Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 48

“Aoka ho Masina Ianareo”

“Aoka ho Masina Ianareo”

‘Aoka ho masina ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra.’​—1 PET. 1:15.

HIRA 34 Tsy Hivadika Mandrakizay Aho

HO HITANAO ATO *

1. Inona no torohevitra nomen’i Petera, ary nahoana no mety hieritreritra isika hoe tsy ho vitantsika izany?

 HAHASOA antsika ny mandinika ny torohevitra nomen’ny apostoly Petera ho an’ny voahosotra tamin’ny taonjato voalohany, na manantena ho any an-danitra isika na manantena hiaina eto an-tany. Hoy izy: “Masina ilay niantso anareo, ka aoka ho masina koa ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra, fa voasoratra hoe: ‘Aoka ho masina ianareo, satria masina aho.’” (1 Pet. 1:15, 16) Hitantsika eo hoe afaka manahaka an’i Jehovah isika. Izy no modely tsara indrindra amin’ny fahamasinana. Afaka ny hanana fitondran-tena masina isika, ary tsy maintsy miezaka hanana an’izany. Mety hieritreritra isika hoe tsy ho vita mihitsy izany satria isika tsy lavorary. Na i Petera aza anefa nahavita nanana fitondran-tena masina, na dia nanao fahadisoana imbetsaka aza. Afaka ny ho “masina” koa àry isika.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Handinika an’ireto fanontaniana ireto isika ato: Inona no atao hoe masina? Inona no resahin’ny Baiboly momba ny fahamasinan’i Jehovah? Inona no hanampy antsika mba hanana fitondran-tena masina? Inona no ifandraisan’ny fahamasinana sy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah?

INONA NO ATAO HOE MASINA?

3. Ahoana no fiheveran’ny olona maro ny hoe masina? Aiza anefa no ahitantsika ny tena dikan’izany?

3 Inona no tonga ao an-tsain’ny olona rehefa maheno an’ilay teny hoe masina? Betsaka no mieritreritra hoe matotra be foana ny olona masina ary tsy mitsiky mihitsy. Any amin’ny tany sasany indray, dia mpitondra fivavahana manao akanjo miavaka no tonga ao an-tsaina. Tsy hoatr’izany anefa no atao hoe masina. Resahin’ny Baiboly, ohatra, fa “Andriamanitra falifaly” i Jehovah nefa izy masina. (1 Tim. 1:11) Voalaza ao hoe “sambatra”, na falifaly, ny olona manompo azy. (Sal. 144:15) Nomelohin’i Jesosy koa ny mpitondra fivavahana nanao akanjo miavaka be, sy nanao zavatra tsara mba ho hitan’ny olona fotsiny. (Mat. 6:1; Mar. 12:38) Ny tena Kristianina kosa mahafantatra ny atao hoe masina, satria mandinika an’izay lazain’ny Baiboly. Resy lahatra isika hoe masina sy be fitiavana Andriamanitra, ka tsy handidy antsika hanao zavatra tsy ho vitantsika mihitsy. Tsy misalasala àry isika hoe ho vitantsika ny hanatanteraka an’ilay tenin’i Jehovah hoe: “Aoka ho masina ianareo.” Mazava ho azy anefa fa tsy afaka ny hanana fitondran-tena masina isika, raha tsy haintsika akory ny dikan’ny hoe masina.

4. Inona no dikan’ny hoe “fahamasinana”?

4 Ny hoe “fahamasinana” ao amin’ny Baiboly dia ilazana an’izay masina, izany hoe madio fitondran-tena sy madio eo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Mety hidika koa izy io hoe voatokana mba hanompo an’Andriamanitra. Azo lazaina hoe masina àry isika raha madio fitondran-tena, manompo an’Andriamanitra araka ny tokony ho izy, ary mifandray akaiky aminy. Rehefa jerena izay lazain’ny Baiboly momba ny fahamasinan’i Jehovah, dia mahavariana hoe avelany hifandray akaiky aminy isika olombelona na dia tsy lavorary aza.

“MASINA, MASINA, MASINA I JEHOVAH”

5. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’izay nolazain’ny anjely tsy mivadika?

5 Madio tanteraka amin’ny lafiny rehetra i Jehovah. Manaporofo an’izany izay nolazain’ny serafima sasany momba azy. Anjely eo akaikin’ny seza fiandrianan’i Jehovah ny serafima. Izao no nolazain’izy ireo: “Masina, masina, masina i Jehovah Tompon’ny tafika!” (Isaia 6:3) Mazava ho azy fa masina koa ny anjely, satria tsy maintsy masina ry zareo raha te hifandray akaiky amin’ilay Andriamanitra masina. Vao nisy anjelin’i Jehovah fotsiny àry teo amin’ny toerana iray teto an-tany, dia lasa masina ilay toerana. Izany, ohatra, no nitranga tamin’i Mosesy teo amin’ilay voaroy nirehitra.​—Eks. 3:2-5; Jos. 5:15.

Izao no soratra teo amin’ilay takelaka volamena tamin’ny satroka lamban’ny mpisoronabe: “An’i Jehovah ny fahamasinana” (Fehintsoratra 6-7)

6-7. a) Ahoana no nanantitranteran’i Mosesy hoe masina Andriamanitra, araka ny Eksodosy 15:1, 11? b) Inona no nampahatsiahy ny Israelita hoe masina Andriamanitra? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

6 Rehefa avy nitarika ny Israelita hiampita ny Ranomasina Mena i Mosesy, dia nantitranteriny tamin-dry zareo hoe masina i Jehovah Andriamanitra. (Vakio ny Eksodosy 15:1, 11.) Tsy hoatr’izany anefa ny andriamanitra notompoin’ny olon-kafa, ohatra hoe ny Ejipsianina sy ny Kananita. Vokatr’izany, dia lasa tsy masina koa izay nanompo an’ireny andriamanitra ireny. Nanao sorona ankizy, ohatra, ny Kananita ary tena naloto fitondran-tena. (Lev. 18:3, 4, 21-24; Deot. 18:9, 10) I Jehovah kosa tsy mitaky ny mpanompony mba hanao zavatra manambany an-dry zareo. Masina tanteraka izy. Manaporofo an’izany ny soratra teo amin’ilay takelaka volamena teo amin’ny satroka lamban’ny mpisoronabe. Izao no soratra teo amin’izy io: “An’i Jehovah ny fahamasinana.”​—Eks. 28:36-38.

7 Izay nahita ny soratra teo amin’io takelaka io, dia nahazo toky hoe tena masina i Jehovah. Ahoana anefa raha tsy nahita azy io ny Israelita iray satria tsy afaka nanatona ny mpisoronabe izy? Mbola ho fantany ihany ve hoe masina i Jehovah? Ie! Naheno an’izany mantsy ny Israelita tsirairay, na lehilahy na vehivavy na ankizy, rehefa novakina tamin-dry zareo ny Lalàna. (Deot. 31:9-12) Raha teo ianao tamin’izany, dia ho naheno an’ireto teny ireto: “Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. ... Aoka ho masina ianareo, satria masina aho.” “Aoka ho masina eo anatrehako ianareo, satria izaho Jehovah dia masina.”​—Lev. 11:44, 45; 20:7, 26.

8. Nahoana no tokony hahaliana antsika ny Levitikosy 19:2 sy ny 1 Petera 1:14-16?

8 Andao isika handinika ny teny nolazain’i Jehovah hoe tokony hovakina tamin’ny Israelita rehetra, ao amin’ny Levitikosy 19:2. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mitenena amin’ny vahoaka manontolo, dia ny zanak’Israely hoe: ‘Aoka ho masina ianareo, satria masina izaho Jehovah Andriamanitrareo.’” Namerina ny voalazan’io andinin-teny io angamba i Petera, tamin’izy nampirisika ny Kristianina mba ho “masina.” (Vakio ny 1 Petera 1:14-16.) Mazava ho azy fa tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy isika. Hamafisin’ireo tenin’i Petera ireo anefa ny voalazan’ny Levitikosy 19:2 hoe masina i Jehovah, ary mila miezaka mafy mba ho masina izay tia azy. Mila miezaka daholo isika rehetra, na manantena ho any an-danitra na manantena hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany.​—1 Pet. 1:4; 2 Pet. 3:13.

“AOKA HO MASINA ... IANAREO AMIN’NY FITONDRAN-TENA REHETRA”

9. Nahoana isika no handray soa raha mandinika ny Levitikosy toko faha-​19?

9 Ahoana no hatao mba ho masina? Tena tiantsika ho fantatra izany satria isika te hampifaly an’ilay Andriamanitra masina. Manome torohevitra momba an’izany i Jehovah. Anisan’izany ilay ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19. Hoy i Marcus Kalisch, manam-pahaizana momba ny teny hebreo: “Io toko miavaka io angamba no manan-danja indrindra sy ahitana fanazavana be indrindra ao amin’ny bokin’ny Levitikosy, raha tsy ao amin’ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly mihitsy aza.” Andao àry isika handinika andinin-teny vitsivitsy ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19. Rehefa handinika an’ireo isika, dia tadidio ny teny fampidirana azy io hoe: “Aoka ho masina ianareo.” Ho hitantsika amin’izany izay azontsika atao raha te ho masina isika eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Inona no tokony hoeritreretin’ny Kristianina rehefa mandinika ny didy momba ny ray aman-dreny ao amin’ny Levitikosy 19:3? (Fehintsoratra 10-12) *

10-11. Inona no tokony hataontsika, araka ny Levitikosy 19:3? Nahoana izany no tena ilaina?

10 Izao no nolazain’i Jehovah rehefa avy niteny tamin’ny Israelita izy hoe tokony ho masina izy ireo: [Hajao] ny reninao sy ny rainao. ... Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.”​—Lev. 19:2, 3.

11 Tena tokony ho zava-dehibe amintsika àry ny hoe manaja ny ray aman-drenintsika. Tadidinao ve rehefa nisy lehilahy nanontany an’i Jesosy hoe: “Inona no tsara tsy maintsy ataoko mba hahazoako fiainana mandrakizay?” Nisy zavatra maromaro nasain’i Jesosy nataony, anisan’izany ny hoe manaja ny rainy sy ny reniny. (Mat. 19:16-19) Nanameloka ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna mihitsy aza i Jesosy, satria ry zareo nitady tetika mba tsy hikarakarana ny ray aman-dreniny. Nataon-dry zareo “tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra” vokatr’izany. (Mat. 15:3-6) Anisan’ny “tenin’Andriamanitra” ny didy fahadimy amin’ny Didy Folo sy ilay hitantsika ao amin’ny Levitikosy 19:3. (Eks. 20:12) Aza hadinoina koa hoe mifandray amin’ny fahamasinana ilay didy ao amin’ny Levitikosy 19:3. Vao avy niteny mantsy i Jehovah tamin’izay hoe: “Aoka ho masina ianareo, satria masina izaho Jehovah Andriamanitrareo.”

12. Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika, rehefa avy mandinika ny torohevitra ao amin’ny Levitikosy 19:3?

12 Rehefa avy mandinika an’ilay didin’i Jehovah hoe tokony hanaja ray aman-dreny ianao, dia afaka mieritreritra hoe: ‘Manao tsara an’izany ve aho?’ Raha hitanao hoe tsy tena nahavita an’izany ianao taloha, dia afaka miezaka ianao manomboka izao. Tsy afaka manova ny lasa ianao, nefa afaka miezaka mafy mba hampitombo ny fotoana hiarahanao amin’ny ray aman-dreninao sy hanampiana an-dry zareo. Sao dia misy zavatra fanampiny azonao atao, ohatra, mba hikarakarana an’izay ilain-dry zareo sy hanampiana an-dry zareo hifandray akaiky amin’i Jehovah foana? Afaka mampahery azy ireo kokoa ve ianao? Mampihatra ny Levitikosy 19:3 ianao raha manao an’ireo.

13. a) Inona koa ny torohevitra hitantsika ao amin’ny Levitikosy 19:3? b) Ahoana no azontsika anahafana an’izay nataon’i Jesosy ao amin’ny Lioka 4:16-18?

13 Misy lesona hafa momba ny fahamasinana koa ao amin’ny Levitikosy 19:3. Miresaka momba ny Sabata izy io. Marina fa tsy voatery hitandrina ny Sabata isan-kerinandro ny Kristianina satria tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Andraisantsika lesona anefa izay nataon’ny Israelita tamin’ny Sabata sy ny soa noraisin-dry zareo tamin’izany. Tsy tokony hanao ny asa fanaony ry zareo amin’io andro io, fa hifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. * Izany no nahatonga an’i Jesosy hankany amin’ny synagoga tao amin’ny tanàna nisy azy rehefa Sabata, dia namaky ny Tenin’Andriamanitra. (Eks. 31:12-15; vakio ny Lioka 4:16-18.) Inona àry no ianarantsika avy amin’ilay didin’Andriamanitra ao amin’ny Levitikosy 19:3 hoe: “Tandremo ny sabatako”? Mila manajanona kely ny asa aman-draharaha isika isan’andro mba hanaovana zavatra ara-panahy. Efa manao an’izany ve ianao sa hitanao hoe misy azo hatsaraina? Hinamana tsara amin’i Jehovah ianao raha manokana fotoana foana mba hanaovana zavatra ara-panahy. Tena ilaina izany raha te ho masina.

MIEZAHA HINAMANA KOKOA AMIN’I JEHOVAH

14. Inona no hevitra lehibe antitranterina ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19?

14 Afaka manampy antsika mba ho masina foana ny hevitra iray averimberina ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19. Izao no voalaza eo amin’ny faran’ny andininy faha-​4: “Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.” Miverina in-16 ao amin’io toko io izany hevitra izany, ary mampahatsiahy antsika ny didy voalohany amin’ny Didy Folo hoe: “Izaho no Jehovah Andriamanitrao ... Aza manana andriamani-kafa hifandrafy amiko.” (Eks. 20:2, 3) Midika izany fa izay Kristianina te ho masina, dia tsy maintsy mitandrina mba tsy hisy zavatra na olona lasa zava-dehibe kokoa aminy noho ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Tapa-kevitra koa isika hoe tsy hanao zavatra hanala baraka ny anarana masin’i Jehovah mihitsy, satria isika mitondra ny anarany sady Vavolombelony.​—Lev. 19:12; Isaia 57:15.

15. Inona no tokony ho vokany rehefa mahita ny toromarika momba ny sorona ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19 isika?

15 Ahoana no nampisehoan’ny Israelita fa manaiky ry zareo hoe i Jehovah no Andriamaniny? Nankatò an’ireo lalàna nomeny ry zareo. Hoy ny Levitikosy 18:4: “Ny didim-pitsarako no tokony hampiharinareo, ary ny lalàko no hotandremanareo sy hankatoavinareo. Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.” Hita ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19 ny sasany amin’ireo ‘lalàna’ ireo. Miresaka momba ny sorona biby, ohatra, ny andininy faha-​5 ka hatramin’ny faha-​8 ary ny andininy faha-​21 sy faha-​22. Tsy maintsy nitandrina mba tsy ‘hanazimbazimba zava-masin’i Jehovah’ ny Israelita, rehefa nanao an’ireny sorona ireny. Inona no tokony ho vokany rehefa mamaky an’ireo andininy ireo isika? Lasa te hampifaly an’i Jehovah isika ary te hanolotra sorona fiderana ankasitrahany. Izany no ampirisihina hataontsika ao amin’ny Hebreo 13:15.

16. Inona ao amin’ny Levitikosy toko faha-​19 no mampahatsiahy antsika hoe tsy mitovy ny olona manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy?

16 Tsy maintsy vonona hiavaka amin’ny olona isika raha te ho masina. Mety ho sarotra anefa izany. Mety hanery antsika hanao zavatra tsy ankasitrahan’i Jehovah mantsy ny olona sasany, ka ho voahelingelina ny fanompoantsika azy. Mety ho mpiara-mianatra no hanao an’izany, na mpiara-miasa, na havana tsy Vavolombelona, na olon-kafa. Misy fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy raisintsika rehefa mitranga izany. Inona no hanampy antsika hanao safidy tsara? Misy toro lalana mahaliana ao amin’ny Levitikosy 19:19. Izao no lazainy ao: “Aza manao akanjo vita amin’ny kofehy roa karazana niara-notenomina.” Niavaka tamin’ny firenena nanodidina an-dry zareo ny Israelita rehefa nankatò an’io lalàna io. Ary isika? Tsy fady antsika aloha ny manao akanjo vita amina karazan-damba samy hafa e! Ahoana kosa no azontsika ampiharana an’io toro lalana io? Tsy manaraka ny fanaon’ny olona sy izay inoany isika, rehefa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ilay izy. Tsy manahaka azy ireny isika na dia mpiara-mianatra amintsika aza izy, na mpiara-miasa, na havana. Marina fa efa voajanahary ny hoe miraiki-po amin’ny fianakaviana. Maneho fitiavana amin’ny mpiara-belona koa isika. Asehontsika amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika anefa hoe mankatò an’i Jehovah isika, na dia mahatonga antsika hiavaka amin’ny olon-kafa aza izany. Ny hoe masina mantsy dia midika koa hoe voatokana ho an’Andriamanitra.​—2 Kor. 6:14-16; 1 Pet. 4:3, 4.

Inona no nianaran’ny Israelita avy tamin’ny Levitikosy 19:23-25? Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo? (Fehintsoratra 17-18) *

17-18. Inona no lesona sarobidy ianarantsika avy amin’ny Levitikosy 19:23-25?

17 Ilay hoe “izaho no Jehovah Andriamanitrareo” dia nampahatsiahy ny Israelita hoe ny fifandraisany amin’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra aminy. Mampiseho fomba iray azon-dry zareo anaovana an’izany ny Levitikosy 19:23-25. (Vakio.) Resahiny ao ny tokony hataon’ny Israelita rehefa tafiditra ao amin’ny Tany Nampanantenaina. Raha namboly hazo fihinam-boa izy, dia tsy tokony hihinana ny vokatra avy amin’izy io nandritra ny telo taona. Izay vokatra azony amin’ny taona fahefatra kosa dia hatokany hampiasaina any amin’ny toerana masina, izany hoe ny toerana fanompoana an’i Jehovah. Tamin’ny taona fahadimy izy vao afaka nihinana ny vokatra avy amin’izy io. Nampahatsiahy ny Israelita io lalàna io hoe tsy izay ilainy no tokony hoeritreretiny voalohany. Ny fanompoana an’i Jehovah kosa no tokony hataon-dry zareo voalohany, ary tokony hatoky ry zareo hoe hanome an’izay ilainy izy. Tsy maintsy hataon’i Jehovah mahazo sakafo ampy tsara foana ry zareo. Nampirisihiny koa ry zareo mba hanome fanomezana be dia be tany amin’ny toerana masina.

18 Mampahatsiahy antsika an’ilay tenin’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra ny lalàna voaresaka ao amin’ny Levitikosy 19:23-25. Izao no nolazainy: ‘Aza manahy intsony ny amin’izay hohaninareo na izay hosotroinareo. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.’ Ny vorona aza omen’Andriamanitra an’izay ilainy, mainka fa isika! (Mat. 6:25, 26, 32) Matoky isika hoe hikarakara antsika i Jehovah. Manome zavatra ho “fiantrana ny mahantra” koa isika, ary tsy ampahafantarintsika ny hafa izany. Mailaka koa isika hanao fanomezana mba handraisana anjara amin’ny fandanian’ny fiangonana. Tsikaritr’i Jehovah rehefa malala-tanana hoatr’izany isika, ary hamaly soa antsika izy. (Mat. 6:2-4) Asehontsika amin’izany hoe azontsika tsara ny lesona avy amin’ny Levitikosy 19:23-25.

19. Inona ny soa noraisinao rehefa avy nandinika ny Levitikosy toko faha-19?

19 Vao ampahany kely tamin’ny Levitikosy toko faha-​19 no nodinihintsika tato. Hitantsika tamin’izany hoe inona no azontsika atao mba ho hoatran’ilay Andriamanitra masina isika. Manahaka azy isika ka miezaka ho ‘masina amin’ny fitondran-tena rehetra.’ (1 Pet. 1:15) Betsaka amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah no nahita hoe tsara fitondran-tena isika. Lasa nidera an’i Jehovah mihitsy ny sasany tamin’izy ireny vokatr’izany. (1 Pet. 2:12) Mbola betsaka anefa no azo ianarana avy amin’ny Levitikosy toko faha-​19. Handinika andinin-teny hafa ao amin’io toko io isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Ho hitantsika amin’izany izay mbola azontsika atao mba hampiharana an’ilay tenin’i Petera hoe: “Aoka ho masina ianareo.”

HIRA 80 “Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah”

^ Tena tia an’i Jehovah isika ary te hampifaly azy. Masina izy ary tiany ho hoatr’izany koa ny mpanompony. Afaka ny ho masina ve anefa isika na dia tsy lavorary aza? Izany mihitsy! Afaka ny ho masina amin’ny fitondran-tena rehetra isika. Ahoana no hahavitana an’izany? Hanampy antsika ny torohevitra nomen’ny apostoly Petera ho an’ny mpiray finoana taminy sy ny toromarika nomen’i Jehovah ny Israelita.

^ Te hahafantatra kokoa momba ny Sabata sy izay azo ianarana avy amin’izany ve ianao? Jereo ilay lahatsoratra hoe “Misy Fotoana Iasana ary Misy Fotoana Akana Aina”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Desambra 2019.

^ SARY: Lehilahy iray manokana fotoana ho an’ny ray aman-dreniny. Entiny mitsidika an-dry zareo koa ny vady aman-janany. Tsy izay ihany fa miezaka mifampiresaka amin-dry zareo matetika izy.

^ SARY: Israelita iray mijery ny vokatra amin’ny hazo namboleny.