LAHATSORATRA FIANARANA 50
Nataon’i Jehovah Izay Hahazoanao Fahafahana
“Ataovy antso avo amin’ny mponina rehetra eo amin’ilay tany fa tonga ny fahafahana.”—LEV. 25:10.
HIRA 22 Efa Mitondra Ilay Fanjakana
HO HITANAO ATO *
1-2. a) Inona no atao hoe jobily? (Jereo ilay efajoro hoe “ Inona Ilay Jobily Notandreman’ny Israelita?”) b) Inona no noresahin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 4:16-18?
MISY fankalazana manokana atao any amin’ny tany sasany, rehefa feno 50 taona ny nanjakan’ny mpanjakan-dry zareo. Matetika no antsoina hoe taon-jobilin’ny mpanjaka io taona io. Maharitra iray andro, na herinandro, na maherin’izany ireny fety ireny indraindray. Tsy maintsy mifarana ihany anefa izy ireny, ary vetivety dia hadino.
2 Nisy Jobily koa nankalazaina tany Israely isaky ny 50 taona, ary naharitra herintaona ilay izy. Nitondra fahafahana ho an’ny Israelita io Jobily io. Nahoana izany no tokony hahaliana antsika? Satria mampahatsiahy antsika izy io hoe misy zavatra miavaka koa nataon’i Jehovah mba hahazoantsika fahafahana dieny izao sy mandrakizay. Niresaka momba an’io fahafahana io i Jesosy ao amin’ny Lioka 4:16-18. (Vakio.) Mbola misy jobily tsara noho ilay an’ny Israelita àry, ary izany no hodinihintsika ato.
3. Nahoana ny Jobily no nahasoa ny Israelita, araka ny Levitikosy 25:8-12?
3 Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’izy niresaka fahafahana? Manampy antsika hahazo an’izany ny Jobily nasain’i Jehovah nankalazain’ny vahoakany taloha. Hoy i Jehovah tamin’ny Israelita: “Hamasino ny taona fahadimampolo, ka ataovy antso avo amin’ny mponina rehetra eo amin’ilay tany fa tonga ny fahafahana. Ho Jobily ho anareo izany, ka samy hiverina any amin’ny lovanareo ianareo, ary samy hiverina any amin’ny fianakavianareo avy.” (Vakio ny Levitikosy 25:8-12.) Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe nahasoa ny Israelita ny Sabata isan-kerinandro. Inona kosa no soa noraisin’izy ireo avy tamin’ny Jobily? Eritrereto hoe ananan’olona trosa ny Israelita iray, dia tsy maintsy nivarotra ny taniny mba handoavana an’izany. Rehefa tonga anefa ny taon-jobily, dia tsy maintsy naverina taminy ny taniny. Afaka ‘niverina tany amin’ny lovany’ àry izy, ary nijanona ho lovan’ny zanany ilay tany. Mety ho bokan-trosa koa ny lehilahy iray, dia nivarotra ny zanany ho andevo mba handoavana an’ilay izy. Indraindray aza ny tenany mihitsy no namidiny ho andevo. Rehefa tonga anefa ny taon-jobily, dia tsy maintsy ‘niverina tany amin’ny fianakaviany’ ilay andevo. Afaka nanantena foana àry ny andevo iray hoe mbola hahazo fahafahana any aoriana any. Tena niahy ny mpanompony i Jehovah!
4-5. Nahoana isika no tokony ho liana amin’ilay Jobily nankalazain’ny Israelita?
4 Tsy izay ihany anefa ny soa noraisin’ny Israelita tamin’ny Jobily. Izao no nohazavain’i Jehovah: “Tsy tokony hisy ho lasa mahantra ... eo aminao, satria hitahy anao tokoa i Jehovah ao amin’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, sy halainao ho fanananao.” (Deot. 15:4) Tsy hoatr’izany mihitsy anefa amin’izao! Matetika ny mahantra mihamahantra ihany, fa ny mpanana vao mainka mihamanan-karena.
5 Tsy voatery manaraka ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina. Midika izany fa tsy manaraka an’ilay lalàna momba ny Jobily isika, anisan’izany ilay hoe manafaka andevo sy manafoana trosa ary mamerina ny tanin’ny olon-kafa. (Rom. 7:4; 10:4; Efes. 2:15) Tokony ho liana amin’ilay Jobily nankalazain’ny Israelita anefa isika. Nahoana? Satria afaka ny hahazo fahafahana koa isika, ary mampahatsiahy antsika an’io Jobily io izany.
NILAZA I JESOSY FA HISY FAHAFAHANA
6. Mila afahana amin’ny inona ny olombelona?
6 Mila afahana daholo isika satria andevo. Ny ota no manandevo antsika ary tena mampijaly izy io. Lasa mihantitra sy marary ary maty isika, noho isika mpanota. Mahatsapa tsara an’izany ny olona maro rehefa mijery fitaratra na mandeha dokotera. Tsy vitan’izany Rom. 7:23, 24.
fa kivy isika rehefa manota. Niaiky ny apostoly Paoly hoe ‘babon’ny lalàn’ny ota tao amin’ny vatany’ izy. Hoy koa izy: “Indrisy! Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ity vatako ity, satria izy ity no mitarika ahy ho amin’izany fahafatesana izany?”—7. Inona no nolazain’i Isaia momba ny fahafahana?
7 Soa ihany fa nanao zavatra i Jehovah mba hanafahana antsika amin’ny ota. I Jesosy no nampiasainy tamin’izany. Naminany momba ny fahafahana lehibe iray i Isaia, 700 taona mahery talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany. Betsaka lavitra ny soa hoentin’io fahafahana io, raha oharina amin’ny azon’ny Israelita tamin’ny taon-jobily. Hoy izy: “Ny fanahin’i Jehovah Tompo Fara Tampony no ato amiko, satria i Jehovah nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra. Naniraka ahy izy mba hamehy ny ratran’ny torotoro fo; hanambara fahafahana amin’ny babo.” (Isaia 61:1) Iza no tian’io faminaniana io horesahina?
8. Iza no nanatanteraka an’ilay faminanian’i Isaia?
8 Nanomboka tanteraka io faminaniana io taorian’ny nanombohan’i Jesosy ny fanompoany. Nankao amin’ny synagogan’i Nazareta izy indray mandeha, dia novakiny tamin’ny Jiosy tao ireo tenin’i Isaia ireo. Hoy izy: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy, ary naniraka ahy hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka sy handefa ny ory, hitory taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana.” Nilaza i Jesosy fa tanteraka taminy io faminaniana io. (Lioka 4:16-19, 21) Ahoana no nanatanterahany azy io?
IZA NO NAFAHANA VOALOHANY?
9. Inona no fanafahana nantenain’ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’i Jesosy?
9 Tamin’ny taonjato voalohany ny olona no nanomboka nahazo an’ilay fahafahana noresahin’i Isaia sy Jesosy. Nanamafy an’izany i Jesosy rehefa niteny hoe: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.” (Lioka 4:21) Betsaka tamin’ny olona nihaino azy angamba no nanantena hoe ho afaka amin’ny fitondran’ny Romanina. Mety ho izany koa no noeritreretin’ny mpianatr’i Jesosy. Nisy tamin-dry zareo mantsy niteny hoe: ‘Izahay nanantena fa izy no voatendry hanafaka ny Israely.’ (Lioka 24:13, 21) Fantatsika anefa fa tsy nampirisika ny mpanara-dia azy hikomy tamin’ny fitondrana romanina i Jesosy, na dia nampijaly aza ry zareo. Nampirisika ny mpanara-dia azy kosa izy hoe: ‘Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara.’ (Mat. 22:21) Nafahan’i Jesosy tamin’ny inona àry ny olona tamin’izany?
10. Nafahan’i Jesosy tamin’ny inona ny olona?
10 Nafahan’ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny inona avy ny olona? Voalohany, nafahany tamin’ny fampianaran-dison’ny mpitondra fivavahana izy ireo. Betsaka ny Jiosy nandevozin’ny fomban-drazana sy ny hevi-diso. (Mat. 5:31-37; 15:1-11) Nilaza ho nanampy ny olona hifandray amin’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana, nefa ry zareo aza tsy nanompo azy tsara akory. Hoatran’ny jamba àry izy ireo. Tsy nety nanaiky ny Mesia sy ny fahamarinana nampianariny izy ireo, ka tsy nahalala an’Andriamanitra fa hoatran’ny hoe jamba foana. Tsy nahazo famelan-keloka koa izy ireo. (Jaona 9:1, 14-16, 35-41) I Jesosy kosa nampianatra ny marina sy nanome ohatra tsara, mba hanampiana an’ireo manetry tena ho afaka amin’ny fampianaran-diso.—Mar. 1:22; 2:23–3:5.
11. Nafahan’i Jesosy tamin’ny inona koa ny olona?
11 Faharoa, nafahan’i Jesosy tamin’ny fanandevozan’ny ota ny olombelona. Nanao sorona ny ainy izy, ka lasa azon’Andriamanitra atao ny mamela ny fahotan’izay olona mino an’io sorona io sy mampiseho an’izany amin’ny ataony. (Heb. 10:12-18) Hoy i Jesosy: ‘Tena ho afaka ianareo, raha ny Zanaka no manafaka anareo.’ (Jaona 8:36) Azo antoka fa tsara kokoa io fahafahana io raha oharina amin’ilay fahafahana azon’ny Israelita nandritra ny taon-jobily. Nahoana? Andao hatao hoe nafahana ny andevo iray rehefa tonga ny Jobily. Mbola mety ho lasa andevo indray anefa izy, ary tsy maintsy ho faty ihany rehefa mandeha ny fotoana. Ilay fahafahana omen’i Jesosy kosa haharitra mandrakizay.
12. Iza no voalohany nahazo an’ilay fahafahana noresahin’i Jesosy?
12 Nohosoran’i Jehovah fanahy masina ny apostoly sy ny lehilahy sy vehivavy hafa tsy nivadika, tamin’ny Pentekosta taona 33. Natsangany ho zanany izy ireo, ka hatsangany amin’ny maty mba hiara-manjaka amin’i Jesosy. (Rom. 8:2, 15-17) Izy ireo no voalohany nahazo an’ilay fahafahana noresahin’i Jesosy tao amin’ny synagogan’i Nazareta. Tsy nandevozin’ny fampianaran-dison’ny mpitondra fivavahana jiosy intsony izy ireo, sady afaka tamin’ny fanao tsy araka ny Soratra Masina. Mahatonga ny olona ho faty koa ny ota, nefa amin’Andriamanitra dia hoatran’ny hoe efa nafahana tamin’izany ireo voahosotra ireo. Nanomboka tamin’ny taona 33 àry ny Jobily kristianina, rehefa nohosorana fanahy masina ny mpanara-dia an’i Kristy. Ho tapitra kosa izy io rehefa mifarana ny Fanjakana Arivo Taona. Inona ny zavatra tsara hitranga mandra-pahatapitry ny arivo taona?
AN-TAPITRISANY NO MBOLA HAFAHANA
13-14. Ankoatra ny voahosotra, dia iza koa no afaka mahazo an’ilay fahafahana noresahin’i Jesosy?
13 An-tapitrisany izao ny olona anisan’ny “ondry hafa.” (Jaona 10:16) Tena tia an’i Jehovah ireo olona avy amin’ny firenena rehetra ireo. Tsy nantsoin’Andriamanitra hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra izy ireo. Milaza kosa ny Baiboly fa afaka manantena hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo. Izany koa ve no antenainao?
14 Raha izany, dia efa afaka mahazo ny fitahiana sasany ananan’ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy ianao dieny izao. Afaka mangataka famelan-keloka, ohatra, ianao satria mino ny soron’i Jesosy. Hankasitrahan’i Jehovah ianao amin’izay, ka hilamina ny feon’ny fieritreretanao. (Efes. 1:7; Apok. 7:14, 15) Eritrereto koa ny fitahiana azonao noho ianao afaka tamin’ny fampianaran-diso. Hoy i Jesosy: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.” (Jaona 8:32) Tsy faly ve ianao hoe manana fahafahana hoatr’izany?
15. Afaka manantena inona isika?
15 Afaka manantena hahazo fahafahana bebe kokoa anefa ianao. Tsy ho ela mantsy i Jesosy dia handringana tanteraka ny fivavahan-diso sy ny fitondran’olombelona. Hiaro an’ireo “vahoaka be” manompo azy anefa Andriamanitra, ary hanome azy ireo fitahiana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. (Apok. 7:9, 14) Be dia be koa ny olona hatsangana amin’ny maty. (Asa. 24:15) Tsy harary na hihantitra na ho faty intsony izy ireo raha mifidy ny hanompo an’i Jehovah.
16. Inona no fahafahana lehibe ho azon’ny olombelona?
16 Inona no hataon’i Jesosy sy ireo hiara-manjaka aminy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona? Hanampy ny olombelona mba ho lasa lavorary izy ireo. Tsy ny vatantsika fotsiny no ho lavorary, fa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra koa. Tsy handevozin’ny ota intsony àry izay tsy mivadika amin’i Jehovah. Fahafahana lehibe lavitra noho ny azon’ny Israelita tamin’ny Jobily izany.
17. Hanao ahoana ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny hoavy, araka ny Isaia 65:21-23? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)
17 Resahina ao amin’ny Isaia 65:21-23 hoe ho hoatran’ny ahoana ny fiainana amin’izany. (Vakio.) Mieritreritra ny olona sasany hoe haka aina fotsiny isika rehefa any amin’ny Paradisa fa tsy hiasa intsony. Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly, fa hoe hanana asa mahafa-po sy mahasoa isika amin’izany. Afaka matoky isika hoe ‘hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana ny zavaboary’ amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona. “Hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” izy ireo.—Rom. 8:21.
18. Nahoana isika no afaka matoky hoe ho tsara be ny hoavintsika?
18 Nataon’i Jehovah izay hahafahan’ny Israelita handanjalanja ny asa sy ny fialan-tsasatra, ary izany koa no hataony ho antsika mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Azo antoka fa hanam-potoana hanompoana an’Andriamanitra isika amin’izay. Tena ilaina ny manompo an’i Jehovah amin’izao raha te ho sambatra, ary mbola ho hoatr’izany foana na dia any amin’ny tontolo vaovao aza. Tsy andrintsika àry io fotoana io satria hanana asa mahafa-po sy hanompo an’i Jehovah daholo ny olona tsy mivadika rehetra amin’izany.
HIRA 142 Fikiro Mafy Ilay Fanantenana
^ feh. 5 Nisy fandaharana miavaka nataon’i Jehovah mba hahazoan’ny Israelita fahafahana. Antsoina hoe Jobily izy io. Zava-dehibe amintsika Kristianina ny dikan’izy io, na dia tsy manaraka ny Lalàn’i Mosesy aza isika. Horesahintsika ato hoe nahoana ny Jobily notandreman’ny Israelita no mampahatsiahy antsika ny zavatra nataon’i Jehovah ho antsika. Hodinihintsika koa hoe inona no soa azontsika avy amin’izany zavatra nataony izany.
^ feh. 61 SARY: Nafahana ny andevo nandritra ny Jobily, ka afaka niverina tany amin’ny taniny sy ny fianakaviany.