Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 50

“Hiaraka Amiko any Amin’ny Paradisa Ianao”

“Hiaraka Amiko any Amin’ny Paradisa Ianao”

“Lazaiko marina aminao anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”​—LIOKA 23:43.

HIRA 145 Mampanantena Paradisa Andriamanitra

HO HITANAO ATO a

1. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ilay olon-dratsy teo akaikiny, taloha kelin’ny nahafatesany? (Lioka 23:39-43)

 NIJALIJALY i Jesosy sy ireo olon-dratsy roa teo akaikiny rehefa niala aina tsikelikely. (Lioka 23:32, 33) Tsy mpianatr’i Jesosy izy roa lahy matoa nanevateva azy. (Mat. 27:44; Mar. 15:32) Niova fo anefa ny iray tamin-dry zareo. Izao no nolazainy: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny Fanjakanao ianao.” Dia hoy i Jesosy taminy: “Lazaiko marina aminao anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Vakio ny Lioka 23:39-43.) Tsy misy porofo fa neken’io olon-dratsy io ilay hafatra notorin’i Jesosy hoe “efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.” Tsy nilaza mihitsy koa i Jesosy hoe ho anisan’io Fanjakana io ilay lehilahy. (Mat. 4:17) Paradisa eto an-tany amin’ny hoavy no noresahin’i Jesosy. Nahoana isika no milaza an’izany?

Inona no azontsika lazaina momba an’ilay olon-dratsy niresaka tamin’i Jesosy sy momba ny zavatra fantany? (Fehintsoratra 2-3)

2. Ahoana no ahalalantsika fa Jiosy ilay olon-dratsy nibebaka?

2 Azo inoana hoe Jiosy ilay olon-dratsy nibebaka. Izao no nolazainy tamin’ilay namany: “Mbola tsy matahotra an’Andriamanitra ihany ve ianao, nefa ianao koa aza efa voaheloka hoatr’azy?” (Lioka 23:40) Nanompo Andriamanitra iray ihany ny Jiosy, fa ny hafa firenena kosa nino andriamanitra be dia be. (Eks. 20:2, 3; 1 Kor. 8:5, 6) Raha tsy Jiosy ireo olon-dratsy ireo, dia izao no mety ho nanontanian’ilay iray: “Mbola tsy matahotra an’ireo andriamanitra ihany ve ianao?” Ankoatra izay, dia nirahina ho any amin’ny “ondry very amin’ny taranak’Israely” i Jesosy, fa tsy ho any amin’ny hafa firenena. (Mat. 15:24) Tsy izay ihany, fa efa nampahafantarin’Andriamanitra tamin’ny Israelita hoe hanangana ny maty izy. Mety ho fantatr’ilay olon-dratsy nibebaka izany. Hita tamin’ny teniny koa fa nieritreritra izy hoe hatsangan’i Jehovah amin’ny maty i Jesosy mba hitondra ao amin’ilay Fanjakany. Toa nanantena io lehilahy io fa hatsangana koa izy.

3. Inona no mety ho tonga tao an-tsain’ilay olon-dratsy nibebaka rehefa niresaka Paradisa i Jesosy? Hazavao. (Genesisy 2:15)

3 Jiosy ilay olon-dratsy nibebaka, ka azo antoka hoe nahafantatra momba an’i Adama sy Eva sy ilay Paradisa nametrahan’i Jehovah azy mivady. Azo inoana àry fa zaridaina tsara tarehy eto an-tany no tonga tao an-tsain’ilay olon-dratsy, rehefa naheno an’i Jesosy niresaka Paradisa izy.​—Vakio ny Genesisy 2:15.

4. Tokony handrisika antsika hanao inona ny tenin’i Jesosy tamin’ilay olon-dratsy?

4 Tokony hahatonga antsika hieritreritra momba ny fiainana ao amin’ny Paradisa ny tenin’i Jesosy tamin’ilay olon-dratsy. Manampy antsika hahafantapantatra momba ny Paradisa ny fiadanana nisy tamin’ny fotoana nanjakan’i Solomona. Milaza anefa ny Baiboly fa lehibe noho i Solomona i Jesosy. Manantena àry isika fa hiara-miasa amin’ireo mpiara-manjaka aminy izy, mba hanatsara ny fiainana eto an-tany. (Mat. 12:42) Mazava ho azy fa tokony hahaliana ny “ondry hafa” koa hoe inona no tokony hataon’izy ireo, mba hahafeno fepetra hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa izy ireo.​—Jaona 10:16.

NY FIAINANA AO AMIN’NY PARADISA

5. Hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa araka ny eritreritrao?

5 Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny fiainana ao amin’ny Paradisa ianao? Zaridaina tsara tarehy angamba, hoatran’ilay tao Edena. (Gen. 2:7-9) Mety hotsaroanao ilay faminanian’i Mika hoe “samy hipetrapetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny” ny vahoakan’Andriamanitra. (Mika 4:3, 4) Tadidinao koa angamba fa nilaza ny Baiboly hoe ho be dia be ny sakafo amin’izany. (Sal. 72:16; Isaia 65:21, 22) Azonao sary an-tsaina ve hoe iny ianao ao amin’ny zaridaina iray tsara tarehy ary misy latabatra feno sakafo matsiro eo anoloanao? Ny voninkazo sy ny zavamaniry hafa amin’izany manitra mamerovero erỳ! Henonao mihomehy koa angamba ny namanao sy ny fianakavianao, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty, satria faly erỳ ry zareo fa tafaraka. Tsy nofinofy izany rehetra izany fa tena hitranga eto an-tany! Hisy asa mahafinaritra koa anefa ao amin’ilay Paradisa.

Anisan’ny asa lehibe miandry antsika ny fampianarana an’ireo olona hatsangana amin’ny maty (Fehintsoratra 6)

6. Inona no hataontsika ao amin’ny Paradisa? (Jereo ny sary.)

6 Noforonin’i Jehovah mba ho afaka hankafy ny asa ataontsika isika. (Mpito. 2:24) Mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy isika no tena ho be atao. Mila akanjo sy sakafo ary toerana hipetrahana mantsy ireo ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe, sy ireo olona an-tapitrisany hatsangana amin’ny maty. Asa be izany nefa hahafinaritra! Hanana tombontsoa hanova ny tany ho Paradisa koa isika, hoatran’i Adama sy Eva. Nasaina nikarakara an’ilay zaridaina nipetrahany mantsy ry zareo. Hahafinaritra koa ny hampianatra an’ireo olona an-tapitrisany hatsangana amin’ny maty. Zara raha nahalala an’i Jehovah sy ny fikasany mantsy ry zareo. Ary ahoana ny amin’ireo olona nanam-pinoana velona ela be talohan’i Jesosy? Hahafaly koa ny hampianatra azy ireo momba an’izay nitranga taorianan’ny nahafatesany.

7. Inona no azontsika antoka ary nahoana?

7 Afaka matoky isika fa hiadana sy hanana an’izay rehetra ilainy ny olona ao amin’ny Paradisa, sady ho voalamina tsara ny fiainana. Fa maninona? Satria efa nisy sombintsombiny nasehon’i Jehovah hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana rehefa ny Zanany no mitondra. Mampiseho an’izany ny zava-nisy tamin’ny fotoana nitondran’i Solomona.

SANTIONANY AMIN’NY FIAINANA AO AMIN’NY PARADISA NY FITONDRAN’I SOLOMONA

8. Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’i Davida Mpanjaka ao amin’ny Salamo 37:10, 11, 29? (Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ato.)

8 Nasain’i Jehovah nosoratan’i Davida Mpanjaka hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa hitondra ny mpanjaka iray hendry sy tsy mivadika. (Vakio ny Salamo 37:10, 11, 29.) Matetika isika no mamaky ny Salamo 37:11 rehefa miresaka amin’ny olona momba ny Paradisa ho avy. Mety izany, satria mbola ho tanteraka amin’ny hoavy io andininy io, matoa i Jesosy nanonona azy io tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Mat. 5:5) Niresaka momba ny fiainana amin’ny andron’i Solomona koa anefa i Davida, rehefa nilaza an’ireo teny ireo. Rehefa nitondra io zanany io, dia niadana be ny vahoakan’Andriamanitra tany Israely sady nanana an’izay rehetra nilainy tao amin’ilay tany “tondra-dronono sy tantely.” Izao no nolazain’Andriamanitra: “Raha manaraka ny fitsipiko [ianareo, dia] hataoko manjaka ao amin’ilay tany ny filaminana, ka tsy hisy hampatahotra anareo rehefa matory ianareo.” (Lev. 20:24; 26:3, 6) Tanteraka ireo rehefa nanjaka i Solomona. (1 Tan. 22:9; 29:26-28) Nampanantena koa i Jehovah fa “tsy hisy intsony” ny ratsy fanahy. (Sal. 37:10) Efa tanteraka àry ny Salamo 37:10, 11, 29 taloha, ary mbola ho tanteraka amin’ny hoavy.

9. Inona no nolazain’ny mpanjakavavin’i Sheba momba ny fitondran’i Solomona?

9 Tonga hatrany amin’ny mpanjakavavin’i Sheba ilay vaovao hoe niadana sy nanana an’izay rehetra nilainy ny Israelita rehefa nitondra i Solomona. Nanao dia lavitra nankany Jerosalema àry izy, amin’izay ny masony mihitsy no mahita. (1 Mpanj. 10:1) Rehefa avy nandinika ny fanjakan’i Solomona izy, dia niteny hoe: “Hay na ny antsasany aza tsy nolazaina tamiko! ... Sambatra ny olonao, ary sambatra ny mpanomponao izay eto anatrehanao eto foana, ka mandre ny fahendrenao!” (1 Mpanj. 10:6-8) Vao santionany fotsiny anefa izany, raha oharina amin’izay hataon’i Jehovah ho an’ny olombelona rehefa i Jesosy Zanany no mitondra.

10. Nahoana i Jesosy no lehibe noho i Solomona?

10 Lehibe noho i Solomona amin’ny lafiny rehetra i Jesosy. Tsy lavorary i Solomona sady nanao fahadisoana lehibe, ka nampitondra faisana ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny farany. I Jesosy kosa Mpitondra lavorary sady tsy manao diso mihitsy. (Lioka 1:32; Heb. 4:14, 15) Tsy nivadika mihitsy izy na dia niatrika fitsapana faran’izay mafy avy tamin’i Satana aza. Noporofoin’i Kristy fa tsy hanota mihitsy izy, na hanao zavatra hiteraka olana ho an’ny vahoakany tsy mivadika. Voninahitra lehibe ho antsika ny manana azy ho Mpanjaka!

11. Iza no hanampy an’i Jesosy hitondra?

11 Hisy 144 000 hiara-manjaka amin’i Jesosy. Hiara-miasa aminy izy ireo mba hikarakara ny olombelona sy hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah momba ny tany. (Apok. 14:1-3) Lehilahy sy vehivavy efa niatrika fitsapana sy fijaliana be dia be ry zareo ka hahay hangoraka. Inona anefa no tena ho anjara asan’izy ireo?

NY ANJARA ASAN’IREO VOAHOSOTRA

12. Inona no asa hampanaovin’i Jehovah an’ireo 144 000?

12 Lehibe lavitra noho ny andraikitra nomena an’i Solomona ny andraikitr’i Jesosy sy ireo mpiara-manjaka aminy. Vahoaka an-tapitrisany tao amin’ny tany iray fotsiny mantsy no nentin’io mpanjaka israelita io. Ireo hitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa hikarakara olona an’arivony tapitrisa eran-tany. Tombontsoa be izany omen’i Jehovah an’ireo 144 000 izany!

13. Inona no anisan’ny andraikitra manokana ananan’ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy?

13 Ho mpanjaka sy mpisorona hoatran’i Jesosy ireo 144 000. (Apok. 5:10) Ny tena andraikitry ny mpisorona dia ny nanampy ny vahoaka mba ho salama foana teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, sady nanao izay hahazoana antoka hoe nifandray tsara tamin’i Jehovah ry zareo. “Aloky ny zavatra tsara ho avy fotsiny” anefa ny Lalàna. (Heb. 10:1) Azo inoana àry fa hanana andraikitra manokana koa ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy, ka hanampy ny vahoakan’Andriamanitra ho salama tsara foana sy hifandray amin’i Jehovah. Dia ahoana moa izany ny fomba hifandraisan’ireo mpanjaka sy mpisorona ireo amin’ny vahoakan’ilay Fanjakana etỳ an-tany? Ho hitantsika eo ihany izany. Na inona na inona ataon’i Jehovah, dia afaka matoky isika fa hahazo ny tari-dalana ilainy ny olona ao amin’ilay Paradisa ho avy.​—Apok. 21:3, 4.

FEPETRA TAKINA AMIN’NY “ONDRY HAFA” MBA HIAINANY AO AMIN’NY PARADISA

14. Hanao ahoana ny fifandraisan’ny “ondry hafa” sy ny “ondry vitsy”?

14 Nantsoin’i Jesosy hoe “ondry vitsy” ireo hiara-manjaka aminy. (Lioka 12:32) Niresaka antokon’olona faharoa koa izy, dia ny “ondry hafa.” Andiany iray ihany anefa ireo antokon’olona roa ireo sady miray saina. (Jaona 10:16) Efa niara-niasa izy ireo ary mbola hitohy izany rehefa lasa Paradisa ny tany. Mazava ho azy fa efa any an-danitra ny “ondry vitsy” amin’izay, ary hanantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany ny “ondry hafa.” Misy zavatra tokony hataon’ny “ondry hafa” anefa dieny izao, raha te hahafeno fepetra hiaina ao amin’ny Paradisa ry zareo.

Na dieny izao aza, dia efa azontsika aseho hoe miomana ny hiaina ao amin’ilay Paradisa ho avy isika (Fehintsoratra 15) b

15. a) Ahoana no ampisehoan’ny “ondry hafa” hoe miara-miasa amin’ny rahalahin’i Kristy ry zareo? b) Ahoana no anahafanao an’ilay rahalahy be taona ao amin’ny fivarotam-panafody? (Jereo ny sary.)

15 Maty ilay olon-dratsy nibebaka, nefa tsy tena afaka nampiseho hoe nankasitrahany izay nataon’i Kristy ho azy. Tsy hoatr’izany kosa isika “ondry hafa.” Be dia be izao ny fomba azontsika ampisehoana an’izay tsapantsika momba an’i Jesosy. Asehontsika hoe miraiki-po aminy, ohatra, isika amin’ny fomba itondrantsika an’ireo rahalahiny voahosotry ny fanahy. Nilaza i Jesosy fa arakaraka izay no hitsarany ny olona ho ondry. (Mat. 25:31-40) Manohana ny rahalahin’i Kristy koa isika rehefa mazoto manampy azy ireo amin’ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra. (Mat. 28:18-20) Mampiasa tsara an’ireo boky fianarana Baiboly omen-dry zareo àry isika, anisan’izany ilay hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Mbola tsy manana fampianarana Baiboly ve ianao? Maninona raha atao tanjona ny hanasa olona betsaka araka izay azo atao mba hianatra Baiboly?

16. Ahoana no ampisehoantsika hoe vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra isika?

16 Tsy voatery hiandry isika hoe tonga any amin’ny Paradisa vao hiezaka ho lasa ilay karazan’olona tian’i Jehovah hiaina any. Dieny izao isika dia efa afaka miezaka ny hilaza sy hanao ny marina ary hahay handanjalanja amin’izay zavatra fanaontsika. Afaka miezaka ny tsy hivadika amin’i Jehovah sy ny vadintsika ary ny mpiara-manompo koa isika. Raha manao izay azo atao isika dieny izao eto amin’ity tontolo ratsy ity mba hanarahana ny fitsipik’Andriamanitra, dia ho mora kokoa amintsika ny hanao an’izany any amin’ny Paradisa. Azontsika atao koa ny mampitombo ny fahaizantsika sy manatsara ny toetrantsika, mba hampisehoana hoe miomana hiaina any isika. Jereo ato ilay lahatsoratra hoe “Vonona ‘Handova ny Tany’ ve Ianao?

17. Tokony ho kivy ve ianao raha nanao fahotana taloha? Hazavao.

17 Ahoana raha nanao fahotana lehibe ianao taloha? Miezaha mafy mba tsy hanamelo-tena intsony. Mazava ho azy fa tsy hieritreritra isika hoe tsy maninona na dia “manao fanahy iniana manota” aza, satria efa eo ny sorom-panavotana. (Heb. 10:26-31) Afaka matoky anefa ianao fa hamela tanteraka ny fahotana lehibe nataonao i Jehovah raha tena nibebaka ianao, nitady ny fanampian’i Jehovah sy ny anti-panahy, ary niova. (Isaia 55:7; Asa. 3:19) Tadidio izay nolazain’i Jesosy tamin’ny Fariseo hoe: “Tsy tonga hiantso ny olo-marina aho, fa ny mpanota.” (Mat. 9:13) Ampy hanaronana ny fahotanao rehetra ny sorom-panavotana.

AFAKA NY HIAINA MANDRAKIZAY AO AMIN’NY PARADISA IANAO

18. Inona no tianao horesahina amin’ilay olon-dratsy maty teo akaikin’i Jesosy?

18 Andeha hatao hoe any amin’ny Paradisa ianao. Inona izao no horesahinao amin’ilay olon-dratsy niresaka tamin’i Jesosy? Azo antoka fa samy hilaza ianareo hoe tena nankasitraka ny sorona nataony. Dia inona no hanontanianao azy? Mety ho tianao ho fantatra kokoa izay nitranga nandritra an’ireo ora faramparany niainan’i Jesosy teto an-tany, sy izay tsapany rehefa nanaiky ny fangatahany i Jesosy. Izy indray mety hanontany anao hoe hoatran’ny ahoana izany niaina nandritra ny andro faran’ny tontolon’i Satana izany. Voninahitra be ny hampianatra ny Tenin’Andriamanitra amin’ny olona hoatran’io lehilahy io!​—Efes. 4:22-24.

Faly erỳ ny rahalahy iray manatsara ny talentany mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Efa nofinofiny hatrizay izany (Fehintsoratra 19)

19. Nahoana no tsy hankaleo ny fiainana ao amin’ny Paradisa? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

19 Tsy hankaleo mihitsy ny fiainana ao amin’ny Paradisa! Hisy olona vaovao mahafinaritra hihaona amintsika foana any, sady hisy asa mahafa-po ho azo atao foana. Ny tsara indrindra anefa dia hoe ho afaka hianatra bebe kokoa momba an’ilay Raintsika any an-danitra isika isan’andro, ary ho afaka hankafy ny zavatra omeny antsika. Tsy ho tapitra mihitsy ny zavatra azontsika ianarana momba azy sy ny zavaboary. Arakaraka ny maha ela velona antsika no hampitombo ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Tena misaotra an’i Jehovah sy Jesosy isika nanome antsika an’ilay fampanantenana hoe afaka ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa isika!

HIRA 22 Efa Mitondra Ilay Fanjakana

a Misaintsaina matetika ny fiainana any amin’ny Paradisa ve ianao? Mampahery ny manao an’izany. Vao mainka mantsy isika hafana fo hampianatra momba ny tontolo vaovao, arakaraka ny ieritreretantsika an’izay omanin’i Jehovah ho antsika. Hanampy antsika hino bebe kokoa an’ilay Paradisa nampanantenain’i Jesosy ity lahatsoratra ity.

b SARY: Efa mampianatra olon-kafa ny rahalahy iray manantena ny hampianatra an’ireo hatsangana amin’ny maty.