Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 15:29 ve midika hoe natao batisa ho an’ny maty ny Kristianina sasany tamin’izany?

Tsia. Na ny Baiboly na ny tantara dia tsy mampiseho hoe nanao an’izany ry zareo.

Fa maninona àry ny olona sasany no mieritreritra hoe nisy olona natao batisa ho an’ny maty tamin’ny andron’i Paoly? Ny fomba nandikana an’io andinin-teny io ao amin’ny Baiboly maro no mahatonga an’izany. Izao, ohatra, no andikana azy io ao amin’ny Baiboly Fandikan-teny Katolika: ‘Raha tsy mitsangana velively ny maty, nahoana ireny no atao batemy ho an’ny maty?’

Mariho anefa izay nolazain’ny manam-pahaizana anankiroa. Nilaza, ohatra, i Gregory Lockwood fa tsy misy porofo mihitsy ao amin’ny Baiboly na amin’ny tantara, hoe nisy olona natao batisa teo amin’ny toeran’ny olon-kafa efa maty. Izao koa no nosoratan’i Gordon Fee: “Tsy mbola nisy an’izany mihitsy teo amin’ny tantara, ary tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Tsy hita ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] mihitsy izany karazana batisa izany.” Nilaza koa izy fa tsy misy porofo hoe nanao an’izany ny Kristianina voalohany, na ny fiangonana niforona taoriana kelin’ny nahafatesan’ny apostoly.

Milaza ny Baiboly fa naniraka ny mpianany i Jesosy mba ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka hanao batisa azy ireny ary hampianatra azy ireny hitandrina an’izay rehetra nandidiany.’ (Mat. 28:19, 20) Tsy maintsy nianatra momba an’i Jehovah sy ny Zanany ny olona iray ary tsy maintsy nino sy nankatò azy ireo, izay vao azo natao batisa. Tsy afaka nanao an’ireo anefa ny olona efa maty sy tany am-pasana, ary tsy afaka nanao an’ireo teo amin’ny toerany koa ny Kristianina iray mbola velona.—Mpito. 9:5, 10; Jaona 4:1; 1 Kor. 1:14-16.

Inona àry no tian’i Paoly holazaina?

Nisy Korintianina tsy nino hoe mbola hatsangana ny maty, dia nasehon’i Paoly hoe diso hevitra ry zareo. (1 Kor. 15:12) Ahoana no nataony? Nohazavainy hoe na dia ‘notandindomin-doza isan’andro [aza] ny ainy’, dia natoky izy fa mbola hatsangana rehefa maty ka ho lasa fanahy mahery hoatran’i Jesosy.—1 Kor. 15:30-32, 42-44.

Tian’i Paoly ho azon’ny Korintianina hoe noho ry zareo voahosotra, dia hiatrika zava-tsarotra ry zareo isan’andro ary ho faty, izay vao hatsangana. Rehefa “natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy” mantsy ry zareo, dia “natao batisa ho amin’ny fahafatesany” koa. (Rom. 6:3) Midika izany hoe hitovy amin’izay nanjo an’i Jesosy no hanjo azy ireo, satria hiatrika zava-tsarotra ry zareo dia ho faty izay vao hatsangana mba ho any an-danitra.

Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny anankiroa, roa taona mahery taorian’ny nanaovana batisa azy tao anaty rano: ‘Hatao batisa amin’ny batisa izay efa anaovana batisa ahy ianareo.’ (Mar. 10:38, 39) Tsy batisa anaty rano no tiany horesahina. Te hilaza i Jesosy hoe ho faty izy amin’ny farany noho izy tsy mivadika amin’Andriamanitra. Nanoratra koa i Paoly hoe hijaly ny Kristianina voahosotra “mba homem-boninahitra”, hoatran’i Jesosy. (Rom. 8:16, 17; 2 Kor. 4:17) Tsy maintsy ho faty koa àry ry zareo, izay vao hatsangana ka hiaina any an-danitra.

Araka izany, dia izao no fomba marina tsara andikana an’ilay tenin’i Paoly: “Raha tsy izany, dia inona no soa ho azon’ireo atao batisa mba ho faty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana no atao batisa koa izy ireo mba ho faty?”