Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Misaora Amin’ny Zava-drehetra”

“Misaora Amin’ny Zava-drehetra”

AHOANA no fahitanao anao? Mahay mankasitraka ve? Mila misaintsaina an’izany isika tsirairay. Milaza ny Baiboly fa betsaka ny olona tsy hahay hisaotra amin’ny androntsika. (2 Tim. 3:2) Misy mieritreritra hoe tokony hanao zavatra ho azy na hanome zavatra ho azy ny hafa, ary mendrika an’izany izy ka tsy mila misaotra. Efa nahita olona hoatr’izany angamba ianao. Tsy hitanao hoe mahasosotra ve ny miaraka amin’ny olona tsy mahay mankasitraka?

Isika mpanompon’i Jehovah kosa ampirisihina hoe: “Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.” (Kol. 3:15) Hoy koa ny Baiboly: “Misaora amin’ny zava-drehetra.” (1 Tes. 5:18) Mandray soa isika rehefa manao an’izany. Nahoana?

SAMBATRA IZAY MAHAY MANKASITRAKA

Tena ilaina ny mahay mankasitraka. Tsy hoe mampifaly ny hafa fotsiny izany, fa mahatonga antsika hahatsiaro ho sambatra koa. Eritrereto hoe misy olona nanao zavatra ho anao. Matoa izy naka fotoana hanaovana an’ilay izy, dia midika izany fa hitany hoe mendrika an’izany ianao. Tena miahy anao àry izy. Tsy faly ve ianao rehefa fantatrao hoe sarobidy aminy ianao? Hoatr’izany angamba no tsapan’i Rota rehefa nalala-tanana taminy i Boaza. Faly be izy rehefa fantany fa nisy olona niahy azy.—Rota 2:10-13.

Andriamanitra no tena tokony hankasitrahantsika. Azo antoka fa nisy fotoana ianao efa nieritreritra an’ireo fanomezana be dia be nataony ho anao hatramin’izay ka hatramin’izao. (Deot. 8:17, 18; Asa. 14:17) Aza avela handalo ao an-tsainao fotsiny anefa ireny soa nataony ireny. Maninona raha maka fotoana mba hisaintsainana tsara an’ireo fitahiana be dia be nomeny anao sy ny fianakavianao? Raha manao an’izany ianao, dia ho hitanao fa tena malala-tanana Andriamanitra. Vao mainka hankasitraka azy ianao amin’izay, sady hatoky hoe sarobidy aminy ianao ary tena tiany.—1 Jaona 4:9.

Tsy ampy anefa ny mieritreritra an’ireo fitahiana avy amin’i Jehovah. Isaory mihitsy izy noho ny zavatra tsara omeny. (Sal. 100:4, 5) Milaza ny mpikaroka sasany fa “lasa sambatra kokoa ny olona rehefa mampiseho hoe mahay mankasitraka.”

LASA MIFANKATIA KOKOA NY OLONA REHEFA MAHAY MANKASITRAKA

Mandray soa koa ianao rehefa mahay mankasitraka, satria mahatonga anao sy ny namanao hifankatia kokoa izany. Samy mila mahatsapa hoe ankasitrahana daholo isika. Rehefa nisy olona tsara fanahy taminao ka misaotra azy amin’ny fo ianao, dia lasa mpinamana kokoa ianareo. (Rom. 16:3, 4) Tsy vitan’izany fa matetika no lasa vonona hanampy ny hafa ny olona mahay mankasitraka. Hitany mantsy hoe tsara fanahy taminy ny olona, dia mba te ho tsara fanahy koa izy. Mahasambatra àry ny manampy olona. Marina mihitsy ilay tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asa. 20:35.

Hoy i Robert Emmons, manam-pahaizana any amin’ny oniversite iray any Kalifornia: “Tsy hahay hankasitraka isika raha tsy mahatsapa hoe mila ny hafa. Isika indraindray no manome, fa indraindray koa isika no omena.” Tsy ho velona sy ho sambatra isika, raha ny marina, raha tsy eo ny olon-kafa. Be dia be ny fomba anampian’izy ireo antsika. Matoa, ohatra, isika mahazo sakafo na fitsaboana, dia azo inoana hoe nisy nikarakara an’izany. (1 Kor. 12:21) Faly noho ny soa nataon’ny hafa ho azy àry ny olona mahay mankasitraka. Eritrereto anefa hoe: Zatra mampiseho ny fankasitrahanao ve ianao?

LASA MANANA TOE-TSAINA TSARA IANAO

Rehefa mahay mankasitraka koa ianao, dia ny tsara no mibahana ao an-tsainao fa tsy ny ratsy. Azo oharina amin’ny sivana ny saina. Manampy anao mantsy izy io mba hifantoka amin’ny zava-mitranga sasany, ary tsy hiraharaha ny zavatra hafa. Rehefa mahay mankasitraka àry ianao, dia lasa zavatra mampahery no tena eritreretinao, fa tsy raharahainao loatra izay olana mitranga. Raha manao an’izany ianao, dia hahita zavatra tsara betsaka kokoa, ka vao mainka hahay hankasitraka. Ho vitanao amin’izay ny hanaraka an’ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Mifalia hatrany ao amin’ny Tompo.”—Fil. 4:4.

Matetika ny olona mahay mankasitraka no mahavita tsy mieritreritra zavatra ratsy. Mety hitranga ve, ohatra, ny hoe sady mankasitraka olona iray ianao no tezitra aminy na mialona azy na malahelo amin’ny ataony? Mazava ho azy fa tsia! Tsy mora tia vola na harena koa ny olona mahay mankasitraka. Afa-po amin’izay ananany izy, fa tsy mieritreritra ny hampitombo ny harenany foana.—Fil. 4:12.

TADIDIO NY FITAHIANA EFA AZONAO!

Azo inoana fa fantatrao hoe tian’i Satana halahelo sy ho kivy be ianao, noho ny zava-tsarotra mahazo anao amin’izao andro farany izao. Tena tiany raha mifantoka amin’ny zavatra ratsy foana ianao ka lasa be taraina. Raha lasa hoatr’izany anefa ianao, dia mety tsy hahita vokatra rehefa mitory ny vaovao tsara. Manana ny vokatry ny fanahy ny olona mahay mankasitraka, anisan’izany ny fifaliana sy ny finoana. Faly noho ny zavatra tsara omen’Andriamanitra mantsy izy, ary mino fa hotanterahin’Andriamanitra izay rehetra nampanantenainy.—Gal. 5:22, 23.

Vavolombelon’i Jehovah ve ianao? Azo antoka fa hitanao hoe marina ny zavatra noresahina tato, nefa tsapanao koa fa tsy mandeha ho azy ny hoe mahay mankasitraka sy mifantoka amin’ny zavatra tsara. Aza kivy raha sarotra aminao izany. Afaka miezaka ny hahay hankasitraka ianao, ary afaka ny hahavita an’izany foana. Inona no hanampy anao? Makà fotoana isan’andro mba hisaintsainana an’izay zavatra tsara nitranga taminao nandritra ny andro. Rehefa zatra an’izany ianao, dia ho mora kokoa aminao ny hahay hankasitraka. Ho sambatra kokoa ianao amin’izay, fa tsy ho hoatran’ny olona mifantoka amin’ny zava-manahirana. Saintsaino izay zavatra mahafinaritra sy mampahery nataon’Andriamanitra sy nataon’ny olona ho anao. Maninona raha manoratra diary? Soraty ao izay zavatra tsara roa na telo nitranga taminao nandritra ny andro.

Hitan’ny mpikaroka hoe afaka miova ny fomba fiasan’ny atidohantsika, rehefa zatra misaotra isika. Lasa mora mifantoka amin’ny zavatra tsara izy io. Izany no mahatonga ny olona mahay mankasitraka ho sambatra kokoa. Tadidio àry ny fitahiana efa azonao, dia ankafizo izay zavatra mahafinaritra mitranga eo amin’ny fiainanao, ary miezaha hahay hankasitraka foana. Aza faly mahazo fotsiny fa “misaora an’i Jehovah fa tsara izy.” “Misaora amin’ny zava-drehetra”!—1 Tan. 16:34; 1 Tes. 5:18.