Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 52

Aza Manaiky ho Kivy!

Aza Manaiky ho Kivy!

“Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.”—SAL. 55:22.

HIRA 33 Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao

HO HITANAO ATO *

1. Inona no mety ho vokany rehefa kivy isika?

MIATRIKA olana isika isan’andro, ary manao izay rehetra azo atao mba handaminana azy ireny. Tsy hitanao ve anefa hoe mora kokoa ny manao an’izany rehefa tsy kivy isika? Tokony ho hoatran’ny mpangalatra àry no fahitantsika ny hakiviana. Tonga tsy nasaina izy, dia alainy daholo na ny herim-pontsika na ny fifaliantsika. Mahatonga antsika hahatsiaro ho tsy misy vidiny koa ny hakiviana indraindray. Milaza ny Ohabolana 24:10 hoe: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” Mety hihena be àry ny herintsika rehefa kivy isika, dia lasa sarotra kokoa ny miatrika olana.

2. Inona no mety hahatonga antsika ho kivy? Inona no horesahina ato?

2 Be dia be no mety hahakivy antsika. Mety hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny, ohatra, isika satria tsy lavorary. Na isika mbola enjehin’ny eritreritsika foana noho ny fahadisoana vitantsika. Mety ho kivy koa isika rehefa marary, na misy tombontsoam-panompoana mba irintsika nefa tsy azontsika. Hoatr’izany koa rehefa tsy mandray ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny faritany itoriantsika. Horesahintsika ato hoe inona no azo atao rehefa kivy.

AHOANA RAHA MANAMELO-TENA BE LOATRA IANAO?

3. Inona no hanampy antsika rehefa manamelo-tena be loatra isika?

3 Mora mieritreritra zavatra ratsy momba antsika isika, na mifantoka be amin’ny fahadisoana vitantsika. Mety hieritreritra àry isika hoe tsy havelan’i Jehovah hiaina ao amin’ny tontolo vaovao mihitsy. Ratsy anefa ny mieritreritra hoatr’izany. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fahadisoantsika? Milaza ny Baiboly fa “samy efa nanota” ny olona rehetra, afa-tsy i Jesosy Kristy. (Rom. 3:23) Tsy mitsingoloka fahadisoana anefa Ilay nampanoratra ny Baiboly, sady tsy manantena hoe ho lavorary isika amin’izao. Ray be fitiavana kosa izy ary te hanampy antsika. Tsy izay ihany fa manam-paharetana izy. Fantany hoe miady mafy isika mba hanao ny tsara sy tsy hanamelo-tena be loatra.​—Rom. 7:18, 19.

Fantatr’i Jehovah na ny zavatra tsara vitantsika taloha, na ny zavatra tsara ataontsika amin’izao (Fehintsoratra 5) *

4-5. Inona no nanampy ny anabavy roa mba tsy ho kivy loatra, araka ny 1 Jaona 3:19, 20?

4 Eritrereto i Deborah. * Nohambaniana foana izy tamin’ny mbola kely ary zara raha mba nisy nidera. Rehefa nihalehibe àry izy, dia lasa nieritreritra hoe tsy misy vidiny. Vao nanao diso kely fotsiny izy dia efa nieritreritra hoe tsy misy mety izay ataony. Hoatr’izany koa i Maria. Nohambanian’ny havany izy, dia lasa nahatsiaro ho tsy misy dikany foana. Na dia rehefa nahalala ny fahamarinana aza izy, dia nieritreritra hoe tsy mendrika ny hitondra ny anaran’Andriamanitra.

5 Mbola nanompo an’i Jehovah foana anefa ireo anabavy ireo. Fa maninona? Satria nivavaka mafy tamin’i Jehovah ry zareo, dia napetrany taminy izay nanavesatra azy. (Sal. 55:22) Lasa niaiky ry zareo hoe fantatr’ilay Raintsika be fitiavana fa misy vokany amintsika ny zavatra niainantsika taloha, dia hoatr’izany koa ny zavatra mahakivy eritreretintsika. Mahita ny toetra tsarantsika koa izy, na dia mieritreritra aza isika hoe tsy manana an’izany.​—Vakio ny 1 Jaona 3:19, 20.

6. Inona no mety ho tsapan’ny olona iray raha miverina amin’ny fahazaran-dratsiny izy?

6 Andao hatao hoe misy olona miezaka mafy mba hiala amin’ny fahazaran-dratsy. Ahoana anefa raha nanao an’ilay izy indray izy dia kivy? Ara-dalàna aloha raha manamelo-tena isika rehefa manota e! (2 Kor. 7:10) Tsy tokony handefa saina lavitra loatra anefa isika, ka hieritreritra hoe: ‘Tsisy azo antenaina intsony ny amiko. I Jehovah ve dia hamela ahy?’ Tsy marina izany, ary mety hahatonga antsika tsy hanompo an’i Jehovah intsony. Tadidio ny Ohabolana 24:10 hoe: ‘Ho kely ny herinao raha kivy ianao.’ Aleo àry ‘mifandamina’ amin’i Jehovah, izany hoe mivavaka aminy dia mitalaho ny famindram-pony. (Isaia 1:18) Hamela anao izy rehefa hitany hoe tena mibebaka ianao. Miresaha koa amin’ny anti-panahy. Hanampy anao hifandray tsara amin’i Jehovah indray ry zareo, ary hanam-paharetana rehefa manao an’izany.​—Jak. 5:14, 15.

7. Fa maninona isika no tsy tokony ho kivy raha sarotra amintsika ny manao ny tsara?

7 Miezaka mampahery ny olona miady amin’ny fahalemeny i Jean-Luc, anti-panahy any Frantsa. Izao no nolazainy: “Tsy manao diso mihitsy ve ny olona heverin’i Jehovah hoe marina? Tsy izany. Marina no fahitan’i Jehovah ny olona iray rehefa manenina izy noho izay tsy nety nataony, ary miezaka be foana mba hiova.” (Rom. 7:21-25) Aza manamelo-tena be loatra àry raha miady mafy ianao mba handresy ny fahazaran-dratsinao. Tadidio fa mpanota isika rehetra, dia mila ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’i Jehovah daholo. Izany no nahatonga azy hanome ny vidim-panavotana.​—Efes. 1:7; 1 Jaona 4:10.

8. Any amin’iza isika no afaka mangataka fanampiana rehefa kivy?

8 Hampahery antsika ny mpiara-manompo. Afaka mihaino antsika ry zareo rehefa mila miresaka isika, sady afaka milaza teny hampahery antsika. (Ohab. 12:25; 1 Tes. 5:14) Niady mafy mba tsy ho kivy, ohatra, i Joy, anabavy any Nizeria. Izao no nolazainy: “Tsy haiko intsony izay ho niafarako raha tsy teo ny mpiara-manompo! Hitako avy tamin’ny fampaherezana nomen-dry zareo hoe mamaly ny vavaka ataoko i Jehovah. Nianarako avy tamin’ny nataon-dry zareo koa hoe ahoana no atao rehefa mampahery olona kivy.” Tokony hotadidintsika anefa fa tsy voatery ho fantatry ny mpiara-manompo hoe rahoviana isika no mila ampaherezina. Indraindray isika mihitsy no mila manatona rahalahy na anabavy matotra, dia mangataka fanampiana.

AHOANA RAHA MARARY IANAO?

9. Nahoana no mampahery antsika ny Salamo 41:3 sy ny 94:19?

9 Miantehera amin’i Jehovah. Mety ho sarotra ny hieritreritra zavatra tsara na mampahery rehefa marary, indrindra raha aretina mitaiza ilay izy. Marina fa tsy manao fahagagana i Jehovah mba hanasitranana antsika. Mampahery antsika anefa izy, ary manome ny hery ilaintsika mba hahavitantsika hiaritra. (Vakio ny Salamo 41:3; 94:19.) Mety hisy mpiara-manompo, ohatra, asainy hanampy antsika amin’ny raharaha ao an-trano na hiantsena ho antsika. Mety hampirisika an-dry zareo hivavaka miaraka amintsika koa izy. Tsy izay ihany fa mety hataony izay hahatonga antsika hahatadidy hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny fanantenantsika hoe ho lavorary isika ary tsy harary sy hijaly intsony rehefa ao amin’ny tontolo vaovao.​—Rom. 15:4.

10. Fa maninona i Isang no tsy kivy foana taorian’ilay loza nahazo azy?

10 Mipetraka any Nizeria i Isang. Nisy loza nahazo azy dia lasa nalemy izy. Nilaza taminy ny dokotera hoe tsy ho afaka handeha intsony izy. Hoy i Isang: “Tena nangidy tamin’izay! Kivy be mihitsy aho.” Tsy kivy be foana anefa izy. Fa ahoana no nataony? Izao no nolazainy: “Nivavaka tamin’i Jehovah foana izahay mivady sady nianatra ny Teniny foana. Tapa-kevitra izahay hoe hifaly amin’izay fitahiana azonay, anisan’izany ilay fanantenana hoe hiaina ao amin’ny tontolo vaovao.”

Na marary ianao na osa, dia mbola afaka manompo tsara foana sady ho faly rehefa manao an’izany (Fehintsoratra 11-13)

11. Inona no nanampy an’i Cindy mba ho faly na dia narary mafy aza izy?

11 I Cindy indray any Meksika no mipetraka. Nilaza taminy ny dokoterany hoe voan’ny aretina mety hahafaty azy izy. Ahoana no nataony? Nanao tanjona izy hoe hitory isan’andro, mandritra ny fotoana hitsaboana azy. Izao no nosoratany: “Tsy niferitraina momba an’ilay fandidiana sy ny fanaintainako intsony aho rehefa nanao an’izany, fa izay hanampiana ny hafa no tena noeritreretiko. Rehefa niresaka tamin’ny dokotera na ny mpitsabo mpanampy aho, dia nanontaniako ry zareo hoe manahoana ny fianakaviany. Nanontaniako koa ry zareo avy eo hoe fa maninona ry zareo no nifidy an’io asa sarotra io. Lasa mora kokoa tamiko ny nahita hoe inona no mety hanohina ny fony. Maro tamin-dry zareo no nilaza fa tsy mpitranga matetika ny hoe ny marary indray no manontany an-dry zareo ny fahasalamany. Betsaka koa no nisaotra ahy. Nisy aza nanome ny adiresiny na ny nomerao telefaoniny. Fantatro hoe hanampy ahy hiatrika an’iny zava-tsarotra iny i Jehovah. Tsy nampoiziko anefa hoe ho faly be hoatran’izany aho!”​—Ohab. 15:15.

12-13. Inona no nataon’ny mpiara-manompo tsy afaka mitory isan-trano? Inona no vokany?

12 Mety ho kivy ny mpiara-manompo marary na osa, satria tsy mahavita manompo betsaka araka izay tiany. Be dia be anefa no mbola mahita fomba itoriana. Anisan’izany ny Ranabavy Laurel, avy any Etazonia. Natao tao anaty masinina nanampy azy hifoka rivotra izy nandritra ny 37 taona. Voan’ny kansera koa izy sady nodidiana imbetsaka, ary nisy aretin-koditra. Tsy nahasakana azy tsy hitory anefa ireo olana lehibe ireo. Nitory tamin’ny mpitsabo mpanampy sy izay olon-kafa tonga hikarakara azy tao an-tranony izy. Inona no vokany? Nisy 17, fara fahakeliny, ny olona nampiany mba ho lasa Vavolombelon’i Jehovah. *

13 Inona àry no azon’ny rahalahy sy anabavy atao raha marary izy ka tsy afaka mivoaka ny trano, na mipetraka any amin’ny trano fitaizana be antitra? Mety tsara ny soso-kevitra nomen’i Richard, anti-panahy any Frantsa. Izao no nolazainy: “Afaka mametraka boky sy gazety amin’ny toerana talaky maso ry zareo, amin’izay ny olona mety ho liana amin’ilay izy dia te hiresaka. Mety hampahery an’izay tsy afaka mitory isan-trano izany.” Afaka mitory an-taratasy na mitory an-telefaonina koa ry zareo.

AHOANA RAHA TSY MAHAZO TOMBONTSOAM-PANOMPOANA IANAO?

14. Fa maninona i Davida Mpanjaka no ohatra tsara ho antsika?

14 Mety hisy tombontsoam-panompoana na fanendrena sasany tiantsika ho azo. Mety tsy ho azontsika anefa ilay izy, angamba noho ny taonantsika, na ny fahasalamantsika, na noho ny antony hafa. Raha izany no mahazo anao, dia eritrereto i Davida Mpanjaka. Tena te hanorina tempoly ho an’Andriamanitra izy. Ahoana anefa no nataony rehefa notenenina taminy hoe tsy izy no voafidy hanao an’izany? Tena nanampy sy nanohana an’ilay olona nofidin’Andriamanitra izy. Nanome volamena sy volafotsy be dia be mihitsy aza izy mba hanamboarana an’ilay tempoly. Tena ohatra tsara i Davida!​—2 Sam. 7:12, 13; 1 Tan. 29:1, 3-5.

15. Inona no nanampy an’i Hugues tsy hilavo lefona?

15 Hoatr’izany no nahazo an’i Hugues. Any Frantsa izy no mipetraka. Lasa tsy anti-panahy intsony izy satria tsy salama. Na dia raharaha tsotsotra tao an-trano aza tsy vitany intsony. Hoy izy: “Kivy be aho tamin’ny voalohany sady nieritreritra hoe tsy nisy nilana ahy. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia hitako fa tena ilaina ny miaiky hoe voafetra ny azoko atao. Lasa faly nanompo an’i Jehovah indray aho rehefa nanao an’izany. Tapa-kevitra aho hoe tsy hilavo lefona mihitsy, hoatran’i Gideona sy ireo telonjato lahy. Na dia reraka aza ry zareo, dia mbola niady foana.”​—Mpits. 8:4.

16. Inona no ianarantsika avy amin’ny anjely?

16 Ohatra tsara ho antsika koa ny anjely tsy mivadika. Te hamitaka an’i Ahaba, mpanjaka ratsy fanahy, i Jehovah indray mandeha. Nanontany ny hevitry ny anjely izy tamin’izay. Be dia be ny anjely naneho ny heviny, fa ny hevitry ny anjely iray ihany no nalain’i Jehovah, dia nolazainy hoe hahomby. (1 Mpanj. 22:19-22) Kivy ve ny anjely hafa dia nieritreritra hoe: ‘Tahaka izay aho tsy niteny!’? Azo antoka fa tsy nieritreritra an’izany ry zareo. Tena manetry tena mantsy ny anjely, sady tiany raha i Jehovah irery no homena voninahitra.​—Mpits. 13:16-18; Apok. 19:10.

17. Inona no tokony hataontsika raha kivy isika satria nisy tombontsoam-panompoana tsy azontsika?

17 Tadidio hoe tombontsoa be ny mitondra ny anaran’Andriamanitra sy mitory momba ny Fanjakany. Mety handalo ihany ny fanendrena sy ny tombontsoam-panompoana, ary tsy ireny no mahatonga antsika ho sarobidy amin’Andriamanitra. Fa inona? Ny fanetren-tena. Rehefa manetry tena isika dia tena ho tian’i Jehovah sy ny mpiara-manompo. Iangavio àry i Jehovah mba hanampy anao hanana an’io toetra io foana. Saintsaino ny tantaran’ireo olona be dia be nanetry tena resahin’ny Baiboly. Mitadiava koa hirika hanampiana ny rahalahy sy anabavy, ary ataovy amin’ny fo izany.​—Sal. 138:6; 1 Pet. 5:5.

AHOANA RAHA TSY LIANA NY OLONA AO AMIN’NY FARITANINAREO?

18-19. Inona no hanampy anao ho faly na dia hoatran’ny hoe tsy liana aza ny olona ao amin’ny faritaninareo?

18 Efa nisy fotoana ve ianao kivy satria hoatran’ny hoe tsy liana ny olona ao amin’ny faritaninareo, na vitsy kely no tratra an-trano? Raha izany, dia inona no azonao atao mba ho faly foana rehefa manompo, na ho faly kokoa? Misy soso-kevitra tsara ao amin’ilay efajoro hoe “ Ahoana no Azonao Anatsarana ny Fanompoanao?” Tena ilaina koa ny manana toe-tsaina tsara. Ahoana izany?

19 Tadidio hoe ny hampahafantatra ny anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany no tena antony itoriantsika. Efa nilaza mazava tsara i Jesosy hoe ho vitsy ny olona handeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana. (Mat. 7:13, 14) Miara-miasa amin’i Jehovah sy Jesosy ary ny anjely isika rehefa manompo, ary voninahitra be izany. (Mat. 28:19, 20; 1 Kor. 3:9; Apok. 14:6, 7) Tsy izay ihany fa i Jehovah no mitaona ny olona hanatona azy. (Jaona 6:44) Raha tsy dia liana àry ny olona iray rehefa mitory aminy isika, dia mety hihaino izy amin’ny manaraka.

20. Araka ny Jeremia 20:8, 9, inona no azontsika atao raha kivy isika satria tsy mihaino ny olona ao amin’ny faritanintsika?

20 Ohatra tsara ho antsika i Jeremia mpaminany. Tena mafy taminy ny nitory tao amin’ny faritaniny. Tsy vitan’ny hoe tsy nihaino azy mantsy ny olona, fa nanao tsinontsinona azy koa sady naneso azy foana isan’andro. (Vakio ny Jeremia 20:8, 9.) Nisy fotoana izy kivy be dia efa saika tsy hanohy intsony. Mbola nitory ihany anefa izy. Fa maninona? Satria hoatran’ny afo niredareda tao am-pony “ny tenin’i Jehovah”, dia tsy tanany mihitsy! Hoatr’izany koa no hitranga amintsika raha ny Tenin’Andriamanitra no mameno ny fontsika sy ny saintsika. Tena ilaina àry ny mianatra Baiboly isan’andro sy misaintsaina an’izay ianarantsika. Ho faly kokoa isika amin’izay, ary mety ho betsaka kokoa ny olona hihaino antsika.​—Jer. 15:16.

21. Inona no azonao atao rehefa kivy ianao?

21 Izao no nolazain’i Deborah, ilay voaresaka tetsy aloha: “Fitaovana tena mandaitra ampiasain’i Satana mba hamelezana antsika ny hakiviana.” Mahery lavitra noho i Satana sy izay fitaovana rehetra ampiasainy anefa i Jehovah. Rehefa kivy àry ianao, na inona na inona antony, dia mitalahoa amin’i Jehovah mba hampiany. Hanampy anao mba tsy hanamelo-tena be loatra izy. Hanohana anao koa izy rehefa marary ianao. Tsy izay ihany fa hanampy anao tsy halahelo be loatra izy, rehefa misy tombontsoam-panompoana tsy azonao. Hampiany koa ianao mba hanana toe-tsaina tsara ka hahavita hanompo foana. Aza misalasala àry fa tantarao amin’ilay Rainao be fitiavana daholo izay mahakivy anao. Matokia fa hanampy anao izy rehefa kivy ianao!

HIRA 41 Mba Henoy ny Vavaka Ataoko

^ feh. 5 Mety ho kivy daholo isika. Hodinihintsika ato hoe inona no azo atao rehefa mitranga izany. Ho hitantsika ato koa hoe afaka manampy antsika i Jehovah ka ho resintsika izany.

^ feh. 4 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 69 SARY: Kivy ny anabavy iray nandritra ny fotoana elaela. Misaintsaina ny fanompoana efa vitany anefa izy sady mivavaka amin’i Jehovah. Lasa matoky izy hoe tadidin’i Jehovah izay efa nataony taloha sy izay ataony amin’izao.