Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo Ireo Nifandray Akaiky Tamin’i Jehovah

Tahafo Ireo Nifandray Akaiky Tamin’i Jehovah

Izay matahotra an’i Jehovah no manana fifandraisana akaiky aminy.”​SAL. 25:14.

HIRA: 106, 118

1-3. a) Nahoana isika no matoky fa afaka ny ho naman’Andriamanitra? b) Inona no hodinihintsika ato?

ANTSOIN’NY Baiboly hoe naman’Andriamanitra i Abrahama. (Isaia 41:8; Jak. 2:23) Izy irery no antsoin’ny Baiboly hoe naman’i Jehovah. Midika ve izany fa izy ihany no olombelona lasa naman’i Jehovah? Tsia. Hita ao amin’ny Baiboly fa afaka minamana amin’Andriamanitra isika rehetra.

2 Maro ny tantara ao amin’ny Baiboly manaporofo fa nisy lehilahy sy vehivavy natahotra an’i Jehovah sy nino azy, ka lasa namany akaiky. (Vakio ny Salamo 25:14.) Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “vavolombelona maro be toy ny rahona” izy ireny. (Heb. 12:1) Samy naman’i Jehovah izy ireny, na dia tsy nitovy aza ny zavatra niainany.

3 Andao isika handinika ny tantaran’i Rota, tovovavy moabita maty vady, sy Hezekia Mpanjakan’ny Joda, ary Maria renin’i Jesosy. Tsy nivadika i Rota, nanao izay mahitsy i Hezekia, ary nanetry tena i Maria. Lasa ninamana akaiky tamin’i Jehovah izy ireo. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

BE FITIAVANA IZY SADY TSY NIVADIKA

4, 5. Inona no fanapahan-kevitra tsy maintsy noraisin’i Rota, ary nahoana izany no tsy mora? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

4 Alao sary an-tsaina hoe misy vehivavy telo maty vady mamakivaky lemaka any Moaba. Tsofin’ny rivotra ny akanjony ka mikopakopaka be. Tsy iza ireo fa i Naomy sy ny vinantovaviny roa, dia i Rota sy Orpa. Tapa-kevitra ny hody tany an-tranony tany Moaba anefa i Orpa ka niverina. I Naomy kosa nanohy ny diany, satria efa tapa-kevitra ny hody any Israely. Tsy maintsy nifidy koa àry i Rota na hody any aminy any Moaba, na hanaraka an’i Naomy rafozany ho any Betlehema. Io angamba no fanapahan-kevitra lehibe indrindra noraisiny.—Rota 1:1-8, 14.

5 Nety ho nieritreritra i Rota hoe any Moaba ny reniny sy ny fianakaviany, ka ho afaka hikarakara azy sy hanome izay ilainy. Tanindrazany koa i Moaba, ka efa nahazatra azy ny kolontsaina sy ny fiteny ary ny mponina tany. Tsy toy izany kosa ny any amin-dry Naomy. Nasain’i Naomy nijanona tany Moaba mihitsy aza izy. Natahotra mantsy i Naomy hoe tsy ho afaka hanome vady na trano ho an’ilay vinantovaviny. Inona àry no hataon’i Rota? Mariho fa ‘lasa nody tany amin’ny fireneny sy ny andriamaniny’ i Orpa. (Rota 1:9-15) I Rota kosa nanapa-kevitra hoe tsy hiverina any Moaba, ary tsy hanompo andriamani-diso intsony.

6. a) Inona no safidy nataon’i Rota? b) Nahoana i Boaza no nilaza fa nitady fialofana teo ambany elatr’i Jehovah i Rota?

6 Toa efa nahalala an’i Jehovah Andriamanitra i Rota. Mety ho ny vadiny na i Naomy no nampianatra azy. Fantatr’i Rota fa tsy toa an’ireo andriamanitr’i Moaba i Jehovah, fa mendrika hotiavina sy hivavahana. Tsy ampy anefa izany, fa mbola nila nifidy izy hoe hanompo an’i Jehovah sa tsia. Nanao safidy tsara i Rota. Hoy izy tamin’i Naomy: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” (Rota 1:16) Tena tia an’i Naomy i Rota nefa mbola tiany lavitra i Jehovah. Noderain’i Boaza i Rota tatỳ aoriana, satria nitady fialofana teo ambany elatr’i Jehovah. (Vakio ny Rota 2:12.) Voronkely mialoka eo ambany elatry ny reniny angamba no tonga ao an-tsaintsika amin’izany. Fantany mantsy fa mahavita miaro azy ny reniny. (Sal. 36:7; 91:1-4) Nino koa i Rota fa mahavita miaro azy i Jehovah. Namaly soa azy àry i Jehovah ka tsy nanenenany mihitsy ny safidy nataony.

7. Inona no mety hanampy an’ireo misalasala ny hanokan-tena ho an’i Jehovah?

7 Maro koa no mianatra momba an’i Jehovah nefa misalasala ny hialoka aminy. Miahotra ny hanokan-tena sy hatao batisa izy ireo. Raha misalasala ny hanokan-tena ho an’i Jehovah ianao, efa noeritreretinao ve hoe nahoana? Manana ny andriamaniny daholo ny olona. (Jos. 24:15) Iray ihany anefa no Andriamanitra mendrika hotompoina. Nahoana àry raha mialoka aminy? Ny fanokanan-tena no fomba tsara indrindra anaporofoanao fa mino an’i Jehovah ianao. Hanampy anao izy ka ho vitanao ny tsy hivadika aminy sy hiatrika an’izay olana mety hitranga. Izany mantsy no nataony tamin’i Rota.

“NIFIKITRA TAMIN’I JEHOVAH FOANA IZY”

8. Inona no zavatra niainan’i Hezekia tamin’izy mbola kely?

8 Tsy toa an’i Rota i Hezekia, satria firenena voatokana ho an’i Jehovah no nisy azy. Nivadika tamin’i Jehovah anefa ny Israelita sasany, ary anisan’izany i Ahaza rainy, izay mpanjaka ratsy fanahy. Nitarika ny fanjakan’ny Joda hanompo sampy i Ahaza, ary nozimbazimbainy mihitsy aza ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Nahatsiravina ny zavatra niainan’i Hezekia tamin’izy mbola kely. Nisy rahalahiny nodorana velona, satria nataon’ny rainy sorona ho an’ny andriamani-diso.—2 Mpanj. 16:2-4, 10-17; 2 Tan. 28:1-3.

9, 10. a) Nahoana no nety ho mora tamin’i Hezekia ny nanome tsiny an’i Jehovah? b) Nahoana isika no tsy tokony ho tezitra amin’i Jehovah? d) Nahoana isika no tsy tokony hihevitra hoe arakaraka ny zavatra niainantsika taloha no ho fiainantsika any aoriana?

9 Tsy sorena tamin’Andriamanitra i Hezekia na nanome tsiny azy, na dia mora taminy aza ny nanao an’izany. Ny olona sasany ankehitriny kosa tsy mijaly be toa an’i Hezekia, nefa ‘tezitra amin’i Jehovah’ na amin’ny fandaminany. Mihevitra izy ireny fa rariny izy raha tezitra. (Ohab. 19:3) Misy koa mihevitra hoe tsy maintsy ho lasa ratsy toetra izy satria efa ratsy toetra ny ray aman-dreniny na ny fianakaviany. (Ezek. 18:2, 3) Marina ve ny hevitr’izy ireo?

10 Diso izany, rehefa jerena ny tantaran’i Hezekia. Tsy misy antony tokony hahatezitra antsika amin’i Jehovah mihitsy, satria tsy izy no mahatonga ny faharatsiana manjo ny olona eto amin’ity tontolo ratsy ity. (Joba 34:10) Marina fa mety hisy vokany tsara na ratsy eo amin’ny ankizy ny ataon’ny ray aman-dreniny. (Ohab. 22:6; Kol. 3:21) Tsy midika anefa izany hoe arakaraka ny zavatra niainantsika tao an-trano no ho fiainantsika any aoriana. Nomen’i Jehovah fanomezana sarobidy mantsy isika rehetra. Nataony afaka mifidy isika hoe hanao ny tsara sa hanao ny ratsy. (Deot. 30:19) Inona àry no nofidin’i Hezekia?

Maro ny tanora manaiky ny fahamarinana, na dia teo aza ny zavatra ratsy niainany tamin’izy mbola kely (Fehintsoratra 9, 10)

11. Inona no nahatonga an’i Hezekia ho anisan’ny mpanjaka tsara indrindra tao Joda?

11 Anisan’ireo mpanjaka ratsy fanahy indrindra tao Joda ny rain’i Hezekia. Izy kosa anisan’ny mpanjaka tsara indrindra tao. (Vakio ny 2 Mpanjaka 18:5, 6.) Marina fa modely ratsy ho azy ny rainy. Nanana modely tsara azony notahafina anefa izy. Mpaminany tamin’ny androny i Isaia sy Mika ary Hosea. Azo inoana fa nihaino tsara an’ireo lehilahy tsy mivadika ireo i Hezekia Mpanjaka. Nandatsaka am-po ny torohevitr’i Jehovah sy ny fananarany izy. Nareniny àry ny ratsy nataon’ny rainy. Nanadio ny tempoly izy, nanao sorona mba hahazoan’ny olona famelan-keloka, ary namotika an’ireo sampy nanerana an’ilay tany. (2 Tan. 29:1-11, 18-24; 31:1) Tena be herim-po sy nanam-pinoana koa izy rehefa nisy olana lehibe, ohatra hoe rehefa saika hanafika an’i Jerosalema i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria. Natoky izy fa hamonjy azy Andriamanitra ka nampahereziny ny vahoakany. (2 Tan. 32:7, 8) Nanetry tena sy nibebaka koa izy tatỳ aoriana, rehefa nila nahitsy satria nirehareha. (2 Tan. 32:24-26) Tena tsy navelan’i Hezekia hanimba ny fiainany sy ny hoaviny tokoa ny zavatra ratsy efa niainany! Noporofoiny kosa fa naman’i Jehovah izy, ka modely tsara ho antsika.

12. Inona no manaporofo fa misy olona maro mitovy amin’i Hezekia ankehitriny?

12 Tsy manam-pitiavana sy masiaka be ny olona eto amin’ity tontolo ity. Tsy mahagaga àry raha maro ny ankizy tsy tena tian’ny ray aman-dreniny sy tsy arovany. (2 Tim. 3:1-5) Maro ny Kristianina niaritra ny mafy tamin’izy mbola kely, nefa lasa tena naman’i Jehovah. Hita avy amin’izany fa tsy voatery hiankina amin’ny fiainan’ny olona iray tamin’izy mbola kely ny hoaviny. Nomen’Andriamanitra safidy malalaka isika, ka afaka mifidy ny hifikitra aminy sy hanome voninahitra azy, toa an’i Hezekia.

“INTỲ AHO MPANOMPOVAVIN’I JEHOVAH!”

13, 14. Nahoana ilay andraikitra nomena an’i Maria no nety ho nampiady saina azy, nefa inona no nolazainy?

13 Nisy tovovavy jiosy nifandray akaiky tamin’i Jehovah koa tao Nazareta, taonjato maro taorian’i Hezekia. Tsy iza izany fa i Maria zanak’i Hely. Tena nanetry tena izy. Nisy andraikitra nomen’Andriamanitra azy, ary mbola tsy nisy olombelona nahazo andraikitra mitovy amin’izany. Ho bevohoka izy ka hiteraka an’ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra, ary hitaiza azy io. Azo antoka fa tena natoky an’i Maria i Jehovah matoa nanome azy an’izany andraikitra be izany! Inona anefa no nety ho tsapan’i Maria tamin’izy vao nandre an’ilay izy?

“Intỳ aho mpanompovavin’i Jehovah!” (Fehintsoratra 13, 14)

14 Ilay fitahiana miavaka azon’i Maria matetika no tonga ao an-tsaintsika, ka lasa hadinontsika ny zavatra sasany nety ho nampiady saina azy. Nilaza taminy ny anjely Gabriela fa ho bevohoka izy, nefa tsy hanao firaisana amin-dehilahy. Dia inona no mety hoeritreretin’ny fianakaviany sy ny mpiray tanàna aminy, rehefa hahita hoe bevohoka izy? Tsy niresaka tamin’izy ireo mantsy i Gabriela. Tsy maintsy ho nampiady saina azy koa hoe ahoana no handreseny lahatra an’i Josefa fofombadiny fa tsy nijangajanga izy na dia bevohoka aza. Ankoatra izany, dia andraikitra lehibe ilay hitaiza sy hikarakara ny Zanaka lahitokan’ilay Avo Indrindra. Tsy ho fantatsika daholo ny zavatra nampiady saina an’i Maria rehefa niresaka taminy i Gabriela. Fantatsika anefa fa namaly izy hoe: “Intỳ aho mpanompovavin’i Jehovah! Enga anie ho tanteraka amiko izany araka ny teninao!”—Lioka 1:26-38.

15. Nahoana no miavaka ny finoan’i Maria?

15 Tena miavaka ny finoan’i Maria. Niankina tanteraka tamin’ny tompony ny fiainan’ny mpanompovavy. Natoky àry i Maria fa hikarakara azy i Jehovah ary izay hasain’i Jehovah hatao no hataony. Te hanompo an’ilay Tompony izy, na inona na inona hasainy hatao. Nahoana izy no tena nanam-pinoana? Tsy hoe vao teraka ny olona iray dia efa manam-pinoana. Tsy maintsy miezaka hanana azy io kosa izy, sady mila ny fanampian’Andriamanitra. (Gal. 5:22; Efes. 2:8) Inona no manaporofo fa niezaka nanatanjaka ny finoany i Maria? Nihaino tsara izy sady tia niresaka hevitra avy tao amin’ny Soratra Masina.

16. Inona no porofo fa nahay nihaino i Maria?

16 Nihaino tsara i Maria. Manoro hevitra antsika ny Baiboly mba “ho mailaka hihaino” sy “tsy ho maika hiteny.” (Jak. 1:19) Azo antoka fa olona nahay nihaino i Maria. Indroa ny Filazantsaran’i Lioka no milaza fa nihaino tsara izy rehefa nisy nilaza zava-dalina taminy, indrindra fa ny momba an’i Jehovah. Nanokana fotoana hisaintsainana an’izay reny izy avy eo. Tamin’i Jesosy teraka, ohatra, dia nisy mpiandry ondry nilaza tamin’i Maria ny hafatra nambaran’ny anjely iray. Nilaza zava-dalina koa i Jesosy, tamin’izy 12 taona. Nihaino tsara foana i Maria tamin’ireo fotoana ireo. Notadidiny koa izay reny ary nosaintsaininy tsara.—Vakio ny Lioka 2:16-19, 49, 51.

17. Inona no fantatsika momba an’i Maria, rehefa jerena ny teny nolazainy?

17 Tia niresaka hevitra avy tao amin’ny Soratra Masina izy. Vitsy ihany ny tenin’i Maria hita ao amin’ny Baiboly. Ao amin’ny Lioka 1:46-55 ny teniny lava indrindra. Hita amin’ireo teniny ireo fa nahalala tsara ny Soratra Masina izy. Mitovitovy amin’ny teny nolazain’i Hana, renin’i Samoela mpaminany, tamin’izy nivavaka ny teny sasany nolazainy. (1 Sam. 2:1-10) Voalaza fa nampiasa andininy 20 eo ho eo avy ao amin’ny Soratra Masina izy tao amin’ilay teniny. Tia niresaka an’izay nianarany momba an’i Jehovah tokoa izy. Efa voatahiry tao am-pony toy ny harena sarobidy mantsy ny momba an’io Namany akaiky indrindra io.

18. Inona no hataontsika raha manahaka an’i Maria isika?

18 Mety hahatsapa koa isika indraindray hoe sarotra ny zavatra ampanaovin’i Jehovah antsika. Manetry tena toa an’i Maria ve isika, ka miantehitra tanteraka amin’i Jehovah ary matoky fa mitady izay tena hahasoa antsika izy? Manam-pinoana toa an’i Maria isika raha mihaino tsara rehefa mianatra momba an’i Jehovah sy ny fikasany, ary misaintsaina an’izay ianarantsika. Mazoto miresaka an’izany amin’ny hafa isika avy eo.—Sal. 77:11, 12; Lioka 8:18; Rom. 10:15.

19. Inona no toky ananantsika raha miezaka hanana finoana isika?

19 Hitantsika tato fa naman’i Jehovah toa an’i Abrahama koa i Rota sy Hezekia ary Maria. Ninamana tamin’Andriamanitra izy ireo sy ny “vavolombelona maro be toy ny rahona”, ary ny mpanompon’i Jehovah hafa rehetra. Raisin’izy rehetra ho voninahitra lehibe izany! Enga anie isika hiezaka hanana finoana toa azy ireo. (Heb. 6:11, 12) Afaka matoky isika fa tena hitahy antsika i Jehovah ka ho lasa namany akaiky isika, mandrakizay.