Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankasitraho Ilay ‘Fanomezana Maimaim-poana Tsy Hay Lazaina’

Ankasitraho Ilay ‘Fanomezana Maimaim-poana Tsy Hay Lazaina’

“Hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany maimaim-poana tsy hay lazaina!”—2 KOR. 9:15.

HIRA: 121, 63

1, 2. a) Inona ilay ‘fanomezana maimaim-poana tsy hay lazaina’? b) Inona no fanontaniana hovaliantsika ato?

NANOME antsika fanomezana faran’izay tsara i Jehovah rehefa naniraka ny Zanany lahitokana ho etỳ an-tany. (Jaona 3:16; 1 Jaona 4:9, 10) Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe ‘fanomezana maimaim-poana tsy hay lazaina’ izany. (2 Kor. 9:15) Nahoana?

2 Nilaza i Paoly fa ho tanteraka daholo ny zavatra tsara nampanantenain’Andriamanitra, noho ny sorona lavorary nataon’i Kristy. (Vakio ny 2 Korintianina 1:20.) Tsy ny soron’i Jesosy ihany àry ilay ‘fanomezana maimaim-poana tsy hay lazaina.’ Anisan’izy io koa ny zava-tsoa rehetra omen’i Jehovah antsika, noho izy tia antsika sy tsy mivadika amintsika. Tena miavaka io fanomezana io ka tsy misy teny mahalaza azy. Inona no tokony ho vokatr’ilay fanomezana eo amintsika? Inona no tokony hataontsika mba hiomanana ho amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, izay hatao amin’ny alarobia 23 Martsa 2016?

FANOMEZANA MIAVAKA

3, 4. a) Inona no tsapanao rehefa omena fanomezana ianao? b) Inona no mety ho vokany raha mahazo fanomezana tena sarobidy ianao?

3 Faly be isika rehefa mahazo fanomezana. Miavaka anefa ny fanomezana sasany, ary mety hanova tanteraka ny fiainantsika mihitsy. Aoka hatao hoe voaheloka ho faty ianao, satria voarohirohy ho nanao heloka bevava. Tampoka eo anefa dia misy olona iray tsy fantatrao, manolo-tena hisolo anao. Vonona ny ho faty ho anao izy. Inona no ho vokatr’izany eo aminao?

4 Tena tia anao sy nahafoy tena ho anao ilay olona, ka lasa te handinika ny fiainanao ianao, ary te hanova izany mihitsy aza. Angamba ianao lasa te hiezaka kokoa halala-tanana sy ho tia ny mpiara-belona aminao ary hamela heloka. Te hankasitraka an’ilay olona ianao mandritra ny androm-piainanao.

5. Nahoana ny vidim-panavotana no fanomezana lehibe indrindra?

5 Lehibe lavitra noho ny nataon’io olona io ny nataon’i Jehovah ho antsika, tamin’ny alalan’i Kristy. (1 Pet. 3:18) Nahoana? Nandova ota isika rehetra ka tsy maintsy maty. (Rom. 5:12) Be fitiavana anefa i Jehovah ka nasainy nanketỳ an-tany i Jesosy “mba ho faty ho an’ny rehetra.” (Heb. 2:9) Tsy vitan’ny hoe namonjy antsika i Jehovah, fa nataony koa izay tsy hisian’ny fahafatesana intsony. (Isaia 25:7, 8; 1 Kor. 15:22, 26) Hiaina mandrakizay ireo rehetra maneho finoana an’i Jesosy, ary hiadana sy ho sambatra. Hiara-manjaka amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ny sasany. Ny hafa kosa hiaina eto an-tany rehefa hitondra eto io Fanjakana io. (Rom. 6:23; Apok. 5:9, 10) Inona koa ny fitahiana ho azontsika?

6. a) Inona no fitahiana tena tsy andrinao? b) Inona no tokony hataontsika noho i Jehovah tia antsika?

6 Hositranin’i Jehovah ny aretina rehetra, hovany ho Paradisa ny tany, ary hatsangany ny maty. (Isaia 33:24; 35:5, 6; Jaona 5:28, 29) Anisan’ilay ‘fanomezana maimaim-poana tsy hay lazaina’ koa ireo. Tena tiantsika i Jehovah sy ny Zanany malala, satria nanome antsika an’ilay fanomezana. Inona kosa no tokony hataontsika ho setrin’izany? 1) Hanara-dia akaiky an’i Jesosy Kristy isika, 2) ho tia an’ireo rahalahintsika, ary 3) hamela tanteraka ny helok’izy ireo. Handinika izany isika izao.

“NY FITIAVAN’I KRISTY NO MANERY ANAY”

7, 8. Inona no hataontsika noho i Kristy tia antsika, ary ahoana no hanaporofoantsika izany?

7 Voalohany, tsy maintsy velona ho an’i Kristy Jesosy isika. Hoy i Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay.” (Vakio ny 2 Korintianina 5:14, 15.) Niaiky i Paoly fa tsy maintsy velona ho an’i Kristy isika, raha manaiky fa tena tia antsika izy. Ho vonona hanao an’izany amin’ny fo manontolo isika, rehefa azontsika tsara sy ankasitrahantsika ny zavatra nataon’i Jehovah ho antsika. Ahoana no hanaporofoantsika fa velona ho an’i Kristy isika?

8 Raha tia an’i Jehovah isika, dia hanaraka akaiky ny dian’i Kristy, izany hoe hanahaka azy. (1 Pet. 2:21; 1 Jaona 2:6) Hankatò an’Andriamanitra sy Jesosy isika, satria tia azy ireo. Hoy i Jesosy: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia ahy. Ary izay tia ahy kosa dia ho tian’ny Raiko, ary izaho ho tia azy ka hiseho miharihary aminy.”—Jaona 14:21; 1 Jaona 5:3.

9. Manery antsika hanao inona ity tontolo ity?

9 Tsara raha mandinika ny fiainantsika isika, amin’izao vanim-potoan’ny Fahatsiarovana izao. Eritrereto hoe: ‘Inona avy no efa ataoko mba hanarahana ny dian’i Jesosy? Ary inona no mbola azoko hatsaraina?’ Tena ilaina ny mandini-tena toy izany, satria manery antsika hanao ny fanaony ity tontolo ity. (Rom. 12:2) Raha tsy mitandrina isika, dia mety hanahaka an’ireo mpampianatra filozofia eto amin’ity tontolo ity, na hanahaka olo-malaza eo amin’ny resaka spaoro na zavatra hafa. (Kol. 2:8; 1 Jaona 2:15-17) Inona no hanampy antsika tsy hanao an’izany?

10. Inona no fanontaniana azontsika saintsainina mandritra an’izao vanim-potoan’ny Fahatsiarovana izao, ary tokony handrisika antsika hanao inona izany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

10 Azontsika hararaotina koa ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana mba hijerena hoe manao ahoana ny akanjontsika, ny filma jerentsika, ny mozika henointsika, ary na ny zavatra ao amin’ny telefaonina na tablette na ordinaterantsika mihitsy aza. Jereo ny fitoeran’akanjonao, dia eritrereto hoe: ‘Ho menatra ve aho manao an’ity akanjo ity, raha eo i Jesosy?’ (Vakio ny 1 Timoty 2:9, 10.) ‘Tonga dia ho fantatra ve hoe mpanara-dia an’i Jesosy aho, raha manao an’ity?’ Diniho koa ny filma sy mozika tianao, ka saintsaino ireto: ‘Raha teo i Jesosy, ho tiany ve ity filma ity na ity hira ity? Ho menatra ve aho raha indraminy ny tablette na ny telefaoniko ka hitany ny zavatra ao?’ Jereo koa ny lalao video ao aminao, ka saintsaino hoe: ‘Ho sahy hanazava amin’i Jesosy ve aho hoe nahoana no tiako ireto?’ Raha tia an’i Jehovah isika, dia hanary an’izay zavatra tsy mety amin’ny Kristianina, na dia lafo be aza ilay izy. (Asa. 19:19, 20) Nampanantena an’i Jehovah isika rehefa nanokan-tena ho azy fa tsy ho velona ho an’ny tenantsika intsony fa ho an’i Kristy. Tokony hariantsika àry izay zavatra mety hahatonga antsika tsy hanaraka akaiky ny dian’i Kristy.—Mat. 5:29, 30; Fil. 4:8.

11. a) Inona no ho vokany raha tia an’i Jehovah sy Jesosy isika? b) Raha manana fitiavana isika, inona no hataontsika mba hanampiana ny mpiray finoana amintsika?

11 Hazoto hitory sy hanao mpianatra koa isika raha tia an’i Jesosy. (Mat. 28:19, 20; Lioka 4:43) Afaka mirotsaka ho mpisava lalana mpanampy isika amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana, ka hanokana 30 na 50 ora mba hitoriana. Azonao amboarina ve ny fandaharam-potoananao mba hanaovana an’izany? Nisy rahalahy iray 84 taona, ohatra, nieritreritra hoe tsy hahavita hirotsaka ho mpisava lalana mpanampy izy, satria sady be taona no tsy salama. Nifarimbona nanampy azy anefa ny mpisava lalana tao amin’ny fiangonany. Nifidianan’izy ireo faritany mety aminy izy, ary naterin’izy ireo sy nalainy, mba ho tratrany ilay 30 ora. Nahoana raha manao hoatr’izany koa mandritra ny volana Martsa sy Aprily? Jereo sao misy azonao ampiana hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy eo anivon’ny fiangonanao. Tsy isika rehetra angamba no ho afaka hanao an’io asa io. Azontsika atao anefa ny miezaka bebe kokoa mba hampiasa ny fotoanantsika sy ny herintsika hiderana an’i Jehovah. Manahaka an’i Paoly isika raha manao an’izany, satria asehontsika fa ny fitiavan’i Kristy no manery antsika. Inona koa no hataontsika ho setrin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika?

TSY MAINTSY MIFANKATIA ISIKA

12. Inona no hataontsika, ho setrin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika?

12 Faharoa, tokony ho tia an’ireo rahalahintsika isika, ho setrin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Hoy ny apostoly Jaona momba izany: “Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tsy maintsy mifankatia kosa isika.” (1 Jaona 4:7-11) Tokony ho tia an’ireo rahalahintsika àry isika, raha tena miaiky hoe tia antsika Andriamanitra. (1 Jaona 3:16) Ahoana no hanaporofoantsika an’izany?

13. Inona no modely navelan’i Jesosy ho antsika?

13 Diniho ny nataon’i Jesosy. Ny olona ambany no tena nokarakarainy tamin’izy tetỳ an-tany. Nositraniny ny malemy, ny jamba, ny marenina, ary ny moana. (Mat. 11:4, 5) Noheverin’ny mpitondra fivavahana jiosy ho “olom-boaozona” izy ireny, nefa tena te hahalala momba an’Andriamanitra. (Jaona 7:49) I Jesosy kosa tia azy ireny ka faly nampianatra azy, sady niezaka mafy nanampy azy.—Mat. 20:28.

Afaka manampy ny be taona hahavita ny fanompoany ve ianao? (Fehintsoratra 14)

14. Inona no azonao atao mba hanaporofoana fa tianao ny mpiray finoana aminao?

14 Azonao hararaotina mba hanahafana an’i Jesosy ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana. Diniho, ohatra, hoe iza no azonao ampiana eo anivon’ny fiangonanareo. Angamba ao misy rahalahy na anabavy be taona. Nahoana raha mitsidika azy ireny? Azonao atao koa ny mitondra sakafo ho azy, manampy azy manao raharaha, mitondra azy mandeha mivory, na manasa azy hiara-manompo aminao. (Vakio ny Lioka 14:12-14.) Asehoy hoe tianao ny mpiray finoana aminao, raha tena miaiky ianao fa tia anao Andriamanitra.

AMINDRAO FO NY RAHALAHY SY ANABAVINAO

15. Inona no tsy maintsy ekentsika?

15 Fahatelo, tsy maintsy mamela ny heloky ny rahalahy sy anabavintsika isika, ho setrin’ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Taranak’i Adama isika rehetra, ka nandova ota daholo, ary mety ho faty. Tsy misy amintsika afaka milaza hoe tsy mila ny vidim-panavotana. Mila azy io daholo na dia ny mpanompon’Andriamanitra tena tsy mivadika aza. Tsara fanahy amintsika i Jehovah na dia tsy mendrika an’izany aza isika. Ananany trosa be isika, nefa nafoiny ilay izy. Tsy maintsy ekentsika izany. Nahoana? Andao isika handinika fanoharana iray nolazain’i Jesosy.

16, 17. Inona no ianaranao avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny mpanjaka iray sy ny mpanompony?

16 Nitantara i Jesosy hoe nisy mpanompo nitrosa 60 tapitrisa denaria tamin’ny mpanjaka iray, nefa nafoin’ilay mpanjaka ilay vola. Nisy mpanompo iray hafa anefa nananan’io mpanompo io trosa 100 denaria monja, ary notereny handoa an’izany. Tezitra be ilay mpanjaka satria tsy namindra fo ilay mpanompo, nefa mba namindrana fo. Hoy izy: “Ry mpanompo ratsy fanahy, nafoiko ny trosa rehetra tany aminao, noho ny fiangavianao. Tsy mba tokony hamindra fo amin’ny mpanompo namanao koa ve ianao, toy ny namindrako fo taminao?” (Mat. 18:23-35) Tena namindra fo tamin’ilay mpanompo ilay mpanjaka, ka tokony ho namela ny trosan’ilay mpanompo namany izy. Toa an’io mpanjaka io i Jehovah, satria toy ny hoe mamoy trosa be izy rehefa mamela ny fahotantsika. Inona àry no tokony hataontsika, noho izy tia antsika sy mamindra fo amintsika?

17 Azontsika hararaotina ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana, mba handinihana raha mitana lolompo amin’ny rahalahy na anabavintsika isika. Izao no fotoana mety tsara hanahafana an’ilay Andriamanitra “vonona hamela heloka.” (Neh. 9:17; Sal. 86:5) Tokony ho vonona hamela tanteraka ny heloky ny hafa isika, raha mankasitraka an’izay nataon’i Jehovah ho antsika. Nafoiny mantsy ny trosantsika, na dia be dia be aza. Tsy ho tia antsika sy tsy hamela ny helotsika Andriamanitra, raha tsy tia ny hafa sy mamela ny helony isika. (Mat. 6:14, 15) Marina fa tsy hanova ny lasa izany, nefa hahasoa antsika.

18. Nahavita nanao inona ny anabavy iray, noho i Jehovah tia azy?

18 Tsy maintsy “mifampizaka” isika isan’andro, ary maro no mahatsapa hoe tsy mora izany. (Vakio ny Kolosianina 3:13, 14; Efesianina 4:32.) Anabavy mpitovo, ohatra, i Lily ary anabavy maty vady i Carol. [1] Tsara fanahy i Lily ka nazoto nanao zavatra be dia be hanampiana an’i Carol, ohatra hoe nitondra azy tany amin’izay toerana nila nalehany ary niantsena ho azy. Nanakiana an’i Lily foana anefa i Carol sady sarotsarotiny. Na izany aza, dia niezaka nitadidy ny toetra tsaran’i Carol i Lily, ary nanampy azy nandritra ny taona maro, mandra-pahafatiny. Narary be mantsy i Carol tatỳ aoriana ary maty. Mafy tamin’i Lily ny nikarakara azy, nefa hoy izy: “Tsy andriko izay hahitana azy mitsangana amin’ny maty. Tiako ho hita hoe hoatran’ny ahoana izy rehefa lavorary.” Inona àry no hataontsika noho i Jehovah tia antsika? Hiezaka hifampizaka isika ary ho vonona hiandry an’ilay fotoana tsy hisian’ny olona tsy lavorary intsony.

19. Inona no hataonao raha ankasitrahanao ilay ‘fanomezana maimaim-poana tsy hay lazaina’ nomen’Andriamanitra?

19 Nomen’i Jehovah ‘fanomezana maimaim-poana tsy hay lazaina’ tokoa isika. Aza atao tsinontsinona mihitsy izy io! Saintsaino sy ankasitraho foana kosa izay rehetra nataon’i Jehovah sy Jesosy ho antsika, indrindra amin’izao vanim-potoan’ny Fahatsiarovana izao. Tena tia antsika izy ireo. Enga anie izany handrisika antsika hanaraka akaiky ny dian’i Jesosy, hiezaka ho tia ny rahalahy sy anabavintsika, ary hamela tanteraka ny helony.

^ [1] (fehintsoratra 18) Novana ny anarana sasany.