Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 3

Inona no Azo Ianarana avy Amin’ny Ranomason’i Jesosy?

Inona no Azo Ianarana avy Amin’ny Ranomason’i Jesosy?

“Nirotsaka ny ranomason’i Jesosy.”​—JAONA 11:35.

HIRA 17 “Sitrako Tokoa”

HO HITANAO ATO *

1-3. Inona no mety hahatonga ny mpanompon’i Jehovah hitomany?

 OVIANA ianao no nitomany farany? Faly be isika indraindray dia latsa-dranomaso mihitsy. Matetika anefa isika no mitomany rehefa malahelo be ny fontsika. Mety hirotsaka, ohatra, ny ranomasontsika rehefa maty ny olona iray tena tiantsika. Hoatr’izany no nahazo an’i Lorilei, anabavy any Etazonia. Izao no nosoratany: “Nisy fotoana nila tsy ho zakako ny mieritreritra hoe maty ny zanako vavy. Hoatran’ny hoe tsy nisy na inona na inona hampionona ahy mihitsy. Gaga aho tamin’ireny hoe fa maninona àry ny foko no mbola mahavita mitepo ihany, nefa efa tena vaky sy torotoro.” *

2 Misy antony hafa koa anefa mety hahatonga antsika hitomany. Izao no nolazain’i Hiromi, mpisava lalana any Japon: “Kivy aho indraindray rehefa mahita hoe tsy miraika amin’ny vaovao tsara ny olona itoriako. Misy fotoana aho mitomany mihitsy sady mivavaka hoe: ‘Mba ampio aho Jehovah hahita olona mitady ny fahamarinana.’”

3 Efa nanana fihetseham-po hoatran’ny an’ireo olona ireo ve ianao? Maro amintsika no efa nahatsapa an’izany. (1 Pet. 5:9) Te hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana isika, nefa amin-dranomaso no anaovantsika an’izany indraindray. (Sal. 6:6; 100:2) Nidonam-pahoriana angamba isika na kivy na manana olana hafa misedra ny tsy fivadihantsika amin’i Jehovah. Inona no azontsika atao rehefa mitranga izany?

4. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

4 Afaka mianatra avy amin’i Jesosy isika. Nihetsi-po be izy indraindray ka ‘nirotsaka ny ranomasony.’ (Jaona 11:35; Lioka 19:41; 22:44; Heb. 5:7) Hodinihintsika hoe oviana izany no nitranga, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany. Horesahintsika koa hoe inona no azontsika atao rehefa sendra zava-tsarotra mampirotsaka ny ranomasontsika isika.

NITOMANY IZY SATRIA NALAHELO AN’IREO NAMANY

Manahafa an’i Jesosy ka ampaherezo ny olona nidonam-pahoriana (Fehintsoratra 5-9) *

5. Inona no ianarantsika momba an’i Jesosy, rehefa dinihina ilay tantara ao amin’ny Jaona 11:32-36?

5 Narary i Lazarosy naman’i Jesosy tamin’ny ririnina taona 32, ary maty avy eo. (Jaona 11:3, 14) Nanana anabavy roa atao hoe Maria sy Marta izy, ary tena tian’i Jesosy izy telo mianadahy. Kivy be izy mirahavavy rehefa maty ilay anadahy malalany. Nankany Betania, tanàna nisy an-dry zareo, i Jesosy taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy. Rehefa henon’i Marta fa tonga i Jesosy, dia lasa haingana izy nitsena azy. Alao sary an-tsaina ny fihetseham-pony rehefa niteny izy hoe: “Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.” (Jaona 11:21) Nahita an’i Maria sy ny olon-kafa nitomany i Jesosy taoriana kelin’izay. Inona no vokatr’izany taminy? ‘Nirotsaka ny ranomasony.’​—Vakio ny Jaona 11:32-36.

6. Inona no nahatonga an’i Jesosy hitomany tamin’io fotoana io?

6 Inona no nahatonga an’i Jesosy hitomany tamin’io fotoana io? Izao no resahin’ny Fandalinana ny Soratra Masina: “‘Nalahelo mafy’ izy rehefa nandre hoe maty i Lazarosy sy nahita ny alahelon’ireo anabaviny, ka ‘nirotsaka ny ranomasony.’” * Mety ho nieritreritra ny fanaintainan’ilay namany tamin’izy narary i Jesosy. Tonga tao an-tsainy koa angamba izay mety ho tsapan’i Lazarosy rehefa nahafantatra fa kely sisa izy dia ho faty. Ankoatra izany, dia azo antoka fa nihetsi-po be i Jesosy ka nitomany rehefa nahita hoe nampalahelo an’i Maria sy Marta ny fahafatesan’ny anadahiny. Mety ho efa nieritreritra an’ireo sy nahatsapa an’izany alahelo izany koa ianao, raha efa nisy namanao akaiky na havanao maty. Misy lesona telo azontsika ianarana avy amin’io zava-nitranga io.

7. Nitomany i Jesosy satria nalahelo an’ireo namany. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’izany?

7 Azon’i Jehovah tsara ny fihetseham-ponao. “Tena mitovy toetra” amin’ny Rainy i Jesosy. (Heb. 1:3, f.a.p.) Hita amin’ny ranomason’i Jesosy àry hoe hoatran’ny ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah rehefa misy olona maty. (Jaona 14:9) Ary ianao? Manana havana nodimandry ve ianao? Matokia fa voamarik’i Jehovah hoe malahelo be ianao. Tsy izay ihany fa tena miara-ory aminao izy sady te hanasitrana ny fonao.​—Sal. 34:18; 147:3.

8. Nahoana isika no matoky fa hanangana ny havantsika sy ny namantsika maty i Jesosy?

8 Te hanangana ny havanao sy ny namanao i Jesosy. Taloha kelin’i Jesosy nitomany, dia nanome toky an’i Marta izy hoe: “Ao fa hitsangana ny anadahinao.” Nino an’i Jesosy i Marta. (Jaona 11:23-27) Mpanompon’i Jehovah izy, ka fantany hoe efa nanangana olona tamin’ny maty i Elia sy Elisa mpaminany. (1 Mpanj. 17:17-24; 2 Mpanj. 4:32-37) Azo inoana koa fa efa henony hoe nanangana ny maty i Jesosy. (Lioka 7:11-15; 8:41, 42, 49-56) Ary ianao? Afaka matoky koa ianao fa mbola hahita an’ireo havanao sy namanao efa maty. Inona àry no ianarantsika avy amin’ny ranomason’i Jesosy tamin’izy nampahery an’ireo namany nidonam-pahoriana? Porofoin’izany hoe tena te hanangana ny maty izy!

9. Ahoana no azonao ampaherezana ny olona nidonam-pahoriana? Manomeza ohatra.

9 Afaka mampahery an’izay nidonam-pahoriana ianao. Niara-nitomany tamin’i Marta sy Maria i Jesosy, ary nihaino an-dry zareo sy nilaza teny mampahery taminy. Afaka manao hoatr’izany amin’ny olona manana havana na namana maty koa isika. Izao no notenenin’i Dan, anti-panahy any Aostralia: “Tena nila fampaherezana aho rehefa maty ny vadiko. Nisy mpivady maromaro vonona hihaino ahy, na andro na alina. Navelan-dry zareo hampiseho ny alaheloko aho, ary tsy sadaikatra ry zareo nahita ahy nitomany. Nanampy tamin’ny fomba hafa koa ry zareo. Nisy fotoana aho tsy nahavita nanadio aotomobilina sy niantsena na nahandro sakafo, dia ry zareo no nanao an’izany. Tsy izay ihany fa nivavaka niaraka tamiko matetika ry zareo. Tena namana sady tena rahalahy ‘natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra’ ry zareo.”​—Ohab. 17:17.

NITOMANY IZY SATRIA NANAHY MOMBA NY MPIARA-BELONA TAMINY

10. Tantarao ilay zava-nitranga resahina ao amin’ny Lioka 19:36-40.

10 Tonga tany Jerosalema i Jesosy tamin’ny 9 Nisana taona 33. Rehefa nanakaiky an’ilay tanàna izy, dia nisy olona be dia be nitangorona. Namelatra ny akanjony teny amin’ny lalana teo anoloan’i Jesosy ry zareo, mba hampisehoana fa neken-dry zareo hoe izy no Mpanjakany. Azo antoka fa fotoana nahafaly tamin’izay! (Vakio ny Lioka 19:36-40.) Mety ho tsy nampoizin’ny mpianatr’i Jesosy àry ny zava-nitranga taorian’izay. “Nahatazana an’ilay tanàna [i Jesosy] rehefa nanakaiky, ka nitomany mafy azy.” Sady nitomany izy no naminany hoe hisy loza hanjo ny mponin’i Jerosalema.​—Lioka 19:41-44.

11. Nahoana no nampitomany an’i Jesosy ny mponin’i Jerosalema?

11 Marina fa falifaly erỳ ny Jiosy nandray an’i Jesosy. Nalahelo anefa izy satria fantany hoe tsy hanaiky ny hafatra momba an’ilay Fanjakana ny ankamaroan-dry zareo, ary efa nahita porofon’izany izy. Horavana i Jerosalema vokatr’izany, ary hoentina ho babo izay Jiosy tafavoaka velona. (Lioka 21:20-24) Tanteraka tokoa ny tenin’i Jesosy satria nanda azy ny ankamaroan’ny olona. Ary ny olona any aminareo? Mandray tsara ve ny ankamaroany rehefa itoriana ny hafatra momba an’ilay Fanjakana? Sa vitsy no manaiky rehefa iresahanao ny fahamarinana? Raha izany, dia inona no azonao ianarana avy amin’ny ranomason’i Jesosy? Andao isika handinika lesona telo.

12. Nitomany i Jesosy satria nanahy momba ny mpiara-belona taminy. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’izany?

12 Miahy ny olona i Jehovah. Mampahatsiahy antsika an’izany ny ranomason’i Jesosy. ‘Tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.’ (2 Pet. 3:9) Asehontsika koa hoe tiantsika ny mpiara-belona amintsika, raha mahafoy tena isika ka mitory amin-dry zareo foana sady miezaka manohina ny fony.​—Mat. 22:39.

Manahafa an’i Jesosy ka ampifanaraho amin’izay mety amin’ny olona ny fotoana itorianao (Fehintsoratra 13-14) *

13-14. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe mangoraka izy? Ary ahoana no azontsika anahafana azy?

13 Niezaka mafy tamin’ny fanompoana i Jesosy. Hita hoe tena tia olona izy satria nitory foana isaky ny nisy hirika hanaovana an’izany. (Lioka 19:47, 48) Fa inona no nandrisika azy hitory? Nangoraka izy. “Tsy afaka nisakafo akory i Jesosy sy ny mpianany” indraindray, satria be dia be ny olona te haheno ny fampianarany. (Mar. 3:20) Vonona foana anefa izy na tamin’ny alina aza satria izay no nety kokoa tamin’ny olona sasany. (Jaona 3:1, 2) Naheno ny vaovao tsara izay rehetra nihaino an’i Jesosy, na dia tsy lasa mpianany aza ny ankamaroany. Hoatr’izany koa amin’izao. Tiantsika raha afaka maheno ny vaovao tsara ny olona rehetra. (Asa. 10:42) Tsy maintsy manova ny fomba fitorintsika angamba isika mba hanatratrarana an’izany tanjona izany.

14 Miezaha ho vonona hanao izay fanovana ilaina. Mety tsy hahita an’ireo olona liana amin’ny vaovao tsara isika, raha tsy ovaovantsika ny fotoana itoriantsika. Izao no nolazain’ny mpisava lalana atao hoe Matilda: “Miezaka manovaova ny fotoana itorianay izahay mivady. Mitory eny amin’ny faritany be toeram-piasana, ohatra, izahay vao maraina. Manao fampirantiana indray izahay amin’ny antoandro, satria be dia be ny olona mivezivezy amin’iny. Amin’ny hariva izahay vao mitory isan-trano satria amin’izay no mahatratra olona kokoa.” Tsy mety àry raha amin’ny fotoana mety amintsika ihany isika no mitory. Tokony ho vonona hanova ny fandaharam-potoanantsika kosa isika, ka amin’ny fotoana ahatratrarana olona betsaka kokoa no mitory. Afaka matoky isika hoe ho faly amintsika i Jehovah raha manao an’izany isika.

NITOMANY IZY SATRIA NANAHY MOMBA NY LAZAN’I JEHOVAH

Manahafa an’i Jesosy ka mitalahoa fanampiana amin’i Jehovah rehefa kivy (Fehintsoratra 15-17) *

15. Araka ny Lioka 22:39-44, inona no nitranga tamin’ilay alina farany niainan’i Jesosy?

15 Nankany amin’ny zaridainan’i Getsemane i Jesosy, tamin’ny harivan’ny 14 Nisana taona 33. Niaritra ny mafy izy tamin’izay dia namoaka ny tao am-pony tamin’i Jehovah. (Vakio ny Lioka 22:39-44.) ‘Nitalaho sady nitaraindraina mafy sy nitomany be’ izy. (Heb. 5:7) Inona no nivavahan’i Jesosy tamin’io alina farany talohan’ny nahafatesany io? Nangataka hery tamin’i Jehovah izy, amin’izay mahavita tsy mivadika sy manao ny sitrapony. Tsapan’i Jehovah tamin’ilay vavaka nataon’ny Zanany hoe nitaintaina be izy. Nandefa anjely àry izy mba hampahery azy.

16. Inona no nampiady saina an’i Jesosy tamin’izy nivavaka tao amin’ny zaridainan’i Getsemane?

16 Fa inona no nahatonga an’i Jesosy hitomany tamin’izy nivavaka tao amin’ny zaridainan’i Getsemane? Nampiady saina azy ny nieritreritra hoe mpanevateva an’Andriamanitra no fiheveran’ny olona azy. Fantany koa hoe andraikitra lehibe no nankinina taminy, dia ny hoe tsy hivadika ka hanamarina ny anaran’ny Rainy. Inona no azonao ianarana avy amin’ny ranomason’i Jesosy raha miatrika olana misedra ny tsy fivadihanao ianao? Handinika lesona telo hafa isika.

17. Inona no nataon’i Jehovah rehefa nitalaho mafy taminy i Jesosy? Inona no ianaranao momba an’i Jehovah avy amin’izany?

17 Mihaino ny fitalahoanao i Jehovah. Nihaino an’i Jesosy i Jehovah rehefa nitalaho mafy taminy izy. Fa maninona? Satria ny tsy hivadika tamin’ny Rainy sy hanamarina ny anarany no zava-dehibe indrindra tamin’i Jesosy. Raha ireo koa no zava-dehibe indrindra aminao, dia hamaly ny vavaka ataonao i Jehovah rehefa mangataka fanampiana aminy ianao.​—Sal. 145:18, 19.

18. Nahoana i Jesosy no azo oharina amin’ny namana mahay mangoraka?

18 Azon’i Jesosy tsara ny fihetseham-ponao ary mangoraka anao izy. Efa nisy fotoana ve ianao kivy? Azo antoka fa maivamaivana ianao tamin’izay raha nisy namana mahay mangoraka tonga nampahery anao, indrindra raha efa niatrika zava-tsarotra hoatran’ny anao izy. Namana hoatr’izany i Jesosy. Efa nahatsapa hoe malemy sy nila fanampiana izy. Fantany ny fahalementsika, ary azo antoka fa hataony izay hahazoantsika fanampiana “amin’ny fotoana mety.” (Heb. 4:15, 16) Nanaiky hampian’ny anjely i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Tokony ho vonona hanaiky ny fanampian’i Jehovah koa àry isika, na amin’ny alalan’ny boky sy gazety izany, na video, na lahateny, na fitsidihana mampahery ataon’ny anti-panahy na namana matotra.

19. Ahoana no hahazoanao hery rehefa miatrika olana misedra ny tsy fivadihanao ianao? Manomeza ohatra.

19 Homen’i Jehovah ny “fiadanan’Andriamanitra” ianao. Ahoana no hanomezan’i Jehovah hery anao? Rehefa mivavaka ianao, dia hahazo “ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona.” (Fil. 4:6, 7) Mampitony ny fo io fiadanana omen’i Jehovah io, sady manampy antsika hisaina tsara. Nahatsapa an’izany ny anabavy antsoina hoe Luz. Izao no nolazainy: “Mahatsiaro ho manirery aho matetika. Rehefa mitranga izany, dia mieritreritra aho indraindray hoe tsy tia ahy i Jehovah. Tonga dia mivavaka aminy anefa aho, dia tantaraiko azy ny zavatra tsapako. Lasa mahavita mifehy ny fihetseham-poko aho rehefa avy mivavaka.” Hitantsika amin’izany fa manampy antsika ho tony ny vavaka.

20. Inona no nianaranao avy tamin’ny ranomason’i Jesosy?

20 Betsaka ny hevitra mampahery sy ny lesona ianarantsika avy amin’ny ranomason’i Jesosy. Hitantsika hoe mila mampahery an’ireo namantsika nidonam-pahoriana isika, ary matoky fa hampahery antsika i Jehovah sy Jesosy raha sendra misy havantsika na namantsika maty. Lasa vonona hangoraka hoatran’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy koa isika rehefa mitory sy mampianatra. Ankoatra izany, dia mampahery ny mahafantatra hoe mahazo tsara ny fihetseham-pontsika i Jehovah sy ny Zanany sady mangoraka antsika amin’ny fahalementsika ary te hanampy antsika hiaritra. Enga anie isika hampihatra an’izay nianarantsika tato, mandra-pahatongan’ilay fotoana hanatanterahan’i Jehovah an’ilay fampanantenany mahafinaritra hoe ‘hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika’!​—Apok. 21:4.

HIRA 120 Miezaha Halemy Fanahy toa An’i Kristy

^ Nihetsi-po be i Jesosy indraindray ka latsa-dranomaso mihitsy. Handinika fotoana telo nitrangan’izany isika ato, ary hijery hoe inona no lesona azontsika raisina.

^ Novana ny anarana sasany.

^ Jereo ny Fandalinana ny Soratra Masina eo amin’ilay hoe “Jesosy Kristy”: “Be fitiavana sy tsara fanahy”, feh. 2.

^ SARY: Nalahelo an’i Maria sy Marta i Jesosy, dia nampahery an-dry zareo. Afaka manao an’izany amin’ny olona nidonam-pahoriana koa isika.

^ SARY: Vonona hampianatra an’i Nikodemosy tamin’ny alina i Jesosy. Tokony ho vonona hampianatra Baiboly amin’ny fotoana mety amin’ny olona koa isika.

^ SARY: Nangataka hery tamin’i Jehovah i Jesosy mba hahavita tsy hivadika aminy. Tsy maintsy manao an’izany koa isika rehefa miatrika fitsapana.