Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Foana ho Faly Manompo An’i Jehovah

Miezaha Foana ho Faly Manompo An’i Jehovah

INONA no andro nahafaly anao indrindra? Tamin’ianao natao mariazy ve? Sa tamin’ianao niteraka voalohany? Sa ny andro nanaovana batisa anao? Io angamba no andro nahafinaritra anao indrindra sady lehibe indrindra teo amin’ny fiainanao. Faly be koa ny rahalahy sy anabavy tamin’io, satria noporofoinao fa tia an’Andriamanitra amin’ny fonao sy ny tenanao sy ny sainao ary ny herinao manontolo ianao.—Mar. 12:30.

Azo inoana fa tena nahafaly anao ny nanompo an’i Jehovah, nanomboka tamin’ny batisanao. Nahoana anefa no misy mpitory lasa tsy dia faly intsony? Nahoana no tokony hahafaly antsika foana ny manompo an’i Jehovah?

NAHOANA NO MISY TSY DIA FALY INTSONY?

Tena mahafaly ny hafatra momba ilay Fanjakana, anisan’izany ilay fampanantenana hoe efa hofaranan’i Jehovah ity tontolo ratsy ity ary hosoloany tontolo vaovao. Manome toky koa ny Zefania 1:14 hoe: “Akaiky ny andro lehiben’i Jehovah. Efa akaiky izy io, sady manatona haingana dia haingana.” Mety ho ela kokoa noho ny noeritreretintsika anefa ilay andro, ka lasa tsy falifaly intsony isika na lasa kamokamo manompo an’i Jehovah.—Ohab. 13:12.

Vao mainka mahafaly antsika ny manompo an’i Jehovah rehefa miaraka amin’ny mpiray finoana isika. Ny fitondran-tena tsaran’ny mpanompon’i Jehovah aza angamba no nahatonga antsika hanaraka ny fivavahana marina sy nandrisika antsika hanompo azy. (1 Pet. 2:12) Ahoana anefa raha misy Kristianina mahazo famaizana satria tsy nankatò ny fitsipik’i Jehovah? Mety hahakivy ny olona sasany izany ka tsy ho faly intsony izy, indrindra raha ny toetra tsaran’ny mpanompon’i Jehovah no nandrisika azy hanaraka ny fivavahana marina.

Mety hahatonga antsika tsy ho faly koa ny dokam-barotra. Izy ireny mantsy no ampiasain’ny tontolon’i Satana mba hahatonga antsika hieritreritra hoe ilaintsika ny zavatra iray, na dia tsy tena ilaintsika aza. Tadidio anefa ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy misy mahay manompo tompo roa, fa ny iray ho halany ary ny iray ho tiany, na ny iray hifikirany ary ny iray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” (Mat. 6:24) Tsy ho faly intsony isika raha sady manompo an’i Jehovah no mikatsaka harena eto amin’ity tontolo ity.

‘MIRAVORAVOA AMIN’ILAY ANDRIAMANITRY NY FAMONJENA’

Tsy hanavesatra antsika ny manompo an’i Jehovah raha tia azy isika. (1 Jaona 5:3) Tadidio ilay tenin’i Jesosy hoe: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Mat. 11:28-30) Mamelombelona sy mahafaly ny manara-dia an’i Kristy. Maro tokoa ny antony tokony hahafaly antsika mpanompon’i Jehovah. Andao isika handinika lafiny telo lehibe mahatonga antsika “hiravoravo amin’ilay Andriamanitry ny famonjena” antsika.—Hab. 3:18.

Manompo an’ilay Mpanome aina isika ary Andriamanitra falifaly izy. (Asa. 17:28; 1 Tim. 1:11) Fantatsika hoe ilay Mpamorona no nanome aina antsika. Tokony ho faly hanompo azy foana àry isika, na firy taona na firy taona izay no nanaovana batisa antsika.

Falifaly foana i Héctor, satria mitadidy ny zavatra ampanantenain’ilay Fanjakana sady be atao amin’ny fanompoana

Diniho ny tantaran’i Héctor, izay efa mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny 40 taona. Mbola tia manompo an’i Jehovah izy, na dia “efa fotsy volo aza.” (Sal. 92:12-14) Tsy afaka manompo firy izy satria marary ny vadiny. Mbola falifaly foana anefa izy. Hoy izy: “Malahelo aho fa mihamarary foana ny vadiko, ary tsy mora ny mikarakara azy. Tsy ataoko sakana anefa izany fa miezaka aho mba ho faly foana manompo an’ilay tena Andriamanitra. Fantatro hoe tsy ho nisy aho raha tsy teo i Jehovah, ary misy antony matoa namorona ny olona izy. Izany dia efa antony tena itiavako azy sy anompoako azy amin’ny fo manontolo. Miezaka mafy aho mba hazoto hitory sy hitadidy an’ireo zavatra ampanantenain’ilay Fanjakana, mba ho falifaly foana.”

Nanome ny sorom-panavotana i Jehovah, ka afaka ny ho sambatra isika. “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Tia antsika Andriamanitra ka nanome an’i Jesosy ho sorona. Afaka ny ho voavela heloka sy hiaina mandrakizay àry izay maneho finoana ny vidim-panavotana. Tokony hankasitraka lalina ny vidim-panavotana isika noho izany, ka hiezaka kokoa ho faly manompo an’i Jehovah.

Nanatsotra fiainana i Jesús ka faly nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro

Hoy i Jesús, rahalahy iray any Meksika: ‘Nandevozin’ny asa aho taloha. Indraindray aho niasa be nandritra ny ora maro isan’andro, na dia tsy voatery nanao an’izany aza. Te hahazo vola bebe kokoa aho tsinona. Nianatra momba an’i Jehovah aho tatỳ aoriana, ka fantatro hoe nomeny ho an’ny olombelona ny Zanany malalany. Lasa tena te hanompo an’i Jehovah aho, ka nanokan-tena ho azy. Efa 28 taona aho no niasa tao amin’ilay orinasa, nefa tapa-kevitra fa hiala ary hanompo manontolo andro.’ Nanompo an’i Jehovah an-taonany maro i Jesús taorian’izay, ary nahafinaritra azy izany.

Sambatra isika satria madio fitondran-tena. Tadidinao ve hoe nanao ahoana ny fiainanao tamin’ianao mbola tsy nahalala an’i Jehovah? Nampahatsiahy an’ireo Kristianina tany Roma ny apostoly Paoly hoe “mpanompon’ny ota” izy ireo fahiny, saingy efa lasa “mpanompon’ny fahamarinana.” Lasa ‘masina’ na madio izy ireo, ka nanantena hiaina mandrakizay. (Rom. 6:17-22) Miezaka ho masina koa isika. Tsy mahazo antsika àry ny loza manjo ny olona ratsy fitondran-tena sy mahery setra. Tena mahafaly izany!

“Rehefa nanompo an’i Jehovah aho vao tena sambatra.”—Jaime

Diniho ny tantaran’i Jaime. Tsy nino an’Andriamanitra izy sady nino ny evolisiona (na fiovana miandalana). Nanao ady totohondry koa izy. Nanomboka nivory izy tatỳ aoriana, ary gaga fa nifankatia ny olona tao. Te hiova izy, ka tsy maintsy nivavaka mafy tamin’i Jehovah mba hampiany hino azy. Hoy i Jaime: “Lasa tsapako tsikelikely hoe misy Andriamanitra, ary Ray be fitiavana sy mamindra fo izy. Voaro aho rehefa nankatò foana ny fitsipik’i Jehovah. Efa nisy namono hoatran’ireo niara-nanao ady totohondry tamiko aho hoatr’izay, raha tsy niova. Rehefa nanompo an’i Jehovah aho vao tena sambatra.”

AZA KIVY MIHITSY!

Tokony hanao ahoana àry isika eo am-piandrasana ny faran’ity tontolo ratsy ity? Tadidio fa “mamafy ho an’ny fanahy” isika ka “hijinja fiainana mandrakizay.” Aoka àry isika “tsy ho sasatry ny manao ny tsara, satria amin’ny fotoana voatondro no hijinjantsika raha tsy reraka isika.” (Gal. 6:8, 9) Miareta fa manampy anao i Jehovah. Miezaha koa hanana an’ireo toetra hanampy anao ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” (Apok. 7:9, 13, 14) Aoka ianao ho faly manompo an’i Jehovah foana, na dia misy fitsapana aza.—Jak. 1:2-4.

Matokia fa hamaly soa anao Andriamanitra raha miaritra ianao. Hitany mantsy hoe manompo azy ianao sady tia azy sy ny anarany. Hitovy amin’i Davida mpanao salamo isika raha miezaka hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana foana. Hoy izy: “Nataoko teo anatrehako mandrakariva i Jehovah. Tsy hangozohozo aho satria izy eo ankavanako. Koa faly ny foko, ary ravoravo avokoa izay rehetra misy voninahitra ato anatiko. Handry feizay koa ny nofoko.”—Sal. 16:8, 9.