Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 2

Miderà An’i Jehovah Rehefa any Am-pivoriana

Miderà An’i Jehovah Rehefa any Am-pivoriana

“Eo anivon’ny fiangonana no hiderako anao.”—SAL. 22:22.

HIRA 59 Derao i Jah!

HO HITANAO ATO *

1. Inona no nataon’i Davida, ary nahoana?

NANORATRA i Davida Mpanjaka hoe: “Lehibe i Jehovah, ka tena mendrika hoderaina.” (Sal. 145:3) Tena tia an’i Jehovah izy, ka nidera azy rehefa niaraka tamin’ny fiangonana. (Sal. 22:22; 40:5) Azo antoka hoe tena tia an’i Jehovah koa ianao, ary manaiky an’ireto tenin’i Davida ireto: “Ry Jehovah Andriamanitr’i Israely razambenay ô, hisaorana [na hoderaina] anie ianao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay!”—1 Tan. 29:10-13.

2. a) Ahoana no azontsika iderana an’i Jehovah? b) Nahoana no tsy mora amin’ny olona sasany ny mamaly? Inona no hodinihintsika izao?

2 Midera an’i Jehovah, ohatra, isika rehefa manome valin-teny any am-pivoriana. Tena tsy mora amin’ny rahalahy sy anabavy maro anefa izany. Te handray anjara ry zareo nefa matahotra. Inona àry no hanampy azy ireo tsy hatahotra hamaly? Ary inona no hanampy antsika rehetra hanome valin-teny mampahery? Hamaly an’ireo isika rehefa avy eo, fa hojerentsika aloha izao ny antony efatra mahatonga antsika hanome valin-teny rehefa any am-pivoriana.

NAHOANA ISIKA NO MANOME VALIN-TENY?

3-5. a) Nahoana isika no manome valin-teny, araka ny Hebreo 13:15? b) Tokony hitovy daholo ve ny valin-teny omentsika? Hazavao.

3 Omen’i Jehovah tombontsoa hidera azy daholo isika. (Sal. 119:108) Anisan’ny “sorona fiderana” ny valin-teny, ary tsy misy olon-kafa afaka hanao an’izany ho antsika. (Vakio ny Hebreo 13:15.) Tokony hitovy daholo ve anefa ny sorona, na valin-teny, omentsika? Tsy mitaky an’izany i Jehovah.

4 Fantatr’i Jehovah hoe tsy mitovy ny fahaizantsika sy ny zavatra iainantsika, dia tena sarobidy aminy izay sorona azontsika omena. Eritrereto ny karazana sorona nekeny, tamin’ny andron’ny Israelita. Afaka nanolotra zanak’ondry na osy ny sasany. Nisy kosa nahantra, dia “domohina roa na zana-boromailala roa” no mba azony nomena. Nisy anefa tsy afaka nanome vorona roa akory, dia neken’i Jehovah na dia “lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha” aza no nomeny. (Lev. 5:7, 11) Mora kokoa ny lafarinina, nefa nankasitrahan’i Jehovah ilay izy raha “tsara toto”, izany hoe ny lafarinina tsara indrindra.

5 Tsy niova i Jehovah fa mbola tsara fanahy hoatr’izany foana. Tsy mitaky izy hoe tokony hahay hamoaka hevitra be hoatran’i Apolosy daholo isika rehefa mamaly, na hoe hahay handresy lahatra be hoatran’i Paoly. (Asa. 18:24; 26:28) Tiany fotsiny raha manome izay valin-teny tsara indrindra avy amintsika isika. Tadidio ilay mpitondratena nanome vola madinika roa. Tena tian’i Jehovah izy, satria izay tsara indrindra tany aminy no nomeny.—Lioka 21:1-4.

Tsy isika ihany no mandray soa amin’ny valin-tenintsika, fa ny hafa koa (Fehintsoratra 6-7) *

6. a) Inona no vokany rehefa maheno ny valin-tenin’ny olon-kafa isika, araka ny Hebreo 10:24, 25? b) Inona no azonao atao rehefa misy valin-teny mampahery anao?

6 Mampahery ny hafa isika rehefa manome valin-teny. (Vakio ny Hebreo 10:24, 25.) Mahafinaritra antsika rehetra ny maheno valin-teny samihafa. Tsy faly ve ianao rehefa misy ankizy manome valin-teny tsotra sy avy amin’ny fo? Ary ahoana rehefa misy olona mafana fo erỳ miresaka momba ny zava-baovao nianarany? Misy olona koa saro-kenatra na vao mianatra ny fitenintsika, nefa sahy manome valin-teny. Tsy manohina ny fonao ve ny herim-pon’izy ireny? (1 Tes. 2:2) Asehontsika hoe mankasitraka ny valin-teny mampahery ataon’ireny namantsika ireny isika, raha misaotra an-dry zareo rehefa vita ny fivoriana. Mankasitraka azy ireny koa isika raha miezaka mamaly. Tsy mahazo fampaherezana fotsiny isika amin’izay, fa manome koa.—Rom. 1:11, 12.

7. Inona no soa raisintsika rehefa mamaly isika?

7 Mandray soa isika rehefa mamaly. (Isaia 48:17) Voalohany, rehefa mieritreritra ny hanome valin-teny isika, dia vao mainka hazoto hanomana tsara. Hazava kokoa amintsika amin’izay ny voalazan’ny Baiboly, ka ho haintsika kokoa ny hampihatra an’izay nianarantsika. Faharoa, vao mainka ho tiantsika ny fivoriana, satria mandray anjara amin’ilay izy isika. Fahatelo, mitaky ezaka be ilay mamaly ka matetika no lasa tadidintsika izay noresahintsika, na dia ela be atỳ aoriana aza.

8-9. a) Ahoana no fahitan’i Jehovah ny valin-teny omentsika, araka ny Malakia 3:16? b) Inona no mbola tsapan’ny olona sasany, na dia mahafantatra an’izany aza izy ireo?

8 Faly i Jehovah rehefa miresaka an’izay inoantsika isika. Mihaino antsika i Jehovah, ary tena ankasitrahany ny ezaka ataontsika mba hanomezana valin-teny. (Vakio ny Malakia 3:16.) Tahiny isika rehefa miezaka mafy mampifaly azy hoatr’izany. Izany no ampisehoany hoe ankasitrahany isika.—Mal. 3:10.

9 Betsaka àry ny antony tokony handrisika antsika hanome valin-teny. Mety hisy amintsika anefa mbola tsy ho sahy hanangan-tanana ihany. Aza kivy raha hoatr’izany ianao. Handinika toro lalan’ny Baiboly sy ohatra ary soso-kevitra vitsivitsy isika izao. Mety hanampy antsika rehetra hazoto hanome valin-teny bebe kokoa izany.

AHOANA NO HATAO RAHA MATAHOTRA?

10. a) Inona no atahoran’ny ankamaroantsika? b) Nahoana no tsy voatery ho ratsy izany tahotra izany?

10 Midobodoboka be ve ny fonao raha vao mieritreritra fotsiny hoe hanangan-tanana? Tsy ianao irery no hoatr’izany. Somary matahotra daholo mantsy ny ankamaroantsika rehefa hamaly. Mila fantarinao anefa aloha izay tena mampatahotra anao, izay ianao vao ho afaka handresy an’ilay izy. Matahotra ve ianao sao tsy hotadidinao izay tianao hotenenina? Sa ianao mieritreritra hoe: ‘Aza hitako ka diso ity valin-teniko ity?’ Manahy ve ianao hoe tsy ho tsara be hoatran’ny an’ny olon-kafa ilay izy? Tsy voatery ho ratsy ny tahotra hoatr’izany. Hita amin’izany mantsy hoe manetry tena ianao, ary mihevitra ny hafa ho ambony noho ianao. Tena tian’i Jehovah izany toetra izany. (Sal. 138:6; Fil. 2:3) Tiany hidera azy sy hampahery ny mpiara-manompo koa anefa ianao rehefa any am-pivoriana. (1 Tes. 5:11) Tiany be ianao ary hampiany mba ho sahy hanome valin-teny.

11. Inona no lazain’ny Baiboly ka mety hanampy anao?

11 Tadidio koa izay lazain’ny Baiboly. Voalaza ao, ohatra, hoe manao fahadisoana daholo isika, ka mety ho diso ny zavatra tenenintsika, ary mety tsy hety ny fomba ilazantsika an’ilay izy. (Jak. 3:2) Tsy miandry zavatra tonga lafatra avy amintsika koa i Jehovah sy ireo rahalahy sy anabavintsika. (Sal. 103:12-14) Tsy vitan’izany fa fianakaviantsika daholo ry zareo, sady tena tia antsika. (Mar. 10:29, 30; Jaona 13:35) Fantatr’izy ireo hoe mety tsy hivoaka tsara araka ny itiavantsika azy ny valin-tenintsika indraindray.

12-13. Inona no azontsika ianarana avy amin’i Nehemia sy Jona?

12 Hahavita handresy ny tahotrao ianao, raha mieritreritra ny tantaran’ny olona sasany resahin’ny Baiboly. Tadidinao ve i Nehemia? Niasa tao amin’ny lapan’ny mpanjaka iray tena nahery izy. Rehefa henony hoe simba ny mandan’i Jerosalema sy ny vavahadiny, dia nalahelo izy. (Neh. 1:1-4) Azo antoka fa nidobodoboka be ny fony rehefa nanontany azy ny mpanjaka hoe inona no nampalahelo azy. Nivavaka haingana i Nehemia tamin’izay, dia avy eo namaly. Inona no vokany? Tena nanampy ny vahoakan’Andriamanitra ilay mpanjaka. (Neh. 2:1-8) Ianarantsika avy amin’izany hoe ilaina ny mivavaka alohan’ny hanomezana valin-teny. Ary i Jona ve tadidinao? Nirahin’i Jehovah hampitandrina ny mponin’i Ninive izy, nefa natahotra be dia nandositra. Toerana mifanipaka tanteraka amin’i Ninive no nandehanany! (Jona 1:1-3) Nampian’i Jehovah anefa izy, dia vitany izay nasaina nataony. Nisy vokany tsara tamin’ny mponin’i Ninive koa ny hafatra nentiny. (Jona 3:5-10) Ianarantsika avy amin’izany indray hoe afaka manampy antsika hanompo azy i Jehovah, na dia matahotra be hoatran’ny inona aza isika. Dia hampahatahotra be noho ny Ninivita kosa ve ny fiangonanareo?

13 Inona àry no hanampy antsika hanome valin-teny mampahery rehefa any am-pivoriana? Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy.

14. Nahoana isika no tokony hanomana tsara? Rahoviana isika no afaka manomana?

14 Omano foana ny fivoriana. Manomàna mialoha, dia ataovy tsara izany. (Ohab. 21:5) Tsy dia hatahotra hanome valin-teny ianao amin’izay. Samy hafa ny fotoana anomanantsika fivoriana. I Eloise, ohatra, anabavy maty vady ary 80 taona mahery. Eo am-piandohan’ny herinandro izy dia efa manomboka manomana Ny Tilikambo Fiambenana. Hoy izy: “Tiako kokoa ny fivoriana rehefa voaomako mialoha.” I Joy indray miasa tontolo andro, dia ny asabotsy izy no manomana ny gazetiny. Nilaza izy hoe izay no mety aminy, satria tadidiny tsara ilay izy ny ampitson’iny. I Ike indray anti-panahy be atao ary mpisava lalana. Hoy izy: “Aleoko mianatra tsikelikely mandritra ny herinandro, toy izay mianatra ela be indray mandeha. Izay no mety indrindra amiko.”

15. Ahoana izany hoe manomana tsara?

15 Ahoana izany hoe manomana tsara? Isaky ny hanomboka ianao, dia mangataha fanahy masina amin’i Jehovah. (Lioka 11:13; 1 Jaona 5:14) Jereo amin’ny ambangovangony fotsiny ilay lahatsoratra manontolo avy eo. Diniho tsara, ohatra, ny lohateny, ny lohatenikely, ny sary, ny fanontaniana famerenana, ary ny efajoro. Omano amin’izay ny fehintsoratra tsirairay, dia mamakia andinin-teny betsaka araka izay azo atao. Saintsaino tsara izay ianaranao, dia mijanòna elaela kokoa eo amin’izay hevitra tianao hovaliana. Handray soa kokoa ianao raha manomana tsara, sady mety ho mora kokoa aminao ny hamaly.—2 Kor. 9:6.

16. Inona avy no azonao ampiasaina rehefa mianatra? Ahoana no ataonao rehefa mampiasa azy ireny?

16 Ampiasao izay programa na tranonkala misy amin’ny fiteny hainao, raha afaka manao an’izany ianao. Maromaro ny fanampiana omen’i Jehovah mba hahafahantsika manomana fivoriana. Namoaka ny programa JW Library®, ohatra, ny fandaminana, dia lasa azo atao ao anaty telefaonina na tablety ny zavatra ianarana any am-pivoriana. Afaka mianatra an’ireny foana àry isika na aiza na aiza, na fara faharatsiny, mamaky na mihaino an’ilay izy. Misy, ohatra, mampiasa an’io programa io mba hianarana, mandritra ny fiatoana any am-piasana na any am-pianarana. Misy koa manao an’izany rehefa any anaty fiara na mandeha bisy. Manana ny Watchtower Library sy ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny Internet koa isika. Lasa tsotra kely àry ny manao fikarohana, rehefa misy hevitra tiantsika ho azo tsara ao amin’ilay fianarana.

Isaky ny inona ianao no manomana fivoriana? (Fehintsoratra 14-​16) *

17. a) Nahoana no tsara ny manomana valin-teny maromaro? b) Inona no ianaranao avy amin’ilay video hoe Omano ny Valin-teninao?

17 Manomàna valin-teny maromaro, raha azo atao. Tsy voatery ho voatondro mantsy ianao rehefa manangan-tanana. Mety hisy olon-kafa hanangan-tanana koa, dia ny iray amin-dry zareo no mety hasain’ilay mpitarika hamaly. Tsy tokony hihoatra koa ny fotoana hanaovana an’ilay fianarana, ka mety hoferan’ilay mpitarika ny isan’ny valin-teny mifandray amin’ny hevitra sasany. Aza tezitra na kivy àry raha tsy voatondro ianao, eny amin’ny voalohandohan’ilay fianarana. Mety ho afaka hamaly imbetsaka kokoa ianao raha manomana valin-teny maromaro, ohatra hoe mamaky andinin-teny. Raha azo atao koa, dia manomàna valin-teny amin’ny fomba fiteninao fa aza mamaky fotsiny an’izay voasoratra. *

18. Nahoana no tokony ho fohy ny valin-tenintsika?

18 Ataovy fohy ny valin-teninao. Fohy sy tsotra matetika ny valin-teny tena mampahery. Aleo àry tsy manome valin-teny lava be. Miezaha mba tsy hihoatra ny 30 segondra eo ho eo rehefa mamaly. (Ohab. 10:19; 15:23) Efa an-taonany maro angamba ianao no nanome valin-teny. Tena tokony ho modely àry ianao, ka hiezaka hanome valin-teny fohy. Raha manazava ela be mantsy ianao sady mihodinkodina be ny fanazavanao, dia mety tsy ho sahy hamaly ny olon-kafa. Mety hieritreritra izy hoe: ‘Izaho ve dia mba hahay hamaly hoatr’izany?’ Rehefa fohy koa ny valin-teny, dia betsaka kokoa no afaka mandray anjara. Raha ianao no voatondro voalohany, dia manomeza valin-teny mivantana sy tsotra. Aza resahina daholo ny hevitra ao amin’ilay fehintsoratra. Rehefa voaresaka ny hevi-dehibe, dia afaka manazava hevitra fanampiny ianao.—Jereo ilay hoe “ Inona no Valin-teny Azoko Omena?

19. Inona koa no azonao atao raha te hamaly ianao?

19 Teneno ilay mpitarika hoe aiza ho aiza ianao no te hamaly. Tokony hiresaka aminy mialoha ianao, dieny mbola tsy manomboka ny fivoriana. Rehefa tonga eo amin’ilay fehintsoratra ny fianarana, dia atsangano haingana ny tananao ary ataovy ambony tsara mba ho hitany.

20. Nahoana no hoatran’ny hoe miara-misakafo amin’ny namanao ianao rehefa mivory?

20 Ataovy hoatran’ny hoe miara-misakafo amin’ny namanao ianao rehefa mivory. Ahoana, ohatra, raha misy rahalahy sy anabavy vitsivitsy manasa anao, dia iangaviany hitondra sakafo kely ianao? Mety ho lasa saina ianao hoe inona no hoentina. Azo antoka fa izay tsara indrindra azonao entina sy azon’ny rehetra ankafizina no hoentinao. Toy ny hoe manasa antsika hisakafo koa i Jehovah. Be dia be sady tena matsiro ny zavatra arosony ho antsika any am-pivoriana. (Sal. 23:5; Mat. 24:45) Faly koa anefa izy rehefa mandray anjara isika, ka manome an’izay valin-teny tsara indrindra avy amintsika na dia tsotra aza. Manomàna tsara àry, dia mandraisa anjara betsaka araka izay azo atao. Sady hihinana eo amin’ny latabatr’i Jehovah ianao amin’izay, no hizara ho an’ny fiangonana.

HIRA 2 Jehovah no Anaranao

^ feh. 5 Tia an’i Jehovah i Davida mpanao salamo ary faly izy nidera azy. Hoatr’izany koa isika rehetra. Fantatrao ve hoe misy fomba miavaka azonao ampisehoana hoe tianao i Jehovah? Manao an’izany ianao rehefa manome valin-teny any am-pivoriana. Mety hatahotra hamaly anefa ianao. Nahoana? Inona no hanampy anao tsy hatahotra intsony? Handinika an’ireo isika ato.

^ feh. 17 Midira ao amin’ny jw.org, ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > ANKIZY, dia jereo ilay video hoe Ataovy Namanao i Jehovah: Omano ny Valin-teninao.

^ feh. 63 SARY: Rahalahy sy anabavy falifaly mandray anjara amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.

^ feh. 65 SARY: Ny sasany amin’ireo rahalahy sy anabavy tao amin’ilay sary teo aloha. Tsy mitovy ny fiainan’izy ireo, nefa samy manokana fotoana hanomanana fivoriana izy rehetra.