Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mba Andramo Izao

Mba Andramo Izao

Mitadiava Lahatsoratra teo Amin’ny Pejy Fandraisana ao Amin’ny JW.ORG

Betsaka ny mpiara-manompo mampiasa ny lahatsoratra eo amin’ny pejy fandraisana ao amin’ny jw.org rehefa manompo. Matetika izy ireny no manazava hoe manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly ny zava-mitranga amin’izao, ary mora ny mandefa ny rohy ahitana azy. Nanoratra ny rahalahy iray fa “mety be amin’ny karazana fanompoana ataontsika amin’izao” ireny lahatsoratra ireny.

Miova matetika anefa izy ireny. Ahoana àry no hahitantsika an’ireo lahatsoratra tsy eo amin’ny pejy fandraisana intsony?

  • Tsindrio ilay hoe “Hijery Misimisy Kokoa”, eo ambony ankavanana amin’ny pejy fandraisana ao amin’ny jw.org. Eo ambanin’ireo lahatsoratra eo amin’ilay fizarana hoe “Mahaliana” kosa no misy an’ilay hoe “Hijery Misimisy Kokoa”, ao amin’ny tablette na telefaonina. Rehefa tsindriana izy io, dia misokatra ilay hoe “Teo Amin’ny Pejy Fandraisana Tato ho Ato.” Ho hitanao ao ny ankamaroan’ireo lahatsoratra niseho vao haingana teo amin’ny pejy fandraisana.

  • Azonao atao koa ny mifidy an’ilay hoe “Zavatra Misy” (Publications) dia avy eo “Andian-dahatsoratra” ary farany “Foto-kevitra Hafa”, ao amin’ny jw.org na ny JW Library®. Ho hitanao ao ny ankamaroan’ireo lahatsoratra teo amin’ny pejy fandraisana.