Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo Ireo Mpanompon’i Jehovah Tsy Nivadika

Tahafo Ireo Mpanompon’i Jehovah Tsy Nivadika

Ny olona tsy mivadika no tsy hivadihanao.”SAL. 18:25.

HIRA: 63, 43

1, 2. Inona no manaporofo fa tsy nivadika tamin’Andriamanitra i Davida? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

EFA alina be tamin’izay, ary natory be i Saoly Mpanjaka sy ny miaramilany 3000. Tonga tany an-tany efitr’i Jodia izy ireo mba hitady an’i Davida sy hamono azy. Natory teo afovoan’ny miaramilany i Saoly. Iny i Davida sy Abisay fa nitsaitsaika teo amin’izy ireo. Nibitsibitsika i Abisay hoe: “Mba avelao aho handefona [an’i Saoly] hifantsika amin’ny tany indray mandeha tsy miverina.” Tsy nampoiziny anefa fa niteny i Davida hoe: “Aza mamono azy, fa iza moa no naninjitra ny tanany hamely ny voahosotr’i Jehovah ka tsy nanan-tsiny? ... Sanatria ahy ny haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’i Jehovah, satria tsy mifanaraka amin’ny fihevitr’i Jehovah izany!”—1 Sam. 26:8-12.

2 Tsy te hanisy ratsy an’i Saoly i Davida, satria fantany fa mivadika amin’i Jehovah izy raha manao an’izany. I Jehovah mantsy no nanosotra an’i Saoly ho mpanjakan’ny Israely. Hanaja an’ireo olona voatendrin’i Jehovah koa isika raha tsy mivadika aminy. Izany no asainy ataon’ny mpanompony rehetra.—Vakio ny Salamo 18:25.

3. Inona no manaporofo fa tsy nivadika tamin’i Davida i Abisay?

3 Nanaja an’i Davida i Abisay. Azo inoana, ohatra, fa fantany ny zava-dratsy nataon’i Davida. Nijangajanga tamin’i Batseba vadin’i Oria i Davida, ary te hanafina an’izany. Nasainy nataon’i Joaba rahalahin’i Abisay àry izay hahafaty an’i Oria tany an’ady. (2 Sam. 11:2-4, 14, 15; 1 Tan. 2:16) Nohajain’i Abisay foana anefa i Davida satria izy no mpanjaka voatendrin’i Jehovah. Tsy nanongam-panjakana koa i Abisay, na dia izy aza no mpitari-tafika. Narovany kosa i Davida rehefa nisy namadika na nisy saika hamono.—2 Sam. 10:10; 20:6; 21:15-17.

4. a) Inona no porofo fa tsy nivadika tamin’i Jehovah i Davida? b) Ny tantaran’iza koa no hodinihintsika ato?

4 Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Davida matoa tsy nety namono an’i Saoly. Sahy niady tamin’ilay Filistinina goavam-be atao hoe Goliata koa i Davida tamin’izy tanora. ‘Nihantsy ady tamin’ny tafik’ilay Andriamanitra velona’ mantsy i Goliata. (1 Sam. 17:23, 26, 48-51) Nanao fahotana lehibe i Davida rehefa lasa mpanjaka, satria nijangajanga sy namono olona. Nibebaka anefa izy rehefa nananatra azy i Natana mpaminany. (2 Sam. 12:1-5, 13) Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Davida, na dia tamin’izy efa antitra aza. Nanome zavatra be dia be hanorenana ny tempolin’i Jehovah, ohatra, izy. (1 Tan. 29:1-5) Tsy nivadika tokoa izy, na dia maro aza ny fahadisoana lehibe nataony. (Sal. 51:4, 10; 86:2) Handinika ny tantaran’i Davida sy ny olona sasany tamin’ny androny isika izao, ary hamaly an’ireto: Iza no voalohany tsy tokony hivadihantsika? Inona avy ny toetra hanampy antsika tsy hivadika?

IZA NO VOALOHANY TSY TOKONY HIVADIHANTSIKA?

5. Inona no ianarantsika avy amin’i Abisay?

5 Tsy hain’i Abisay hoe iza no voalohany tsy tokony hivadihany, tamin’izy sy Davida tao an-tobin’i Saoly. Tsy te hivadika tamin’i Davida izy, ka maika erỳ hamono an’i Saoly Mpanjaka. Nisakana azy anefa i Davida satria fantany fa ratsy ny ‘mamely ny voahosotr’i Jehovah.’ (1 Sam. 26:8-11) Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’izany? Mety ho maromaro ny olona tsy tiantsika hivadihana, ary ara-dalàna izany. Mila mandinika ny toro lalan’ny Baiboly anefa isika mba hamantarana hoe iza no voalohany tsy tokony hivadihantsika.

6. Nahoana isika no mila mitandrina, na dia tsy te hivadika amin’ny namantsika sy ny havantsika aza?

6 Avy ao am-po ny tsy fivadihana. Mamitaka anefa ny fo ka mety hisy mpanompon’i Jehovah tsy mivadika hiraiki-po be amin’ny namany na ny havany, na dia manao ratsy aza izy io. (Jer. 17:9) Ahoana àry raha misy olona akaiky antsika miala amin’i Jehovah? Amin’izay indrindra isika no tsy maintsy mitadidy hoe i Jehovah foana no tokony ho tiantsika voalohany.—Vakio ny Matio 22:37.

7. Ahoana no nanaporofoan’ny anabavy iray fa tsy mivadika amin’i Jehovah izy?

7 Mety ho sarotra amintsika ny tsy hivadika amin’i Jehovah rehefa voaroaka ny havantsika akaiky. Voaroaka, ohatra, ny renin’ny anabavy iray atao hoe Annie. [1] Nitelefaonina azy anefa ilay reniny, ary nilaza hoe malahelo be fa tsy ifandraisan’ny fianakaviany intsony, ka mba te ho any aminy. Nalahelo be an’ilay reniny i Annie, ka nampanantena fa hanoratra ho azy. Nandinika ny toro lalan’ny Baiboly anefa aloha izy vao nanoratra. (1 Kor. 5:11; 2 Jaona 9-11) Niezaka ho tsara fanahy i Annie tao amin’ilay taratasy, ary nampahatsiahy fa ilay reniny no tsy te hifandray tamin’ny fianakaviany intsony matoa nanao ratsy sady tsy nibebaka. Hoy koa i Annie: “Raha tsy te halahelo intsony ianao, dia miverena amin’i Jehovah.”—Jak. 4:8.

8. Inona no hanampy antsika tsy hivadika?

8 Nisy olon-kafa tsy nivadika koa tamin’ny andron’i Davida. Nanetry tena sy tsara fanahy ary be herim-po izy ireo. Hanampy antsika tsy hivadika ireo toetra ireo, ka andao hodinihintsika.

MIEZAHA HANETRY TENA

9. Nahoana i Abnera no nitady hamono an’i Davida?

9 Olona roa no teo, fara fahakeliny, rehefa nitondra ny lohan’i Goliata tao amin’i Saoly i Davida. I Jonatana zanak’i Saoly ny iray. Izy ilay nanao fifanekena tamin’i Davida hoe ho namany foana. I Abnera lehiben’ny tafika kosa ny iray. (1 Sam. 17:57–18:3) Nanohana an’i Saoly izy tatỳ aoriana, tamin’i Saoly nitady hamono an’i Davida. Hoy i Davida: “Misy mpanjakazaka mifofo ny aiko.” (Sal. 54:3; 1 Sam. 26:1-5) Nahoana i Jonatana no tsy nivadika tamin’i Davida nefa i Abnera nivadika? Samy nahalala izy roa lahy fa nofidin’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israely i Davida. Tokony ho nanohana an’i Davida i Abnera, rehefa maty i Saoly. Nanetry tena izy raha nanao izany sady nanaporofo hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah. Naleony anefa nanohana an’i Isboseta zanak’i Saoly. Nanao firaisana tamin’ny vadikelin’i Saoly koa izy, ka angamba te ho lasa mpanjaka.—2 Sam. 2:8-10; 3:6-11.

10. Nahoana i Absaloma no nivadika tamin’Andriamanitra?

10 Tsy nanetry tena koa i Absaloma zanak’i Davida, ka nivadika tamin’Andriamanitra. “Nampanao kalesy ho an’ny tenany i Absaloma. Ary nanana soavaly sy mpihazakazaka dimampolo lahy izy, nandeha teo alohany.” (2 Sam. 15:1) Notaominy hiandany aminy koa ny vahoaka. Nitady hamono an’i Davida koa izy, na dia fantany aza fa notendren’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israely i Davida.—2 Sam. 15:13, 14; 17:1-4.

11. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Abnera sy Absaloma ary Baroka?

11 Hita avy amin’ny tantaran’i Abnera sy Absaloma fa mety hivadika amin’i Jehovah ny olona iray raha maniry mafy hahazo toerana ambony. Azo antoka fa tsy ho tia tena sy ho ratsy fanahy toa azy ireo ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Mety hivadika amin’i Jehovah anefa ny Kristianina iray raha maniry hanan-karena na hanana asa ambony eto amin’ity tontolo ity. Nisy fotoana i Baroka, mpitan-tsoratr’i Jeremia, tsy nifantoka tamin’ny fanompoany intsony, satria nisy zavatra nahavariana azy. Hoy àry i Jehovah taminy: “Horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia ilay tany manontolo. Ianao anefa mbola mikatsaka zavatra lehibe ho anao ihany. Aza mikatsaka izany intsony.” (Jer. 45:4, 5) Nanaiky hahitsin’i Jehovah i Baroka. Tokony hitadidy an’ireo tenin’i Jehovah ireo koa isika eo am-piandrasana ny faran’ity tontolo ratsy ity.

12. Inona no manaporofo fa mety hivadika amin’i Jehovah isika raha manao izay tiantsika fotsiny?

12 Rahalahy any Meksika i Daniel. Nila nifidy izy hoe tsy hivadika amin’i Jehovah sa hanao izay tiany fotsiny. Te hanambady ankizivavy tsy Vavolombelona mantsy izy. Hoy izy: “Mbola nanoratra taminy aho, na dia efa mpisava lalana aza. Nanetry tena anefa aho tamin’ny farany, ka nanatona anti-panahy matotra. Notsoriko fa sahiran-tsaina aho satria tsy maintsy mifidy hoe ilay ankizivavy sa i Jehovah no tsy tokony hivadihako. Nohazavainy fa tsy tokony hanoratra any amin’ilay ankizivavy intsony aho raha tsy te hivadika amin’i Jehovah. Sady nitomany aho no nivavaka im-be dia be, ka vitako ihany ilay izy. Lasa tia nanompo kokoa aho, tsy ela taorian’izay.” Nanambady anabavy tia an’i Jehovah i Daniel tatỳ aoriana, ary mpiandraikitra ny faritra izy izao.

MIEZAHA HO TSARA FANAHY

Raha fantatrao hoe nanao fahadisoana lehibe ny namanao, tsy hivadika ve ianao ka hampirisika azy hanatona anti-panahy? (Fehintsoratra 14)

13. Inona no porofo fa sady tsy nivadika tamin’i Jehovah i Natana no tsy nivadika tamin’i Davida?

13 Sarotra amintsika indraindray ny tsy hivadika amin’i Jehovah sady tsy hivadika amin’ny namana. Vitan’i Natana mpaminany anefa ny tsy nivadika tamin’i Davida sady tsy nivadika tamin’i Jehovah. Henony fa nijangajanga i Davida sady nanao izay hahafaty ny vadin’ilay vehivavy. Nankatò àry izy rehefa nirahin’i Jehovah hananatra an’i Davida. Tsy nivadika tamin’i Davida izy nefa sahy niteny azy. Niezaka ho tsara fanahy izy, ary hita hoe nanam-pahendrena. Nanao fanoharana izy mba hahitan’i Davida fa tena ratsy ny nataony. Nilaza izy hoe nisy lehilahy manankarena naka ny zanak’ondrin’ny lehilahy iray mahantra. Hitan’i Davida hoe tsy rariny izany, ka tezitra be tamin’ilay lehilahy manankarena izy. Hoy i Natana avy eo: “Ianao izany lehilahy izany!” Azon’i Davida ny tiany holazaina.—2 Sam. 12:1-7, 13.

14. Ahoana no hanaporofoanao fa sady tsy mivadika amin’i Jehovah ianao no tsy mivadika amin’ny namanao na havanao?

14 Raha tsara fanahy ianao, dia ho vitanao ny tsy hivadika amin’i Jehovah sady tsy hivadika amin’ny olon-kafa. Aoka hatao hoe manana porofo marim-pototra ianao fa nanao fahotana lehibe ny Kristianina iray. Tsy te hivadika aminy ianao, indrindra raha namanao akaiky na havanao izy. Mivadika amin’i Jehovah anefa ianao, raha manafina ny ratsy nataony. I Jehovah no voalohany tsy tokony hivadihanao. Tahafo i Natana, ka miezaha ho tsara fanahy nefa hentitra. Asaivo manatona anti-panahy ilay namanao na havanao. Omeo fotoana ampy tsara hanaovana an’izany izy. Raha efa dila ilay fotoana nefa tsy nankany izy, dia miresaha amin’ny anti-panahy. Tsy mivadika amin’i Jehovah ianao sady tsara fanahy amin’ilay namanao na havanao, raha manao an’izany. Hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy mantsy ny anti-panahy.—Vakio ny Levitikosy 5:1; Galatianina 6:1.

MIEZAHA HO BE HERIM-PO

15, 16. Nahoana i Hosay no nila nanana herim-po mba tsy hivadihana tamin’i Jehovah?

15 Nila herim-po ny lehilahy iray atao hoe Hosay, mba tsy hivadihana tamin’i Jehovah. Mpinamana be izy sy Davida Mpanjaka. Sahiran-tsaina anefa izy satria lasa be mpanohana i Absaloma zanak’i Davida, ary nitady hifehy an’i Jerosalema sy haka ny fanjakana. (2 Sam. 15:13; 16:15) Efa antitra i Davida tamin’izay, ary nandositra avy tao Jerosalema. Inona àry no hataon’i Hosay? Hanohana an’i Absaloma izy sa hanaraka an’i Davida? Tsy nivadika tamin’ilay mpanjaka voatendrin’i Jehovah izy, ka nitsena azy tany an-tendrombohitra Oliva.—2 Sam. 15:30, 32.

16 Nasain’i Davida niverina tany Jerosalema i Hosay, ary nasainy ninamana tamin’i Absaloma. Tetika fotsiny ilay izy fa ny hampandamòka ny torohevitr’i Ahitofela no tanjon’izy ireo. Nankatò i Hosay, ka nanao vivery ny ainy. Hita hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah izy. Nivavaka ho an’i Hosay i Davida, ka ny hevitr’i Hosay no neken’i Absaloma, fa tsy ny an’i Ahitofela.—2 Sam. 15:31; 17:14.

17. Nahoana isika no mila manana herim-po raha tsy te hivadika?

17 Mila herim-po isika raha tsy te hivadika amin’i Jehovah. Maro no be herim-po ka tsy nivadika mihitsy, na dia nanery azy hivadika aza ny havany na ny mpiara-miasa aminy na ny manam-pahefana. Anisan’izany i Taro, rahalahy any Japon. Nankatò ray aman-dreny foana izy hatramin’ny mbola kely. Tsy adidy fotsiny no nanaovany an’izany fa tena te hampifaly azy ireo izy. Tsy navelan’izy ireo hifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy, tatỳ aoriana. Tena mafy taminy àry ny nilaza tamin’izy ireo hoe tsy maintsy mivory izy. Hoy i Taro: “Tezitra be ry zareo ka tsy navelany hiditra ny tranony aho, nandritra ny taona maro. Nivavaka aho mba hanana herim-po hijoroana amin’ny hevitro. Efa somary niova ry zareo izao, ka avelany hitsidika azy aho.”—Vakio ny Ohabolana 29:25.

18. Inona no nianaranao tato?

18 Tena ho sambatra isika raha tsy mivadika toa an’i Davida, Jonatana, Natana, ary Hosay. Tsy tiantsika kosa ny hivadika toa an’i Abnera sy Absaloma. Te hanahaka an’i Davida isika, ka tsy hiala amin’i Jehovah mihitsy. Marina fa mety hanao fahadisoana isika satria tsy lavorary. Tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy anefa isika, ary izany no zava-dehibe indrindra amintsika.

^ [1] (fehintsoratra 7) Novana ny anarana sasany.