Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Porofoy hoe Tsy Mivadika Amin’i Jehovah Ianao

Porofoy hoe Tsy Mivadika Amin’i Jehovah Ianao

Enga anie i Jehovah no ho vavolombelona amiko sy aminao, ary amin’ny taranako sy ny taranakao, mandritra ny fotoana tsy voafetra!1 SAM. 20:42.

HIRA: 125, 62

1, 2. Nahoana no tena miavaka ny fitiavan’i Jonatana an’i Davida?

AZO antoka fa gaga i Jonatana zanak’i Saoly, mpanjakan’ny Israely, satria be herim-po i Davida, na dia mbola tovolahy aza. Novonoiny ilay Filistinina goavam-be atao hoe Goliata ary nentiny tao amin’i Saoly ny lohany. (1 Sam. 17:57) Hitan’i Jonatana hoe nampian’Andriamanitra i Davida ka ‘nanjary niraiki-po be taminy’ izy. “Nanao fifanekena” mihitsy izy roa lahy, satria ‘tia an’i Davida toy ny tenany i Jonatana.’ (1 Sam. 18:1-3) Tsy nivadika tamin’i Davida izy mandra-pahafatiny.

2 Tia an’i Davida foana i Jonatana, na dia i Davida aza no nofidin’Andriamanitra hanjaka handimby an’i Saoly. Nitady hamono an’i Davida i Saoly tatỳ aoriana, ka niady saina i Jonatana. Nankany an-tany efitra tany Horesa izy mba hampahery an’i Davida. Nanampy an’i Davida ‘hanamafy ny fatokisany an’Andriamanitra’ i Jonatana. Hoy izy: ‘Aza matahotra fa ianao no ho mpanjakan’ny Israely, ary izaho no hanarakaraka anao.’—1 Sam. 23:16, 17.

3. Inona no tena zava-dehibe tamin’i Jonatana, ary ahoana no ahalalantsika an’izany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

3 Toetra tian’ny ankamaroan’ny olona ny hoe tsy mivadika. Tsy nivadika tamin’i Davida i Jonatana, nefa tsy izay fotsiny no azontsika ianarana avy aminy. Tsy nivadika tamin’i Jehovah koa mantsy izy. Nahoana tokoa izy no nandray an’i Davida ho namany fa tsy fahavalony? Satria nisy zavatra lehibe kokoa taminy noho ny tombontsoany manokana. Efa hitantsika fa nampiany ‘hanamafy ny fatokisany an’Andriamanitra’ i Davida. Ny tsy fivadihana tamin’i Jehovah àry no tena zava-dehibe tamin’i Jonatana, ary izany no nahatonga azy tsy hivadika tamin’i Davida. Samy tsy nivadika tamin’ity voady nifanaovany ity izy roa lahy: “Enga anie i Jehovah no ho vavolombelona amiko sy aminao, ary amin’ny taranako sy ny taranakao, mandritra ny fotoana tsy voafetra!”—1 Sam. 20:42.

4. a) Inona no mahafaly sy mahafa-po antsika? b) Inona no hodinihintsika ato?

4 Marina fa tiantsika ny mahita olona tsy mivadika. Isika mihitsy anefa no tsy tokony hivadika amin’ny mpianakavintsika sy ny namantsika ary ny mpiara-manompo amintsika. (1 Tes. 2:10, 11) Amin’iza anefa isika no tena tsy tokony hivadika? Amin’i Jehovah, ilay nanome aina antsika. (Apok. 4:11) Ho faly sy ho afa-po isika raha tsy mivadika aminy. Ahoana no anaporofoantsika hoe tena tsy mivadika aminy isika? Tsy maintsy mifikitra aminy foana isika na ao anatin’ny fitsapana mafy aza. Hodinihintsika ato ny modelin’i Jonatana, satria hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah amin’ireto toe-javatra ireto: 1) Rehefa heverintsika hoe tsy mendrika hohajaina ny olona iray manana fahefana, 2) rehefa mila mifidy isika hoe iza no tsy tokony hivadihantsika, 3) rehefa misy mitsaratsara antsika na diso fandray an’izay lazaintsika na ataontsika, ary 4) rehefa sarotra amintsika ny mitana ny tenintsika.

REHEFA TSY MENDRIKA HOHAJAINA NY OLONA IRAY MANANA FAHEFANA

5. Nahoana no sarotra tamin’ny Israelita ny tsy nivadika tamin’i Jehovah, tamin’i Saoly mbola nanjaka?

5 I Jehovah no nanosotra an’i Saoly ho mpanjaka. Nivadika taminy izy tatỳ aoriana, ka nolaviny tsy ho mpanjaka. (1 Sam. 15:17-23) Mbola navelany hanjaka elaela anefa izy, ary niteraka olana ho an’ny vahoakany sy ny olona akaiky azy izany. Sarotra tamin’izy ireo ny tsy nivadika tamin’Andriamanitra, satria na ilay mpanjaka nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” aza nanao ratsy.—1 Tan. 29:23.

6. Inona no porofo fa tsy nivadika tamin’i Jehovah i Jonatana?

6 Noporofoin’i Jonatana hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah izy, raha vao nanomboka tsy nankatò an’i Jehovah i Saoly rainy. (1 Sam. 13:13, 14) Hoy i Samoela mpaminany: “Tsy hahafoy ny olony i Jehovah, noho ny amin’ny anarany be voninahitra.” (1 Sam. 12:22) Hita hoe nino an’io teny io i Jonatana, rehefa nisy miaramila filistinina maro be tonga hanafika ny Israely. Nanana kalesy fitondra miady 30 000 izy ireo, nefa miaramila 600 monja no niaraka tamin’i Saoly, ary izy sy Jonatana ihany no nanana fitaovam-piadiana. Sahy nanatona toby iray an’ny Filistinina anefa i Jonatana, ary ny mpitondra ny fiadiany ihany no niaraka taminy. Hoy izy: “Tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hamonjy, na maro na vitsy no ampiasainy.” Nahafaty lehilahy 20 teo ho eo izy roa lahy. “Nanomboka nihovotrovotra ny tany” avy eo, ary nataon’Andriamanitra nihorohoro ny Filistinina. Nisahotaka izy ireo ary nifamely. Nandresy àry i Jonatana satria nino an’Andriamanitra.—1 Sam. 13:5, 15, 22; 14:1, 2, 6, 14, 15, 20.

7. Inona no porofo fa nanaja an’i Saoly rainy foana i Jonatana?

7 Tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah intsony i Saoly tatỳ aoriana. Nanohana azy foana anefa i Jonatana, raha mbola azony natao. Niara-niady mba hiarovana ny vahoakan’i Jehovah, ohatra, izy ireo.—1 Sam. 31:1, 2.

8, 9. Nahoana isika no manaja an’ireo olona manana fahefana?

8 Ahoana no anaporofoantsika fa manahaka an’i Jonatana isika? Hankatò ny manam-pahefana isika raha mbola azo atao, na dia tsy mendrika an’izany aza ny sasany aminy. Izany mantsy no asain’Andriamanitra ataontsika. Mety hanao ny tsy marina, ohatra, ny olona eo amin’ny fitondrana. Manaja azy ireny foana anefa isika, satria asaina manaiky ny “manam-pahefana.” (Vakio ny Romanina 13:1, 2.) Tsy mivadika amin’i Jehovah koa isika, rehefa manaja an’ireo rehetra nomeny fahefana.—1 Kor. 11:3; Heb. 13:17.

Tsy mivadika amin’i Jehovah ny olona iray raha manaja ny vadiny, na dia tsy Vavolombelona aza izy io (Fehintsoratra 9)

9 Noporofoin’i Olga, [1] anabavy any Amerika Atsimo, fa tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy. Nanaja ny vadiny izy, na dia tsy mora taminy aza izany. Nampijaly azy nandritra ny taona maro ilay rangahy, noho izy Vavolombelon’i Jehovah. Nanao izay hampalahelo azy izy, nanompa azy, tsy nety niresaka taminy, ary nandrahona ny handao azy sady hitondra ny zanany roa lahy. Tsy namaly ratsy ny ratsy anefa i Olga, fa niezaka mafy nanao tsara ny andraikiny. Nandrahoany sakafo ny vadiny ary nosasany ny lambany. Nokarakarainy koa ny havam-badiny. (Rom. 12:17) Rehefa niaraka tamin’ny fianakaviany na ny mpiara-miasa taminy koa ilay rangahy, dia nandeha izy raha mbola azony natao. Maty, ohatra, ny rain’ilay rangahy, ka niaraka taminy nandevina i Olga. Izy koa no nikarakara an’izay rehetra nilaina tamin’ilay dia sy nanomana ny ankizy, satria lavidavitra ilay fandevenana. Niandry ny vadiny teo am-baravaran’ny fiangonana koa izy, mandra-pahavitan’ny fotoam-pivavahana. Nihatsara fanahy ilay rangahy, taona maro tatỳ aoriana, satria nanam-paharetana sy nanaja azy i Olga. Manatitra an’i Olga any am-pivoriana izao ilay rangahy, ary mampirisika azy hivory mihitsy aza. Mandeha mivory koa izy indraindray.—1 Pet. 3:1.

REHEFA MILA MIFIDY HOE IZA NO TSY TOKONY HIVADIHANA

10. Nahoana i Jonatana no nanohana an’i Davida?

10 Te hamono an’i Davida i Saoly tatỳ aoriana, ka nila nifidy i Jonatana hoe iza no hotohanany. Efa nanao fifanekena tamin’i Davida izy, nefa koa tokony hankatò an-drainy. Fantany anefa fa i Davida no nampian’i Jehovah fa tsy i Saoly. Nifidy ny hanohana an’i Davida àry izy. Nasainy niafina i Davida, ary nilaza zavatra tsara momba azy tamin’i Saoly izy.—Vakio ny 1 Samoela 19:1-6.

11, 12. Inona no ho vokany raha tia an’i Jehovah isika?

11 Anabavy any Aostralia i Alice. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy, ka hainy ny nanapa-kevitra hoe iza no tokony hotohanany. Tamin’izy vao nianatra Baiboly, dia noresahiny tamin’ny fianakaviany ny zavatra nianarany. Nilaza izy tatỳ aoriana fa tsy hanao Krismasy miaraka amin’izy ireo intsony, ary nohazavainy ny antony. Nalahelo kely izy ireo tamin’ny voalohany nefa lasa tezitra be avy eo. Nihevitra izy ireo fa tsy noraharahain’i Alice intsony. Hoy i Alice: “Nilaza tamiko ny reniko fa ariany tsy ho zanany intsony aho. Taitra aho sady nalahelo be, satria tena tiako ny fianakaviako. Efa tapa-kevitra anefa aho hoe ho tia an’i Jehovah sy ny Zanany amin’ny foko manontolo, ka natao batisa raha vao nisy fivoriambe.”—Mat. 10:37.

12 Raha tsy mitandrina isika, dia mety hataontsika zava-dehibe noho i Jehovah ny firenentsika na ny sekoly ianarantsika na ny fanatanjahan-tena. Tia milalao échecs, ohatra, i Henry. Efa nandresy imbetsaka tamin’io lalao io ny sekoliny, ka niezaka mafy mba handresy izy ho voninahitry ny sekoliny. Hoy anefa izy: “Rehefa nandeha ny fotoana, dia ilay sekoly nianarako no lasa zava-dehibe tamiko, fa tsy i Jehovah intsony. Nilalao niaraka tamin’ny ekipanay foana aho rehefa faran’ny herinandro, ka tsy dia afaka nanompo an’i Jehovah. Nanapa-kevitra àry aho hoe hiala tamin’ilay ekipa.”—Mat. 6:33.

13. Inona no ataon’ny olona tsy mivadika amin’i Jehovah, rehefa misy olana ao an-tokantranony?

13 Mety ho sarotra amintsika koa indraindray ny mifidy hoe iza amin’ny mpianakavintsika no tsy tokony hivadihantsika voalohany. Hoy, ohatra, ny rahalahy iray atao hoe Ken: “Efa antitra ny reniko, ka te hitsidika azy matetitetika aho. Tiako hipetraka tsindraindray any aminay koa izy. Tsy dia nifankahazo anefa izy sy ny vadiko. Very hevitra aho tamin’ny voalohany satria tezitra ny iray raha vao manao zavatra mahafaly ny iray aho. Tonga saina anefa aho avy eo hoe ny vadiko aloha no tokony hampifaliko vao ny olon-kafa. Niezaka nitady hevitra nety taminy àry aho.” Tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Ken sady nankatò ny Teniny, ka niezaka nanazava tamin’ny vadiny hoe nahoana izy no tokony ho tsara fanahy amin’ny rafozany. Nohazavainy tamin’ny reniny koa hoe nahoana izy no tokony hanaja ny vinantony.—Vakio ny Genesisy 2:24; 1 Korintianina 13:4, 5.

RAHA MISY MITSARATSARA ANTSIKA

14. Inona no nanjo an’i Jonatana?

14 Mety ho sarotra amintsika koa ny tsy hivadika amin’i Jehovah raha mitsaratsara antsika na manao ny tsy rariny amintsika ny rahalahy iray manana andraikitra. Mitovitovy amin’izany no nanjo an’i Jonatana. Mpanjaka voatendrin’i Jehovah i Saoly rainy. Fantany fa tia an’i Davida i Jonatana, nefa tsy fantany ny antony nitiavany azy. Tezitra be tamin’i Jonatana àry i Saoly, ka nanala baraka azy. Tsy namaly faty anefa i Jonatana. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy izy. Tiany foana koa i Davida, ilay ho lasa mpanjakan’ny Israely.—1 Sam. 20:30-41.

15. Inona no tokony hataontsika raha misy manao ny tsy rariny amintsika?

15 Indraindray ihany vao misy olona manao ny tsy rariny eo anivon’ny fiangonana ankehitriny. Tsy lavorary anefa ny mpiandraikitra, ka mety hitsaratsara antsika na ho diso fandray an’izay lazaintsika na ataontsika. (1 Sam. 1:13-17) Aza mivadika amin’i Jehovah mihitsy, raha sendra mitranga izany.

REHEFA SAROTRA AMINTSIKA NY MITANA NY TENINTSIKA

16. Rahoviana avy isika no tsy tokony ho tia tena fa hitana ny tenintsika?

16 I Jonatana no tian’i Saoly hanjaka handimby azy fa tsy i Davida, ka nampirisihiny izy mba hiady mafy ho lasa mpanjaka. (1 Sam. 20:31) Tsy nivadika tamin’Andriamanitra anefa i Jonatana ka naleony nanohana an’i Davida. Nitana ny teny nolazainy taminy izy fa tsy tia tena. Hanahaka azy isika raha mitadidy hoe “tsy mivadika amin’ny fianianany” ny olona ankasitrahan’i Jehovah, “na dia mitondra fahavoazana ho azy aza izany.” (Sal. 15:4) Tokony hitana ny tenintsika àry isika. Ahoana, ohatra, raha nanao fifanarahana ara-barotra isika, nefa lasa sarotra amintsika avy eo ny manatanteraka an’ilay izy? Hitana ny tenintsika isika raha tsy mivadika amin’Andriamanitra sy mankatò ny Teniny. Ary ahoana raha tsy araka ny nantenainao ny fiainana ao an-tokantranonao? Tsy hivadika amin’ny vadinao ianao raha tia an’Andriamanitra.—Vakio ny Malakia 2:13-16.

Tsy mora indraindray ny mitana ny tenintsika, ka lasa sarotra amintsika ny tsy mivadika amin’i Jehovah sy mankatò ny Teniny (Fehintsoratra 16)

17. Inona no nianaranao tato?

17 Tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Jonatana. Azo antoka fa te hanahaka azy isika rehefa misaintsaina an’izay nataony. Aza mitady izay hahasoa anao fotsiny àry. Porofoy hoe tsy mivadika amin’i Jehovah ianao, ka aza mivadika amin’ny mpiara-manompo aminao, na dia izay nandiso fanantenana anao aza. Tena ho sambatra ianao raha tsy mivadika amin’i Jehovah na dia misy olana aza. Mampifaly ny fony izany. (Ohab. 27:11) Raha tsy mivadika isika, dia hahita fa tena mitady izay hahasoa an’ireo tia azy i Jehovah ka mikarakara azy ireo. Nisy olon-kafa tsy nivadika tamin’i Jehovah tamin’ny andron’i Davida, ary nisy koa nivadika. Handinika ny tantaran’izy ireo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka, ka handray lesona avy amin’izany.

^ [1] (fehintsoratra 9) Novana ny anarana sasany.