Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANTARO NY TANTARANTSIKA

Ilay Fiara Nalaza Be

Ilay Fiara Nalaza Be

“Iray ihany ny fiara misy fanamafisam-peo ampiasaina amin’ny fanompoana ny Tompo, eto Brezila. ‘Fiara misy fanamafisam-peo an’ny Watch Tower’ no ahalalan’ny olona an-tapitrisany azy io.”​—Nathaniel Yuille, 1938.

TSY dia nandroso ny fitoriana tany Brezila, taoriana kelin’ny 1930. Nisy mpisava lalana atao hoe Nathaniel sy Maud Yuille anefa nanoratra tany amin’i Joseph Rutherford, tamin’ny 1935. Nilaza izy mivady fa vonona hanompo, ka “mazoto handeha na aiza na aiza anirahana azy.” I Rutherford no niandraikitra ny asa fitoriana eran-tany tamin’izany.

Injeniera efa nisotro ronono i Nathaniel, ary 62 taona izy tamin’izay. Efa talen’ny fanompoan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany San Francisco, any Etazonia, izy. Izy no niandraikitra ny asa fitoriana tany, ary nampiasa fitaovana misy fanamafisam-peo izy. Notendrena ho mpikarakara ny sampana tany Brezila izy. Sady ampy traikefa izy no nazoto niasa, ka tena nilaina tany. Midadasika mantsy i Brezila ary maro be ny fiteny any.

Tonga tany i Nathaniel sy Maud tamin’ny 1936. Niaraka taminy ilay mpisava lalana atao hoe Antonio Andrade. Izy no nandika teny ho azy ireo. Nitondra grafofaonina 35 sy fiara iray misy fanamafisam-peo izy ireo, ary tena nilaina ireo. I Brezila no firenena fahadimy lehibe indrindra eran-tany, nefa 60 teo ho eo monja ny mpitory tany. Taona vitsivitsy anefa, dia olona an-tapitrisany no nandre ny vaovao tsara, noho ireo fitaovana maoderina ireo.

Iray volana taorian’ny nahatongavan-dry Nathaniel, dia nasian’ny sampana fivoriambe nisy fitoriana tany São Paulo. Izay vao nisy an’izany tany Brezila. Ilay fiara no nampiasaina mba hanasana olona hanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro tamin’ilay fivoriambe, ary i Maud angamba no mpamily. Nahatratra 110 ny mpanatrika! Nampahery an’ireo mpitory ilay fivoriambe, ka vao mainka izy ireo nazoto nitory. Nianatra nampiasa boky sy karatra fitoriana izy ireo, sady nianatra nandefa lahateny noraisim-peo tamin’ny teny alemà, anglisy, espaniola, hongroà, poloney, ary portogey tatỳ aoriana.

Io fiara misy fanamafisam-peo io no nampiasaina tany Brezila, ary nanampy olona an-tapitrisany handre ny vaovao tsara

Nasiana fivoriambe nisy fitoriana tany São Paulo sy Rio de Janeiro ary Curitiba, tamin’ny 1937, ka lasa nandroso be ny fitoriana. Nitondra an’ilay fiara misy fanamafisam-peo ny mpamonjy fivoriambe rehefa nitory isan-trano. Mbola ankizilahy i José Maglovsky tamin’izany. Hoy izy tatỳ aoriana: “Napetrakay teo ambony talantalana ny bokinay, dia nandefa lahateny avy tao amin’ilay fiara izahay. Nivoaka avy tao an-tranony ny olona mba hijery an’izay nitranga, ka tonga dia niresahanay.”

Tany amin’ny renirano no natao ny batisa. Nisy olona avy nilomano nitanina andro teo akaiky teo, ka afaka nahare ny vaovao tsara. Nalefa avy tao anatin’ilay fiara mantsy ny lahatenin’ny batisa. I Rutherford no nanao azy, ary nanako be ny feony. Nadika tamin’ny fiteny portogey ilay lahateny, ka nitangorona nihaino ny olona. Nisy hiran’ilay Fanjakana tamin’ny teny poloney nalefa nandritra ny batisa. Nihira tamin’ny fiteniny avy ireo rahalahy sy anabavy. Nilaza ny Diary 1938 fa ‘hoatran’ilay tamin’ny Pentekosta mihitsy ilay izy.’

Taorian’ilay fivoriambe, dia nisy lahateny noraisim-peo nalefa teny amin’ny zaridainam-panjakana sy trano tsara tarehy ary toeram-piasana tao São Paulo sy ny manodidina. Isan’alahady no nanaovana an’izany, na tsara ny andro na ratsy. Nankany amin’ny toby iray nisy boka 3000 koa ilay fiara isam-bolana. Tany amin’ny 97 kilaometatra any avaratrandrefan’i São Paulo izany. Lasa nisy fiangonana nandroso be tany. Marina fa nampijaly an’ireo mpitory tany ny aretiny, nefa nahazo alalana hitsidika boka tany amin’ny toby iray hafa izy ireo, mba hiresaka hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly.

Lasa nisy raki-peo tamin’ny teny portogey, tamin’ny faramparan’ny 1938. Rehefa Fetin’ny Maty, dia nentina nitety fasana ilay fiara, ary nalefa ilay lahateny hoe “Aiza moa Ireo Maty?” sy ilay hoe “Jehovah” ary ilay hoe “Harena.” Maherin’ny 40000 ny olona nidonam-pahoriana nahare an’ireo.

Nivantana be ny fahamarinana ara-baiboly nalefa avy tao amin’ilay fiara, ka nahatezitra an’ireo mpitondra fivavahana. Matetika izy ireo no nampirisika ny manam-pahefana mba handrara ny fampiasana an’ilay fiara. Tadidin’i Maud, ohatra, fa nasain’ny mpitondra fivavahana nitangoronan’ny olona ilay fiara, indray mandeha. Tonga anefa ny ben’ny tanàna sy ny polisy, ary nihaino an’ilay lahateny manontolo. Lasa ilay ben’ny tanàna avy eo rehefa avy nomena boky ara-baiboly. Niala maina ireo olona saika hirotaka. Nilaza ny Diary 1940 fa ny taona 1939 no “fotoana nety indrindra mba hanompoana an’ilay Mpitondra Lehibe sy hitoriana ny anarany.”

Nisy vokany be teo amin’ny fitoriana tany Brezila ny nahatongavan’ilay “fiara misy fanamafisam-peo an’ny Watch Tower.” Nanampy olona an-tapitrisany handre ny hafatra momba ilay Fanjakana izy io. Namidy io fiara nalaza io tamin’ny 1941. Mbola misy Vavolombelona maro be mitory amin’ny olona tso-po anefa any amin’io faritany midadasika io, hatramin’izao.—Avy any amin’ny tahirintsika any Brezila.