Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nantsoin’i Jehovah hoe ‘Namany’ Izy

Nantsoin’i Jehovah hoe ‘Namany’ Izy

Ianao ry Israely, dia mpanompoko, ary ianao, ry Jakoba izay nofidiko, dia taranak’i Abrahama namako.’​ISAIA 41:8.

HIRA: 91, 22

1, 2. a) Ahoana no ahalalantsika fa afaka minamana amin’Andriamanitra ny olombelona? b) Inona no hodinihintsika ato?

INONA no ilain’ny olona indrindra? Mila fitiavana izy manomboka amin’izy vao teraka ka mandra-pahafatiny. Tsy ilay fitiavana misy eo amin’ny mpivady na ny mpifankatia fotsiny no ilainy sy tadiaviny. Mila mifanerasera sy minamana amin’ny hafa koa izy. Ny fitiavan’i Jehovah anefa no ilaintsika indrindra. Maro no mihevitra hoe tsy afaka minamana amin’Andriamanitra sy mifankahazo am-po aminy ny olombelona, satria izy any an-danitra sady Mahery Indrindra. Tsy toy izany kosa ny hevitsika.

2 Resahin’ny Baiboly fa efa nisy olombelona tsy lavorary lasa naman’Andriamanitra. Tsara ny mandinika ny fiainan’izy ireny, satria ny ho lasa naman’Andriamanitra no tanjona tsara indrindra azontsika tratrarina. Tena nifandray akaiky tamin’Andriamanitra, ohatra, i Abrahama. (Vakio ny Jakoba 2:23.) Ahoana no nahatonga izany? Ny finoany no tena nanampy azy. Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe “rain’izay rehetra manam-pinoana” i Abrahama. (Rom. 4:11) Hojerentsika àry hoe nahoana ny finoany no nanampy azy ho lasa naman’Andriamanitra. Tokony hisaintsaina koa isika hoe: ‘Inona no azoko atao mba hanam-pinoana toa an’i Abrahama aho, ka hinamana kokoa amin’i Jehovah?’

NAHOANA IZY NO LASA NAMAN’I JEHOVAH?

3, 4. a) Inona no fitsapana mafy indrindra tamin’i Abrahama? b) Nahoana i Abrahama no nanaiky hanao sorona an’i Isaka?

3 Eritrereto hoe iny i Abrahama fa mananika tendrombohitra. [1] Manaraka azy i Isaka zanany lahy, izay 25 taona eo ho eo. Mitondra kitay i Isaka fa i Abrahama kosa mitondra antsy sy fitaovana fandrehetana afo. Io no fotoana mafy indrindra taminy. Tsy noho izy efa antitra anefa, satria mbola natanjaka izy na dia efa 125 taona teo ho eo aza. Mafy taminy kosa ilay izy satria ny zanany lahy no nasain’i Jehovah natao sorona.—Gen. 22:1-8.

4 Io angamba no fitsapam-pinoana mafy indrindra tamin’i Abrahama. Misy milaza hoe ratsy fanahy Andriamanitra satria ny zanak’i Abrahama no nasainy natao sorona. Misy koa mihevitra fa nankatò an-jambany fotsiny i Abrahama sady mafy fo. Tsy manam-pinoana ny olona mieritreritra an’izany ary tsy mahalala ny atao hoe tena finoana. (1 Kor. 2:14-16) Tsy nankatò an-jambany i Abrahama. Nankatò kosa izy satria tena nino fa tsy i Jehovah mihitsy no hampanao zavatra hitondra fahavoazana maharitra ho an’ny mpanompony tsy mivadika. Fantany fa raha mankatò izy, dia hotahin’i Jehovah izy sy ilay zanany tsy foiny. Inona no nanampy azy hanana finoana toy izany? Ny zavatra fantany sy niainany.

5. Ahoana no mety ho nahalalan’i Abrahama an’i Jehovah, ary inona no vokatr’izany teo aminy?

5 Ny zavatra fantany. Nihalehibe tao Ora, tanàna kaldeanina, i Abrahama. Nanompo sampy ny olona tao, anisan’izany i Tera rainy. (Jos. 24:2) Ahoana àry no nahalalan’i Abrahama an’i Jehovah? Tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Hita ao anefa fa taranaka fahasivy avy tamin’i Sema i Abrahama. Zanak’i Noa i Sema ary tena nino an’i Jehovah. Efa 150 taona teo ho eo i Abrahama vao maty i Sema. Tsy fantatsika raha i Sema no nahalalan’i Abrahama ny momba an’i Jehovah. Azo inoana anefa fa noresahin’i Sema tamin’ny taranany ny zavatra fantany momba an’i Jehovah. Nandre an’izany koa i Abrahama ary nanohina ny fony izany. Lasa tia an’i Jehovah àry izy ka nino azy.

6, 7. Inona ny zavatra niainan’i Abrahama ka nanatanjaka ny finoany?

6 Ny zavatra niainany. Inona ny zavatra niainan’i Abrahama ka nanatanjaka ny finoany? Voalaza fa misy vokany eo amin’ny fihetseham-pontsika ny zavatra saintsainintsika, ka izany no mandrisika antsika hanao zavatra. Nanohina ny fon’i Abrahama ny zavatra fantany momba an’i “Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra, Mpanao ny lanitra sy ny tany.” (Gen. 14:22) Lasa tena nanaja sy natahotra an’i Jehovah àry izy. Tena ilaina izany ‘tahotra an’Andriamanitra’ izany, raha te hifandray akaiky amin’Andriamanitra. (Heb. 5:7; Sal. 25:14) Io tahotra io no nandrisika an’i Abrahama hankatò azy.

7 Nasain’Andriamanitra niala tao Ora i Abrahama sy Saraha, mba ho any amin’ny tany mbola tsy fantany. Efa antitra izy ireo tamin’izay nefa hipetraka anaty tranolay mandra-pahafatiny. Nankatò i Abrahama ka nitahy sy niaro azy i Jehovah. Nisy fotoana, ohatra, izy natahotra hoe hisy hamono, ary hisy haka i Saraha vadiny. Tsara tarehy mantsy i Saraha. Rariny raha natahotra i Abrahama, nefa tsy nahasakana azy tsy hankatò an’i Jehovah izany. Imbetsaka àry i Jehovah no niaro azy mivady, ary nanao fahagagana mihitsy aza tamin’izany. (Gen. 12:10-20; 20:2-7, 10-12, 17, 18) Izany zavatra niainan’i Abrahama izany no nanatanjaka ny finoany.

8. Inona no hanampy antsika hifandray kokoa amin’i Jehovah?

8 Afaka minamana amin’i Jehovah koa ve isika? Eny. Be dia be mantsy ny zavatra fantatsika momba azy. Eo koa ny zavatra iainantsika. Ny an’i Abrahama kosa vao ny sombiny fotsiny amin’ny fahendren’Andriamanitra no fantany. (Dan. 12:4; Rom. 11:33) Afaka mianatra zavatra betsaka momba an’ilay “Mpanao ny lanitra sy ny tany” isika, satria feno fanazavana sarobidy momba azy ao amin’ny Baiboly. Lasa manaja azy sy tia azy isika rehefa mahalala azy. Handrisika antsika hankatò azy izany, ka ho hitantsika fa miaro antsika ny toroheviny ary mitahy sy mampahery antsika izy. Ho tsapantsika koa fa mahafa-po sy mampilamin-tsaina ary mahafaly ny manompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo. (Sal. 34:8; Ohab. 10:22) Vao mainka isika hino an’i Jehovah sy hifandray aminy, arakaraka ny hahalalantsika azy sy hahatsapantsika hoe mitahy antsika izy.

NIEZAKA NIFANDRAY TSARA TAMIN’I JEHOVAH FOANA IZY

9, 10. a) Inona no tokony hatao raha tiana hihamafy ny fifandraisana amin’ny namana? b) Inona no manaporofo fa nanolokolo ny fifandraisany tamin’i Jehovah foana i Abrahama?

9 Toy ny zava-tsarobidy ny fifandraisana amin’ny namana. (Vakio ny Ohabolana 17:17.) Tsy toy ny zavatra tsy mananaina anefa izy io ka hoe vidina ary ampirimina fotsiny. Toy ny zavamananaina kosa izy io. Mila karakaraina ny zavamananaina mba ho velona sy hitombo. Mila kolokoloina koa ny fifandraisana mba haharitra sy hihamafy. Nanolokolo ny fifandraisany tamin’i Jehovah foana i Abrahama. Ahoana no nanaovany an’izany?

10 Tsy tonga tao an-tsain’i Abrahama mihitsy ny hoe efa natahotra an’Andriamanitra sy nankatò azy izy taloha, ka tsy nila nanao an’izany intsony. Nanaraka ny tari-dalany foana izy isaky ny handray fanapahan-kevitra, na kely izany na lehibe. Nanao izany izy tamin’izy mianakavy teny an-dalana ho any Kanana. Nasain’i Jehovah noforana, ohatra, ny lehilahy rehetra tao an-tranony tamin’izy 99 taona, izany hoe herintaona talohan’ny nahaterahan’i Isaka. Nieritreritra ve i Abrahama hoe sao dia tsy mety izany? Sa izy nitady hevitra tsy hanaovana an’ilay izy? Tsia. Natoky an’i Jehovah izy, ary “tamin’iny andro iny ihany” dia nankatoaviny ilay tenin’i Jehovah.—Gen. 17:10-14, 23.

11. Nahoana i Abrahama no natahotra rehefa nandre hoe horavana i Sodoma sy Gomora, ary ahoana no nanampian’i Jehovah azy?

11 Zatra nankatò an’i Jehovah i Abrahama na dia tamin’ny zavatra madinika aza, ka nifandray tsara foana izy ireo ary lasa mpinamana be. Sahy namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah izy, ka nanontany azy rehefa sahiran-tsaina. Rehefa fantany, ohatra, fa handringana an’i Sodoma sy Gomora Andriamanitra, dia natahotra izy sao hiara-ringana amin’ny ratsy fanahy ny olo-marina. I Lota zana-drahalahiny sy ny ankohonany angamba no noeritreretiny, satria nipetraka tao Sodoma izy ireo. Natoky an’ilay Andriamanitra “Mpitsara ny tany manontolo” i Abrahama, ary nanetry tena be rehefa nanontany azy. Nanam-paharetana tamin’i Abrahama i Jehovah, ka nampianatra azy fa tena mamindra fo izy. Nohazavainy fa mahita ny any am-pon’ny olona tsirairay izy, ka mitady an’izay olo-marina azo vonjena aloha, na dia rehefa hampihatra ny didim-pitsarany aza.—Gen. 18:22-33.

12, 13. a) Nahoana no azo lazaina fa nanampy an’i Abrahama ny zavatra fantany sy niainany? b) Inona no porofo fa natoky an’i Jehovah izy?

12 Azo antoka fa nanampy an’i Abrahama hifandray akaiky foana tamin’i Jehovah ny zava-drehetra fantany sy niainany. Nasain’i Jehovah nanao sorona an’i Isaka zanany, ohatra, izy tatỳ aoriana, ary tena mafy taminy izany. Fantany anefa ny toetra tsaran’ilay Namany any an-danitra, ary niezaka nisaintsaina an’izany izy. Andao hiverenantsika ilay tantara. Rehefa nananika ny Tendrombohitra Moria io lehilahy tsy mivadika io, nieritreritra ve izy hoe niova tampoka i Jehovah ka lasa ratsy fanahy sy mafy fo? Tsy tonga tao an-tsainy akory izany! Nahoana isika no milaza an’izany?

13 Hoy i Abrahama tamin’ireo mpanompo niaraka taminy: “Mijanòna eto ianareo, miaraka amin’ny ampondra, fa izaho sy ny zaza handeha ho erỳ, mba hiankohoka eo anatrehan’Andriamanitra. Ary hiverina eto aminareo ihany izahay avy eo.” (Gen. 22:5) Inona no tiany holazaina? Nandainga tamin’ny mpanompony ve izy hoe hiara-miverina aminy i Isaka, nefa efa fantany fa hatao sorona? Tsia. Manampy antsika hahazo ny tiany holazaina ny Baiboly. (Vakio ny Hebreo 11:19.) “Nihevitra [i Abrahama] fa hain’Andriamanitra na dia ny manangana an’i Isaka amin’ny maty aza.” Nino izy fa mbola hatsangana ny maty. Efa hitany fa nomen’i Jehovah hery izy sy Saraha ka mbola afaka niteraka, na dia efa antitra aza. (Heb. 11:11, 12, 18) Fantatr’i Abrahama fa tsy misy zavatra tsy hain’i Jehovah. Natoky àry izy fa tsy maintsy haverin’Andriamanitra aminy ilay zanany tsy foiny, na inona na inona hitranga amin’io andro io. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho tanteraka ny zava-drehetra nampanantenainy azy. Tsy mahagaga raha nantsoina hoe “rain’izay rehetra manam-pinoana” i Abrahama.

14. Inona no zavatra asain’i Jehovah ataonao nefa sarotra aminao, ary nahoana no mety hahasoa anao ny ohatr’i Abrahama?

14 Ary isika? Marina fa tsy asain’i Jehovah manao sorona ny zanatsika isika. Asainy mankatò ny didiny kosa isika, na dia sarotra amintsika aza izany indraindray na tsy azontsika ny antony. Inona, ohatra, ny zavatra asain’i Jehovah ataonao nefa sarotra aminao? Mety ho ny fitoriana izany. Angamba ianao saro-kenatra, ka mafy be aminao ny manatona olona tsy fantatrao sy miresaka aminy ny vaovao tsara. Ny hafa indray matahotra sao hiavaka amin’ny besinimaro, ohatra hoe rehefa any am-pianarana na any am-piasana. (Eks. 23:2; 1 Tes. 2:2) Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa hoe toa tsy ho vitanao ny zavatra ampanaovina anao, ka toy ilay tsapan’i Abrahama tamin’izy nananika an’i Moria no tsapanao? Saintsaino àry ny modely navelany. Be herim-po sy nanam-pinoana izy. Rehefa misaintsaina ny tantaran’ireo lehilahy sy vehivavy tsy nivadika fahiny isika, dia lasa te hanahaka azy ireo, ka ho lasa naman’i Jehovah.—Heb. 12:1, 2

NOTAHIN’I JEHOVAH IZY

15. Nahoana isika no mahazo antoka fa tsy nanenenan’i Abrahama mihitsy ny nankatò an’i Jehovah?

15 Nanenina ve i Abrahama noho izy nankatò an’i Jehovah foana? Hoy ny Baiboly momba azy: “Niala aina izy ka maty, rehefa tratrantitra, sady ela niainana sy afa-po.” (Gen. 25:8) Tsy natanjaka intsony i Abrahama tamin’izy 175 taona. Nahafa-po azy anefa ny fiainany manontolo, satria niezaka nifandray tsara tamin’i Jehovah Andriamanitra foana izy. “Ela niainana sy afa-po” tamin’ny fiainana tokoa i Abrahama. Tsy midika anefa izany hoe efa tena nety taminy ny fiainany ka tsy te ho velona intsony izy amin’ny hoavy.

16. Inona avy no hahafaly an’i Abrahama, ao amin’ny Paradisa?

16 Hoy ny Baiboly momba an’i Abrahama: “Ilay tanàna manana fototra tena izy no nandrasany, ary Andriamanitra no mpanorina sy mpanao azy io.” (Heb. 11:10) Inona ilay tanàna? Ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hitondra ny tany amin’ny hoavy. Nino i Abrahama fa hahita azy io. Tena ho tanteraka izany faniriany izany. Eritrereto ny hafaliany rehefa hiaina ao amin’ny Paradisa izy, ary mbola ho afaka hifandray kokoa amin’i Jehovah. Ho faly be koa izy satria nandray soa avy tamin’ny modely nomeny ny mpanompon’i Jehovah nandritra ny an’arivony taona maro. Ho fantany mihitsy aza fa “tandindon-javatra” lehibe kokoa ilay zava-nitranga teo amin’ny Tendrombohitra Moria. (Heb. 11:19) Ho hainy koa hoe nahasoa an’ireo mpanompon’i Jehovah an-tapitrisany ny zavatra niainany. Lasa azon’izy ireo an-tsaina mantsy ny alahelon’i Jehovah tamin’ny nanome an’i Jesosy Kristy ho vidim-panavotana, rehefa saintsainin’izy ireo ny alahelo tsapan’i Abrahama tamin’izy hanao sorona an’i Isaka. (Jaona 3:16) Mahasoa antsika rehetra tokoa ny modely navelan’i Abrahama, satria manampy antsika hankasitraka kokoa ny vidim-panavotana. Io no porofom-pitiavana lehibe indrindra!

17. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao, ary inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Aoka àry isika tsirairay ho tapa-kevitra ny hanana finoana matanjaka toa an’i Abrahama. Miezaha foana hahalala bebe kokoa an’i Jehovah sy hankatò azy, dia ho hita fa tsy mivadika aminy ianao ka vao mainka ho tsapanao fa mamaly soa an’izay tsy mivadika aminy izy. (Vakio ny Hebreo 6:10-12.) Enga anie isika ka hinamana amin’i Jehovah foana mandrakizay. Handinika tantaran’olona telo hafa lasa naman’i Jehovah isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

^ [1] (fehintsoratra 3) Abrama no anarany tamin’ny voalohany ary Saray no anaran’ny vadiny. Abrahama sy Saraha kosa no iantsoantsika azy ato. Ireo no anarana nomen’i Jehovah azy mivady, tatỳ aoriana.