Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahafinaritra ve ny Miara-miasa Aminao?

Mahafinaritra ve ny Miara-miasa Aminao?

“MPIASA tena mahay teo anilany aho. ... Falifaly foana aho teo anatrehany.” (Ohab. 8:30) Izany no lazain’ny Baiboly momba ny Zanak’Andriamanitra. Efa niara-niasa nandritra ny taona maro ry zareo, talohan’ny nankanesan’i Jesosy tetỳ an-tany. Resahin’io andinin-teny io koa anefa hoe “falifaly” i Jesosy rehefa niara-niasa tamin’Andriamanitra.

Nianatra toetra tsara be dia be i Jesosy tany an-danitra. Izany no nahatonga ny olona ho faly erỳ niara-niasa taminy, rehefa tetỳ an-tany izy. Inona no hanampy antsika hanahaka azy? Raha mandinika tsara ny modely nomeny isika, dia hahita toro lalana telo hanampy antsika hahay hiara-miasa tsara amin’ny hafa sy hiray saina kokoa.

Manahafa an’i Jehovah sy Jesosy ka zarao izay fahalalana na traikefa anananao

1) ILAINA NY ‘MIFANOME VONINAHITRA’

Manetry tena ny mpiara-miasa mahafinaritra, ka mihevitra ny mpiara-miasa aminy ho sarobidy ary tsy mampideradera fahaizana. Nianatra an’izany toetra tsara izany tamin’ny Rainy i Jesosy. I Jehovah irery, ohatra, no mendrika ny hantsoina hoe Mpamorona. Nampahafantariny ny hafa anefa fa tena zava-dehibe ny asa nataon’ny Zanany. Manaporofo an’izany ilay teniny hoe: “Andeha isika hanao olona araka ny endritsika.” (Gen. 1:26) Azo antoka fa hitan’i Jesosy tamin’ireo teny ireo hoe manetry tena i Jehovah.​—Sal. 18:35.

Nanetry tena hoatr’izany koa i Jesosy tetỳ an-tany. Rehefa nahavita zavatra tsara, ohatra, izy ka nisy nidera dia Andriamanitra foana no nomeny voninahitra. (Mar. 10:17, 18; Jaona 7:15, 16) Niezaka nihavana tamin’ny mpianany foana koa izy, ary noraisiny ho namana ry zareo fa tsy nataony hoatran’ny mpanompo. (Jaona 15:15) Nanasa ny tongotr’izy ireo mihitsy izy mba hampianarana an-dry zareo hanetry tena. (Jaona 13:5, 12-14) Tokony hihevitra ny mpiara-miasa amintsika ho sarobidy koa isika, ary tsy hieritreritra hoe izay mahasoa antsika no zava-dehibe kokoa noho izay mahasoa azy. Betsaka kokoa ny zava-bita rehefa ‘mifanome voninahitra’ isika sady tsy miasa saina hoe iza no hahazo dera amin’ilay asa atao.—Rom. 12:10.

Miaiky koa ny olona manetry tena hoe: “Tanteraka ny fikasana ... raha maro ny mpanolo-tsaina.” (Ohab. 15:22) Na mahay sy be traikefa hoatran’ny inona aza isika, dia tsy maintsy mitadidy hoe tsy misy olombelona tapi-pahaizana. Na i Jesosy aza niteny hoe misy zavatra tsy hainy. (Mat. 24:36) Nahaliana azy koa ny hevitry ny mpianany, na dia tsy lavorary aza ry zareo. (Mat. 16:13-16) Tsy mahagaga raha nahazo aina ny olona niara-niasa taminy. Tokony hanetry tena hoatr’izany isika, ka hitadidy hoe voafetra ihany ny zavatra haintsika. Ilaina koa ny mamela ny hafa haneho ny heviny. Inona no ho vokany raha manao an’ireo isika? Hihavana tsara amin’ny mpiara-miasa amintsika isika, ka ho “tanteraka” izay nokasaintsika hatao.

Ny anti-panahy no tena mila manahaka an’i Jesosy rehefa miara-miasa. Mila mitadidy ry zareo hoe afaka miasa amin’ny anti-panahy rehetra ny fanahy masina, na iza na iza. Mandritra ny fivorian’ny anti-panahy koa, dia tokony hiezaka ny tsirairay mba hahatonga ny hafa hahatsapa hoe samy afaka maneho ny heviny daholo. Raha manao an’izany ry zareo, dia tena hahasoa ny fiangonana ny fanapahan-kevitra raisiny.

2) “AOKA HO FANTATRY NY REHETRA FA MAHAY MANDANJALANJA IANAREO”

Mahafinaritra koa ny miara-miasa amin’ny olona mahay mandanjalanja. Tsy miziriziry amin’ny heviny izy ary mahay mandefitra. Azo antoka fa imbetsaka i Jesosy no nahita hoe hoatr’izany ny Rainy. Nandefa azy tetỳ an-tany, ohatra, izy mba hanavotana ny olombelona amin’ny fahafatesana, na dia mendrika ny ho faty aza ry zareo.​—Jaona 3:16.

Nandefitra koa i Jesosy rehefa hitany hoe mety sy nilaina izany. Tadidinao ve, ohatra, fa nanampy vehivavy fenisianina iray izy, nefa izy nirahina ho any amin’ny taranak’Israely? (Mat. 15:22-28) Nahay nandanjalanja koa izy ka tsy nitaky be loatra tamin’ny mpianany. Vonona hamela ny helok’i Petera, ohatra, izy na dia nanda azy teny imason’olona aza io namany akaiky io. Nomeny andraikitra lehibe mihitsy aza i Petera tatỳ aoriana. (Lioka 22:32; Jaona 21:17; Asa. 2:14; 8:14-17; 10:44, 45) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony handefitra sy tsy hiziriziry amin’ny hevitsika isika. Ho hitan’ny rehetra amin’izany fa “mahay mandanjalanja” isika.​—Fil. 4:5.

Hiezaka hiova arakaraka izay ilaina koa isika raha mahay mandanjalanja, ka ho afaka hifandray tsara amin’ny karazan’olona rehetra. Izany no nataon’i Jesosy. Nendrikendrehin’ny fahavalony mihitsy aza izy hoe “naman’ny mpamory hetra sy ny mpanota” nihaino azy. (Mat. 11:19) Tsara fanahy be foana mantsy izy ka nahavita nifandray tsara tamin’izy ireny, dia lasa nialonan’ny fahavalony. Inona no hanampy anao hanahaka azy? Diniho ny nataon’ny rahalahy antsoina hoe Louis. Niara-niasa tamin’ny olona isan-karazany izy tamin’izy mpiandraikitra ny faritra sy nanompo tao amin’ny Betela. Izao no nolazainy: “Hoatran’ny hoe manangana rindrina vato isika rehefa miara-miasa amin’ny olona maromaro. Tsy mitovy anefa ny olona, hoatran’ny vato tsirairay tsy mitovy koa. Tsy maintsy amboarina àry ny toeran’izy ireny, izay vao hahitsy ilay rindrina.” Hoatr’izany no ataon’i Louis. Jereny izay andraikitra mifanentana amin’ny rahalahy na anabavy iray, dia izay no ampanaoviny azy. Hoy ihany izy: “Miezaka manitsy an’izay azoko ahitsy avy atỳ amiko koa aho mba hahafahako hiara-miasa tsara amin’ny hafa.” Tsy hitanao hoe tsara ve izany toe-tsainy izany?

Mizara an’izay fanazavana ilain’ny hafa na mety hanampy azy isika, fa tsy matahotra hoe sao dia hahay noho isika ry zareo na haka ny toerantsika

Tena ilaina ny mahay mandanjalanja rehefa miaraka amin’ny fiangonana. Azo atao tsara, ohatra, izany rehefa manompo miaraka amin’ny andia-mpitory. Mety hoe mpitory tsy mitovy taona aminao na tsy mitovy andraikitra ara-pianakaviana aminao no asaina hiaraka aminao. Ahoana no hampisehoanao hoe mahay mandanjalanja ianao? Afaka manova ny hafainganam-pandehanao, ohatra, ianao na manao karazana fitoriana hafa mba hahatonga an’ilay namanao hankafy kokoa ny fanompoana.

3) MIEZAHA HO “VONON-KIZARA”

Mahafinaritra ny miara-miasa amin’ny olona “vonon-kizara.” (1 Tim. 6:18) Azo antoka fa voamarik’i Jesosy hoe tsy mba nanafinafina i Jehovah rehefa niara-niasa ry zareo. Navelan’i Jehovah hanatrika “teo”, ohatra, i Jesosy tamin’izy “nanao ny lanitra”, dia lasa afaka nianatra avy aminy io Zanany io. (Ohab. 8:27) Tia nizara koa i Jesosy. Noresahiny tamin’ny mpianany, ohatra, izay ‘reny avy tamin’ny Rainy.’ (Jaona 15:15) Tokony hanahaka azy isika, ka ho vonona hizara fahalalana sy traikefa amin’izay miara-miasa amintsika. Mizara an’izay fanazavana ilain’ny hafa na mety hanampy azy isika, fa tsy matahotra hoe sao dia hahay noho isika ry zareo na haka ny toerantsika. Hahafinaritra ny miara-miasa amintsika amin’izay. Faly aza isika mampita an’izay zavatra tsara nianarantsika.

Azo atao koa ny milaza teny mampahery ny mpiara-miasa amintsika. Tsy falifaly ve, ohatra, ianao rehefa misy olona mahatsikaritra ny ezaka ataonao, ary misaotra anao amin’ny fo manontolo? Naka fotoana i Jesosy mba hilazana tamin’ny mpiara-miasa taminy hoe inona ny toetra tsara hitany tamin-dry zareo. (Ampitahao amin’ny Matio 25:19-23; Lioka 10:17-20.) Nilaza tamin-dry zareo mihitsy aza izy hoe “hanao asa lehibe noho” ny nataony ry zareo. (Jaona 14:12) Nidera ny apostoliny tsy nivadika koa izy ny alina talohan’ny hahafatesany, ka nilaza hoe: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy.” (Lioka 22:28) Azo antoka fa nanohina ny fon-dry zareo izany tenin’i Jesosy izany, ka vao mainka ry zareo niezaka. Maninona àry raha maka fotoana mba hiderana ny mpiara-miasa aminao? Ho faly kokoa ry zareo amin’izay ary mety hahavita asa betsaka kokoa.

AZO ATAO TSARA IZANY!

Izao no nolazain’ny rahalahy antsoina hoe Kayode: “Tsy voatery ho lavorary ianao vao hahafinaritra ny miara-miasa aminao. Mahafinaritra kosa ny miara-miasa amin’ny olona iray, raha manao izay hahafalifaly ny hafa izy sady manao izay hahamaivamaivana ny asan-dry zareo.” Hoatr’izany ve ianao? Maninona raha manontany ny hevitry ny mpiara-manompo sasany? Nahafinaritra ny mpianatr’i Jesosy ny niara-niasa taminy. Raha hoatr’izany koa no fahitan’ny rahalahy sy anabavy anao, dia ho afaka hiteny hoatran’ny apostoly Paoly ianao hoe: ‘Mpiara-miasa mba hahazoanareo fifaliana izahay.’​—2 Kor. 1:24.