Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy Amin’ny Fo Izay Nankinina Taminao!

Ataovy Amin’ny Fo Izay Nankinina Taminao!

EFA nahazo taratasy mampahery avy tamin’ny namanao ve ianao? Azo antoka fa faly erỳ ianao tamin’izany! Hoatr’izany koa no tsapan’i Timoty rehefa nahazo taratasy avy tamin’ny apostoly Paoly izy. Timoty Faharoa no ahafantarantsika an’ilay taratasy. Maika erỳ izao i Timoty hitady toerana milamina tsara hamakiana an’ilay taratasy, satria tiany ho fantatra hoe inona no nosoratan’ilay namany ho azy. Nieritreritra angamba izy hoe: ‘Mba manao ahoana re i Paoly e? Manana soso-kevitra hanatsarako ny fanompoako ve izao izy? Mety hanampy ahy hahay hitory sy hampianatra kokoa ve ity taratasy ity? Mety ho azoko ampiasaina hanampiana olon-kafa ve izy ity?’ Tsy ireo ihany anefa no noresahin’i Paoly tao amin’ilay taratasy, fa nisy zavatra hafa koa. Fa andao aloha hijery hevitra mahasoa ao anatin’ilay taratasy.

‘MBOLA MIARITRA NY ZAVA-DREHETRA AHO’

Vao nanomboka namaky an’ilay taratasy i Timoty, dia tonga dia tsapany hoe tena tia azy i Paoly. Nantsoin’i Paoly hoe “zanako malalako” mantsy izy. (2 Tim. 1:2) Vao 30 taona mahery angamba i Timoty tamin’izy nahazo an’ilay taratasy, tamin’ny taona 65 tany ho any. Efa anti-panahy matotra anefa izy tamin’izany. Efa niaraka tamin’i Paoly nandritra ny folo taona mahery izy, dia efa be dia be ny zavatra nianarany.

Tsy maintsy ho nampahery be an’i Timoty ny nahafantatra hoe tsy nivadika i Paoly na dia niaritra ny mafy aza. Nigadra tany Roma mantsy i Paoly, ary efa hovonoina ho faty. (2 Tim. 1:15, 16; 4:6-8) Hitan’i Timoty koa hoe be herim-po i Paoly matoa nilaza hoe: ‘Mbola miaritra ny zava-drehetra aho.’ (2 Tim. 2:8-13) Nampahery an’i Timoty ny nahita hoe niaritra i Paoly, ary azo antoka fa hampahery antsika koa izany.

‘ATAOVY MIREDAREDA TOY NY AFO ILAY FANOMEZANA’

Nampirisika an’i Timoty i Paoly mba hitadidy hoe tena sarobidy ny andraikitra nomena azy. Nilaza izy fa tokony hataon’i Timoty “miredareda toy ny afo ilay fanomezan’Andriamanitra” nankinina taminy. (2 Tim. 1:6) Nampiasa an’ilay teny hoe karisma i Paoly mba hilazana an’ilay hoe ‘fanomezana.’ Io teny grika io dia ilazana zavatra nomena maimaim-poana ho an’ny olona tsy mendrika an’ilay izy. Nahazo an’io fanomezana io i Timoty rehefa voafidy hanao fanompoana manokana mba hanampiana ny fiangonana.—1 Tim. 4:14.

Mety ho lasa vainafo fotsiny ny afo na dia niredareda aza tamin’ny voalohany. Mila velomina ilay izy raha tiana hiredareda indray sy hanome hafanana bebe kokoa. Izany angamba no tonga tao an-tsain’i Timoty rehefa namaky ny taratasin’i Paoly izy, ka tonga teo amin’ilay hoe ‘ataovy miredareda toy ny afo.’ Milaza ny rakibolana iray fa ilay matoanteny grika nampiasain’i Paoly hoe anazôpyreô dia midika ara-bakiteny hoe “mamelona indray, na mikopaka afo mba hampiredareda an’ilay izy.” Misy heviny an’ohatra koa izy io hoe “mandrisika mba hazoto amin’ny asa anankiray.” Te hilaza tamin’i Timoty àry i Paoly hoe: ‘Ataovy amin’ny fo izay nankinina taminao!’ Hoatr’izany koa no tokony hataontsika. Mila miezaka mafy sy mazoto amin’ny fanompoana isika.

‘AROVY IZANY ZAVATRA TSARA NANKININA TAMINAO IZANY’

Rehefa nanohy namaky ny taratasin’ilay namany i Timoty, dia nahita teny hafa hanampy azy hahavita tsara ny fanompoany. Izao no nosoratan’i Paoly: “Arovy amin’ny alalan’ny fanahy masina izay mitoetra ao anatintsika izany zavatra tsara nankinina taminao izany.” (2 Tim. 1:14) Fa inona no nankinina tamin’i Timoty? Niresaka momba ny “teny mahasoa” i Paoly ao amin’ny andinin-teny eo alohan’io, ary ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina no tiany horesahina amin’izany. (2 Tim. 1:13) Mpitory i Timoty ka tokony hampianatra ny fahamarinana amin’ny olona anisan’ny fiangonana sy amin’ny olon-kafa. (2 Tim. 4:1-5) Voatendry ho anti-panahy koa izy mba hikarakara ny andian’ondrin’Andriamanitra. (1 Pet. 5:2) Ahoana no nampisehoan’i Timoty hoe tena sarobidy taminy ny fahamarinana nankinina taminy? Niantehitra tamin’ny fanahy masina izy sady nampiasa ny Tenin’Andriamanitra rehefa nampianatra.​—2 Tim. 3:14-17.

Nankinina amintsika koa ny fahamarinana, ary mampahafantatra azy io amin’ny olona isika rehefa manompo. (Mat. 28:19, 20) Inona no hanampy antsika hitadidy foana fa sarobidy be io fahamarinana io? Mila mazoto mivavaka isika sady mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra. (Rom. 12:11, 12; 1 Tim. 4:13, 15, 16) Ary ahoana raha nomena andraikitra fanampiny ianao, ohatra hoe notendrena ho anti-panahy na mpanompo manontolo andro? Tokony hanetry tena sy hiantehitra amin’Andriamanitra izay nahazo an’ireo tombontsoa ireo. Ho hita amin’izany koa hoe miaro an’izay nankinin’Andriamanitra taminao ianao, izany hoe mihevitra an’ilay izy ho sarobidy be.

‘ATOLORY AN’IREO LEHILAHY MENDRI-PITOKISANA IZANY’

Nasaina nampiofana olon-kafa mba hanao an’ilay asa nataony koa i Timoty. Izay no nahatonga an’i Paoly hampirisika azy hoe: “Izay renao tamiko ... dia atolory an’ireo lehilahy mendri-pitokisana, izay hahay hampianatra ny hafa kosa avy eo.” (2 Tim. 2:2) Midika izany hoe tokony hampitain’i Timoty amin’ny olon-kafa izay rehetra nianarany. Mila miezaka manao an’izany koa ny mpiandraikitra rehetra any amin’ny fiangonana. Tsy tokony hotazoniny ho azy samirery izay zavatra fantany momba ny asa na andraikitra iray. Mila mampianatra ny olon-kafa koa izy, amin’izay ry zareo hahay hanao an’ilay izy. Tsy matahotra izy sao hahalala zavatra kokoa noho izy ny hafa, na hoe hahay kokoa an’ilay asa noho izy. Tsy ny fomba hanatanterahana an’ilay asa fotsiny àry no atorony an’ilay olona, fa ampiany koa izy hanana ny toetra tsara ilaina mba ho lasa Kristianina matotra. Inona no ho vokatr’izany? Hahavita hanampy bebe kokoa ny fiangonana ireo “lehilahy mendri-pitokisana” rehefa avy nampiofanina.

Azo antoka hoe sarobidy be tamin’i Timoty ilay taratasy nalefan’i Paoly. Naverimberiny novakina angamba ny torohevitra hitany tao, dia noeritreretiny tsara hoe ahoana no azony ampiharana an’izany rehefa manao ny andraikiny.

Te hampihatra ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty koa isika. Ahoana no hanaovantsika an’izany? Tokony hazoto amin’izay andraikitra na fanompoana nankinina tamintsika isika, dia hihevitra ny fahamarinana ho sarobidy, ary hampita an’izay traikefa sy zavatra fantatsika amin’ny olon-kafa. Hahavita ‘hanatanteraka tsara ny fanompoantsika’ isika amin’izay.—2 Tim. 4:5.