NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Febroary 2018

Ho hitanao ao ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’ny 2 Aprily ka hatramin’ny 29 Aprily 2018.

Miezaha Hanam-pinoana sy Hankatò toa An’i Noa sy Daniela ary Joba

Mitovy amin’ny olana atrehintsika ny olana sasany nahazo azy ireo. Inona no nanampy azy ireo tsy hivadika tamin’i Jehovah?

Mahafantatra Tsara An’i Jehovah toa An’i Noa sy Daniela ary Joba ve Ianao?

Ahoana no nahalalan’izy ireo an’i Jehovah? Inona no soa noraisin’izy ireo tamin’izany, ary ahoana no anahafantsika azy ireo?

TANTARAM-PIAINANA

Hain’i Jehovah ny Zava-drehetra

Sendra naheno resaka mahaliana tany anaty bisy ny vehivavy iray tany Kirghizistan, ary nanova tanteraka ny fiainan’izy mivady izany.

Ahoana Izany hoe Olona Araka ny Fanahy?

Resahina ao amin’ny Baiboly hoe inona no mampiavaka ny “olona araka ny fanahy”, ary ahoana no amantarana ny “olona araka ny nofo.”

Miezaha mba ho Olona Araka ny Fanahy

Tsy hoe rehefa mahay Baiboly ny olona iray dia lasa olona araka ny fanahy. Inona àry izany no mbola ilaina?

Avy Amin’Andriamanitra ny Fifaliana

Raha lasa tsy falifaly intsony ianao noho ny olana mahazo anao isan’andro, dia inona no hanampy anao ho falifaly indray?

FANTARO NY TANTARANTSIKA

Nahatonga ny Vaovao Tsara Hiely Tany Irlandy ny Lahateny

Inona no nahatonga an’i Charles Russell hieritreritra hoe “efa masaka hojinjaina ny vokatra”?