Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 6

“Ny Lehilahy no Lohan’ny Vehivavy”

“Ny Lehilahy no Lohan’ny Vehivavy”

“Ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.”​—1 KOR. 11:3.

HIRA 13 Kristy no Modelintsika

HO HITANAO ATO *

1. Inona no fanontaniana sasany tokony hoeritreretin’ny anabavy mpitovo rehefa hifidy an’izay ho vadiny izy?

LAVORARY i Jesosy Kristy, ary eo ambany fahefany ny Kristianina rehetra. Rehefa manambady anefa ny vehivavy kristianina iray, dia lasa eo ambany fahefan’ny lehilahy tsy lavorary. Mety tsy ho mora aminy izany. Ahoana àry raha misy rahalahy eritreretin’ny anabavy iray mba ho vadiny? Tsara raha misaintsaina an’ireto izy: ‘Hahay hitondra tokantrano ve iny ranadahy iny? Inona no mampiseho hoe ho hainy izany? Zava-dehibe aminy ve ny fanompoana an’i Jehovah? Raha tsy zava-dehibe aminy izany, dia tena ho vitany ve ny hanampy anay hifandray tsara amin’i Jehovah foana rehefa lasa mpivady izahay?’ Mila mieritreritra an’izao koa ilay anabavy: ‘Inona no toetra tsara ananako ka hanampy anay hanana tokantrano sambatra? Manam-paharetana sy tia manome ve aho? Mifandray tsara amin’i Jehovah ve aho?’ (Mpito. 4:9, 12) Miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny vehivavy alohan’ny hanambadiany no hahatonga azy ho sambatra, rahatrizay manambady izy.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Vehivavy kristianina an-tapitrisany no manaiky ny vadiny, ka tena ohatra tsara ho antsika. Mendri-piderana ry zareo! Tena faly isika manompo an’i Jehovah miaraka amin’ireny anabavy tsy mivadika ireny. Handinika an’ireto fanontaniana telo ireto isika ato: 1) Inona no zava-tsarotra atrehin’ny vehivavy manambady? 2) Fa maninona ny vehivavy manambady no tokony hanaiky ny vadiny sy hanao an’izany an-tsitrapo? 3) Inona no ianaran’ny mpivady avy amin’i Jesosy sy Abigaila ary Maria renin’i Jesosy?

INONA NO ZAVA-TSAROTRA ATREHIN’NY VEHIVAVY MANAMBADY?

3. Fa maninona no tsy misy an’izany tokantrano tonga lafatra izany?

3 Fanomezana tonga lafatra avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana, fa ny olona no tsy lavorary. (1 Jaona 1:8) Izany no mahatonga ny Tenin’Andriamanitra hampitandrina ny mpivady fa hanana olana ry zareo. Antsoin’ny Baiboly hoe ‘fahoriana amin’ny nofo’ izany olana izany. (1 Kor. 7:28) Andao isika handinika hoe inona no zava-tsarotra sasany mety hatrehin’ny vehivavy manambady.

4. Inona no mety hahatonga ny vehivavy hieritreritra hoe manambany azy ny manaiky ny fahefan’ny vadiny?

4 Mety hieritreritra ny vehivavy hoe manambany azy izany manaiky ny fahefan’ny vadiny izany. Ny fomba nitaizana azy angamba no mahatonga an’izany. Izany no tsapan’i Marisol, anabavy any Etazonia. Izao no nolazainy: “Fantatro hoe nomen’i Jehovah fahefana ny lehilahy manambady, ary tiany hanaiky ny vadiny ny vehivavy. Lazainy koa hoe mendrika hohajaina ny vehivavy. Na izany aza, dia hitako hoe tsy mora ny manaja ny fahefan’ny vadiko indraindray. Notenenina foana mantsy ny vehivavy tany amin’ny toerana nahalehibe ahy hoe tsy maintsy mitovy zo amin’ny lehilahy ry zareo amin’ny zavatra rehetra.”

5. Inona no toe-tsaina ratsy ananan’ny lehilahy sasany?

5 Ny toe-tsain’ny vadiny indray no olana ho an’ny vehivavy sasany. Mieritreritra mantsy ny vadiny hoe ambany noho ny lehilahy ny vehivavy. Hoy ny anabavy iray any Amerika Atsimo: “Tsy mihinana ny vehivavy raha tsy rehefa avy mihinana ny lehilahy. Izany no kolontsaina atỳ aminay. Natao hahandro sy hanadio ny ankizivavy. Ny ankizilahy kosa natao hotompoin’ny mamany sy ny anabaviny. Ampianarina an-dry zareo hoe ry zareo no ‘mpanjaka ao an-trano.’” Izao koa no nolazain’ny anabavy iray any Azia: “Misy fomba fiteny atỳ aminay midika hoe tsy voatery hanam-pahaizana na hahira-tsaina ny vehivavy. Natao hanao ny raharaha rehetra ao an-trano ry zareo, sady tsy mahazo milaza ny heviny amin’ny vadiny mihitsy.” Mampijaly vady izay lehilahy manana toe-tsaina hoatran’ireo, sady tsy manaraka an’izay lazain’ny Baiboly. Tsy manahaka an’i Jesosy koa izy ary tsy mampifaly an’i Jehovah.​—Efes. 5:28, 29; 1 Pet. 3:7.

6. Inona no tokony hataon’ny vehivavy manambady raha te hifandray tsara amin’i Jehovah foana izy?

6 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa tian’i Jehovah hanampy ny fianakaviany hifandray tsara aminy ny lehilahy manambady. Tiany hampahery sy hamelona an-dry zareo koa izy. (1 Tim. 5:8) Tokony haka fotoana koa anefa ny vehivavy manambady isan’andro mba hamakiana ny Tenin’Andriamanitra sy hisaintsainana azy io, ary hanaovana vavaka vokatry ny fo. Tokony hanao an’ireo izy na dia be atao aza. Mety ho sarotra izany satria mety hieritreritra izy hoe tsy manana fotoana na hery hanaovana an’izany intsony. Tena ilaina anefa ny manokana fotoana hanaovana an’ireo. Fa maninona? Satria tian’i Jehovah hifandray akaiky aminy foana isika tsirairay.​—Asa. 17:27.

7. Inona no tokony hataon’ny vehivavy mba ho mora kokoa aminy ny hanaiky ny vadiny?

7 Marina hoe tsy maintsy miezaka be angamba ny vehivavy vao hahavita hanaiky ny vadiny, satria tsy lavorary ny vadiny. Ho mora kokoa aminy anefa ny hanaiky azy, rehefa azony tsara sady ekeny hoe fa maninona izy no asain’i Jehovah manao an’izany.

FA MANINONA NY VEHIVAVY NO TOKONY HANAIKY NY VADINY?

8. Araka ny Efesianina 5:22-24, fa maninona ny vehivavy kristianina no tokony hanaiky ny vadiny?

8 Manaiky ny vadiny ny vehivavy kristianina, satria izany no asain’i Jehovah ataony. (Vakio ny Efesianina 5:22-24.) Matoky an’ilay Rainy any an-danitra izy. Fantany mantsy fa tia azy ny Rainy, ary tsy hangataka aminy hanao zavatra tsy hahasoa azy.​—Deot. 6:24; 1 Jaona 5:3.

9. Inona no ho vokany raha manaja ny fahefan’ny vadiny ny anabavy?

9 Mampirisika ny vehivavy ity tontolo ity mba tsy hiraharaha ny fitsipik’i Jehovah. Tian’izy io koa raha mihevitra ny vehivavy hoe manambany izany manaiky fahefana izany. Tsy fantatry ny olona mampiely an’ireny hevitra ireny hoe be fitiavana ilay Andriamanitsika. Tena tian’i Jehovah ny zanany vavy, ka tsy handidy azy ireo hanao zavatra hanambany azy ireo mihitsy izy. Hampisy fiadanana ao an-tokantrano ny anabavy raha miezaka mafy manao an’izay asain’i Jehovah ataony, izany hoe manaiky ny vadiny. (Sal. 119:165) Handray soa avy amin’izany daholo na izy na ny vadiny na ny zanany.

10. Inona no ianarantsika avy amin’izay nolazain’i Carol?

10 I Jehovah no nanome fahefana ny lehilahy manambady. Raha manaiky ny vadiny àry ny vehivavy, na dia tsy lavorary aza ny vadiny, dia ho hita hoe tia sy manaja an’i Jehovah izy. Izao no nolazain’i Carol, anabavy any Amerika Atsimo: “Fantatro hoe hanao fahadisoana ny vadiko, dia izay ataoko amin’ireny fotoana ireny no ahitana hoe sarobidy amiko ny fifandraisako amin’i Jehovah na tsia. Miezaka foana àry aho mba hanaiky ny vadiko, satria te hampifaly an’ilay Raiko any an-danitra.”

11. Inona no manampy ny Ranabavy Aneese hamela heloka? Inona no ianaranao avy amin’izay nolazainy?

11 Mety ho sarotra amin’ny vehivavy ny hanaja sy hanaiky ny vadiny, raha mieritreritra izy hoe tsy miraharaha ny fihetseham-pony sy izay mampanahy azy izy. Izao no ataon’ny anabavy antsoina hoe Aneese rehefa mitranga izany: “Miezaka tsy mitana lolompo aho. Mitadidy aho hoe manao fahadisoana daholo isika. Miezaka hamela tanteraka ny vadiko aho, hoatran’ny ataon’i Jehovah. Lasa milamin-tsaina aho rehefa manao an’izany.” (Sal. 86:5) Rehefa mamela ny vadiny ny vehivavy, dia matetika no mora kokoa aminy ny manaiky azy.

INONA NO AZO IANARANA AVY AMIN’NY OLONA RESAHIN’NY BAIBOLY?

12. Inona no mampiavaka ny olona sasany voaresaka ao amin’ny Baiboly?

12 Mety hieritreritra ny olona sasany hoe izay tsy manana hazondamosina ihany no manaiky fahefana. Tsy marina mihitsy anefa izany! Be dia be ny olona resahin’ny Baiboly hoe nanaiky fahefana nefa tena be herim-po. Anisan’izany i Jesosy sy Abigaila ary Maria. Handray lesona avy amin’izy ireo isika izao.

13. a) Fa maninona i Jesosy no manaiky ny fahefan’i Jehovah? b) Nahoana ny modely navelan’i Jesosy no manaporofo fa tsy marina ilay hoe tsy manana hazondamosina izay manaiky fahefana?

13 Mahira-tsaina i Jesosy sady mahay zavatra be dia be, nefa manaiky ny fahefan’i Jehovah. Tena mahay izy matoa tsotra sy mazava ny fampianarany. (Jaona 7:45, 46) Fantatr’i Jehovah ny fahaizan’ny Zanany, dia navelany hiara-miasa aminy izy rehefa namorona an’izao rehetra izao. (Ohab. 8:30; Heb. 1:2-4) Tsy vitan’izay fa nomen’i Jehovah “ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” i Jesosy, taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. (Mat. 28:18) Na izany aza, dia mbola mitady ny tari-dalan’i Jehovah foana izy. Fa maninona? Satria tiany ny Rainy.​—Jaona 14:31.

14. a) Inona no azon’ny lehilahy ianarana avy amin’ny fiheveran’i Jehovah ny vehivavy? b) Inona koa no azony ianarana avy amin’ny Ohabolana 31?

14 Inona no ianaran’ny lehilahy manambady avy amin’izany? Tsy hoe mihevitra ny vehivavy ho ambany akory i Jehovah, matoa mangataka azy ireo mba hanaiky ny vadiny. Ahoana no ahalalantsika an’izany? Rehefa nifidy olona hiara-manjaka amin’i Jesosy, ohatra, izy dia tsy lehilahy ihany no nofidiny fa vehivavy koa. (Gal. 3:26-29) Hitantsika teo koa hoe nanome fahefana ny Zanany i Jehovah satria natoky azy. Hendry àry ny lehilahy manambady raha manahaka an’i Jehovah, ka manome fahefana ny vadiny mba hanao zavatra sasany. Miresaka asa sasany azo ankinina amin’ny vehivavy ny Baiboly. Afaka manara-maso ny asa atao ao an-trano, ohatra, izy. Afaka mividy sy mivarotra tany koa izy ary manao raharaham-barotra. (Vakio ny Ohabolana 31:15, 16, 18.) Tsy andevo akory izy ka hoe tsy manana zo hilaza ny heviny. Hatoky azy kosa ny vadiny, ary hihaino azy rehefa mba milaza ny any an-tsainy izy. (Vakio ny Ohabolana 31:11, 26, 27.) Ho faly hanaiky ny vadiny ny vehivavy, raha manaja azy hoatr’izany izy.

Nanaiky ny fahefan’i Jehovah i Jesosy. Inona no ianaran’ny vehivavy mahay avy amin’izany? (Fehintsoratra 15)

15. Inona no ianaran’ny vehivavy manambady avy amin’i Jesosy?

15 Inona no ianaran’ny vehivavy manambady avy amin’izany? Na dia nahavita zavatra tsara be dia be aza i Jesosy, dia tsy nieritreritra izy hoe manambany azy izany manaiky ny fahefan’i Jehovah izany. (1 Kor. 15:28; Fil. 2:5, 6) Raha manahaka an’i Jesosy ny vehivavy mahay, dia tsy hieritreritra hoe lasa ambany izy rehefa manaiky ny fahefan’ny vadiny. Ho faly kosa izy manao an’izany, tsy hoe noho izy tia ny vadiny fotsiny fa indrindra indrindra noho izy tia sy manaja an’i Jehovah.

Manatona an’i Davida i Abigaila, rehefa avy nandefa sakafo ho azy sy ny namany. Mandohalika izy avy eo, ary miangavy an’i Davida mba tsy hamaly faty ka hanao fahadisoana lehibe (Fehintsoratra 16)

16. Inona no zava-tsarotra natrehin’i Abigaila, araka ny 1 Samoela 25:3, 23-28? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

16 Nabala no anaran’ny vadin’i Abigaila. Tia tena sady niavonavona ary tsy mba nahay nankasitraka io lehilahy io. Saika hovonoin’i Davida sy ny namany i Nabala indray mandeha. Azon’i Abigaila natao ny nangina fotsiny, dia namela ny vadiny ho faty. Tsy nanao an’izany anefa izy satria tsy nieritreritra ny handrava ny tokantranony. Nitady hevitra kosa izy mba hiarovana an’i Nabala sy ireo olona be dia be anisan’ny ankohonany. Nila herim-po be i Abigaila tamin’izay! Handeha hihaona amina lehilahy 400 mantsy izy, sady amin’izay nitondra fiadiana daholo ry zareo. Nila nanazava an’ilay olana tamin’i Davida koa izy. Nanaja tsara an’i Davida izy rehefa niresaka taminy. Tsy vitan’izany fa izy indray aza no niala tsiny noho ny fahadisoan’ny vadiny. (Vakio ny 1 Samoela 25:3, 23-28.) Niaiky i Davida hoe nampiasa an’io vehivavy be herim-po io i Jehovah mba hanoro hevitra azy ka hisakana azy tsy hanao fahadisoana lehibe.

17. Inona no azon’ny lehilahy manambady ianarana avy amin’ny tantaran’i Davida sy Abigaila?

17 Inona no ianaran’ny lehilahy manambady avy amin’izany? Vehivavy hendry i Abigaila. Hendry koa i Davida dia nihaino azy, ka tsy namono olona tsy nanan-tsiny. Manahaka azy ny lehilahy hendry, ka mandinika ny hevitry ny vadiny rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe horaisina. Mety hisakana azy tsy hanaonao foana izany.

18. Inona no azon’ny vehivavy manambady ianarana avy amin’i Abigaila?

18 Inona no ianaran’ny vehivavy manambady avy amin’izany? Tsy manompo an’i Jehovah angamba ny vadin’ny anabavy iray, na manompo an’i Jehovah ihany izy fa tsy manaraka ny fitsipiny. Tena afaka mitondra soa ho an’ny fianakaviany foana anefa ilay anabavy, raha tia sy manaja an’i Jehovah. Tsy hitady hevitra hisarahana amin’ny vadiny izy, fa hanaja sy hanaiky azy kosa. Mety handrisika an’ilay vadiny hianatra momba an’i Jehovah izany. (1 Pet. 3:1, 2) Na tsy misy vokany amin’ilay vadiny aza anefa ny zavatra tsara ataony, dia ho faly i Jehovah satria mahita azy tsy mivadika aminy sady mankatò ny vadiny.

19. Rahoviana ny vehivavy manambady no tsy tokony hankatò ny vadiny?

19 Na dia manaiky ny fahefan’ny vadiny aza ny anabavy iray, dia tsy hanaiky izy raha asain’ny vadiny mandika ny lalàna na toro lalana ao amin’ny Baiboly. Ahoana, ohatra, raha manambady tsy Vavolombelona izy, dia asain’ny vadiny mandainga, na mangalatra, na manao zavatra hafa tsy tian’i Jehovah? I Jehovah no voalohany tokony hankatoavin’ny Kristianina rehetra, anisan’izany ny anabavy manambady. Tsy tokony hanaiky àry izy raha asain’ny vadiny mandika ny toro lalan’ny Baiboly. Tokony hohazavainy koa hoe fa maninona izy no tsy manao an’izany, ary mila hentitra izy nefa tsara fanahy.​—Asa. 5:29.

Fehintsoratra 20 *

20. Inona no porofo fa tena nifandray akaiky tamin’i Jehovah i Maria?

20 Tena nifandray akaiky tamin’i Jehovah i Maria. Hita hoe nahay tsara ny Soratra Masina izy. In-20 mahery, ohatra, izy no naka teny avy tao amin’ny Soratra Hebreo rehefa niresaka tamin’i Elizabeta, maman’i Jaona Mpanao Batisa. (Lioka 1:46-55) Eritrereto koa izao: Na dia efa mpifamofo aza i Maria sy Josefa, dia tsy tany amin’i Josefa ilay anjelin’i Jehovah no niseho voalohany. Niresaka tamin’i Maria aloha izy, dia niteny taminy hoe hiteraka ny Zanak’Andriamanitra i Maria. (Lioka 1:26-33) Nahafantatra tsara an’i Maria i Jehovah, dia natoky hoe ho tia sy hikarakara ny Zanany izy. Azo antoka hoe mbola nifandray tsara tamin’i Jehovah foana i Maria, na dia efa maty sy niakatra tany an-danitra aza i Jesosy.​—Asa. 1:14.

21. Inona no ianaran’ny lehilahy avy amin’i Maria?

21 Inona no ianaran’ny lehilahy manambady avy amin’izany? Raha hendry ny lehilahy iray, dia ho faly izy raha mahay tsara ny Soratra Masina ny vadiny. Tsy hatahotra izy hoe sao dia te ho lohan’ny fianakaviana ilay vehivavy. Tsy hieritreritra koa izy hoe tsy mahay ka tsy hatoky tena. Ekeny hoe hahavita hanampy tsara ny fianakaviany ny vadiny, raha mahay tsara ny Baiboly sady mahafantatra ny toro lalana ao. Mazava ho azy fa na dia nahita fianarana kokoa aza ilay vehivavy, dia ilay lehilahy foana no manana andraikitra hitarika ny fianakaviany amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Izy, ohatra, no mitarika ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.​—Efes. 6:4.

Nazoto nianatra sy nisaintsaina i Maria renin’i Jesosy. Inona no azon’ny vehivavy manambady ianarana avy amin’izany? (Fehintsoratra 22) *

22. Inona no ianaran’ny vehivavy avy amin’i Maria?

22 Inona no ianaran’ny vehivavy manambady avy amin’izany? Marina fa tsy maintsy manaiky izy hoe ny vadiny no mitarika amin’ny fanompoana an’i Jehovah. (Gal. 6:5) Izy mihitsy anefa no tsy maintsy miezaka hanana finoana matanjaka. Mila manokana fotoana àry izy mba hianarana samirery sy hisaintsainana. Ho tia sy hanaja an’i Jehovah foana izy amin’izay, ary ho faly hanaiky ny vadiny.

23. Inona no vokany rehefa manaiky ny fahefan’ny vadiny ny vehivavy?

23 Manaiky ny vadiny foana ny vehivavy tia an’i Jehovah. Inona no vokatr’izany? Faly sy afa-po kokoa izy raha oharina amin’ny olona tsy manaiky ny fahefana napetrak’i Jehovah. Modely ho an’ny tanora koa izy ary manampy ny fianakaviany sy ny fiangonana mba hifankatia sy hifandray tsara. (Tit. 2:3-5) Vehivavy ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika amin’izao. (Sal. 68:11) Na lehilahy anefa isika na vehivavy, dia samy afaka manampy ny fiangonana mba ho faly daholo. Ahoana no azontsika tsirairay anaovana an’izany? Hamaly an’izany ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 131 “Nampiraisin’Andriamanitra” ny Mpivady

^ feh. 5 Tian’i Jehovah hanaiky ny fahefan’ny vadiny ny vehivavy. Inona no dikan’izany? Nanome ohatra ny amin’izany i Jesosy sy ny vehivavy voaresaka ao amin’ny Baiboly. Afaka miana-javatra be dia be avy amin’izy ireo ny lehilahy sy vehivavy kristianina manambady.

^ feh. 68 SARY: Nahavita nanonona andinin-teny be dia be avy tao amin’ny Soratra Hebreo i Maria rehefa niresaka tamin’i Elizabeta, maman’i Jaona Mpanao Batisa.

^ feh. 70 SARY: Tokony hanokana fotoana hianarana Baiboly ny vehivavy manambady, amin’izay izy hanana finoana matanjaka foana.