Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Nampian’i Jehovah Aho ka Nahavita Tsara ny Fanompoako

Nampian’i Jehovah Aho ka Nahavita Tsara ny Fanompoako

Niteny tamin’ilay miaramila aho hoe efa nigadra satria tsy nety nandeha niady. Hoy aho avy eo: “Dia hogadrainareo indray aho izany?” Tamin’io aho no voantso fanindroany hiditra ao amin’ny tafika amerikanina.

TERAKA tany Crooksville, eto Etazonia, aho tamin’ny 1926. Tsy mpivavaka i Dada sy Neny. Nasainy niangona anefa izahay valo mianadahy, ka nankany amin’ny Fiangonana Metodista aho. Nomen’ny pasiteranay loka aho tamin’izaho 14 taona, satria niangona foana isan’alahady, nandritra ny herintaona.

I Margaret Walker (anabavy faharoa avy any ankavia), ilay nampianatra Baiboly ahy

Nisy mpiray tanàna taminay atao hoe Margaret Walker nampianatra Baiboly an’i Neny. Vavolombelon’i Jehovah izy io. Nihaino an-dry zareo aho, indray mandeha, nefa nasain’i Neny niala teo, satria natahorany hanelingelina azy. Nohenoiko foana anefa ry zareo isaky ny nianatra. Nanontany ahy i Margaret tatỳ aoriana hoe: “Fantatrao ve ny anaran’Andriamanitra?” Dia hoy aho: “Iza koa no tsy mahay an’izany? Andriamanitra ko!” Dia hoy izy: “Alaivo ny Baibolinao, dia jereo ny Salamo 83:18.” Nojereko tokoa ilay andininy, ka hitako fa hay Jehovah ilay izy! Nihazakazaka tany amin’ny namako aho, dia niteny hoe: “Rehefa any an-trano ianareo rahariva, dia jereo ny Salamo 83:18, fa ao ny anaran’Andriamanitra.” Tamin’io aho no nitory voalohany.

Nianatra Baiboly aho ary natao batisa tamin’ny 1941. Nasaina nitarika Fianarana Boky aho taoriana kelin’izay. Nasaiko hanatrika azy io ny reniko sy ny iray tam-po amiko, ka tonga daholo. I Dada kosa tsy nazoto.

NANOHITRA BE I DADA

Nitombo ny andraikitro teo anivon’ny fiangonana, ary nanangona boky be dia be navoakan’ny fandaminana aho. Notondroin’i Dada ny bokiko, indray mandeha, sady niteny izy hoe: “Ento mivoaka any daholo ireo, dia lasa koa ialahy!” Lasa tokoa aho, ary teo akaikikaiky teo ihany no nipetraka, tany Zanesville, any Ohio. Nivezivezy tany an-trano foana anefa aho mba hampahery ny fianakaviako.

Tsy navelan’i Dada hivory mihitsy i Neny. Efa teny an-dalana izy indraindray no nenjehiny, ary notaritiny nody. Nihazakazaka nivoaka tany amin’ny varavarana hafa anefa i Neny, ary lasa nivory ihany. Nilazako izy hoe: “Aza kivy fa ho reraka eo ihany izy amin’ny farany.” Tsy nanenjika azy intsony i Dada tatỳ aoriana, ka afaka nivory an-kalalahana i Neny.

Lasa nisy Sekolin’ny Fanompoana teo anivon’ny fiangonanay tamin’ny 1943, ary nahazo anjara lahateny aho. Nahazo torohevitra tsara aho isaky ny vita ny anjarako, ka lasa nahay nandaha-teny kokoa.

TSY NETY NANAO MIARAMILA

Nafotaka ny Ady Lehibe II tamin’izany. Nantsoina hanao miaramila aho tamin’ny 1944. Nankany amin’ilay toby miaramila atao hoe Fort Hayes aho. Tany Columbus, any Ohio, izy io. Nojerena ny toe-batako sy ny fahasalamako, ary nisy taratasy nofenoiko. Nilazako koa ny manam-pahefana fa tsy hanao miaramila aho. Navela hody aho, nefa nisy polisy tonga tao amiko andro vitsivitsy taorian’izay. Hoy izy: “Hosamborina ianao Atoa Corwin Robison, araka ity taratasy ity.”

Niakatra fitsarana aho tapa-bolana taorian’izay, ary hoy ilay mpitsara: “Raha ny sitrapoko, dia migadra mandra-pahafaty ianao. Mbola misy tianao holazaina ve?” Namaly aho hoe: “Tokony ho nosokajina ho mpitondra fivavahana aho tompoko. Eny am-baravaran’olona aho no mitory teny, ary efa betsaka ny olona nitoriako ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.” * Hoy ilay mpitsara tamin’ireo mpitsara mpanampy: ‘Tsy handinika an’izany no nahatongavanareo eto, fa ny hitsara azy satria izy tsy mety manao miaramila.’ Nilaza ireo mpitsara mpanampy, antsasak’adiny latsaka taorian’izay, fa meloka aho. Voaheloka higadra dimy taona tany Ashland, any Kentucky, aho.

NAROVAN’I JEHOVAH AHO TANY AM-PONJA

Nalefa tao amin’ny fonjan’i Columbus, any Ohio, aho aloha, nandritra ny tapa-bolana. Tsy nahazo nivoaka an’ilay efitra nisy ahy aho ny andro voalohany. Nivavaka aho hoe: “Tsy ho vitako izany hijanona ao anaty efitra iray izany, mandritra ny dimy taona. Dia ahoana no hataoko?”

Navela hivoaka aho ny ampitso. Nanatona mpigadra iray ranjanana be aho, ary niara-nitazatazana teo am-baravarankely izahay. Nanontaniany aho hoe: “Fa naninona i Zandry no nigadra?” Hoy aho: “Satria izaho Vavolombelon’i Jehovah.” Dia hoy izy: “Inona a? Koa no migadra?” Namaly aho hoe: “Satria ny Vavolombelon’i Jehovah tsy mandeha miady sady tsy mamono olona.” Dia hoy izy: “Tsy azoko mihitsy! Gadrain-dry zalahy daholo izany na izay tsy mety mamono olona, na izay mamono olona.” Dia hoy aho: “Izaho koa aza mba gaga.”

I Paul no anaran’ilay rangahy. Efa nigadra 15 taona tany amin’ny fonja hafa, hono, izy ary namaky ny bokintsika izy tany. Nivavaka àry aho hoe: “Jehovah ô, enga anie ity rangahy ity ka hanampy ahy.” Tamin’izay indrindra i Paul no niteny hoe: “Vao misy mikitikitika an’ialahy, dia antsoy mafy be aho. Tonga dia hofaiziko izy!” Tsy sahy nampijaly ahy àry ireo gadra 50 niaraka taminay.

Anisan’ireo rahalahy nigadra tany Ashland, any Kentucky, aho, satria tsy nety nanao miaramila

Nafindra tany amin’ny fonjan’i Ashland aho avy eo, ary efa nisy rahalahy matotra maromaro tany. Nanampy ahy sy ny rahalahy hafa mba hanana finoana matanjaka foana izy ireo. Nisy toko maromaro tao amin’ny Baiboly nasain-dry zareo novakinay isan-kerinandro. Nasaina nanomana fanontaniana sy valiny mifandray amin’ilay izy izahay avy eo mba hiarahana midinika. Afaka nitory koa izahay sady voalamina tsara izany. Nisy mpikarakara ny faritany tao am-ponja. Hoy izy io tamiko: “Iretsy fandriana iretsy no faritaninao, ka izay olona matory eo no hitorianao. Ataovy izay hitoriana aminy mandra-pialany ato.” Efitra malalaka be mantsy no nisy anay, ary nilahatra nanaraka ny rindrina ny fandriana.

REHEFA NIVOAKA NY FONJA

Tapitra ny Ady Lehibe II tamin’ny 1945, nefa mbola nigadra elaela aho. Nieritreritra be momba ny fianakaviako aho, satria efa niteny i Dada hoe: “Vao vitako fotsiny ny mandroaka an’ialahy, dia ho mora amiko ny mandroaka an’ireo.” Tsy nampoiziko anefa rehefa nivoaka ny fonja aho, fa olona fito tao an-tranonay no efa nivory, ary efa vita batisa ny zandriko vavy iray.

Handeha hanompo miaraka amin’i Demetrius Papageorge, rahalahy voahosotra efa nanompo an’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1913

Nipoaka ny Adin’i Korea tamin’ny 1950, ary nandray anjara tamin’ilay izy i Etazonia. Voantso tany amin’ny toby Fort Hayes indray aho, mba hotsaraina miaramila. Hoy ilay miaramila nitsara ahy: “Anisan’ny tena mahafeno fepetra ialahy.” Dia hoy aho: “Tsara izany, fa izaho tsy hanao.” Notononiko ny 2 Timoty 2:3, ary nilaza aho hoe: “Efa miaramilan’i Kristy aho.” Tsy niteny elaela izy, ary avy eo nilaza hoe: “Mahazo mandeha ialahy.”

Namonjy fivoriambe tao Cincinnati, any Ohio, aho taoriana kelin’izay, ary nanatrika ny fivoriana ho an’izay te hanompo ao amin’ny Betela. Nilaza taminay ny Rahalahy Milton Henschel fa azon’ny fandaminana ampiasaina ao amin’ny Betela izay rahalahy te hiasa mafy ho an’ilay Fanjakana. Nameno fangatahana àry aho ary voantso ho eto amin’ny Betelan’i Brooklyn, tamin’ny Aogositra 1954. Mbola eto aho hatramin’izao.

Be atao foana aho. Efa an-taonany maro aho no niandraikitra ny fitaovana fampangotrahana rano tao amin’ny trano fanaovana pirinty sy tao amin’ny trano misy ny birao. Nikojakoja milina koa aho ary nanamboatra hidin-trano. Efa niasa tany amin’ny Efitrano Fivoriambe eto New York koa aho.

Mikarakara ny fampangotrahana rano ao amin’ny trano misy ny birao, Betelan’i Brooklyn

Tiako ny fiainana eto amin’ny Betela. Miara-manao fotoam-pivavahana maraina, ohatra, izahay, ary miara-mianatra Ny Tilikambo Fiambenana. Miara-manompo amin’ny fiangonana koa izahay. Afaka manao an’ireo sady tokony hanao an’ireo daholo ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah. Azo inoana fa hifandray tsara amin’i Jehovah foana ny ray aman-dreny sy zanaka, raha miara-manao teny vakina isan’andro, manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka, ary mazoto mivory sy mitory ny vaovao tsara.

Nahazo namana maro aho teto amin’ny Betela sy teo anivon’ny fiangonana. Voahosotra ny sasany ary efa any an-danitra. Tsy lavorary daholo anefa ny mpanompon’i Jehovah, anisan’izany ny Betelita. Raha sendra misy mifamaly amiko, dia miezaka foana aho hihavana aminy. Saintsainiko ny Matio 5:23, 24, ary dinihiko hoe inona no asain’i Jehovah atao rehefa misy tsy mifankahazo amiko. Tsy mora ny miala tsiny, nefa matetika no milamina ilay olana rehefa avy manao an’izany aho.

VOKATRA TSARA TAMIN’NY FANOMPOANA

Efa be taona aho izao ka sahirana rehefa mitory isan-trano. Tsy kivy anefa aho. Nianatra teny sinoa mandarin aho ary tiako be ny mitory amin’ny Sinoa eny an-dalana. Mahapetraka gazety 30 na 40 aho indraindray rehefa maraina.

Mitory amin’ny Sinoa eto Brooklyn, New York

Nanana fiverenana mitsidika tany Chine aza aho. Nisy ankizivavy nitsikitsiky tamiko, indray andro. Nanao dokam-barotra ho an’ny mpivarotra iray izy ka nampirisika ny olona hividy voankazo teo. Nitsiky koa aho ary nomeko Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! amin’ny teny sinoa izy. Nandray izy ary nilaza hoe Katie no anarany. Isaky ny nahita ahy izy taorian’izay, dia niresaka tamiko. Nampianariko anarana voankazo sy legioma amin’ny teny anglisy izy. Notononiko ilay teny ary naveriny. Niresahako andininy avy ao amin’ny Baiboly koa izy, ary nanaiky handray boky Ampianarina. Tsy hitako intsony anefa izy, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana.

Nisy ankizivavy nizara taratasy dokam-barotra indray, volana vitsivitsy taorian’izay. Nomeko gazety izy ary nandray. Natolony ahy ny telefaoniny ny herinandro manaraka, ary hoy izy: “Hisy olona any Chine hiresaka aminao.” Namaly aho hoe: “Tsisy olona fantatro any!” Tsy nanaiky izy ka noraisiko ihany ilay telefaonina, ary hoy aho: “Manahoana ô, Robison ity.” Dia hoy ilay olona: “Robby a, i Katie ihany ity. Efa nody atỳ Chine aho.” Hoy aho: “Chine a?” Dia hoy izy: “Ie. Hitanao io ankizivavy nanome anao telefaonina io? Rahavaviko io. Betsaka ny zavatra tsara nampianarinao ahy, dia mba ampianaro an’azy koa.” Hoy aho: “Ao fa hanao izay vitako aho. Misaotra nilaza hoe aiza ianao.” Niresaka tamin’ilay rahavaviny àry aho. Tsy ela taorian’izay dia lasa koa izy io. Mino aho fa mbola mianatra momba an’i Jehovah izy roa, na aiza na aiza misy azy.

Efa 73 taona aho no nanompo an’i Jehovah. Faly aho fa nampiany, ka nahavita tsy nanao miaramila sady tsy nivadika mihitsy tany am-ponja. Nilaza koa ny iray tam-po amiko fa nampahery azy ireo ny nahita ahy tsy kivy na dia nanohitra aza i Dada. Vita batisa i Neny sy ny iray tam-po amiko enina nony farany. Na i Dada aza tsy dia nasiaka be intsony, ary efa nivory tsindraindray, talohan’ny nahafatesany.

Raha sitrapon’Andriamanitra, dia hitsangana amin’ny maty ny fianakaviako sy ny namako, rehefa ao amin’ny tontolo vaovao. Alao sary an-tsaina ny hafaliantsika, rehefa hiara-manompo an’i Jehovah mandrakizay isika sy ireo olona tiantsika. *

^ feh. 14 Mahazo tsy manao raharaha miaramila ny mpitondra fivavahana any Etazonia.

^ feh. 32 Nodimandry ny Rahalahy Corwin Robison, raha mbola nomanina ity lahatsoratra ity.