Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nanitatra ve i Davida mpanao salamo sa nanonofy rehefa nanoratra hoe hidera ny anaran’Andriamanitra “mandrakizay” izy, araka ny Salamo 61:8?

Tsia. Mitombina sy marina tsara ireo teniny ireo.

Mariho izay nosoratany tao amin’io andininy io sy ny hafa mitovitovy amin’io. “Hihira fiderana ho an’ny anaranao mandrakizay aho, sady hanefa isan’andro an’ireo voady nataoko.” “Midera anao amin’ny foko manontolo aho, Jehovah Andriamanitro ô, ary homeko voninahitra mandrakizay ny anaranao.” “Hidera ny anaranao mandrakizay mandrakizay aho.”​—Sal. 61:8; 86:12; 145:1, 2.

Tsy nanitatra i Davida ka nieritreritra hoe tsy ho faty mihitsy izy. Fantany mantsy fa efa namoaka didy i Jehovah hoe fahafatesana no ho vokatry ny ota. Dia niaiky i Davida hoe mpanota koa izy. (Gen. 3:3, 17-19; Sal. 51:4, 5) Hainy hoe na ny olona nankasitrahan’Andriamanitra aza maty, anisan’izany i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Efa tsinjotsinjon’i Davida koa hoe tsy maintsy ho faty izy indray andro any. (Sal. 37:25; 39:4) Inona àry no tiany hotenenina amin’ilay Salamo 61:8? Hita amin’io hoe te hidera an’Andriamanitra mandrakizay izy sady tapa-kevitra ny hanao an’izany, izany hoe hidera azy hatramin’ny fara fofonainy.​—2 Sam. 7:12.

Miresaka momba ny fiainan’i Davida tamin’izany ny zavatra sasany nosoratany. Manaporofo an’izany ny teny mampiditra ny Salamo faha-​18 sy faha-51 ary faha-52. Mpiandry ondry i Davida, dia resahiny ao amin’ny Salamo faha-23 hoe hoatran’ny mpiandry ondry manome tari-dalana sy mamelombelona ary miaro ny ondriny i Jehovah. Lasa te hanompo an’Andriamanitra ‘mandritra ny androm-piainany’ àry izy.​—Sal. 23:6.

Tadidio koa fa avy amin’i Jehovah ny zavatra nosoratan’i Davida. Nanoratra faminaniana mbola hitranga atỳ aoriana, ohatra, izy. Anisan’izany ny Salamo faha-​110. Resahin’i Davida ao hoe ‘hipetraka eo [ankavanan’Andriamanitra]’ any an-danitra ny Tompony, ary hahazo fahefana be. Mba hanaovana inona? Mba hanjakany tanteraka eo amin’ny fahavalon’Andriamanitra ary ‘hampiharany didim-pitsarana amin’ireo firenena’ eto an-tany. Ny Mesia no tiana horesahina eo. Razamben’izy io i Davida. Hanjaka avy any an-danitra izy io, ary ho “mpisorona mandrakizay.” (Sal. 110:1-6) Nohamafisin’i Jesosy hoe momba azy ilay faminaniana ao amin’ny Salamo faha-​110, ary ho tanteraka atỳ aoriana.​—Mat. 22:41-45.

Nasain’i Jehovah nanoratra momba an’izay nitranga tamin’ny androny àry i Davida. Nasainy nanoratra momba ny hoavy koa anefa izy, izany hoe rehefa hatsangana amin’ny maty izy ary ho afaka hidera an’i Jehovah mandrakizay. Miresaka momba ny fiainana tany Israely taloha àry ny Salamo 37:10, 11, 29. Miresaka momba ny fiainana eran-tany amin’ny hoavy koa anefa ireo andininy ireo, rehefa hanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra. Jereo ny fehintsoratra faha-8 amin’ilay lahatsoratra ato hoe “Hiaraka Amiko any Amin’ny Paradisa Ianao.”

Inona àry no tian’i Davida holazaina amin’ny Salamo 61:8 sy ny andinin-teny mitovitovy amin’io? Hoe te hanome voninahitra an’i Jehovah tany Israely izy mandra-pahafatiny. Asehon’ireny andininy ireny koa izay azon’i Davida atao amin’ny hoavy rehefa hovelomin’i Jehovah indray izy.