Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 7

“Henoy ny Tenin’ny Hendry”

“Henoy ny Tenin’ny Hendry”

“Aoka ianao hanongilan-tsofina dia henoy ny tenin’ny hendry.”​—OHAB. 22:17.

HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah

HO HITANAO ATO *

1. Inona avy ny karazana torohevitra mety ho azontsika, ary nahoana isika rehetra no mila an’izany?

 MILA torohevitra daholo isika rehetra indraindray. Misy fotoana isika mihitsy no mangataka soso-kevitra avy amin’ny olona iray hajaintsika. Indraindray koa anefa mety hisy rahalahy hanatona antsika, satria manahy izy sao dia hanao “zavatra tsy mety” isika, dia hanenina avy eo. (Gal. 6:1) Azo lazaina hoe mahazo torohevitra koa isika rehefa misy manitsy, satria nanao fahadisoana lehibe. Na inona na inona karazana torohevitra azontsika, dia tokony hihaino an’izany isika. Hahasoa antsika mantsy izany, ary mety hamonjy ny aintsika.​—Ohab. 6:23.

2. Nahoana isika no tokony hihaino torohevitra, araka ny Ohabolana 12:15?

2 Mampirisika antsika ‘hihaino ny tenin’ny hendry’ ny andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity. (Ohab. 22:17) Tsy misy olona tapi-pahaizana, fa tsy maintsy misy foana ny olona mahay kokoa na manana traikefa kokoa noho isika. (Vakio ny Ohabolana 12:15.) Manetry tena àry isika raha mihaino torohevitra. Hita avy amin’izany mantsy fa fantatsika hoe voafetra ny zavatra haintsika, ary mila ny fanampian’ny hafa isika mba hanatratrarana ny tanjontsika. Nasain’i Jehovah nanoratra hoatr’izao i Solomona mpanjaka hendry: ‘Tanteraka izay kasaina hatao rehefa be dia be ny mpanoro hevitra.’​—Ohab. 15:22.

Iza amin’ireo no sarotra kokoa aminao ny mandray azy? (Fehintsoratra 3-4)

3. Hoatran’ny ahoana avy ny torohevitra mety ho azontsika?

3 Mety hahazo torohevitra mivantana na tsy mivantana isika. Rehefa mamaky Baiboly na boky sy gazety isika, dia mety hahita hevitra mampisaintsaina antsika. Mety hahatonga antsika hieritreritra ny zavatra ataontsika izany, ka hanampy antsika hahita an’izay tsy mety. (Heb. 4:12) Izay ilay hoe torohevitra tsy mivantana. Indraindray koa anefa mety hisy anti-panahy na rahalahy matotra hanoro antsika ny zavatra mila ahitsintsika. Izay indray ilay hoe torohevitra mivantana. Tia antsika ny olona iray matoa manome antsika torohevitra avy ao amin’ny Baiboly. Tokony hihaino izay lazainy sy hanaraka ny toroheviny àry isika, mba hampisehoana hoe mankasitraka azy.

4. Inona no tokony hotandremantsika rehefa mahazo torohevitra, araka ny Mpitoriteny 7:9?

4 Mety ho sarotra be amintsika ny manaiky torohevitra mivantana. Mety ho tezitra mihitsy aza isika. Nahoana? Satria mafy amintsika angamba ny hanaiky torohevitra rehefa misy olona milaza ny zavatra tsy mety nataontsika, na dia mora amintsika aza ny miaiky hoe tsy lavorary isika. (Vakio ny Mpitoriteny 7:9.) Mety hanamarin-tena isika, na ho tezitra amin’ny fomba nanomezany an’ilay torohevitra, na hieritreritra hoe ratsy ny antony nanomezany an’ilay izy. Mety hanakiana azy mihitsy aza isika, dia hieritreritra hoe: ‘Fa izy no iza no hiteniteny an’ahy? Ny fahadisoany aza tsy hitany!’ Rehefa tsy azoazontsika ilay torohevitra, dia mety tsy horaharahiantsika, na lasa isika mitady torohevitra tiantsika kokoa.

5. Inona no hodinihintsika ato?

5 Miresaka olona nanda torohevitra sy nanaiky torohevitra ny Baiboly, ary handinika ny sasany amin’izany isika ato. Ho hitantsika koa hoe inona no hanampy antsika hanaiky torohevitra sy handray soa avy amin’izany.

NANDA TOROHEVITRA IZY IREO

6. Inona no ianarantsika avy amin’i Rehoboama Mpanjaka tamin’izy nomena torohevitra?

6 Diniho ny ohatr’i Rehoboama. Nankany aminy ny vahoakany tamin’izy lasa mpanjakan’ny Israely. Nangataka taminy izy ireo mba hanamaivana ny fanompoana nampanaovin’i Solomona rainy azy ireo. Tsara ny nataon’i Rehoboama satria nanontany ny hevitr’ireo zokiolona teo amin’ny Israely izy, mba hahafantarany an’izay havaly ny vahoaka. Nilaza taminy ry zareo hoe hanohana azy foana ny vahoaka, raha manaiky an’izay angatahin’izy ireo izy. (1 Mpanj. 12:3-7) Toa tsy nahafa-po an’i Rehoboama ilay soso-kevitra, dia nanontany an’ireo lehilahy niara-lehibe taminy indray izy. Efa 40 taona teo ho eo angamba ireo lehilahy ireo, ka azo antoka hoe efa nahita fiainana ihany. (2 Tan. 12:13) Tsy nety anefa ny soso-kevitra nomen’izy ireo an’i Rehoboama, tamin’ity indray mandeha ity. Vao mainka nasain’izy ireo nampitomboina ny fanompoana nataon’ny vahoaka. (1 Mpanj. 12:8-11) Inona no azon’i Rehoboama natao rehefa nahazo torohevitra roa samy hafa izy? Azony natao ny nivavaka tamin’i Jehovah, dia nanontany azy hoe iza no soso-kevitra tokony harahiny. Naleony anefa nanaraka an’izay nahafinaritra azy, izany hoe ny tenin’ireo lehilahy tanora kokoa. Tena ratsy ny vokatr’izany teo amin’i Rehoboama sy ny vahoakan’Israely. Hoatr’izany koa ny amintsika. Indraindray mety tsy ho tiantsika ny soso-kevitra omena antsika. Tokony hekentsika anefa ilay izy raha avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

7. Inona no ianarantsika avy amin’i Ozia Mpanjaka?

7 Nanda torohevitra i Ozia Mpanjaka. Nankao amin’ny tempolin’i Jehovah izy, dia niditra tao amin’ny faritra iray natokana ho an’ny mpisorona mba handoro emboka manitra. Hoy ny mpisoron’i Jehovah taminy: “Tsy mety, ry Ozia, raha ianao no mandoro emboka manitra ho an’i Jehovah. Ny mpisorona ihany no tokony handoro emboka manitra.” Ahoana no nataon’i Ozia? Raha nanetry tena izy ka nanaiky an’ilay torohevitra ary niala haingana tao amin’ny tempoly, dia mety ho namela azy i Jehovah. Nanda an’ilay torohevitra anefa i Ozia sady “tezitra be.” Fa maninona? Nieritreritra angamba izy hoe manan-jo hanao an’izay tiany satria mpanjaka. Tsy hoatr’izany anefa no fahitan’i Jehovah an’ilay izy. Noho i Ozia sahisahy ratsy, dia nataon’i Jehovah “boka mandra-pahafatiny” izy. (2 Tan. 26:16-21) Inona no ianarantsika avy amin’izay nahazo an’i Ozia? Tsy hankasitrahan’i Jehovah intsony isika raha mandà torohevitra avy ao amin’ny Baiboly, na iza isika na iza.

NANAIKY TOROHEVITRA IZY IREO

8. Ahoana no nataon’i Joba rehefa nahazo torohevitra?

8 Resahin’ny Baiboly koa anefa hoe nisy olona nahazo fitahiana satria nanaiky torohevitra. Modely ho antsika izy ireny, anisan’izany i Joba. Tsy lavorary izy, na dia natahotra an’Andriamanitra aza. Lasa niteniteny foana àry izy rehefa niaritra ny mafy. Nahazo torohevitra mivantana avy tamin’i Eliho sy Jehovah izy vokatr’izany. Ahoana no nataon’i Joba? Nanetry tena izy ary nanaiky an’ilay torohevitra. Hoy izy: “Niteny aho, nefa tsy takatry ny saiko akory ... Tsoahako ny teniko, ary mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.” Notahin’i Jehovah i Joba satria nanetry tena.​—Joba 42:3-6, 12-17.

9. Ahoana no nataon’i Mosesy tamin’izy nomena torohevitra, ary nahoana izy no modely ho antsika?

9 Modely ho antsika i Mosesy, satria nanaiky hahitsy izy rehefa nanao fahadisoana lehibe. Tsy nahafehy ny hatezerany izy, indray mandeha, dia tsy nanome voninahitra an’i Jehovah. Tsy nahazo tombontsoa hiditra ny Tany Nampanantenaina izy vokatr’izany. (Nom. 20:1-13) Niresaka tamin’i Jehovah i Mosesy, satria diso fanantenana tamin’ny fanapahan-keviny. Hoy anefa i Jehovah taminy: “Aza miresaka amiko momba an’izany intsony.” (Deot. 3:23-27) Tsy tezitra i Mosesy, fa nanaiky ny fanapahan-kevitr’i Jehovah. Mbola navelan’i Jehovah hitarika ny Israely àry izy. (Deot. 4:1) Samy nanaiky torohevitra i Joba sy Mosesy, ka modely ho antsika. Nanitsy ny fomba fiheviny i Joba, fa tsy nitady fialan-tsiny. Hita tamin’ny nataon’i Mosesy koa hoe nanaiky ny torohevitr’i Jehovah izy. Tsy nivadika mihitsy mantsy izy, na dia tsy nahazo an’ilay tombontsoa tena tiany aza.

10. a) Inona ny soa azontsika rehefa manaiky torohevitra isika, araka ny Ohabolana 4:10-13? b) Inona ny toe-tsaina tsara nananan’ny rahalahy sy anabavy sasany nahazo torohevitra?

10 Handray soa isika raha manahaka an’ireo lehilahy tsy mivadika hoatran’i Joba sy Mosesy. (Vakio ny Ohabolana 4:10-13.) Izany mihitsy no nataon’ny rahalahy sy anabavintsika maro. Nahazo fampitandremana, ohatra, i Emmanuel, rahalahy mipetraka any Congo. Izao no nolazainy: “Saika simba ny fifandraisako tamin’i Jehovah, dia nisy rahalahy matotra tao amin’ny fiangonanay nanampy ahy. Nampihariko ny torohevitr’izy ireo, dia nisoroka olana be dia be izany.” * Hoy koa i Megan, mpisava lalana any Kanada: “Tsy tiako mihitsy indraindray ny torohevitra azoko. Hay tao amin’ilay nilaiko mihitsy anefa ilay izy!” Izao indray no nolazain’i Marko, rahalahy any Kroasia: “Nisy tombontsoa nesorina tamiko. Rehefa mieritreritra ny lasa anefa aho, dia tsapako hoe ny torohevitra azoko tamin’izany no nanampy ahy hifandray tsara amin’i Jehovah indray.”

11. Inona no nolazain’i Karl Klein momba ny hoe manaiky torohevitra?

11 Nandray soa koa ny Rahalahy Karl Klein rehefa nanaiky torohevitra. Efa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy. Noresahiny tao amin’ny tantaram-piainany hoe nahazo torohevitra hentitra avy tamin’i Joseph Rutherford izy, indray mandeha. Mpinamana be mantsy izy roa lahy. Niaiky ny Rahalahy Klein fa sosotra tamin’ilay torohevitra izy tamin’ny voalohany. Izao no notantarainy: ‘Niarahaba ahy [ny Rahalahy Rutherford] taorian’izay, ary miramirana erỳ nilaza hoe: “Manahoana Karl a!” Mbola tezitra anefa aho, ka ningonongonona fotsiny. Niteny izy hoe: “Mitandrema Karl a! Mitady hamandrika anao ny Devoly!” Menamenatra aho sady namaly hoe: “Tsisy n’inona n’inona akory, Rahalahy Rutherford a!” Fantany anefa fa sosotra aho, dia mbola nampitandrina ihany izy hoe: “Eny e, mitandrema fotsiny! Mitady hamandrika anao ny Devoly!” Marina mihitsy ny teniny! Manaiky hofitahin’ny Devoly isika raha mitana lolompo amin’ny rahalahintsika, indrindra raha manan-jo hanitsy antsika izy.’ * (Efes. 4:25-27) Nanaiky ny torohevitra nomen’ny Rahalahy Rutherford ny Rahalahy Klein, ary mbola mpinamana foana ry zareo taorian’izay.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HANAIKY TOROHEVITRA?

12. Nahoana isika no hanaiky torohevitra raha manetry tena? (Salamo 141:5)

12 Inona no hanampy antsika hanaiky torohevitra? Mila manetry tena isika, ka mitadidy hoe tsy lavorary mihitsy isika ary tena mety hanao hadalana indraindray. Hitantsika teo fa nisy fotoana i Joba diso hevitra. Nanitsy ny fomba fiheviny anefa izy, dia notahin’i Jehovah. Fa maninona? Satria nanetry tena izy. Nanaporofo an’izany izy rehefa nanaiky ny torohevitr’i Eliho, na dia mbola zandriny be aza i Eliho. (Joba 32:6, 7) Raha manetry tena koa isika dia hahavita hampihatra torohevitra, na dia mieritreritra aza isika hoe tsy mila an’ilay izy, na zandrintsika no nanome an’ilay izy. Izao no nolazain’ny anti-panahy iray any Kanada: “Hafa mihitsy ny fahitan’ny olona anao. Dia ahoana moa no ahafahanao mihatsara raha tsy misy manome torohevitra anao?” Iza amintsika tokoa moa no tsy mila mihatsara, ohatra hoe haneho ny vokatry ny fanahy bebe kokoa, ary hahay hitory sy hampianatra kokoa?​—Vakio ny Salamo 141:5.

13. Ahoana no tokony handraisantsika ny torohevitra azontsika?

13 Raiso ho porofon’ny fitiavan’i Jehovah ny torohevitra. Izay tsara indrindra ho antsika no tadiaviny. (Ohab. 4:20-22) Tia antsika izy matoa manome torohevitra antsika amin’ny alalan’ny Teniny, ny boky sy gazety, na ny mpiara-manompo matotra. ‘Manao an’izany izy mba hahasoa antsika’, araka ny Hebreo 12:9, 10.

14. Inona no tokony hifantohantsika rehefa mahazo torohevitra isika?

14 Mifantoha amin’ilay torohevitra, fa tsy amin’ny fomba nanomezana an’ilay izy. Hoatran’ny tsy mety tsara indraindray ny fahitantsika ny fomba nanomezana an’ilay torohevitra. Marina aloha hoe tokony hiezaka izay olona manome torohevitra mba ho mora raisina ny torohevitra omeny. * (Gal. 6:1) Ahoana anefa raha isika no misy manitsy? Aleo mifantoka amin’ilay torohevitra, na dia hitantsika aza hoe mety ho nisy fomba tsara kokoa azony nanomezana an’ilay izy. Afaka mieritreritra isika hoe: ‘Tsy tiako aloha ny fomba nanomezany an’ilay torohevitra, nefa sao dia misy marina ihany ny teniny? Maninona moa aho raha tsy mifantoka amin’ny tsy mety ataony, amin’izay handray soa amin’ilay torohevitra nomeny?’ Hendry isika raha mitady fomba handraisana soa avy amin’izay torohevitra omena antsika.​—Ohab. 15:31.

MANGATAHA TOROHEVITRA DIA HANDRAY SOA IANAO

15. Nahoana isika no tokony hangataka torohevitra?

15 Mampirisika antsika hangataka torohevitra ny Baiboly. Marina mihitsy ny resahin’ny Ohabolana 13:10 hoe “hendry” izay manao an’izany. Misy tsy miandry omena torohevitra fa tonga dia mangataka. Ho lasa matotra kokoa ny olona hoatr’izany, raha oharina amin’ireo tsy mangataka torohevitra. Aza misalasala àry mangataka torohevitra e!

Maninona ilay anabavy tanora no mangataka torohevitra amin’ilay anabavy matotra? (Fehintsoratra 16)

16. Rahoviana isika no mila mangataka torohevitra?

16 Rahoviana isika no mila mangataka torohevitra amin’ny mpiara-manompo? Ireto misy ohatra vitsivitsy: 1) Anabavy iray mangataka mpitory mahay mba hiara-mampianatra aminy. Anontaniany ilay mpitory avy eo hoe ahoana no hanatsarany ny fomba fampianany. 2) Anabavy mpitovo te hividy pataloa, dia manontany ny hevitry ny anabavy matotra iray. 3) Rahalahy iray sambany vao hanao lahateny ho an’ny besinimaro. Mangataka mpandahateny mahay izy mba hihaino tsara an’ilay lahateniny sy hanoro azy an’izay azony hatsaraina. Tokony hanao hoatr’izany koa na dia ny mpanao lahateny efa hatramin’ny taona maro aza. Rehefa avy manao lahateny izy, dia tsara raha manontany mpandahateny mahay hoe inona no azony hatsaraina, ary avy eo mampihatra an’izany.

17. Inona no azontsika atao mba handray soa isika rehefa mahazo torohevitra?

17 Hahazo torohevitra daholo isika rehetra, na ho ela na ho haingana. Mety ho torohevitra mivantana izany, na tsy mivantana. Tadidio ireo hevitra noresahintsika tato amin’izay fotoana izay. Miezaha hanetry tena foana. Mifantoha amin’ilay torohevitra, fa tsy amin’ny fomba nanomezana an’ilay izy. Ary ampiharo izay torohevitra nomena anao. Tsy misy amintsika hoe vao teraka dia efa hendry. Mampanantena anefa ny Baiboly fa “ho hendry” isika raha ‘mihaino torohevitra sy mandray anatra.’​—Ohab. 19:20.

HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy

^ Tena ilaina ny mihaino torohevitra avy ao amin’ny Baiboly, ary miaiky an’izany ny vahoakan’i Jehovah. Tsy mora anefa indraindray ny manaiky torohevitra. Fa maninona? Ary inona no hanampy antsika handray soa avy amin’ny torohevitra omena antsika?

^ Novana ny anarana sasany.

^ Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1985, pejy 20-27.

^ Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay azontsika atao mba ho mora raisina ny torohevitra omentsika.