18) Izao no nolazain’i Krista, anabavy mipetraka any Torkia: “Isaky ny miresaka amin’i Jehovah an’izay any an-tsaiko aho ka mahita azy manampy ahy, dia vao mainka aho lasa tia azy sy matoky azy. Rehefa hitako hoe valiany ny vavaka ataoko, dia lasa tsapako hoe tena Raiko sy Namako izy.”

LEHILAHY SITRAKY NY FON’I JEHOVAH

15. Ahoana no niantsoan’i Jehovah an’i Davida Mpanjaka?

15 Vao teraka i Davida Mpanjaka dia efa mpanompon’i Jehovah ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa nanodidina azy. Tsy nanara-drenirano fotsiny anefa izy. Izy mihitsy no niezaka nifandray tamin’i Jehovah, dia lasa tena tia azy i Jehovah. Nilaza mihitsy i Jehovah hoe ‘lehilahy sitraky ny fony izy.’ (Asa. 13:22) Fa ahoana no nahatonga an’i Davida hifandray tsara tamin’i Jehovah hoatr’izany?

16. Inona no nianaran’i Davida momba an’i Jehovah rehefa nandinika ny zavaboary izy?

16 Nandinika ny zavaboary i Davida, dia nanampy azy hahafantatra an’i Jehovah izany. Niandry ny ondrin’ny dadany i Davida tamin’izy tanora. Nijanona elaela tany an-tsaha izy tamin’ireny fotoana ireny. Tamin’ireny angamba izy no nanomboka nisaintsaina momba ny zavatra noforonin’i Jehovah. Tsy kintana be dia be fotsiny, ohatra, no hitany rehefa nijery ny lanitra izy tamin’ny alina. Azo antoka hoe hitany tamin’ireny koa ny toetran’i Jehovah. Nanohina ny fony izany ka nanoratra izy hoe: “Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra, ary ny habakabaka milaza ny asan’ny tanany.” (Sal. 19:1, 2) Nisaintsaina ny fomba namoronan’i Jehovah ny olombelona koa izy, dia niaiky hoe tena mahay i Jehovah. (Sal. 139:14) Rehefa nandinika ny zavaboary i Davida, dia tonga saina hoe tena kely izy raha oharina amin’i Jehovah.—Sal. 139:6.

17. Inona no hianarantsika raha mandinika ny zavaboary isika?

17 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony ho liana amin’ny zavaboary isika. Tsy mety raha hoe miaina eto amin’ity tontolo tena kanto nataon’i Jehovah ity isika, nefa tsy mba maka fotoana hankafizana ny zavaboary akory. Tokony hahatalanjona antsika mihitsy izy ireny! Diniho ny zavatra manodidina anao isan’andro, dia saintsaino hoe inona no ianaranao momba an’i Jehovah avy amin’izy ireny. Mety ho zavamaniry izany, na biby, na olona. Hiana-javatra be dia be momba an’ilay Rainao be fitiavana ianao amin’izay, ka hitombo isan’andro ny fitiavanao azy.—Rom. 1:20.

18. Inona no tsapan’i Davida, rehefa jerena ny Salamo faha-⁠18?

18 Niaiky i Davida hoe nanampy azy i Jehovah. Nahavita namono liona sy orsa, ohatra, izy mba hiarovana ny ondrin’ny dadany. Niaiky izy hoe noho i Jehovah no nahavitany nandresy an’ireo biby matanjaka be ireo. Tsy nisalasala mihitsy koa izy hoe i Jehovah no nanampy azy handresy an’ilay miaramila goavana atao hoe Goliata. (1 Sam. 17:37) Nanenjika azy i Saoly Mpanjaka tatỳ aoriana satria nialona azy. Nahavita nandositra anefa izy, ary niaiky hoe i Jehovah no namonjy azy. (Sal. 18, teny mampiditra azy) Raha olona nanambony tena no nahavita an’ireo, dia mety ho nirehareha. I Davida anefa nanetry tena ka niaiky hoe nanohana azy foana i Jehovah.—Sal. 138:6.

19. Inona no ianarantsika avy amin’izay niainan’i Davida?

19 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy ampy ny mangataka fanampiana amin’i Jehovah, fa tsy maintsy miezaka koa isika mba hamantatra hoe ahoana no namaliany an’ilay vavaka nataontsika. Raha manetry tena isika ka manaiky fa voafetra ny azontsika natao, dia hiaiky isika hoe i Jehovah no nanao ny ambiny. Vao mainka hifandray akaiky aminy isika, isaky ny mahita hoe ampiany. Nahatsapa an’izany i Isaac, rahalahy any Fidji. Efa aman-taonany izy no nanompo an’i Jehovah. Hoy izy: “Rehefa mandinika ny fiainako aho dia hitako hoe teo foana i Jehovah, nanomboka tamin’izaho nianatra Baiboly ka hatramin’izao. Lasa resy lahatra tanteraka aho hoe tena misy izy.”

20. Inona koa no azontsika ianarana avy amin’i Davida?

20 Nanahaka ny toetran’i Jehovah i Davida. Nataon’i Jehovah afaka manahaka ny toetrany isika. (Gen. 1:26) Vao mainka isika hahavita an’izany rehefa mianatra bebe kokoa momba azy. Lasa nahafantatra tsara momba an’ilay Rainy any an-danitra i Davida, ka afaka nanahaka azy rehefa nifandray tamin’ny olon-kafa. Fantany, ohatra, hoe mpamindra fo i Jehovah, dia niezaka nanao an’izany koa izy. Izany no nahatonga an’i Jehovah hamindra fo taminy, rehefa nijangajanga tamin’i Batseba izy sady namono ny vadin’i Batseba. (2 Sam. 11:1-4, 15) Tsara be ny fifandraisan’i Davida tamin’i Jehovah, ka lasa anisan’ny mpanjaka mamy hoditra indrindra teo amin’ny Israely izy. Izy mihitsy aza no lasa namaritan’i Jehovah hoe tsara na ratsy ny mpanjaka hafa teo amin’ny Israely.—1 Mpanj. 15:11; 2 Mpanj. 14:1-3.

21. Araka ny Efesianina 4:24 sy 5:1, inona no vokany rehefa ‘manahaka an’Andriamanitra’ isika?

21 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony “hanahaka an’Andriamanitra” isika. Hahasoa antsika izany sady hanampy antsika hahafantatra azy kokoa. Hita koa hoe tena zanany isika rehefa miezaka hitovy toetra aminy.—Vakio ny Efesianina 4:24; 5:1.

MIEZAHA HAHAFANTATRA KOKOA AN’I JEHOVAH

22-23. Inona no ho vokany raha mampihatra an’izay ianarantsika momba an’i Jehovah isika?

22 Hitantsika teo fa lasa mahafantatra kokoa an’i Jehovah isika rehefa mandinika ny zavaboary sy ny Teniny. Miresaka momba ny mpanompon’i Jehovah be dia be tsy nivadika io boky miavaka io, ohatra hoe i Mosesy sy Davida. Afaka manahaka azy ireny isika. Nanao ny anjarany i Jehovah mba hahafantarantsika azy, ka tokony hanao ny anjarantsika koa isika. Mila manao izay farany vitantsika àry isika mba hahafantarana azy.

23 Mbola hianatra momba an’i Jehovah foana isika. (Mpito. 3:11) Tsy ny habetsahan’ny zavatra fantatsika momba azy anefa no zava-dehibe, fa hoe ataontsika ahoana izay efa fantatsika. Raha mampihatra an’izay nianarantsika isika sady miezaka manahaka an’ilay Raintsika be fitiavana, dia hifandray akaiky amintsika foana izy. (Jak. 4:8) Manome toky antsika izy ao amin’ny Teniny hoe tsy handao an’izay miezaka hahafantatra azy mihitsy.

HIRA 80 “Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah”

^ feh. 5 Maro ny olona mino fa misy Andriamanitra nefa tsy tena mahafantatra azy. Fa inona no dikan’ny hoe mahafantatra an’i Jehovah? Inona no nataon’i Mosesy sy Davida mba hifandraisana akaiky aminy, ary ahoana no hanahafantsika azy ireo? Hamaly an’izany isika ato.