Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Hainao ve ny valin’ireto? Niresaka an’ireo hevitra ireo Ny Tilikambo Fiambenana 2019.

Inona no dikan’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao”? (Isaia 54:17)

Mety hamely mafy antsika ny “olon-dozabe”, nefa afaka matoky isika fa hiaro antsika i Jehovah. (Isaia 25:4, 5) Tsy hahavita hisakana antsika tsy hahazo fiainana mandrakizay mihitsy ny fahavalo.—w19.01, p. 6-7.

Nahoana no lazaina hoe manao ny rariny i Jehovah, rehefa jerena izay nataony tamin’ny Kananita sy ny Israelita?

Nampihatra ny didim-pitsarany tamin’izay nanao zavatra vetaveta sy nampijaly ny zaza amam-behivavy Andriamanitra. Notahiny kosa izay nankatò azy sy nanao ny rariny.—w19.02, p. 22-23.

Inona no tokony hataontsika raha sendra eo isika rehefa misy olona tsy Vavolombelona mivavaka?

Hangina fotsiny isika dia hanaja azy ireo fa tsy hiteny hoe “amena.” Tsy hifandray tanana amin’izy ireo koa isika mandritra an’ilay vavaka. Afaka mivavaka any an-tsaina kosa isika.—w19.03, p. 31.

Nahoana no tena ratsy ny fametavetana ankizy?

Manota amin’ilay ankizy izay mametaveta azy, sady manota amin’ny fiangonana sy ny manam-pahefana ary amin’Andriamanitra. Raha takin’ny lalàna hoe tsy maintsy ampahafantarina ny manam-pahefana rehefa misy olona voalaza ho nametaveta ankizy, dia mankatò an’izany ny anti-panahy.—w19.05, p. 9-10.

Ahoana no hanovanao ny hery mibaiko ny sainao?

Tena ilaina ny mivavaka amin’i Jehovah. Ilaina koa ny misaintsaina sy mandini-tena, ary mifidy namana tsara.—w19.06, p. 11.

Inona no azonao atao dieny izao raha te ho vonona hiatrika fanenjehana ianao?

Miezaha hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah. Matokia hoe tia anao izy ary tsy hahafoy anao mihitsy. Vakio isan’andro ny Baiboly ary mivavaha tsy tapaka. Ataovy izay haharesy lahatra anao hoe tena ho tanteraka ny soa hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ataovy tsianjery koa ny andinin-teny tianao indrindra sy ny hirantsika.—w19.07, p. 2-4.

Inona no azontsika atao mba hanampiana ny havantsika ho voavonjy?

Mila miezaka hahazo ny fihetseham-pony isika. Tadidio koa fa misy vokany kokoa noho ny teny ny atao. Manàna faharetana ary miezaha ho tsara fanahy.—w19.08, p. 15-17.

Nahoana no mamelombelona antsika ny asa asain’i Jesosy ataontsika? (Mat. 11:28)

Ny mpiandraikitra antsika no tsara indrindra. Ny namantsika no tsara indrindra. Ny asantsika koa no tsara indrindra.—w19.09, p. 23.

Ahoana no anampian’i Jehovah antsika mba haniry hanao ny sitrapony sady hahazo hery hahavitana an’izany? (Fil. 2:13)

Rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra sy misaintsaina azy io isika, dia ampiany mba haniry hanao ny sitrapony sy hahazo hery hahavitana an’izany. Omeny fanahy masina koa isika dia lasa mitombo ny fahaizantsika.—w19.10, p. 21.

Inona no tokony hatao alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra lehibe?

Ireto misy dingana dimy: Mivavaha mba hahazo fahendrena, manaova fikarohana tsara, diniho ny antony mahatonga anao hanao an’ilay fanapahan-kevitra, ataovy mazava tsara ny tanjonao, ary ekeo ny zava-misy.—w19.11, p. 27-29.

Oviana no nanomboka nisy ilay hevi-diso hoe tsy mety maty ny fanahy? Tamin’i Satana niresaka tamin’i Eva ve?

Hoatran’ny tsy izany. Nilaza tamin’i Eva i Satana hoe tsy ho faty izy, fa tsy hoe ny vatany ihany no ho faty dia ny ampahany aminy ho velona any ho any. Foana tamin’ny Safodrano koa izay fampianaran-diso rehetra nisy tamin’izany. Toa talohan’ny nanaparitahan’i Jehovah ny olona nanorina ny tilikambon’i Babela àry no nanomboka nisy io hevi-diso io.—w19.12, p. 15.