Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 52

Ampio ny Hafa Hiaritra Rehefa ao Anatin’ny Sarotra

Ampio ny Hafa Hiaritra Rehefa ao Anatin’ny Sarotra

“Aza misalasala manao soa amin’izay tokony hanaovan-tsoa, raha mbola azonao atao ihany ny manampy.”​—OHAB. 3:27.

HIRA 103 Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

HO HITANAO ATO a

1. Ahoana matetika no amalian’i Jehovah ny vavaky ny mpanompony?

 FANTATRAO ve hoe afaka mampiasa anao i Jehovah mba hamaliana ny vavaka avy amin’ny fo ataon’ny olona iray? Marina foana izany na anti-panahy ianao, na mpikarakara fiangonana, na mpisava lalana, na mpitory. Mbola marina izany na antitra ianao na tanora, ary na rahalahy na anabavy. Rehefa mitalaho fanampiana amin’i Jehovah ny olona tia azy, dia matetika io Andriamanitsika io no mampiasa ny anti-panahy sy ny mpanompony tsy mivadika hafa mba ‘hanampy sy hankahery’ an’ilay olona. (Kol. 4:11) Tombontsoa be ny hoe afaka manompo an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo hoatr’izany! Mety ho afaka hanao an’izany isika rehefa misy valanaretina, na loza, na fanenjehana.

AMPIO NY HAFA REHEFA MISY VALANARETINA

2. Nahoana no mety ho sarotra ny hanampy ny hafa rehefa misy valanaretina?

2 Mety ho sarotra ny hifanampy rehefa misy valanaretina. Te hitsidika ny namantsika, ohatra, isika nefa mety hampidi-doza izany. Mety te hanasa olona hisakafo miaraka amintsika koa isika, satria sahirana ara-bola ry zareo. Mbola tsy azo atao koa anefa izany. Tsy te hijery fotsiny an-dry zareo isika, nefa tsy afa-manoatra satria na ny fianakaviantsika koa aza marary na sahirana. Na izany aza, dia te hanampy ny mpiara-manompo isika sady faly i Jehovah rehefa manao an’izany araka izay tratra isika. (Ohab. 3:27; 19:17) Inona àry no azontsika atao?

3. Inona no ianarantsika avy amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonan-dry Diana? (Jeremia 23:4)

3 Inona no azon’ny anti-panahy atao? Fantaro tsara ny ondry. (Vakio ny Jeremia 23:4.) Izao no nolazain’i Diana, ilay anabavy voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha: “Efa niara-nanompo tamiko sy tamin’ny olon-kafa ny anti-panahy tao amin’ny andia-mpitorinay sady efa niara-niala voly taminay.” b Mora kokoa tamin’ireo mpiandry ireo àry ny nanampy an’i Diana, rehefa nanomboka ny COVID-19 ka maty ny havany sasany.

4. Nahoana ny anti-panahy no nahavita nanampy an’i Diana, ary inona no azo ianarana avy amin’izany?

4 Izao no nolazain’i Diana: “Efa lasa namako ny anti-panahy, dia mora tamiko ny nilaza tamin-dry zareo an’izay tsapako sy izay nampanahy ahy.” Inona no ianaran’ny anti-panahy avy amin’izany? Karakarao ny ondry, dieny mbola tsy misy zava-tsarotra. Miezaha hinamana aminy. Raha tsy afaka mitsidika azy mivantana ianao noho ny valanaretina, dia mitadiava fomba hafa hifandraisana aminy. Hoy koa i Diana: “Nisy fotoana anti-panahy maromaro no niantso ahy na nandefa SMS tamiko tao anatin’ny iray andro. Tena nanohina ny foko ny andinin-teny noresahin-dry zareo, na dia andininy efa haiko tsara aza.”

5. Ahoana no ahafantaran’ny anti-panahy an’izay ilain’ny rahalahy sy anabavy, ka hanampiany azy ireo?

5 Ahoana no ahafantaranao an’izay ilain’ny rahalahy sy anabavy? Afaka manontany an-dry zareo, ohatra, ianao, fa mitandrina tsara fotsiny mba tsy hampahamenatra azy. (Ohab. 20:5) Ampy ve ny sakafony, ny fanafodiny, ary ny zavatra hafa ilainy? Atahorana ho very asa ve izy na tsy hahaloa hofan-trano? Sao dia mila omena tanana izy mba hikarakarana taratasy hahazoana fanampiana avy amin’ny fanjakana? Nahazo fanampiana avy amin’ny mpiara-manompo i Diana. Ny fitiavana sy ny fiahiana ary ny fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly nomen’ny anti-panahy anefa no tena nanampy azy ho tafavoaka. Izao no nolazainy: “Nivavaka niaraka tamiko ny anti-panahy. Tsy tadidiko tsara ny teny nolazain-dry zareo, fa tadidiko anefa ny zavatra tsapako. Hoatran’ny niteny tamiko i Jehovah hoe ‘tsy miady irery ianao!’”​—Isaia 41:10, 13.

Faly ilay rahalahy manana anjara maheno ny valin-teny mampahery avy amin’ny mpiara-manompo ao am-pivoriana sy avy amin’ny rahalahy iray marary ka tsy maintsy manatrika amin’ny alalan’ny vidéoconférence (Fehintsoratra 6)

6. Inona no azon’ny rahalahy sy anabavy maro ao amin’ny fiangonana atao mba hanampiana ny olon-kafa? (Jereo ny sary.)

6 Inona no azon’ny olon-kafa atao? Fantatsika hoe hanampy an’ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana ny anti-panahy. Isika rehetra mihitsy anefa no asain’i Jehovah hampahery sy hanampy ny hafa. (Gal. 6:10) Na porofom-pitiavana kely aza dia mety hisy vokany be amin’ny olona marary. Afaka mandefa karta na manao sary, ohatra, ny ankizy mba hampaherezana rahalahy iray. Ny tanora indray azo irakirahina na mba miantsena ho an’ny anabavy iray. Ary maninona raha mahandro sakafo, dia aterina any amin’izay tsy salama ilay izy? Mazava ho azy fa mila ampaherezina daholo ny ao amin’ny fiangonana, rehefa misy valanaretina. Sao dia afaka mijanona elaela kely, ohatra, ianao aorian’ny fivoriana, dia mba miresadresaka amin’ny mpiara-manompo, na mivantana izany na amin’ny alalan’ny vidéoconférence? Na ny anti-panahy aza mila ampaherezina koa. Misy Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, nanoratra taratasy kely hisaorana an-dry zareo. Matetika mantsy ireny anti-panahy ireny no vao mainka sahirana rehefa misy valanaretina. Tsara erỳ rehefa samy mitondra ny anjara birikintsika isika, ka ‘mifampahery sy mifanampy foana’!​—1 Tes. 5:11.

AMPIO NY HAFA REHEFA MISY LOZA

7. Inona no mety ho sarotra rehefa avy nisy loza?

7 Mety hitsimbadika ao anatin’ny indray mipy maso ny fiainan’ny olona iray rehefa misy loza. Mety ho very ny fananany, na rava ny tranony, na maty mihitsy ny havany. Mety hanjo ny rahalahy sy anabavintsika koa ireny loza mahatsiravina ireny. Ahoana àry no azontsika anampiana an-dry zareo?

8. Inona no azon’ny anti-panahy sy ny loham-pianakaviana atao dieny mbola tsy misy loza?

8 Inona no azon’ny anti-panahy atao? Ry anti-panahy, ampio ny rahalahy sy anabavinareo mba hiomana dieny mbola tsy misy loza. Ataovy azo antoka hoe fantatry ny rehetra ao amin’ny fiangonana izay tokony hatao mba ho voaro, sy mba hifandraisana amin’ny anti-panahy. Izao no nolazain’i Margaret, ilay voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha: “Nampitandreman’ny anti-panahinay izahay, tamin’ny zavatra ilain’ny fiangonana, hoe mbola atahorana hisy afo mandravarava etỳ amin’ny faritra misy anay. Raha asain’ny manam-pahefana miala ny tanàna, hono, izahay na lasa mampidi-doza ny mijanona ao, dia tsy maintsy miala eo no ho eo izahay.” Ara-potoana mihitsy ilay fampahatsiahivana, satria nisy afo nandravarava iray volana mahery kely taorian’izay. Ary inona no azon’ny loham-pianakaviana atao? Diniho mandritra ny fotoam-pivavahanareo hoe inona no tsy maintsy ataon’ny mpianakavy tsirairay. Ho azo antoka kokoa hoe ho tony ianao sy ny zanakao rehefa misy loza, raha niomana tsara.

9. Miara-miasa ny anti-panahy rehetra aloha sy aorian’ny loza. Ahoana no ataon-dry zareo?

9 Mpiandraikitra ny andia-mpitory ve ianao? Efa any aminao ve ny nomeraon-telefaonina sy ny adiresin’ny tsirairay ao amin’ny andia-mpitorinao? Jereo raha marina tsara izany, dieny mbola tsy misy loza. Manaova lisitra, dia havaozy matetika izany. Rehefa mitranga ny loza amin’izay, dia hahavita hifandray amin’ny mpitory tsirairay ianao mba hamantarana an’izay ilainy. Alefaso haingana any amin’ny anti-panahy mpandrindra izany avy eo, dia izy indray no hifandray amin’ny mpiandraikitra ny faritra. Misy vokany be rehefa miara-miasa hoatr’izany ny anti-panahy. Rehefa avy nisy an’ilay afo nandravarava tany amin-dry Margaret, dia tsy natory mihitsy ny mpiandraikitra ny faritr’izy ireo nandritra ny iray andro sy tapany, satria nandrindra ny asan’ny anti-panahy mba hifandraisana sy hikarakarana ny rahalahy sy anabavy. (2 Kor. 11:27) Nisy 450 teo ho eo mantsy no nila nafindra toerana. Nahazo toerana hisitrihana àry izay nila an’izany.

10. Nahoana no zava-dehibe amin’ny anti-panahy ny fitsidihana ondry? (Jaona 21:15)

10 Anisan’ny andraikitry ny anti-panahy ny manome fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly ho an’ny rahalahy sy anabavy, ary manampy an’izay kivy. (1 Pet. 5:2) Rehefa misy loza, dia tokony hojeren-dry zareo aloha hoe tsy maninona ve ny rahalahy sy anabavy tsirairay, ary manana sakafo sy akanjo ary trano hisitrihana ve ry zareo. Na dia volana maro atỳ aoriana aza anefa, dia azo inoana hoe mbola mila fiahiana sy fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly foana ry zareo. (Vakio ny Jaona 21:15.) Anisan’ny Komitin’ny Sampana any amin’ny taniny i Harold. Efa betsaka ny rahalahy sy anabavy tra-boina nihaona taminy. Hoy izy: “Elaela vao tafarina ry zareo. Mety hanomboka hiverina amin’ny laoniny ny fiainany, nefa mety mbola halahelo ny namany na ny havany efa maty izy, na hahatsiarotsiaro ny fananany, na hahatadidy an’ilay izy saika maty. Mety hovesaran’alahelo indray ny fony, rehefa mitamberina ao an-tsainy ireo. Tsy hoe tsy ampy finoana anefa izy raha mahatsapa an’izany, fa olombelona ihany.”

11. Inona no mety hilain’ny fianakaviana foana?

11 Mampihatra an’ilay torohevitry ny Baiboly hoe “miaraha mitomany amin’izay mitomany” ny anti-panahy. (Rom. 12:15) Mety hila homena toky izay avy niatrika loza hoe mbola miraiki-po aminy i Jehovah ary tia azy foana ny rahalahy sy anabavy. Tokony hanampy an’ireny fianakaviana ireny ny anti-panahy mba ho vitan-dry zareo ny fandaharana ara-panahy efa fanaony, anisan’izany ny vavaka, fianarana Baiboly, fivoriana, ary ny fitoriana. Azon’ny anti-panahy ampirisihina koa ny ray aman-dreny mba hanampy ny zanany hifantoka amin’izay tsy azon’ny loza simbana. Ry ray aman-dreny, ampahatsiahivo ny zanakareo hoe ho namany foana i Jehovah ary ho eo foana izy hanampy azy. Hazavao tsara aminy koa hoe afaka ny ho anisan’ny fianakaviambe maneran-tany foana izy, ary vonona hanampy azy ny rahalahy sy anabavy.​—1 Pet. 2:17.

Afaka manolo-tena hanampy tra-boina any amin’ny faritra misy anareo ve ianao? (Fehintsoratra 12) e

12. Inona no azon’ny olon-kafa atao mba hanampiana ny tra-boina? (Jereo ny sary.)

12 Inona no azon’ny olon-kafa atao? Raha nisy loza tany akaikinareo, dia anontanio ny anti-panahy hoe ahoana no azonao anampiana. Mety ho afaka hampiantrano tra-boina na mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana ianao. Mety ho afaka hanatitra sakafo sy zavatra hafa ho an’ny mpitory mila an’izany koa ianao. Na dia lavitra anareo aza ilay loza no nitranga, dia mbola afaka manampy ihany ianao. Ahoana no azonao atao? Mivavaha ho an’izay niharan’ilay izy. (2 Kor. 1:8-11) Manampy ny tra-boina koa ianao raha manao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany. (2 Kor. 8:2-5) Anontanio momba ny asa an-tsitrapo ny anti-panahy, raha afaka mankany amin’ilay toerana nisy an’ilay loza ianao. Mety hampiofanina ianao raha voasa hankany, amin’izay ianao azo ampiasaina any amin’izay tena ilana anao sy amin’ny fotoana tena ilana an’izany.

AMPIO NY MPIARA-MANOMPO MBA HIARITRA FANENJEHANA

13. Inona no zava-tsarotra atrehin’ny rahalahy sy anabavintsika any amin’ny tany andrarana ny asantsika?

13 Vao mainka sarotra ny fiainan’ny rahalahy sy anabavintsika any amin’ny tany andrarana ny asantsika. Sahirana ara-bola sy marary ary maty havana koa ry zareo. Vokatr’ilay fandrarana anefa, dia tsy tena afaka mitsidika an-dry zareo ny anti-panahy, na tsy tena afaka mifandray amin’izay mila ampaherezina. Tsy afaka nanao an’izany, ohatra, i Andrei, ilay voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Tsy nanam-bola intsony ny anabavy iray tao amin’ny andia-mpitoriny, nefa avy eo tratry ny lozam-piarakodia koa. Tsy maintsy nodidiana imbetsaka àry izy sady tsy afaka niasa. Na teo aza ny fandrarana sy ilay valanaretina, dia mbola nanao izay azo natao ny mpiara-manompo mba hanampiana azy, ary nahita an’izay nitranga i Jehovah.

14. Ahoana no azon’ny anti-panahy ampisehoana hoe miantehitra amin’i Jehovah izy?

14 Inona no azon’ny anti-panahy atao? Nivavaka i Andrei dia nanao izay azony natao. Ahoana no namalian’Andriamanitra an’ilay vavaka? Nampiasa mpiara-manompo afaka mivezivezy kokoa i Jehovah. Ny sasany, ohatra, nitondra an’ilay anabavy tany amin’ny dokotera. Ny hafa indray nanome vola. Nampiasain’i Jehovah ry zareo mba hanao izay azony natao, ary notahiny satria niray saina sy be herim-po. (Heb. 13:16) Ry anti-panahy, rehefa voasakantsakana ny asa, dia mangataha fanampiana amin’ny olon-kafa. (Jer. 36:5, 6) Fa ny tena zava-dehibe dia hoe miantehera amin’i Jehovah. Afaka manampy anao hanome an’izay ilain’ny rahalahy sy anabavintsika izy.

15. Inona no azontsika atao mba hiray saina foana na dia enjehina aza?

15 Inona no azon’ny olon-kafa atao? Mety ho vitsivitsy no afaka miara-mivory rehefa voarara ny asantsika. Vao mainka tena ilaina àry ny mihavana tsara amin’ny hafa foana. I Satana iadiana fa tsy ny mpiara-manompo! Aza raharahiana izay tsy nety nataon-dry zareo, na alamino haingana izay tsy fifanarahana. (Ohab. 19:11; Efes. 4:26) Tokony ho vonona ny hifanampy isika. (Tit. 3:14) Maninona raha ianao mihitsy no manao an’izany voalohany? Nisy vokany tsara tamin’ny mpiara-manompo tao amin’ilay andia-mpitory noresahina teo aloha, ny fanampiana nomena an’ilay anabavy. Vao mainka ry zareo lasa nifankatia hoatran’ny mpianakavy.​—Sal. 133:1.

16. Ahoana no azontsika anampiana ny rahalahy sy anabavy enjehina, araka ny Kolosianina 4:3, 18?

16 An’aliny ny rahalahy sy anabavy mbola manompo an’i Jehovah ihany, na dia sakantsakanan’ny fanjakana aza ny asantsika. Ny sasany amin-dry zareo gadraina noho ny finoany. Afaka mivavaka ho an-dry zareo sy ny fianakaviany isika. Azontsika atao koa ny mivavaka ho an’izay be herim-po ka mbola manohana an’ireny rahalahy sy anabavintsika migadra ireny, na dia mety ho voasambotra koa aza izy. Mampahery azy ireny izy mba hatoky an’i Jehovah foana, sady manome an’izay ilainy, ary miaro an-dry zareo eny amin’ny fitsarana. c (Vakio ny Kolosianina 4:3, 18.) Tadidio hoe mahery ny vavaka!​—2 Tes. 3:1, 2; 1 Tim. 2:1, 2.

Ahoana no anampianao ny fianakavianao dieny izao mba ho vonona hiatrika fanenjehana? (Fehintsoratra 17)

17. Ahoana no iomananao dieny izao mba ho vonona hiatrika fanenjehana?

17 Dieny izao ianao sy ny fianakavianao dia afaka miomana mba hiatrika fanenjehana. (Asa. 14:22) Aza maminavina hoe inona daholo ny zava-dratsy mety hitranga. Miezaha kosa hifandray kokoa amin’i Jehovah sy hanampy ny zanakao hanao an’izany. Raha miady saina ianao indraindray, dia aborahy amin’Andriamanitra izay ao am-ponao. (Sal. 62:7, 8) Diniho miaraka amin’ny fianakavianao hoe nahoana ianareo no afaka matoky azy. d Hanampy ny zanakao ho be herim-po sy ho tony ianao raha miomana tsara sy matoky an’i Jehovah, hoatran’ny rehefa misy loza ihany.

18. Inona no miandry antsika?

18 Mahatonga antsika hilamin-tsaina ny fiadanan’Andriamanitra. (Fil. 4:6, 7) Mampiasa azy io i Jehovah mba hampitonena ny fontsika, na eo aza ny aretina sy ny loza ary ny fanenjehana. Mampiasa ny anti-panahy mazoto miasa koa izy mba hikarakarana antsika. Tsy izay ihany, fa omeny tombontsoa hifanampy isika rehetra. Afaka manararaotra an’izao fotoana milamindamina izao isika mba hiomanana ho amin’ny fisedrana mafy kokoa miandry antsika atsy ho atsy. Ho vitantsika amin’izay na dia ny hiatrika ny “fahoriana lehibe” aza. (Mat. 24:21) Mila miezaka ny hiadan-tsaina foana isika amin’izay fotoana izay sady hanampy ny hafa hanao an’izany. Rehefa hivalona any anefa izany, dia tsy hisy zava-tsarotra hampiady saina antsika intsony. Ela ny ela ka hankafy an’ilay tian’i Jehovah hiainantsika hatramin’izay isika. Inona izany? Ny tena fiadanana mandrakizay!​—Isaia 26:3, 4.

HIRA 109 Mifankatiava Amin’ny Fo

a Matetika i Jehovah no mampiasa ny mpanompony tsy mivadika mba hanampiana an’izay ao anatin’ny sarotra. Afaka mampiasa anao izy mba hampaherezana ny rahalahy sy anabavy. Andao hojerentsika ato hoe ahoana no azontsika anampiana rehefa mila an’izany ry zareo.

b Novana ny anarana sasany.

c Tsy afaka mandefa taratasy avy amin’olona ho any amin’ireo rahalahy sy anabavy migadra ny biraon’ny sampana na ny any amin’ny Foibe.

d Jereo ilay lahatsoratra hoe “Dieny Izao dia Miomàna Hiatrika Fanenjehana!”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jolay 2019.

e SARY: Mpivady manatitra sakafo ho an’ny fianakaviana iray tra-boina.