Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 1

“Izay Mitady An’i Jehovah ... Tsy mba ho Ory Zava-tsoa”

“Izay Mitady An’i Jehovah ... Tsy mba ho Ory Zava-tsoa”

ANDININ-TENY HO AN’NY TAONA 2022: “Izay mitady an’i Jehovah ... tsy mba ho ory zava-tsoa.”​—SAL. 34:10.

HIRA 4 “Jehovah no Mpiandry Ahy”

HO HITANAO ATO *

Tsapan’i Davida hoe ‘tsy ory zava-tsoa’ izy, na dia niatrika ny mafy aza (Fehintsoratra 1-3) *

1. Inona ny olana nahazo an’i Davida?

 NITSOAKA i Davida tamin’izay satria te hamonjy ny ainy. Fa iza no te hamono azy? I Saoly, ilay mpanjaka maherin’ny Israely. Nijanona tao amin’ny tanànan’i Noba izy indray mandeha rehefa nitady sakafo, dia nangataka mofo dimy. (1 Sam. 21:1, 3) Niafina tao anaty lava-bato izy sy ny namany tatỳ aoriana. (1 Sam. 22:1) Fa inona no nahatonga ny fiainan’i Davida ho lasa hoatr’izany?

2. Fa maninona no tena nampidi-doza ny zavatra nataon’i Saoly? (1 Samoela 23:16, 17)

2 Mamy hoditra i Davida sady nandresy tamin’ny ady maro, dia nialona be azy i Saoly. Fantatr’i Saoly koa hoe noho izy tsy nankatò no nahatonga an’i Jehovah handa azy tsy ho mpanjakan’ny Israely sy hifidy an’i Davida hisolo azy. (Vakio ny 1 Samoela 23:16, 17.) Mbola i Saoly anefa no mpanjaka tamin’izay, ary nanana miaramila sy mpanohana be dia be izy. Nila nitsoaka àry i Davida mba hamonjena ny ainy. Fa inona no tao an-tsain’i Saoly? Nieritreritra ve izy hoe hahavita hisakana an’i Jehovah tsy hanao an’i Davida ho mpanjaka? (Isaia 55:11) Tsy milaza an’izany ny Baiboly. Nampidi-doza anefa izany nataon’i Saoly izany. Tsy maintsy resy foana mantsy izay miady amin’Andriamanitra!

3. Inona no tsapan’i Davida na dia tsy mora aza ny nahazo azy?

3 Tsy nitady toerana ambony i Davida. Tsy nanendry tena ho mpanjakan’ny Israely izy fa i Jehovah no nifidy azy. (1 Sam. 16:1, 12, 13) Lasa tsy tia maizina azy anefa i Saoly vokatr’izany. Na izany aza, dia tsy nanome tsiny an’i Jehovah i Davida noho ny olana nahazo azy. Tsy nitaraina koa izy hoe kely fotsiny ny sakafo nananany ary lava-bato no mba nipetrahany. Mifanohitra amin’izany aza no nataony. Toa tamin’izy mbola niafina tao amin’io lava-bato io mantsy izy no namorona hira kanto hiderana an’i Jehovah. Ao amin’io hira io no misy an’ilay andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity hoe: “Izay mitady an’i Jehovah ... tsy mba ho ory zava-tsoa.”​—Sal. 34:10.

4. Inona no fanontaniana hodinihintsika ato, ary nahoana izany no tena ilaina?

4 Betsaka ny mpanompon’i Jehovah tsy ampy sakafo na tsy manana an’izay tena ilaina, indrindra nandritra an’iny valanaretina iny. * Azo antoka hoe vao mainka hihamafy ny fiainana, satria efa mananontanona ny “fahoriana lehibe.” (Mat. 24:21) Tsara àry raha mandinika ny valin’ireto fanontaniana efatra ireto isika: Inona no tian’i Davida hotenenina tamin’izy nilaza hoe ‘tsy ory zava-tsoa’ izy? Fa maninona isika no tsy maintsy mianatra hahay hianina? Nahoana isika no afaka matoky hoe hikarakara antsika i Jehovah? Inona no azontsika atao dieny izao mba hiomanana amin’izay hitranga amin’ny hoavy?

“TSY HO ORY NA INONA NA INONA AHO”

5-6. Nahoana ny Salamo 23:1-6 no manampy antsika hahazo ny dikan’ny hoe ‘tsy ory zava-tsoa’ ny mpanompon’Andriamanitra?

5 Inona no tian’i Davida hotenenina tamin’izy nilaza hoe ‘tsy ory zava-tsoa’ ny mpanompon’Andriamanitra? Manampy antsika hahazo an’izany ny Salamo faha-23. (Vakio ny Salamo 23:1-6.) Nampiasa teny mitovitovy amin’izany mantsy i Davida ao. Izao no nanombohany an’io Salamo io: “I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho.” Niresaka zavatra tena sarobidy izy tao amin’ireo andinin-teny manaraka. Anisan’izany ny fitahiana be dia be azony satria nekeny hoe Mpiandry azy i Jehovah. Nitarika azy tamin’ny “lalan’ny fahamarinana”, ohatra, i Jehovah. Nanohana an’i Davida foana koa izy, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra. Fantany hoe tsy maintsy hiatrika olana izy, na dia hoatran’ny “toerana feno ahi-maitso” aza ny fiainany noho ny fikarakaran’i Jehovah. Mety ho kivy izy indraindray ka hoatran’ny hoe “mamakivaky lohasaha maizim-pito.” Hanana fahavalo koa izy. ‘Tsy nisy loza natahorany’ anefa, satria i Jehovah no Mpiandry azy.

6 Hitantsika amin’izany àry ny dikan’ilay tenin’i Davida hoe ‘tsy ory zava-tsoa’ izy. Midika izany fa nanana an’izay rehetra nilainy izy mba hifandraisana akaiky tamin’i Jehovah foana. Tsy niankina tamin’ny vola sy harena ny fahasambarany. Afa-po tamin’izay nomen’i Jehovah azy izy. Ny fitahian’i Jehovah sy ny fiarovany no sarobidy indrindra taminy.

7. Inona ny olana natrehin’ny Kristianina tany Jodia, araka ny Lioka 21:20-24?

7 Inona no ianarantsika avy amin’ireo tenin’i Davida ireo? Hoe tokony hahay handanjalanja isika amin’ny fiheverantsika ny vola sy harena. Azontsika atao ny mankafy an’izay ananantsika, nefa tsy ireny no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika. Lasa nahazo tsara an’izany ny Kristianina tany Jodia tamin’ny taonjato voalohany. (Vakio ny Lioka 21:20-24.) Efa nampitandrina an-dry zareo i Jesosy hoe ‘hisy miaramila hitoby manodidina an’i Jerosalema.’ Nila ‘nandositra tany an-tendrombohitra’ ry zareo rehefa nitranga izany. Ho voavonjy ry zareo raha nandositra, nefa nisy zavatra be dia be tsy maintsy navelan-dry zareo. Izao no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana taona maro lasa izay: ‘Nilaozan’izy ireo ny sahany sy ny tranony, ka tsy nangoniny akory aza ny fananany tao an-tranony. Natoky ny fiarovan’i Jehovah sy ny fanohanany izy ireo, ka nametraka ny fanompoam-pivavahana taminy ho alohan’ny zavatra hafa rehetra izay nety ho toa zava-dehibe.’

8. Inona no ianarantsika avy amin’ny Kristianina tany Jodia?

8 Tena mampieritreritra ny zavatra niainan’ireo Kristianina tany Jodia ireo. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Izao no nolazain’ilay Tilikambo Fiambenana tetsy aloha: “Mety hisy fitsapana … amin’ny hoavy, mahakasika ny fomba fiheverantsika ny zavatra ara-nofo; izy ireny ve no zava-dehibe indrindra, sa kosa mbola zava-dehibe kokoa ilay famonjena ho azon’izay rehetra miandany amin’Andriamanitra? Eny, mety hahafaoka zava-tsarotra sy fihafiana sasany ny fandosirantsika. Tsy maintsy mivonona hanao izay rehetra takin’izany isika, toy ny nataon’ireo mifanitsy amintsika tamin’ny taonjato voalohany, izay nandositra avy tao Jodia.” *

9. Nahoana no mampahery anao ilay torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny Hebreo?

9 Tsy maintsy nahafoy ny zava-drehetra ireo Kristianina ireo, dia nanomboka fiainam-baovao. Azonao an-tsaina ve ny ady mafy natrehin-dry zareo? Nila finoana ry zareo mba hatoky hoe hanome an’izay tena nilainy i Jehovah. Nisy zavatra nanampy an-dry zareo anefa. Inona izany? Ny torohevitra sarobidy nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny Hebreo, dimy taona talohan’ny nahatongavan’ny Romanina nanodidina an’i Jerosalema. Izao ilay izy: “Asehoy amin’ny fomba fiainanareo hoe tsy tia vola ianareo, ary miezaha hianina amin’izay efa eo. Fa hoy izy: ‘Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao mihitsy.’ Dia ho be herim-po isika amin’izay, ka hilaza hoe: ‘I Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?’” (Heb. 13:5, 6) Raha nanaraka an’io torohevitra io ry zareo, dia azo antoka hoe ho mora kokoa taminy ny hianina amin’izay nisy sy hanana fiainana tsotra rehefa tonga tao amin’ilay tranony vaovao. Natoky tanteraka ry zareo hoe hanome an’izay tena ilainy i Jehovah. Manome toky antsika koa ireo tenin’i Paoly ireo hoe hanome an’izay ilaintsika izy.

“HIANINA AMIN’IZANY” ISIKA

10. Inona no lesona nianaran’i Paoly?

10 Nanome torohevitra mitovy amin’izany ho an’i Timoty i Paoly, ary mihatra amintsika koa izy io. Izao no nosoratany: “Rehefa manana sakafo sy fitafiana isika, dia hianina amin’izany.” (1 Tim. 6:8) Midika ve izany hoe tsy mety ny mankafy sakafo matsiro sy manana trano tsara tarehy, na mba mividy akanjo vaovao indraindray? Tsy izany no tiany hotenenina. Te hilaza kosa izy hoe tokony hahay hianina amin’izay ananantsika isika. (Fil. 4:12) Izany no lesona nianaran’i Paoly. Ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra no sarobidy indrindra amintsika fa tsy ny fananantsika, na inona izany na inona.​—Hab. 3:17, 18.

“Tsy ory na inona na inona” ny Israelita nandritra ny 40 taona nijanonany tany an-tany efitra. Afaka mianina amin’izay efa ananantsika ve isika? (Fehintsoratra 11) *

11. Inona no ianarantsika avy amin’izay nolazain’i Mosesy tamin’ny Israelita?

11 Mety tsy hitovy amin’izay heverin’i Jehovah hoe ilaintsika ny ao an-tsaintsika. Eritrereto izay nolazain’i Mosesy tamin’ny Israelita, rehefa avy tany an-tany efitra nandritra ny 40 taona ry zareo. Hoy izy: “Nitahy anareo i Jehovah Andriamanitrareo tamin’izay rehetra nataonareo. Fantany tsara fa nandeha namakivaky an’ity tany efitra lehibe ity ianareo. Nanampy anareo foana i Jehovah Andriamanitrareo nandritra an’izay 40 taona izay, ka tsy ory na inona na inona ianareo.” (Deot. 2:7) Nomen’i Jehovah mana ny Israelita nandritra an’ireo 40 taona ireo mba hataony sakafo. Tsy nety tonta koa ny akanjon-dry zareo, nefa ireny akanjo ireny ihany no nentiny niala tany Ejipta! (Deot. 8:3, 4) Nisy tamin-dry zareo angamba nieritreritra hoe tsy ampy ireo. Nampahatsiahy azy ireo anefa i Mosesy fa nanana an’izay rehetra nilainy ry zareo. Ho faly koa i Jehovah raha mianatra hahay hianina isika. Hahavita an’izany isika raha mankasitraka an’izay omeny na dia hatramin’ny tsotra indrindra aza, sady mihevitra an’ireny ho fitahiana ary misaotra azy.

MATOKIA FA HIKARAKARA ANAO I JEHOVAH

12. Inona no mampiseho hoe natoky an’i Jehovah i Davida fa tsy natoky tena?

12 Fantatr’i Davida hoe tsy mivadika i Jehovah sady tena mikarakara an’izay tia azy. Eritrereto ny zavatra niainany tamin’izy nanoratra an’ilay Salamo faha-​34. Nisy nitady hamono izy, nefa nanam-pinoana ka hoatran’ny hoe nahita ‘ny anjelin’i Jehovah nitoby nanodidina’ azy. (Sal. 34:7) Nampitoviny tamin’ny miaramila iray mailo tsara foana, ka miandry ny fanafihan’ny fahavalo angamba ny anjelin’i Jehovah teo. Marina hoe mpiady mahery i Davida ary nahay nandefa pilotra sy nampiasa sabatra. Fantany koa hoe izy no notendren’i Jehovah ho mpanjaka. Na izany aza, dia tsy niantehitra tamin’ny fahaizany izy. (1 Sam. 16:13; 24:12) Niantehitra tamin’Andriamanitra kosa izy, ary natoky hoe ‘mamonjy an’izay matahotra’ an’i Jehovah ny anjeliny. Mazava ho azy fa tsy manantena isika hoe hanao fahagagana i Jehovah mba hiarovana antsika. Fantatsika anefa fa na sanatria maty aza isika, dia hahazo fiainana mandrakizay raha matoky azy.

Mety hanandrana hanafika antsika any an-tranontsika ny tafik’i Goga avy any Magoga, mandritra ny fahoriana lehibe. Mampahery anefa ny mahalala fa ho hitan’i Jesosy sy ny anjeliny izay mitranga ary hiaro antsika izy ireo (Fehintsoratra 13)

13. Nahoana no ho hoatran’ny hoe mora resy kely isika, rehefa hanafika antsika i Goga avy any Magoga? Nahoana anefa isika no tsy tokony hatahotra? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

13 Tsy ho ela dia hiatrika fitsapana isika, ka ho hita raha matoky hoe hahavita hiaro antsika tokoa ve i Jehovah. Ho hoatran’ny hoe tandindomin-doza mantsy ny aintsika, rehefa hanafika ny vahoakan’Andriamanitra i Goga avy any Magoga, izany hoe ireo firenena mivondrona hiady amintsika. Mila resy lahatra isika hoe mahavita miaro antsika i Jehovah ary tena hanao an’izany. Ho toy ny ondry tsy misy mpiaro no ho fahitan’ireo firenena antsika amin’izay. (Ezek. 38:10-12) Tsy hanana fitaovam-piadiana isika sady tsy nampiofanina hiady. Hieritreritra àry ry zareo hoe tsotra kely ny handresy antsika. Tsy manam-pinoana hoatr’antsika anefa ry zareo ka tsy hahita an’izay hitantsika. Tsy ho fantany fa efa misy anjelin’i Jehovah manodidina antsika, ary vonona hiaro antsika. Tsy hampoizin-dry zareo mihitsy hoe ho avy hanampy antsika ny tafik’i Jehovah any an-danitra!​—Apok. 19:11, 14, 15.

MIOMÀNA DIENY IZAO

14. Inona no azontsika atao dieny izao mba hiomanana amin’izay hitranga amin’ny hoavy?

14 Inona no azontsika atao dieny izao mba hiomanana amin’izay hitranga amin’ny hoavy? Voalohany, mila mahay mandanjalanja isika amin’ny fiheverantsika ny vola sy harena. Ilaina ny mitadidy hoe tsy maintsy hahafoy ny fananantsika isika indray andro any. Mila mianina amin’izay misy koa isika, ary ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no tokony hahafaly antsika indrindra. Arakaraka ny hahafantarantsika an’ilay Andriamanitsika no vao mainka haharesy lahatra antsika hoe mahavita miaro antsika izy rehefa hanafika i Goga avy any Magoga.

15. Inona no efa niainan’i Davida ka nanome toky azy hoe tsy handiso fanantenana azy mihitsy i Jehovah?

15 Inona koa no nanampy an’i Davida ka afaka manampy antsika hiomana mba hiatrika olana? Izao no nolazainy: “Andramo dia ho hitanao fa tsara i Jehovah; sambatra ny olona mialoka aminy.” (Sal. 34:8) Hitantsika amin’ireo teny ireo hoe nahoana i Davida no natoky fa hanampy azy i Jehovah. Niantehitra matetika tamin’i Jehovah izy, ary tsy nandiso fanantenana azy mihitsy ilay Andriamaniny. Tsy maintsy niady tamin’ny Filistinina goavam-be atao hoe Goliata, ohatra, izy tamin’izy tanora. Izao no noteneniny tamin’io miaramila matanjaka be io: “Androany no hataon’i Jehovah resiko ianao.” (1 Sam. 17:46) Tsy vitan’izany fa imbetsaka izy no notadiavin’i Saoly Mpanjaka hovonoina, tamin’izy nanompo an’i Saoly. “Nanampy azy [anefa] i Jehovah.” (1 Sam. 18:12) Fantatr’i Davida hoe afaka matoky ny fanampian’i Jehovah izy rehefa sendra olana, satria efa nampiany izy taloha.

16. Inona no azontsika atao raha te ‘hanandrana’ isika ka hahita hoe tsara i Jehovah?

16 Mila miantehitra bebe kokoa amin’i Jehovah isika amin’izao mba hahazoana ny tari-dalany. Arakaraka ny hanaovantsika an’izany no hahatonga antsika hatoky hoe hahavita hamonjy antsika izy amin’ny hoavy. Eritrereto, ohatra, hoe hangataka andro tsy hiasana amin’ny mpampiasa anao ianao mba hanatrehana fivoriambe, na hangataka hanova ny ora hiasanao amin’izay ianao afaka manatrika ny fivoriana rehetra sy manompo bebe kokoa. Mila finoana ianao raha te hahavita an’izany sady mila vonona hiantehitra amin’i Jehovah. Ahoana anefa raha tsy manaiky ny fangatahanao ilay mpampiasa dia voaroaka ianao? Matoky ve ianao hoe tsy handao anao i Jehovah ary tsy hahafoy anao mihitsy, fa hanome an’izay ilainao foana? (Heb. 13:5) Betsaka ny mpanompo manontolo andro afaka mitantara hoe nanampy azy i Jehovah tamin’ny fotoana tena nilany an’izany. Tsy mivadika mantsy i Jehovah.

17. Inona ny andinin-teny ho an’ny taona 2022, ary nahoana izany no mety tsara?

17 Tsy misy tokony hatahorantsika ny hoavy, satria i Jehovah no eo akaikintsika. Tsy hanary antsika mihitsy ilay Andriamanitsika, raha mbola ny fanompoana azy no zava-dehibe indrindra amintsika. Te hampahatsiahy antsika ny Filan-kevi-pitantanana hoe dieny izao isika dia efa mila miomana hiatrika ny zava-tsarotra miandry antsika sy matoky hoe tsy handao antsika mihitsy i Jehovah. Izany no nahatonga an-dry zareo hifidy ny Salamo 34:10 ho andinin-teny ho an’ny taona 2022. Izao no voalaza ao: “Izay mitady an’i Jehovah ... tsy mba ho ory zava-tsoa.”

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

^ Nalaina avy amin’ny Salamo 34:10 ny andinin-teny ho an’ny taona 2022. Izao no voalaza ao: “Izay mitady an’i Jehovah ... tsy mba ho ory zava-tsoa.” Betsaka amin’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika no zara raha manam-bola. Nahoana anefa ry zareo no lazaina hoe ‘tsy ory zava-tsoa’? Tena mila mahafantatra ny dikan’io andinin-teny io isika. Hanampy antsika mantsy izany mba ho vonona hiatrika an’izay olana mbola ho avy.

^ Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 2014.

^ Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 1999, pejy 19.

^ SARY: Mbola nankasitraka an’izay nomen’i Jehovah azy i Davida, na dia tamin’izy niafina tao anaty lava-bato aza satria nitsoaka an’i Saoly Mpanjaka.

^ SARY: Nomen’i Jehovah mana ny Israelita rehefa niala tany Ejipta ary nataony tsy mety tonta ny akanjon-dry zareo.