Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ity taona ity? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Ahoana no tokony hiheverantsika ny voahosotra?

Tena faly isika hoe manam-pinoana ny voahosotra. Tsy tokony hifantoka be loatra amin’izy ireo anefa isika. Tsy manindrahindra an’iza na iza mantsy isika. (Joda 16) Tsy manontanintany an-dry zareo momba ny fanantenany koa isika.​—w20.01, p. 29.

Nahoana ianao no tokony hatoky hoe tena mahita anao i Jehovah?

Hita ao amin’ny Baiboly hoe mbola tsy teraka akory ianao dia efa hitan’i Jehovah. Izy mihitsy no mihaino ny vavaka ataonao. Fantany izay any am-ponao sy any an-tsainao, ary mety hahafaly azy na hampalahelo azy izay ataonao. (1 Tan. 28:9; Ohab. 27:11) Izy mihitsy koa no nitaona anao hanompo azy.​—w20.02, p. 12.

Rahoviana, ohatra, isika no tokony hiteny ary rahoviana no tokony hangina?

Faly miresaka momba an’i Jehovah isika rehefa misy hirika hanaovana an’izany. Sahy miteny koa isika rehefa misy olona hitantsika hoe mety hidi-kizo amin’izay ataony. Ny anti-panahy indray tokony hiteny rehefa misy olona mila torohevitra. Tokony hangina kosa isika ka tsy hanontany na hampahafantatra tsipiriany momba ny asantsika any amin’ny tany misy fandrarana. Tsy mamoaka tsiambaratelo koa isika.​—w20.03, p. 20-21.

Inona no tsy mampitovy an’ireo valala resahin’ny Joela toko faha-​2 sy ireo valala resahin’ny Apokalypsy toko faha-​9?

Milaza ny Joela 2:20-29 hoe roahin’i Jehovah ireo valala, ary mampanantena izy fa hanonitra ny fahavoazana vokatry ny nataon’izy ireo. Aorian’izany dia handatsaka ny fanahiny i Jehovah. Tanteraka ny tsipiriany sasany amin’io faminaniana io rehefa nanafika ny Israely ny Babylonianina, fa ny tsipiriany hafa indray tatỳ aoriana vao tanteraka. Ny voahosotra amin’ny androntsika kosa no tiana horesahina amin’ny hoe valala, ao amin’ny Apokalypsy 9:1-11. Mitory ny didim-pitsaran’Andriamanitra ho an’ity tontolo ratsy ity izy ireo, ka mahatsiaro ho mijaly izay olona manohana an’ity tontolo ity.​—w20.04, p. 3-6.

Iza no “mpanjakan’ny avaratra” amin’izao andro izao?

I Rosia sy ny mpanohana azy. Mampahory ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo rehefa mandrara ny asa fitoriana sy mampiseho hoe mankahala azy ireo. Mifaninana amin’ny mpanjakan’ny atsimo io mpanjaka io.​—w20.05, p. 13.

Ireo toetra sivy ao amin’ny Galatianina 5:22, 23 ihany ve no “vokatry ny fanahy”?

Tsy izany. Manampy antsika hanana toetra tsara hafa koa ny fanahy masina, anisan’izany ny fahamarinana. (Efes. 5:8, 9)​—w20.06, p. 17.

Nahoana no ilaina ny mitandrina rehefa mametraka sary na soratra na video ao amin’ny tambazotran-tserasera?

Satria arakaraka izay ataonao ao no mety hahatonga ny olona hieritreritra hoe te hisehoseho ianao fa tsy manetry tena.​—w20.07, p. 6-7.

Inona no ianaran’ny mpitory avy amin’ny mpanarato mahay?

Amin’ny fotoana sy any amin’ny toerana mora ahitana trondro ry zareo no manarato. Mahay mampiasa fitaovana fanaratoana ry zareo satria efa nampiofanina. Be herim-po koa ry zareo dia miasa foana na ratsy aza ny andro. Afaka manao hoatran’izany koa isika rehefa manompo.​—w20.09, p. 5.

Ahoana no hanampiana ny mpianatra Baiboly ho tia kokoa an’i Jehovah?

Ampirisiho izy hamaky Baiboly isan’andro sy hisaintsaina an’izay vakiny. Ampianaro hivavaka koa izy.​—w20.11, p. 4.

Iza no anisan’ireo ‘rehetra ho velona ao amin’i Kristy’?—1 Kor. 15:22.

Tsy te hilaza akory ny apostoly Paoly hoe hatsangana amin’ny maty daholo ny olombelona rehetra. Anisan’ilay “rehetra” tiany horesahina tamin’io ny Kristianina voahosotra, izany hoe ireo olona “nohamasinina tao amin’i Kristy Jesosy.” (1 Kor. 1:2; 15:18)​—w20.12, p. 5-6.

‘Hovana ao anatin’ny indray mipy maso’ ny voahosotra, rehefa maneno ny trompetra farany. Inona no hataon’izy ireo aorian’izay?​—1 Kor. 15:51-53.

Hiaraka amin’i Kristy izy ireo ka handringana an’ireo firenena amin’ny tehim-by. (Apok. 2:26, 27)—w20.12, p. 12-13.