TANTARAM-PIAINANA
Nataon’i Jehovah ‘Nandeha Tsara ny Fiainako’
NANONTANY ahy ny rahalahy tanora iray indray mandeha hoe: “Inona ny andinin-teny tianao indrindra?” Tonga aho dia namaly hoe: “Ohabolana 3:5, 6. Voalaza ao hoe: ‘Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.’” Tena nataon’i Jehovah nandeha tsara mihitsy ny fiainako! Andraso hotantaraiko anareo.
NATORON’I DADA SY NENY AHY NY LALAN-KIZORANA
Nahalala ny fahamarinana i Dada sy Neny taorian’ny 1920, tamin-dry zareo mbola tsy nivady. Teraka tamin’ny 1939 aho. Teto Angletera izahay no nipetraka tamin’izaho mbola kely. Nanaraka azy mivady nivory aho, dia nandray anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana tatỳ aoriana. Tiako be ilay izy! Mbola tadidiko tamin’izaho nanao ny anjarako voalohany. Fohy kely aho dia nasaina nijoro teo ambony baoritra anankiray, amin’izay tsy takon’ny lampihazo. Enin-taona aho tamin’izany. Natahotra aho! Olon-dehibe daholo mantsy ny mpanatrika.
Rehefa nitory aho dia nanaovan’i Dada karatra fitoriana kely. Hevitra tsotsotra no tao anatin’izy io. Valo taona aho tamin’izaho nitory irery voalohany. Faly be aho rehefa namaky an’ilay karatra kely ilay olona nitoriako, sady tonga dia nanaiky an’ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina.” Nihazakazaka be aho avy eo nandeha nitantara tamin’i Dada. Tiako be ny nandeha nanompo sy nandeha nivory. Izay koa no nahatonga ahy ho te hanompo manontolo andro.
Nanaovan’i Dada famandrihana Ny Tilikambo Fiambenana aho, dia vao mainka nanohina ny foko ny fahamarinana. Nazoto be mihitsy aho namaky an’ilay gazety raha vao tonga ilay izy. Lasa natoky kokoa an’i Jehovah aho vokatr’izany, dia nanokan-tena ho azy.
Nanatrika an’ilay fivoriambe hoe Fitomboan’ny Asan’Andriamanitra, tany New York, izahay mianakavy tamin’ny 1950. “Andron’ny Misionera” no foto-kevitr’ilay fivoriambe tamin’ny alakamisy 3 Aogositra. Ny Rahalahy Carey Barber no nanao ny lahatenin’ny batisa tamin’io andro io. Lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy tatỳ aoriana. Rehefa hifarana ny lahateniny, dia nisy fanontaniana roa napetrany tamin’ireo olona hatao batisa. Anisan’ny hatao batisa koa aho. Nitsangana aho tamin’izay dia namaly hoe: “Eny!” Vao 11 taona aho tamin’izany, nefa efa fantatro hoe dingana lehibe no nataoko. Natahotra
ny hitsofoka tao anaty rano anefa aho satria tsy mahay milomano. Niaraka tamiko tao amin’ilay dobo àry ny dadafaranay, dia nanome toky ahy hoe: “Ao fa tsy maninona io!” Nisy rahalahy anankiray nandroboka ahy, dia ny anankiray indray namoaka ahy avy tao amin’ilay dobo. Tsy hitahita akory dia vita ilay izy! Tsy nikasika ny faran’ilay dobo akory ny tongotro. Nataon’i Jehovah nandeha tsara foana ny fiainako nanomboka tamin’io andro lehibe io.NIFIDY NY HATOKY AN’I JEHOVAH AHO
Te hanao mpisava lalana aho rehefa vita ny fianarako, nefa nampirisika ahy hanao fianarana ambony ny mpampianatra anay. Resy lahatra aho dia nankany amin’ny oniversite. Tsy ela anefa dia hitako hoe tsy hahavita hijanona ao amin’ny fahamarinana aho, no sady hifantoka amin’ny fianarana. Nanapa-kevitra àry aho hoe hajanoko ny fianarako teny amin’ny oniversite. Noresahiko tamin’i Jehovah ilay izy, dia avy eo aho nanoratra taratasy fialana. Tamin’ny faran’ny taom-pianarana aho no niala. Taona voalohany nianarako teny amin’ny oniversite tamin’io. Natoky tanteraka an’i Jehovah aho, dia tonga dia nanao mpisava lalana.
Nanomboka nanompo manontolo andro aho tamin’ny Jolay 1957, tany Wellingborough. Tiako raha mba mpisava lalana ampy traikefa no namako any amin’ny faritany, dia nanontany ny rahalahy tany amin’ny Betelan’i Londres aho. Ny Rahalahy Bert Vaisey no nataon-dry zareo niaraka tamiko. Tena nazoto nitory izy! Nampianatra ahy zavatra be dia be izy. Nanampy ahy hahay handamina ny fotoanako, ohatra, izy, amin’izay aho afaka mitory tsara. Anabavy be taona enina no tao amin’ny fiangonanay, ankoatra anay sy ny Rahalahy Vaisey. Nanomana ny fivoriana rehetra aho, dia nandray anjara foana koa. Sady afaka nampiseho ny finoako aho tamin’ireny no lasa natoky kokoa an’i Jehovah.
Nogadraina aho satria tsy nanaiky hanao miaramila. Vetivety anefa aho dia nafahana. Nihaona tamin’i Barbara aho taorian’izay. Mpisava lalana manokana izy. Nivady izahay tamin’ny 1959, dia vonona handeha any amin’izay rehetra anendrena anay. Tany Lancashire, any amin’ny faritra avaratra andrefan’i Angletera, izahay no voatendry voalohany. Nasaina hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana aho, tamin’ny Janoary 1961. Tany amin’ny Betelan’i Londres ilay izy no natao ary naharitra iray volana. Tsy nampoiziko fa voatendry hanao ny asan’ny faritra aho rehefa vita ilay sekoly. Nisy mpiandraikitra ny faritra efa za-draharaha nampiofana ahy, tany Birmingham. Tapa-bolana aho no niofana, ary nahazo niaraka tamiko i Barbara tamin’izay. Tany Lancashire sy Cheshire ihany ny fanendrena anay taorian’ilay fiofanana.
TSY DISO MIHITSY IZAY MATOKY AN’I JEHOVAH
Nahazo taratasy avy tany amin’ny biraon’ny sampana izahay tamin’izahay nanao vakansy, tamin’ny Aogositra 1962. Fangatahana hanatrika ny Sekolin’i Gileada no tao amin’ilay izy! Sekoly ara-baiboly izy io ary naharitra folo volana tamin’izany. Nivavaka momba an’ilay izy izahay sy Barbara, dia avy eo nofenoinay ilay taratasy. Naverinay haingana tany amin’ny biraon’ny sampana ilay izy avy eo, satria izay no nangatahin-dry zareo. Nankany Brooklyn, any New York, izahay dimy volana tatỳ aoriana mba hanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-38.
Tsy hoe nianatra ny Tenin’Andriamanitra sy momba ny fandaminany fotsiny izahay nandritra an’ilay
sekoly, fa nianatra momba ny mpiara-manompo maneran-tany koa. Niana-javatra be avy tamin’ny mpiara-mianatra taminay koa izahay. Vao 20 taona mahery mantsy izahay tamin’izany. Anisan’ny mpampianatra anay ny Rahalahy Fred Rusk. Voatendry hiara-miasa taminy aho isan’andro, ary tombontsoa be izany. Anisan’ny zavatra niavaka nianarako taminy hoe tokony hiorina amin’ny Soratra Masina foana izay torohevitra omentsika. Maromaro ny rahalahy za-draharaha tonga nanao lahateny nandritra ny sekoly. Anisan’izany ny Rahalahy Nathan Knorr sy Frederick Franz ary Karl Klein. Nampiana-javatra be anay koa ny Rahalahy Macmillan. Tena nanetry tena izy! Nampianariny anay nandritra ny lahateniny hoe nitari-dalana ny vahoakany i Jehovah, rehefa nisy fitsapana nanomboka tamin’ny 1914 ka hatrany am-piandohan’ny 1919.NAHAZO FANENDRENA VAOVAO IZAHAY
Rehefa akaiky ho tapitra ny fianarana, dia niteny taminay sy Barbara ny Rahalahy Knorr hoe voatendry ho any Burundi, any Afrika, izahay. Tonga izahay dia nankany amin’ny efitra famakiam-boky tao amin’ny Betela, dia nojerenay tao amin’ny Diary hoe firy ny mpitory tany Burundi. Gaga be izahay fa tsy voaresaka tao mihitsy hoe firy ny isan’ny mpitory tany. Hay izahay voatendry ho any amin’ny tany mbola tsy nisy mpitory! Tsy vitan’izany fa zara raha nisy zavatra fantatray momba an’izany Afrika izany. Nitaintaina be mihitsy izahay mivady. Nivavaka mafy anefa izahay, dia izay no nanampy anay ho tony.
Vaovao be taminay daholo ny zavatra niainanay tany Burundi. Na ny toetrandro, na ny kolontsaina, na ny fiteny. Lasa tsy maintsy nianatra teny frantsay, ohatra, izahay. Tsy mora koa ny nitady trano hipetrahana. Inona anefa no nitranga roa andro taorian’ny nahatongavanay? Tonga nitsidika anay i Harry Arnott, iray kilasy taminay tany Gileada. Handeha hiverina any Zambia izy tamin’izay. Tany ny toerana nanendrena azy. Nampiany izahay dia nahita trano ihany. Iny trano iny no tranon’ny misionera voalohany nipetrahanay. Tsy nahalala na inona na inona momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana tao amin’ilay toerana. Vetivety taorian’ny nahatongavanay àry dia nahita olana tamin-dry zareo izahay. Nampahafantarin-dry zareo anay hoe tsy mahazo mijanona ao Burundi izahay, raha tsy manana fahazoan-dalana hiasa. Izahay anefa efa nanomboka nankafy an’ilay fanendrena anay. Nampalahelo fa tsy maintsy niala tany izahay. Nifindra tany Ogandà izahay ary tsy maintsy nizatra fiainana vaovao indray.
Natahotra izahay rehefa hankany Ogandà satria tsy nanana vizà. Natoky an’i Jehovah anefa izahay
dia mba maivamaivana kokoa. Nisy rahalahy kanadianina izay nanitatra tany Ogandà, dia izy no nanazava ny momba anay tamin’ny manam-pahefana. Nahazo nijanona tany nandritra ny volana vitsivitsy àry izahay, mandra-pahazoanay alalana hipetraka tany. Hitanay tamin’iny zava-nitranga iny hoe tena nanampy anay i Jehovah.Tsy nitovy tamin’ny tany Burundi mihitsy ny tany Ogandà. Tany Ogandà mantsy efa nisy mpitory, na dia 28 fotsiny aza ry zareo nanerana an’ilay firenena. Nahita olona be dia be niteny anglisy izahay tao amin’ny faritaninay. Betsaka koa anefa ny fiteny ampiasain’ny olona any Ogandà. Hitanay àry hoe tsara raha mianatra fiteny iray eo an-toerana izahay, fara fahakeliny, amin’izay afaka manampy ny olona liana handroso. Izay no nahatonga anay hianatra hiteny luganda. Tao Kampala mantsy izahay no nanomboka nitory, dia Luganda no fitenin’ny ankamaroan’ny olona tao. Efa taona maromaro izahay vao nahavita niteny luganda nisosa tsara. Tena nanampy anay hahita vokatra tamin’ny fanompoana anefa izany. Lasa azonay kokoa hoe inona no nilain’ny mpianatra Baiboly, mba hahatonga azy hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah. Rehefa hitan-dry zareo hoe tena te hanampy an-dry zareo izahay, dia lasa namboraka ny tao am-pony taminay ry zareo sady niresaka momba ny fahitany an’ilay fianarana.
NANAO DIA MARO TANY AFRIKA IZAHAY
Faly be izahay hoe manetry tena ny olona any Ogandà sady tena tia fahamarinana. Vao mainka faly anefa izahay satria voatendry hanao ny asan’ny faritra manerana an’ilay firenena. Tena tsy nampoizinay izany! Nirahin’ny biraon’ny sampan’i Kenya izahay mba hijery hoe aiza ny toerana tena mila mpisava lalana manokana. Nasaina nitady trano mety tsara ho an-dry zareo koa izahay. Tena nandray tsara anay ny olona. Imbetsaka izahay no nahita an’izany. Nisy aza nikarakara sakafo ho anay mihitsy! Sambany anefa ry zareo vao nahita Vavolombelon’i Jehovah.
Nanao dia hafa indray izahay taorian’izay. Niala tao Kampala aho dia nandeha lamasinina nandritra ny roa andro nankany Mombasa, seranan-tsambo any Kenya. Nandray sambo aho avy eo dia nankany Seychelles, nosy maromaro any amin’ny Oseana Indianina. Nitsidika tsy tapaka an’i Seychelles aho taorian’izay, nanomboka tamin’ny 1965 ka hatramin’ny 1972. Niaraka tamiko foana i Barbara rehefa nankany aho. Tsy nisy afa-tsy mpitory roa tany tamin’ny voalohany. Lasa nisy antoko-mpitory anefa tany, dia avy eo lasa nisy fiangonana niroborobo be. Nitsidika ny mpiara-manompo tany Érythrée sy Etiopia ary Soudan koa aho.
Nisy nanongam-panjakana tany Ogandà tamin’izany, dia nikorontana be tampoka ny toe-draharaha ara-politika. Nampihorohoro ny fiainana tany nandritra ny taona maromaro. Hitako tamin’izany hoe tena tsara ny mankatò an’ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara.” (Mar. 12:17) Nisy fotoana, ohatra, nasaina nisoratra anarana tany amin’ny biraon’ny polisy akaiky azy indrindra ny teratany vahiny rehetra. Tonga dia nankatò izahay. Inona no nitranga andro vitsivitsy taorian’izay? Niaraka tamin’ny misionera anankiray izay aho. Nandeha aotomobilina tao Kampala izahay, dia nisy polisy nanatona anay. Nidobodoboka be ny fonay roa lahy! Nendrikendrehin-dry zareo ho mpitsikilo izahay, dia nentiny tany amin’ny paositry ny polisy. Nohazavainay tany hoe misionera izahay ary tsy mieritreritra ny hanakorontana. Niteny tamin-dry zareo koa izahay hoe: “Izahay ange efa nisoratra anarana tany amin’ny polisy e!” Tsy noraharahian-dry zareo anefa izany. Nentina tany amin’ny biraon’ny polisy akaikin’ny tranon’ny misionera indray izahay taorian’izay, dia nisy mpiambina nitondra fiadiana nanaraka anay. Maivamaivana erỳ izahay satria tadidin’ilay tompon’andraikitra tao hoe efa nisoratra anarana. Tonga dia fantany izahay dia nasainy navotsotra!
Nitaintaina be izahay matetika rehefa nandalo barazy, indrindra raha mamo ny miaramila teo. Nivavaka foana anefa izahay rehefa nitranga izany, dia lasa tony rehefa navelan-dry zareo handeha. Nampalahelo fa nasaina niala tany Ogandà daholo ny misionera tany tamin’ny 1973.
Voatendry hankany Côte d’Ivoire, any Afrika Andrefana, indray izahay taorian’izay. Tsy maintsy nizatra fiainana vaovao àry izahay. Tsy maintsy nianatra kolontsaina vaovao be izahay, dia lasa niteny frantsay foana indray! Tsy vitan’izany fa nizatra niara-niaina tamin’ny misionera avy amin’ny kolontsaina samihafa koa izahay. Tsy nanary anay anefa i Jehovah, hoatran’ny hatramin’izay ihany. Nahita olona tso-po sy manetry tena mantsy izahay tao amin’ilay faritany. Tonga dia nandray tsara ny fahamarinana ry zareo. Hitanay mivady hoe nataon’i Jehovah nandeha tsara ny fiainanay satria natoky azy izahay.
NIOVA NY FIAINANAY
Voan’ny kansera i Barbara, ary tampoka be ny nahafantaranay an’ilay izy. Nody imbetsaka tany Eoropa izahay mba hitsabo azy. Hita anefa tamin’ny 1983 hoe tsy ho afaka hanohy hanompo any Afrika intsony izahay. Diso fanantenana be izahay roa! Nanompo tato amin’ny Betelan’i Londres izahay tatỳ aoriana. Niharatsy anefa ny fahasalaman’i Barbara, dia maty izy tamin’ny farany. Nampahery be ahy ny fianakavian’ny Betela tamin’izay. Nisy mpivady izay tena nanampy ahy hahazaka an’ilay fiovana sy hatoky an’i Jehovah foana. Nihaona tamina anabavy mpiasa an-tsitrapo tato amin’ny Betela aho tatỳ aoriana. Mpisava lalana manokana izy taloha ary tena tia an’i Jehovah. I Ann no anarany. Nivady izahay tamin’ny 1989 ary nanohy nanompo tato amin’ny Betela.
Nahazo tombontsoa be aho nanomboka tamin’ny 1995 ka hatramin’ny 2018. Nanao ny andraikitry ny solontenan’ny foibe mantsy aho. (Mpiandraikitra mpitety sampana no niantsoana an’izany taloha.) Efa ho 60 ny firenena notsidihiko tamin’izany. Hitako tany amin’ireny tany tsirairay notsidihiko ireny hoe tena mikarakara ny mpanompony i Jehovah, na inona na inona mitranga amin-dry zareo.
Niverina tany Afrika indray aho tamin’ny 2017 rehefa nitsidika sampana tany. Tiako erỳ ny niaraka tamin’i Ann nankany Burundi! Izay izy vao nankany. Faly be mihitsy izahay mivady nahita hoe be dia be ny olona lasa nanompo an’i Jehovah tany. Fantatrareo ve hoe inona izao no eo amin’ilay toerana nitoriako tamin’ny 1964? Misy Betela tsara tarehy izao eo, ary mpitory 15 500 mahery no karakarain’izy io.
Faly be indray aho rehefa nahafantatra hoe aiza avy ny tany hotsidihiko tamin’ny 2018. Tao anatin’ilay lisitra mantsy i Abidjan, any Côte d’Ivoire. Hoatran’ny hoe nody tany an-tanindrazako aho rehefa tonga tany. Tao amin’ny trano fandraisam-bahiny tao amin’ny Betela izahay no nipetraka. Rehefa nijery anarana tao amin’ny lisitry ny telefaonina aho, dia hitako tao hoe nipetraka tao ambadikay i Sossou. Noheveriko fa ilay Sossou mpiandraikitra ny tanàna * tamin’izaho tany Abidjan ilay izy. Hay kay tsy izy fa ny zanany lahy!
Tena mitana ny teniny i Jehovah. Hitako tamin’ny zava-tsarotra rehetra niainako fa rehefa matoky azy isika, dia hataony mandeha tsara ny fiainantsika. Tena te hanompo an’i Jehovah foana izahay satria fantatray hoe hoavy tsara be no homeny anay.—Ohab. 4:18.
^ feh. 32 Efa tsy misy mpiandraikitra ny tanàna intsony amin’izao.